DIDY FOLO

101. diamondra27 ( 09/02/2006 15:54)
De @ty resaka kisoa ity koa 'zany de ataoko fa aleo samy mivavaka manokana ho azy de ny fanahY Masina no hitarika antsika @'zay tokony ataontsika.:wink:

Raha nitondra ambavaka ny namako iray izay 'za taloha de, mba hahatonga azy hanolontena ho an'i Jesosy de tsy nivaly teo no ho eo le vavaka.
Ny tiako lazaina @ zany de mba hivavaho izahay mba hiroso @ lalatsaran'ny tenin'A
102. diamondra27 ( 09/02/2006 16:22)
lala- tsaran'Atra. De samy haharitra @ fanompoana ny Tompo ny tsirairay avy:-*
103. Veloo ( 09/02/2006 16:46)
diamondra, jentilisa a atsika ny misafidy e... io tsy misy azo terena na iza na iza samy manana ny conscience-tsika isika. Tsy afaka milaza na inn na inn ho an'iza na iza zao satria za ko ary olona eto an-tany mbola panota ....Mampiseo anareo izay fantatro fotsiny za OK? :-*:-*
104. dadabe ( 10/02/2006 04:36)
marina izany veloo , sy izay voalazan'ny baiboly koa a:roll:
105. Veloo ( 10/02/2006 19:37)
dadabe :-*:-*
diamondra:-*:-*
106. marozevo ( 11/02/2006 00:10)
Non !! Aza tsorina loatra le zavatra eh... Ohatran'ny tadidiko i Jesosy niteny hoe "tsy izay miditra ao anatin'ny olona no mamapaloto azy, satria ariana any an-katakonana iny... fa izay mivoaka avy ao amin'ny vava satria avy ao am-po ireny, dia ny fanirian-dratsy, fijangajangana sns...". Mba tadiavo kely dadabe ny misy an'io ao amin'ny filazan-tsara ah, izaho manko tena reraka amin'ny fiotadidiana referansy araka ny efa niaikeko tary.
Dia ampitahao amin'io ireo voalaza ireo.
Ao amin'ny Matio ( 5 na 6 na 7 ao) misy koa sokajin-dahatsoratra miantomboka amin'ny hoe "Voalaza tamin'ny Razanareo hoe ".."... fa izaho kosa milaza aminareo..."
Dia ahoana ireo.
107. jentilisa ( 11/02/2006 07:16)
ka izay indrindra ilay mahasamihaf
108. dadabe ( 11/02/2006 13:49)
marozevo > ary hafahafa anie izany ilay Jesoa hivavahan'i marozevo e, satria i Jehovah raha namorona izao tontolo izao dia nametra hoe ireto ihany no azo hanina dia ireto tsy azo hanina , de rehefa tonga ilay Jesoa an'i marozevo dia novainy , nataony hoee azo hanina daholo indray ,izany hoe notoheriny ilay didin'Ilay nataony hoe Rainy tany aloha fa nanao lalana vaovao ho azy izy
hummm :-w
109. Veloo ( 12/02/2006 01:17)
marovezo a tadiavo aloha ilay toko sy andininy e...
110. dadabe ( 12/02/2006 13:48)
:roll::roll::roll::-*
111. marozevo ( 12/02/2006 18:09)
tsy Jesosin'i Marozevo io ry dadabe fa ao amin'ny Baiboly ah..
Mody resy ndray lery dia tsy mety mitady ilay referansy. izaho anefa tena siora fa misy io teny io.
veloo : Ao fa ho tadiaviko ary eh... Ny an'i dadabe manko dia io TT io ihany no kikiriny eto.
112. Veloo ( 13/02/2006 00:19)
za tsy mino an'izany ry marovezo a... Izy dia mampiasa ny TT sy TV ...
113. marozevo ( 13/02/2006 00:26)
Za kosa aloha tsy niteny hoe "azo hanina daholo indray" izany eh... vakio tsara ho'aho ny voasoratry ny olona..... voatery haverina foana ve izay lazaina ao ambony isan'andro izao.
tsy hiresaka amin'i dadabe intsony aho raha izany no fomba fiasan'i dadabe.
Tsy mino ve i veloo fa misy ao amin'ny baiboly ny hoe : " Tsy izay miditra amin'ny vavan'ny olona no mampaloto azy...". ? Tena ao io ka.
Iangaviako i dadabe handray baiboly sy hamaky an'io aloha vao milaza hoe JESOSIN'I MAROZEVO.
114. dadabe ( 13/02/2006 02:26)
marozevo > ary zah tsy miteny nefa ianao milaza dadabe foana ?:-w:-w:-w
fa ao aza fa hotadiaviko le referansy raha izay no tinao e:@
115. jentilisa ( 13/02/2006 09:31)
tsy tany amin'ny famoronana kosa no nilazana hoe izao no hanina sy tsy hanina fa ny Zanak'Israely nivoaka avy tany Egypta e!
116. hery ( 13/02/2006 09:41)
Ary sao dia tsy tafiditra ao anatin'ny Baiboly sasany ity?

Asa 10 http://baiboly.org/toko.asp?boky=Asa&Toko=10&andininy=9-15

9 Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dàlana izy ireo ka mby teo akaikin'ny tanàna, dia niakatra teo ambonin'ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.

