DIDY FOLO

21. dadabe ( 25/01/2006 01:47)
:°):°) ary tsy zah irery kay fa mba manana namana ihany aho ato :°) , mitaky ihany koa ve ny taonan'i toi e
22. naritsimba ( 25/01/2006 09:44)
Ny didy dia natao harahina fa noho ny hamafin'ny fon'ny olona no tsy ampiharana ny sazy avy hatrany rehefa manota, ary Andriamanitra dia manam-paniriana ny tsy hanotan'ny olona ka mandefitra.

Dia izao no valin'ny fahotana:

Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Romana 6:23
23. jentilisa ( 25/01/2006 09:50)
routa:

teny folo hoe ????????
ny muisosratra ao amin'ny baibolikop aloha de ny hoe
didy folo e!:)


Dia vakio ary ery ambany fa misy teny hoe na: Teny Folo satria misy marika kely eo aorianan'io fitenenana io.
Efa fahadisoana kristiana hatramin'ny talohabe io fa ezahina ahitsy mandraka ankehitriny!
24. jentilisa ( 25/01/2006 09:56)
Ary tsarovy fa tsy eo amin'ny EX 20 ihany no misy io dekalôgy io fa misy ihany koa ao amin'ny Deoteronomia 4 sy any amin'ny faraparany any rehefa avy novakian'i Mosesy ny Vatofisaka misy ny teny vavolombelona!
Ary ny voasoratra ao amin'io faraparany io no tena mahavariana
ny teny fahafolo ohatra dia hoe aza mahandro Zanak'osy amin'ny rononon-dreniny. Aiza io amin'izay soratanareo eto? Tsy azo dingadinganina ny voasoratra an! saingy tsy nisy nanazava manko ireny dia iniana adinoina!
25. dadabe ( 25/01/2006 11:24)
dia mba azavao kosa aaza moa e :roll:
26. ravakamalala ( 25/01/2006 11:53)
diamondra27:
Ny fanontaniana mba tiako hampieritreritra antsika dia ity: Moa ve misy fahotana kely sy lehibe izany raha nanota ianao( na izaho)tsy nahatandrina ny didin'Andriamanitra?


raha amin ny katolika zao ohatra dia misy ny "peché véniel" sy ny "peché mortel". Ilay voalohany azonao ibebahana sy ahazoana famelana, fa ilay faharoa tsy fantatro hoe innn avy no takiana mba anafahana azy.
mila mianatra lesona aho ry reto a!

fa raha ny eritreritro manokana dia tsy misy ambaratonga izany ny fahotana fa rehefa ratsy dia ratsy.
27. jentilisa ( 25/01/2006 12:13)
ho avy e!
28. Veloo ( 25/01/2006 16:45)
oy ravaka oe:
raha amin ny katolika zao ohatra dia misy ny "peché véniel" sy ny "peché mortel". Ilay voalohany azonao ibebahana sy ahazoana famelana, fa ilay faharoa tsy fantatro hoe innn avy no takiana mba anafahana azy.
mila mianatra lesona aho ry reto a!

ravaka tsy misy lesona enaran-njy zany retsy a...
tsisy afa tsy Andriamanitra ihany no afaka manela ny (heloka) peche-tsika.. TSY MISY Olona eto an-tany afaka manao an'izany... Miodona @ andrimanitra injy fa izy ihany no afaka mamela ny Heloka...
ary ny fahotana dia iray mitovy daholo.....:wink::-*
29. marozevo ( 26/01/2006 00:18)
Amiko dia teny zato kabary arivo, fa tokana ny marina. tsy ny fanaovana analyse hoe TENY sa DIDY no zava dehibe, fa ny fiezahana hiaina sy hanaraka izay voalaza.
I Kristy kosa dia mazava ny azy : "DIDY vaovao no omeko anareo"... namintina ilay ambarantsika fa TENY na DIDY folo izy amin'iny.
30. Veloo ( 26/01/2006 01:35)
marovezo a marina mihitsy anie zany lazainao zany....tadidio fa ny didy folo irery tsy mahavonjy atsika any an-danitra..ny fanekena an'i Jesosy ho pamonjy atsika, ny manaiky azy sy ny manaraka azy amin'ny fosika manontolo no tena zava-dehibe.. rehefa atao izany dia mande ho azy ny fanarahana ny didy folo, ny fanekena ny fanaovana batisa, ny fanajana ny sabata. zay ilay zava-dehibe momban'ny fiainany ra olombelona.
31. Veloo ( 26/01/2006 01:41)
ty mbola misy zavatra kely adino" oy i jesosy oe raha tia ahy ianareo dia tandremo ny didiko... Jaona 14:15
Jereo koa ao Jaona 3: 16...Fa toy izao no nitiavan'andriamanitra an;ny izao tontolo izao dia nomen'ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra MINO azy fa hanana fianana mandrakizay"
ao @ io andininy io doly ny Baiboly rehetra...
32. jentilisa ( 26/01/2006 07:49)
Dia ahoana izany ny ao amin'ny eksodosy 34 io?
33. dadabe ( 26/01/2006 12:25)
veloo marina tanteraka sady ekena
34. Veloo ( 26/01/2006 15:50)
jentilisa a io ndray lesy loi ceremoniale.. izay noforonin'i Mosesy ary tapitra teo @nahafatesan'i Jesosy io.. tadidinao rovitra ny rideau nampisaraka ny le lieu tres saint sy ny le lieu saint.
35. marozevo ( 27/01/2006 01:03)
Veloo > D'accord aho. Chapeau... detail kely fotsiny no tsy itovizantsika dia ny momba ny Sabata... Lohahevitra hafa ny amin'iny.
36. diamondra27 ( 27/01/2006 06:21)
k'efa misy lohahevitra ny @ sabata ato koa, efa nanomboka fa jereo haingana sao de tara train...
37. jentilisa ( 27/01/2006 08:50)
zany an! nefa io anie no hoe soratana amin'ny takelabato izay nopotehin'i Mosesy e!
38. dadabe ( 27/01/2006 10:09)
jentilisa > inona aza no antony nanapotehin'i mosesy azy ?? natakalony andriamanikafa ve i JEHOVAH ?? sanatria izny a, fa ny fahatezerany t@ zanak'isiraely izay nanao sarina omby volamena mba hiankohofana no nahatonga azy hanapotika ilay vato ,
39. jentilisa ( 27/01/2006 14:03)
dadabe:

jentilisa > inona aza no antony nanapotehin'i mosesy azy ?? natakalony andriamanikafa ve i JEHOVAH ?? sanatria izny a, fa ny fahatezerany t@ zanak'isiraely izay nanao sarina omby volamena mba hiankohofana no nahatonga azy hanapotika ilay vato ,


Eks 32: nanao ombilahikely volamena ny zanak'Israely fa tsy andrin'ny olona intsony ny fihavian'i Mosesy!

Eks 32: 19 :Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy dia natontany ny vato fisaka teny an-tanany ka novakivakiany teo ambodin'ny tendrombohitra.

ary tadidio fa ny Eks 20 dia ten fotsiny ihany fa tsy hoe sady nanoratra no niteny Andriamanitra.

Any @ Eks 31:18 vao nomeny izany vatofisaka izany!

Hatreo aloha!



40. dadabe ( 27/01/2006 14:14)
ka izay anie hoaa e! izany hoe le didy 10 tsy niova , ary tsy nisy naha-ova an'iny , fa i Mosesy tezitra dia ny vato fisaka no nazerany t@ tany , dia inona no tian'i jentilisa ampitaina amin'izany ??le hafatra ???:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4864