inona no tena marina ?

81. hery ( 11/04/2005 08:46)
Io anie ilay ilazako hoe tsy ao anatiny dia mora ny miteny e...
Ny Fiangonana katolika dia misy ny atao hoe devotions izay tsy raràn'ny fiangonana. Misy ireo somary mivoana kely kanefa hita hoe tsy mivoaka amin'ireo hevidehibe-n'ny finoana. Misy ireo zavatra mitranga izay mbola tsy hitan'ny Fiangonana ny hanamarinana na tsia azy kanefa efa miparitaka be (apparitions sns)... harena ho an'ny Fiangonana Katolika izany diversité dans l'Unité izany...

Ka ny hira ho an'i Maria sy ny vavaka sasany dia tsy sakanan'ny Fiangonana mihitsy satria tsy manelingelina izay foto-pinoana izay i Jesoa no itodiany.

Ho tezitra ve i Jesoa raha miteny aho hoe tiako ny reniny? Enao ve ho tezitra raha ohatra ka misy miteny aminao hoe matoky ny reninao aho... fa izy tia anao.

Reny mpitari-dalana ô
Ry masina maria
O ry kintana ambony e!
TANTANO NY DIANAY

io hira io ohatra... sy ny hira hafa... izay toa mangataka ny pouvoir-n'i Maria dia vokatr'izay dévotions izay. Ny olona iray rehefa nangataka isanandro ny intecession-n'i Maria ka nahazo foana dia tsy misalasala miteny amin'i Maria hoe "fantatrao ny angatahanay"... izany tsy midika hoe "omeo anay" fa hoe "angataho any". etc.

Reny mpitari-dalana ô
Ry masina maria
O ry kintana ambony e!
TANTANO NY DIANAY

tahaka ny olo-masina rehetra koa dia modely eo amin'ny fiainana i Maria. Hadisoana ve ny miteny an'i Maria hoe ampianaro anay ny toetra tsara nanananao? Na hoe Tantano any amin'i Jesoa izahay? Fiankinana tanteraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra izay efa nomeny an'i Maria izany... ka ho an'ny katolika dia fahasoavana lehibe sy tombony manokana ihany koa.

82. hery ( 11/04/2005 09:06)
Raha ohatra ka hoe vao any amin'ny fitsanganana ho velona isika (mahatonga ny sasany hiteny hoe miresaka @ maty) dia efa tsy mitovy hevitra dia ho sarotra be ny hitohizan'ity resaka ity.

Ny anay mantsy "Ny fanahy dia tsy maty"
83. dadabe ( 11/04/2005 09:30)
mba hiteny kely aho klou e,tsy hevitra a
Maria O henoy ny feo
Miantso anao any ankoatra
Ny hava-tsy foinay mijaly
kanefa ....(tsy haiko


hery>hihi
Fantatrao ry reny tsara
fa ny nosy madagasikara
dia natolotra sy nomena anao
ka ekeo ny vavakay izao

