DIDY FOLO

41. Veloo ( 27/01/2006 16:18)
marovezo a, tsy misy olana mihitsy zany samy manana ny sainy isika ary samy mahay mandanjalanja ny hevitrin'ny sasany... Alaivo izay itanao fa tsara aminao dia arivo izay itanao fa tsy ekenao..:wink:
42. Veloo ( 27/01/2006 16:22)
oy i jentilisa oe:
zany an! nefa io anie no hoe soratana amin'ny takelabato izay nopotehin'i Mosesy e!


inona no tianao lazaina @ io? ny didy folo ve?
43. marozevo ( 27/01/2006 23:42)
diamondra27:

k'efa misy lohahevitra ny @ sabata ato koa, efa nanomboka fa jereo haingana sao de tara train...



Efa hitako iny ka... Efa betsaka ny voalazantsika ao.
44. dadabe ( 28/01/2006 03:54)
:°):°):°)
45. jentilisa ( 28/01/2006 09:58)
Eks 34:
1 Ary hoy Jehovah tamin\'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin\'ireo vatofisaka ireo ny teny izay tamin\'ilay vato fisaka teo, izay novakivakianao(...)
4 Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo i Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin\'ny tendrombohitra Sinay, araka ilay efa nandidian\'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa.

11-16 [1] Hiasa Andriamanitra ka tanterahina ny baiko voalohany. Mandrava ny andriamanitr\'ireo efa noresena fa tsy hamela ireny mbola hitoetra eny ihany... tsy misy fifanekena azo atao na ekena na ara-pomba na ara-panambadiana.

17 [2] Aza manao andriamanitra an\'idina ho anao ( aza mamorona andriamanitra ho anao na hita maso na tsy hita maso[ideôlôjia...] hataona andriamanitra ka asolonao ilay efa niasa ho anao.

18 [3] Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira_hafitoana no mihinana atao amin\'ny volana Abiba satria tamin\'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta. (izany hoe raha ny fahazoako azy dia ny paska jiosy no ambara eto_milaza ny asam-panavotana nataon\'Andriamanitra ihany koa)

Eo amin\'ny voalohany izy dia milaza ny asa hatao na andalam-panaovana, eto kosa dia milaza indray ny zavatra efa natao dia ny famonjena izany.

19-20 [4] Izay voalohan-teraka rehetra no ahy(...) ary ny matoa rehetra dia havotanao ary aoka tsy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.

rehefa nilaza ny asam-panavotana Izy tetsy ambony dia nampahatsiahy kokoa fa tany Egypta dia loza fahafolo ny fahafatesan\'ny matoa egyptiana tany. Eo koa ny hoe izay rehatra ataonao dia eritrereto voalohany indrindra izay atolotrao an\'Andriamanitra. Tsy atao ambanin-javatra iny.

21 [5] henamana no hiasanao fa ny andro fahafito ianao dia hitsahatra.

nahavariana fa tsy noteneniny hoe ny sabata io, fandikan\'olombelona raha misy manampy sy mametraka izay avy hatrany.

22 [6] Tandremo ny andro manarakaraka ireo herinandro @ fanaterana ny voalham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika...sy ny andro firavoravoana @ fanangonana @ fitsingerenan\'ny taona (anniversaire sy taom-baovao...)

eto dia manambara fa tsara ny manao fety, mbola tsy misy resaka andriamanitra \"aloha\"

23 [7] intelo isan-kerintaona ny lehilahy no hiseho eo anatrehan\'i Jehovah Tompo Atry ny Israely.

25 [8] Aza manatitra ny ran\'ny zavatra vonoina atao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao. Ary aza avela ho tra-maraina ny zavarta vonoina hatao fanatitra @ andro firavoravoana ami\'ny Paska.

26 [9] Ny santatra amin\'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho an\'i Jehovah Andriamnitrao.

