inona no tena marina ?

121. dadabe ( 15/04/2005 09:32)
zah ztm (l) :-*
122. haingo23 ( 15/04/2005 10:13)
:evil:
123. dadabe ( 15/04/2005 11:22)
haingo >???
tohizo ny resaka e,zah anie mitana ny teny nomeko e,zah tsy hanome ny hevitro mihitsy eto ary tsy momba ny atsy sy ny aroa.hihih mazotoa e
124. dadabe ( 17/04/2005 15:09)
:( :(
125. dadabe ( 20/04/2005 13:14)
:!:
126. yonikafopl ( 20/04/2005 19:20)
dadabe le rresaka ztm aleo antsika manokana klee :wink: aza dradradradraina fa wain be le oll
de aleo le resaka hitohy
127. fijo ( 21/04/2005 23:05)
yonika ,aza rarana ny olona raha te hilaza zavatra.na ho anao manokana aza .
128. dadabe ( 22/04/2005 05:17)
zany anie hoa e :( :( :( :( :( :( :( :(
129. marozevo ( 27/04/2005 00:23)
Annie > Ireo toetra rehetra momba an'i Masina Maria anie ka tsy aiza fa ao amin'ny Baiboly e. Saingy rehefa tapa-kevitra mialoha momba ny hevitra iray moa ny "olona", dia azo dinganina ny andininy satria "sao manamarina ny hevitry ny hafa". Ary raha ny hoe mitahy ny maty, tena tsy mino an'izany ve ianao eh? Tena marina ? Angamba tsy gasy kosa ianao io ka... Na amin'ny maha Malagasy antsika fotsiny aza, dia jereo ... taoko ireharehana mihitsy ny Razana. "Raha Razana no tsy hitahy hoy isika, fohazy hiady vomanga". Nefa mbola ambony lavitra noho ireny i Masina Maria sy ny Olomasina, satria efa nandova ny Fianinana mandrakizay izy. Dia ahoana koa izany ireny fankalazana an-dRamatoa Rasalama tamin'ny fotoan'andro ireny? Nefa indro misy mihoatra noho i Rasalama eto.
Raha eto an-tany dia ho tapitra ny tantaram-piainan'ny olona, fa tsy mitohy any an-danitra, dia ireo ady hevitra be dia be ireo mihitsy no diso.
Sady izao koa e: Ilay finoana tsy hoe fantarina amin'ny "Karoka = raisonnement", fa fieken'ny fo. Dia tonga amin'izay ilay fiteny manao hoe : Izay tiana mitombo tarehy. Iza no olona sahy hilaza amin'ny namany hoe Aza tiavina ny vadinao, na ny zanakao, sy sisa... Safidim-pony io, ary tsy voatery hitovy amnin'ny safidim-ponao akory.
130. dadabe ( 27/04/2005 04:18)
hmmmm mahafinaritra fa mahay mifanakalo hevitra ny namana,de ahoana ianao ry annie amin'io ?na ny namana hafa ary tsy maninona e
131. ndrena ( 27/04/2005 05:06)
Ny zavatra tsy azo adinoina dia izao e:ny fampianaran'olombelona dia tsy ampy raha tsy mifototra avy @ baiboly izany ka ho lava be ny resaka satria samy mamoaka ny heviny araka ny fahalalana raisiny ny ts11,fa raha mety dia samia manohana ny heviny @ toko sy andininy ao anaty baiboly dia hohita eo izay tena izy
132. marozevo ( 28/04/2005 23:36)
ndrena > samia, hoy inaao manohana ny heviny @ toko sy andininiy ao amin'ny Baibolu dia ho hita izay tena izy. Marina ny anao, saingy mila ampiana kely koa hoe ..
samia mandalina sy mamakafaka ny foto-pampianaran'ny Fiangonany tsirairay avy. Rehefa samy mahazo tsara ny foto-pampianaran'ny Fiangonany dia mety ho mora ny mifampizara.
Amiko manko dia ezaka ny Eokomenisma.. ezaka tena mafy dia mafy satria misy koa ny "anti-Oecumenistes", dia tsy iza akory fa ireo izay mamorona resaka hita handratrana ny be sondro-po fotsiny : Ohatra amin'izany ny filazana fa mivavaka amin'ny taolana, .. mamitaka ny mpivavaka.... Satria ry Lotera no tena maranitra fa ny Katolika amina Milliards eran-tany, izay samy mahalala fa ny Otely tokoa dia misy taolan'olomasina ao. Dia vendrana be daholo, hoy i Lotera, ireny vahoaka ireny.
Fa ianao no hendry indrindra avy aiza le aza !??
133. dadabe ( 29/04/2005 13:36)
hhmmmm
134. ndrena ( 30/04/2005 05:52)
Raha valiana aloha ny fanontaniana dia Jesosy ihany no tena marina e!
135. dadabe ( 30/04/2005 08:34)
136. ndrena ( 02/05/2005 04:31)
Mahafinaritra ny fanazavanao ry marozevo a!fa izao no tsy tokony hadinoina sy tsy azo atao ambanin-javatra.Na iza na iza ary na inona na inona ny foto-pampianaran'ny fiangonana anankiray raha tsy araka ny baiboly izay TENIN'ANDRIAMANITRA VELONA dia manahirana ny hilazana azy hoe marina satria voalaza ao avokoa ny sitrapon'A/tra rehetra ary tyokony hotanterahina izany,izay no nahatonga ahy teo ambony nilaza hoe Jesosy ihany no tena marina!
137. dadabe ( 02/05/2005 12:45)
ekena
138. ndrena ( 03/05/2005 06:10)
Miara-manaiky amiko i dadabe ary ny hafa e?
139. dadabe ( 04/05/2005 05:30)
tsy i ndrena no ekeko fa ny tenin'Andriamanitra lazain'i ndrena no ekeko hihihih :D
140. ndrena ( 04/05/2005 08:58)
Misaotra dadabe a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2014