Notre danes des vocations
mpanjakavavin'ny apostoly
ampitomboy ireo pretra
sy ny relijiozy teratany
ampitomboy ka hamasino
ho ....(tsy haiko tsony _
:D :D misaotra anareo nijery de tohizo amizay ary e,mba misento kely isika fa henjana be vao 4 andro ve de efa 80 sahady ny mitsidika ,aleo klou misento kely e (l) (l)
84. routa ( 11/04/2005 11:42)
lejim> tsy fantatro na izaho no tsy maharaka na ianao fa namaly ny fanontaniana napetra ka tamiko aho ary manazava ny hevitro tahaka anao manazava ny hevitra io .Misy resaka nifanaovanay sy randria ary ambony ary de nisyfanontaniana napetraka tamiko ka raha mijery ianao asa na iza no tara vao niditra zaho sa ianao ?
85. Lejim ( 11/04/2005 12:56)
Hanampiako an'izay voalazan'i hery izay dia izao. Azavaiko tsara aloha ilay sens-n'ny hoe "tantano" aminay Katolika. Raha vao miteny an'io izahay dia matetika tohizana amin'ny hoe "am-bavaka". Na olo samy olo io. Ohatra misy andeha lavitra ny namana iray ao amin'ny fiangonana dia tantano matetika (ary fomba fanao mihitsy) ny manao hoe. Tantano am-bavaka e, na ento am-bavaka e.
Ary marina koa ny tenin'i sahary hoe mila manao ezaka lehibe ny fiangonana, io koa ilay lazain'i hery hoe misy mivoana kely(sa mivaona moa? tsy haiko). Marina daholo izany. Iza moa mahasahy miteny fa tonga lafatra ny fiangonany, na ny olona ao anatiny?
Dia hanamafisako io fanazavako io dia ity misy hiranay momba an'i Masina Maria koa:
"Mba tantano re ny dianay
"Angataho amin'i Jesoa zanakao
"mandritran'ny fiainanay isan'andro"
Hitohy raha ilaina!
routa> hmmm
86. Lejim ( 11/04/2005 14:33)
dadabe:
mba hiteny kely aho klou e,tsy hevitra a
Maria O henoy ny feo
Miantso anao any ankoatra
Ny hava-tsy foinay mijaly
kanefa ....(tsy haiko


hery>hihi
Fantatrao ry reny tsara
fa ny nosy madagasikara
dia natolotra sy nomena anao
ka ekeo ny vavakay izao

Notre danes des vocations
mpanjakavavin'ny apostoly
ampitomboy ireo pretra
sy ny relijiozy teratany
ampitomboy ka hamasino
ho ....(tsy haiko tsony

tohiny: Ho voninahitr'i Jesoa zanakao!
Raha nodinihiko tsara izy ity dadabe dia tsy hoe tsy hainao akory ilay hira fa te-hanaratsy, aleo amboarina, hi-critique ny Fiangonana Katolika ianao. Na izany na tsy izany, tiako be io hira io.
Ilay hoe: "natolotra sy nomena anao i Madagasikara", dia, ataoko ahoana moa hanazava azy ity. Bon, io ilay hoe, mangataka fanampiana ara-bavaka avy amin'i Maria izahay momba ity tany ity. Mino noho izany izahay fa miaro am-bavaka antsika i Maria (io ilay lazain'i hery hoe: na tiantsika na tsy tiantsika, mivavaka hatrany ho antsika i Maria, ilay reny be fitiavana). Na inona moa ny fanazavana entinay eto na inona, toa tsy vonona hiaino ianareo na hiady hevitra ampilaminana fa toa vonona ny hanaratsy izany. Izay anie ny mahatonga ny sasany aminay Katolika eto, efa tsy mamaly intsony e! Mba mangataka nohoizany ny tenanay, ny hanaovantsika dinidinika milamina, tsy feno fankahalana sy fandrangitana. Tsy amin'ny hoe resaka Katolika sy ny tsy haiko ihany fa amin'ny ady hevitra ankapobeny.
87. ari.malala ( 11/04/2005 14:40)
yonikafopl:

samy manana izay hinoany io.
Fa raha za manokana kalou de mihevitra we fa nahoana mou i Maria izay efa maty no hangatahako hivavaka ho ahy?



Maty? Ara-batana angamba, satria ny tenin'Andriamanitra iuzay iarahan-tsika mahalala dia manao hoe "izay mino Ahy na maty aza mbola ho velona", i Jesoa zanany no niteny an'io, ary izy ve tsy hino an-Janany? Noho izany tsy maty izy fa velona eo anilan-Janany. Noho izany afaka tsara mivavaka ho ahy, miara mivavaka amiko.