10 Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy

11 ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra ho amin'ny tany;

12 ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.

13 Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.

14 Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.

15 Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
117. hery ( 13/02/2006 09:48)
Ary ity ambany ity kosa no tian'i marizevo ho hitan'i Veloo sy Dadabe :-)

Matio 7, 18-19
http://baiboly.org/toko.asp?boky=Marka&Toko=7&andininy=18,19

18 Ary hoy Izy taminy: Hay! Hianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,

19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
118. hery ( 13/02/2006 09:49)
Marka ilay teo ambony io fa diso aho
119. dadabe ( 13/02/2006 10:45)
hummm hery > okay aza fa hamaly anao aho

rehefa mamaky baiboly ry hery dia vakio hatramin'ny farany a.
Manaiky aho fa nisy fahitana hitan'i petera , dia nisy biby isankarazany tao dia hoe io hano , fa tsy nihinana izy satria misy zavatra natao tokony hofadina hoy izy ,manaraka izany dia hoy ilay feo " efa voadio avokoa ny zavatra rehetra "
inona aza ny zavatra asehon'izany satria fahitana io fa tsy hoe zavatra hafa ?dia tohizo ilay andininy fa aza ajanona antenatenany

24 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.

25 Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy.

26 Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna fa izaho dia olana ihany.

27 Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.

28 Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.

29 Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; dia manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?


and faha 24 dia manao hoe ny ampitson'io , izany hoeny ampitso ny nahitany io fahitana io dia nihaona t@ olna hafa firenena izy .
dia nisalasala ny olona satria samy hafa firenena dia hoy ny navalin'i petera
28 Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.

hay izany ilay fahitana hitan'i petera omaly (ilay voalazan'i hery eo ambony io)dia tsy resaka hanina arabakiteny , fa resaka olona samy hafa firenena , izany hoe efa nodiovin'Andriamnitra ka tsy misy atao hoe olna fady intsony ,izany hoe tsy resaka sakafo ity ka hoe efa nodiovin'Andriamnitra avokoa ny zvatra rehetra dia azo hanina indray .

Izao anie no mahagaga e, Ilay Andriamintra (t@ andron'i Mosesy sy Abrahama , sy Noa sy Jakoba sy i Kristy dia Andriamintra tsy nihinana Kisoa , de ahoan indray rehefa tonga ve i Kristy dia hotoheriny ny lalana izay napetraky ny Rainy ? nefa Izy ihany anie no nilaza hoe ,Tsy tonga aho handrava lalana fa hanatanteraka.

dia miandry ny fanotaniana manaraka indray e:°)
120. hery ( 13/02/2006 11:18)
Sambasamba aho nahita an'i Dadabe niteny hoe vakio hatramin'ny farany ny andininy fa aza raisina antenantenany. :-)

1. Ilay fahitana dia endrik'ilay tena izy. Tahaka ny maha-madio ny sakafo rehetra no mampadio ihany koa ny hafa firenena (izay no maha fahitana sy famantarana azy). Tahaka ny tsy tokony hanavakavahana ny sakafo rehetra (Kisoa sy omby) no tsy tokony hanavakavahana koa ny fahasoavana ho an'ny olona rehetra (Jiosy sy Jentilisa). Izay no nilazany hoe Efa nodiovin'Andriamanitra ka aza atao ho maloto intsony... Jereo tsara ilay hoe Efa nodiovina fa mifono zavatra lehibe. Midika izany fa mety hoe naloto io taloha... (testamenta taloha) saingy efa nodiovina ihany kosa (taorian'ny Fitsanganan'I Jesoa). Tahaka ny Jentilisa izay tsy navela niditra tao amin'ny Tempoly taloha... kanefa Efa nodiovina (tamin'ny Ra ho an'ny rehetra) ka afaka miditra ho anisan'ny Kristianina kosa ankehitriny.
Tsy fandravàna lalàna no nataon'i Jesoa fa fanatanterahana ny lalàna tokoa. Raha lalàna nampisaraka ny olona samihafa (ny mpihinan-kisoa sy ny tsy nihinana) dia nohamafisiny tamin'ny lalàna nampiray ny olona rehetra (Na jentily na jiosy sns...). Koa asakasak'izay mbola hampisaraka indray :-)

Averiko eto ambany koa ilay Marka 7, 18 izay milaza fa tsy izay hanina velively akory no hampaloto ny olona. Misy zavatra hafa manan-danja lehibe lavitra noho ny hanina... dia ireny aloha jerena.
Marka 7. 18
19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.

Fehiny:
Nisy tokoa ny hanina naloto, ny fomba ivelany naloto (tsy manasa tanana sns), fa nony nitsangana tamin'ny maty i Jesoa dia nitondra ilay Fifanekena vaovao izay tsy mandrava ny lalàna fa kosa mametraka azy ho ao anatin'ny lalàn'ny fitiavana. Marihako kosa anefa fa raha toa ka mbola manafintohina ny olona hafa ny fihinananao kisoa (@ fanasàna ohatra) dia tokony tsy hihinana ianao. Ny voakasika amin'io dia ilay lalàn-n'ny fitiavana fa tsy ilay lalàn'ny sakafo. Efa novelabelarin'i Paoly koa moa ny momba an'io.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4059