[10] Aza mahandro zanak\'osy amin\'ny rononon-dreniny. ( izany hoe aza mifaly amin\'ny fahorian\'ny hafa ihany koa no dikany, mandika aho eto)

Dia izay sy izay aloha no soratako e!
46. dadabe ( 28/01/2006 10:01)
ie de asio komantera e
47. jentilisa ( 28/01/2006 12:06)
Ny fanazavana sahala amin'ny ahoana ary no tadiavinao e? aleo anie izay tsy azo mihitsy no anontaniana fa raha fanazavana manjary boky be mihitsy no mamaoka azy e! :lol: 8)
48. Veloo ( 29/01/2006 00:15)
ny didy folo dia soratan'Antra teo @ vato fisaka roa... novakin'i Mosesy ilay izy satria izy tena tezitra @ zanak'israel satria nivavaka t@ sampy ry zareo t@ izy tsy teo... fa nomen'Andtra anankiray ndray izy...nitondra vatofisaka roa i Mosesy fa i Andtra ihany no nanoratra azy
49. jentilisa ( 29/01/2006 10:40)
ny voalohany ary e: azo raisina aloha voalohany indrindra hoe izay miaraka amin'Andriamanitra dia naman'ny mandresy sahady! mandresy ny adiady madinika eo amin'ny fiainana...izay ilay mandroaka eto!

dia tohizana ve? :^)
50. marozevo ( 30/01/2006 00:12)
Na eto na atsy amin'ny lohahevitra anankiray atsy dia tena interessant ny fifanakalozana traik'efa sy fifanakalozana fandalinana ataon'i Jentilisa sy i dadabe. Misaotra anareo fa tena misy horaisina ireo. Izaho dia miala tsiny fa tsy afaka mandalina lalina be toy ireny... Fa tsy ataoko ambanin-javatra ireo fa dinihiko tsara. Fa hono ho'aho, mba mangataka ny autorisation avy aminareo roalahy (sa roavavay sa mianadahy !)mba ho afaka mandika ireo amin'ny disikety dia any an-trano aho mandinika azy akaiky.
51. Veloo ( 30/01/2006 00:39)
marovezo a njy ve afaka omena an;io teny anglisy?
52. marozevo ( 30/01/2006 00:58)
Veloo:

marovezo a njy ve afaka omena an;io teny anglisy?



Za ho'aho tsy NJY zany fa "IALAHY". Avia mijery raha tsy matoky.
53. Veloo ( 30/01/2006 01:07)
:roll::roll::roll: iza no tsy ataoko njy ato lesy a eny ary e elaaaaaaaaaaaaaa:roll:
54. jentilisa ( 30/01/2006 05:32)
Izaho aloha dia tsy manakana mihitsy e! zara aza mba misy fifanakalozana toy izao hahitan-javatra
55. diamondra27 ( 30/01/2006 05:50)
didy fahafiry indray izany e? NJY sa LESY
56. jentilisa ( 30/01/2006 14:30)
didimaso angamba
57. Veloo ( 30/01/2006 17:15)
jentilisa =))=))=))
diamondra a :-D:-D njy mahita zavatra kle
58. marozevo ( 30/01/2006 23:24)
diamondra27:

didy fahafiry indray izany e? NJY sa LESY


Tsy didy fahafiry akory fa vokatry ny andro fahenina, satria namboatra an'i Adama Izy aloha... ary hitany fa tsara indrindra izany... dia nisy ny hariva ary nisy ny maraina.
59. Veloo ( 30/01/2006 23:37)
8O8O
60. marozevo ( 30/01/2006 23:45)
Fa maninona i veloo no tsy niteny teto... Sao dia mba tsy faly amin'ilay hoe "namboatra an'i Adama Izy aloha". Ka izay ary no ao amin'ny baiboly ko hataoko ahoana eh !
Fa midika koa izany fa tena tsy olona ilay bandy (Adama) raha tsy teo ilay Ramatoa nofo avy amin'ny nofony sy taolana avy amin'ny taolany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.622