88. dadabe ( 11/04/2005 16:10)
E! lejim>moramora ihany fa zah tsy mbola naneho ny hevitro a,efa ao anaty regle de jeux napetrako le hoe zah sady tsy momba ny atsy sy ny ary .
Ary mikasika ny hiora hhmm efa ela ihany aho no nianatra tao @college sainte chantale soanierana ka tsy tadidiko intsony,ary mahagaga ahy ianao milaza hoe izany no mahatonga ny namanay katolika tsy mamaly intsony ??? sao de mba variana amin'ny zavatra hafa kosa izy r'ise a,aza mampiditra resaka hoatran'izany rajim fa tsy mety a :D de ampy e
89. Lejim ( 11/04/2005 16:33)
haha dadabe> Haiko jeu-nao. Mety mbola tsy naneho ny hevitrao ianao tamin'ity sujet ity fa efa hita ny firain-kevitrao any amin'ny dinidinika hafa. Noho izany, fantatr'olona ny tianao ahatongavana. Ary hoy ianao hoe:E! lejim>moramora ihany fa zah tsy mbola naneho ny hevitro a,efa ao anaty regle de jeux napetrako le hoe zah sady tsy momba ny atsy sy ny ary .
Toa misy idee-na "fandrahonana" izany ilay izy na koa ataontsika amin'ny teny baiko hoe "menace". haahaha, hita amin'io ny tsy fahaizan'i dadabe miady hevitra. Rehefa miady hevitra lesy dia tokony hahatanty izay zavatra lazain'olona eo ianao, dia miaro ny tenanao ampilaminana. Tsy mahomby mihitsy raha betroka no arosontsika dia avy eo manao hoe: " :D dia ampy e" hihi, toa tsy mirima izany ilay izy! :-D
90. annie ( 11/04/2005 16:34)
hery!
le hira anie tsy lavina e! oh ny hira rehetra reny,fa ny ady hevitra de hoe masina maria renin'Aa,mivavaha ho any mpanota,sy ny hoe reny mpitari-dalana!ô! ry kintana ambony!
maria amiko de olombelona,satria notorotonina t@ nofo sy ra, fa jesosy t@ FM,nahoana no hatao mpanelenelana izy? maninn raha tonga de hoe jesosy ô! mivavaha ho anay mpanota.
Tsy misy maty any ampasana ka afaka hivavaka ho anao!raha izay no mitombona efa ela dadanay no namonjy ahy!ô!rey olona e!fa angaha ny kitana afaka mamonjy atsika kou?
91. sonwin ( 11/04/2005 17:30)
Ho anareo tsy katolika> tsy ho takatrareo mihitsy ange ilay hoe Maria eo anivon'ny fiangonana katolika e, na inona na inona fanazavana eto, ianareo efa manana ny handraisanareo azy izay diso tanteraka , ary normal raha tsy mahafantatra ianareo satria tsy nampianarina anareo izany, na nisy nanoro fa vohana be, raha manazava ny namana katolika sasany ny amin'ilay fanotaniana tany ambony dia toa ny anareo ihany ny anareo e! ka izao io resaka finoana io tsy misy marimaritra iraisana sahala amin'ny politika.
Izay fandraisanareo azy mety daholo, hoy ianareo hoe mivavaka amin Masina Maria dia izay izany, hoy ianareo hoe mazava ny fanazana nataon'ny hery sy ny namany, dia izay koa izany...izay andraisanareo azy eo e! fa ny katolika sy Maria tsy mifankafohy..izay ny finoako dia izay e, izay filazanareo tsy ahonay fa ny ataonay ihany no ataonay, izay interpretation nareo any, ts olana.Izy tianay hifandraisana amin'Andriamanitra ihany io.Na hiantso an'i Maria izahay na tsia....fa zahay sy Masina Maria hivavaka ho anareo foana ihany koa, na tsy sitrakareo aza mba hijoro tsara ny fiangonana protestanta indrindra ny any Mada fa tsy hiady amin'ny pasitera lava izao, mba tsy ho betsaka koa anie ny ady vola sy tsy hiady tany amin'ny fokonolona ary indrindra tsy hanararaotra loatra amin'ilay 1/10 harena :lol: ..ho ela velona anie ny fiangonana kristianina rehetra na katolika na tsia , ary enga anie Masina Maria hivavaka ho azy rehetra ireo (l)
92. maditra ( 11/04/2005 18:14)
AMEN (l)
93. yonikafopl ( 11/04/2005 21:48)
hery sy ari.malala za tena mino 100% ny tsy fahafatesan\'ny fanahy ka, ary izany indrindra no antony ilazako fa raha hangataka olona hivavaka ho ahy aho tsy aleoko ve ilay olona niara niaina tamiko, mahalala ahy tsara, mahafantatra ny fahotako rehetra, ankoatran\'Atra sy Jesosy, de i dadanay angamba , :roll: ka raha toa ka hitady mpanelanelana aho de aleoko i dadanay ka, izy hatokisako tsara ny valeurany fa hitalaho sy hitaraina mafy any amin\'ny Ray any izy ho an-janany :).Ka zay no ataoko we samy manana izay hinoany io kou.Fa raha amin\'ny antsoin\'i hery we izy tsy miandry hangatahana fa mivavaka ho ahy, de tsara fa tsy za mihintsy no hangataka aminy we mivavaha ho ahy kou.
94. xxx ( 11/04/2005 22:53)
Hoy i Dadabe namerin-kira Katolika:

Fantatrao ry reny tsara
fa ny nosy madagasikara
dia natolotra sy nomena anao
KA EKEO NY VAVAKAY IZAO

no comment!
95. maditra ( 12/04/2005 03:50)
Tsy ho vita marina ity ady hevitra ity fa ilay tenin'i sonwin teo angamba no mahafintina azy. Tsy ho hainareo mihitsy ary tsy hotakatrareo velively. Misy havaly an'io zah fa fandaniana calorie fotsiny izany ka dia naleoko najanona.
Tsy maintsy miverina mianatra Katesizy ianareo rankizy vao vita ity resaka ity. Fa tiako fintinina fotsiny koa ny teniko amin'ny hoe: finoana ity raolona, samy manana ny itondrany azy ka samy mitazona ny azy. Zah mino fa tsy ny amin'ny maha-katolika na protestanta na temoins na Jesosy mamonjy na apokalipsa na tsy haiko tsy haiko antsika no hitsarana antsika any amin'ny farany any fa amin'ny zavatra nataontsika tamin'ny mpiara-belona amintsika, amin'ny finoantsika ary amin'ny fitiavantsika ny madinika. Chacun a son interpretation ka dia bonne chance izay ho any France hozizy fitenin-jamadinika aminay any izay. 8)
96. ari.malala ( 12/04/2005 05:41)
yonikafopl:

hery sy ari.malala za tena mino 100% ny tsy fahafatesan\'ny fanahy ka, ary izany indrindra no antony ilazako fa raha hangataka olona hivavaka ho ahy aho tsy aleoko ve ilay olona niara niaina tamiko, mahalala ahy tsara, mahafantatra ny fahotako rehetra, ankoatran\'Atra sy Jesosy, de i dadanay angamba , :roll: ka raha toa ka hitady mpanelanelana aho de aleoko i dadanay ka, izy hatokisako tsara ny valeurany fa hitalaho sy hitaraina mafy any amin\'ny Ray any izy ho an-janany :).Ka zay no ataoko we samy manana izay hinoany io kou.Fa raha amin\'ny antsoin\'i hery we izy tsy miandry hangatahana fa mivavaka ho ahy, de tsara fa tsy za mihintsy no hangataka aminy we mivavaha ho ahy kou.


Inona moa no olana raha mangataka aminy ianao hivavaka ho anao? Dia toy izany koa anie no ataonay ê! fa tsy misy miteny mintsy eo hoe za mivavaka aminao!


97. dadabe ( 12/04/2005 08:34)
lejim> (l) zah lesy tsy manao menace izany a,mba fitiavana ny te-hiresaka izany .

Ho an'ny namana rehetra :mahafinaritra ny ady hevitra,ao ny mizara izay fantany,ao ny mitroatra,ao ny mandamina ,ao ny tsy manakevitra ,ao ny mivavaka (l) :-* izany rehetra izany dia nataotsika tao anaty firahalahiana,iza tokoa moa no mpirahalahy tsy mba hifamaly,ny sasany aza mpirahalahy fa miady miitsy ,isika eto @serasera dia tahak ny ankohonana iray ka misy ny mifamaly kely,ao koa ny mpandamina ....fa hoy aho hoe,rehefa tena mifankahita tava isika dia hotsaroanareo avokoa ireny teny rehetra nataontsika teo ireny.Ny anatra nataoko tsy midika akory fa hoe vita ny ady hevitra,fa zah mamporisika hoe "avohay ilay hevitra fa na zah aza (na de tsy te hiteny aminareo)de betsaka ny zavatra vaovao voaraiko teto .
misaotra ny namna rehetra e :D de ampy
....tohizo e...
98. yonikafopl ( 12/04/2005 08:48)
ari.malala, za tsy hangataka aminy satria izy tsy fantako, ary inoako fa tsy mahafantatra ahy akory, satria izy tsy Atra na nomen'Atra fahefana tahaka an'i Jesosy Kristy.za tsy mitsara na mivavaka aminy ny katolika na tsia, fa ny resaka hitako eto de we mangataka azy hanelanelana amin'Atra sy Jesosy.Dia mbola miverina ihany ny hoe aleo wa olona mahafantatra ahy tsara no hisolo vava ana hangataka,Atra sy Jesosy no tena mahafantatra ny amiko rehetra, ary raha tsy maintsy mila mpanelanelana wa de i dadanay no mahafantatra ahy fahatelo. De zay fona io raha ny hevitro manokana, aleo za tsy hiteny tsony fa miverina fona ny lazaiko satria za de izay ihany no hambarako eto fona :) .
Ho famehezako azy, raha raisinao sy heverinao fa tena dadanao Atra, moa ve ianao mila olona hanelanelana anao rehefa hangataka zavatra aminy?na dia atao hoe maditra toy ny inona aza ianao eo anatrehan'i dadanao, tsy tsara kokoa ve ny miresaka mivantana aminy milaza ny ao am-ponao.
99. dadabe ( 12/04/2005 08:59)
yonika>hhmm (l)
100. ari.malala ( 12/04/2005 12:09)
yonikafopl> Manaiky anie aho fa Raiko Andriamanitra ê! ary "na mbola tsy mangataka Aminy aza aho dia efa fantany", ary ilay hoe manelanelana, tsy azoko aloha ny tena tinao tenenina @ io, (amiko manko izany manelanelana dia misy olona 2 miady de misy 1 manelanelana mba tsy hitaran'nilay ady, ahitsio raha diso :-) Tsy miantso mpanelanelana fa manasa azy (Masina Maria io) hiara mivavaka, satria izy renin'Andriamanitra, ka inoako fa hoeken'Andriamanitra iny fangatahako asaiko entiny any iny. Raiso ohatra fotsiny fahiny fahazaza ê! Raha hangataka zavatra @ dada dia i neny no asaina miteny mialoha mandamina resaka sa ianao tsy mba nanao an'izany? :-)

Tsy mahafantatra izy hoy ianao, aminay Katôlika ny Sakramentan'ny Batemy dia mahatonga ny olona iray izay nadray izany Sakramenta izany ho Zanak'Andriamanitra sy Zanaky ny Fiangonana, i Masina Maria koa nefa dia ekenay ho Renin'ny Fiangonana noho izany dia Reninay. Tsy misy Reny tsy mahalala ny zanany izany, noho izany fantany tsara aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2731