inona no tena marina ?

161. maditra ( 20/05/2005 03:42)
Izao annie ny porofo azoko omena anao fa velona ireny Olomasina ireny.
1. Misy ny Anjely, izany hoe, misy toerana any. oups
2. Efa lasa nanamboatra toerana ho antsika koe i Kristy.
3. Tamin'ny hiala aina i Kristy dia izao hoy izy tamin'ilay jiolahy: "anio dia anio ihany dia hiaona amiko any amin'ny paradisa ianao"
4. Raha ho faty i Stephan, ao amin'ny Asan'Apostoly, (ilay voatora-bato iny), dia hoy izy hoe: "misokatra ny varavaran'ny lanitra, ary indro ny zanak'ondry mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany). Izany hoe, nanana fanantenana koa ity Apostoly ity fa raha vao miala ity fiainana ity izy dia tonga amin'ny paradisa.
5. Tantaran'i Lazarosy sy ilay mpanan-karena.
6. I Moizy ( Mosesy) sy i Elia (Elija), niresaka tamin'i Jesoa tamin'izy niova tarehy.
Ok, izay angamba no tonga tato antsaiko izao fa mba inona indray no hanaporofoan'i annie fa tsy velona ireny. Ny zavatra tiako ho fatatrao fotsiny dia ny hoe: Tsy ny vatanao io no miaka-belona any fa ny fanahinao.
Maditra
162. ari.malala ( 20/05/2005 14:58)
ho an'isambikokely, ahitsiko kely angamba ianao fa ny mpino katolika tompoko TSY MIVAVAKA @ MASINA MARIA FA MANJAA AZY SY MANASA AZY KOSA HIARAKA HIVAVAKA? MANGATAKA AZY HIVAVAKA HO AN4NY MPANOTA.
Miala tsiny fa tsy tezitrea aho akory raha nanao capital letters fa tsindrim-peo.

163. dadabe ( 20/05/2005 18:39)
ahan !misy hevitra mivoaka maromaro :roll:
164. marozevo ( 22/05/2005 21:26)
Ndrena > Efa voalazako tany amin'ny titre hafa fa haveriko eto. Ekena fa ny Baiboly no fototra, saingy tsy azo adinoana koa fa ny Fiangonana no nametrahana ny hafatra "Vatolampy namelan-kafatra" izy. Porofon'io ny mission napetrak'i Jesoa tamin'i Piera, sy ny fehezan-teny farany ao amin'ny Evangile Joany.
Annie > Mitahy sa tsy mitahy ny Razana ? Tsy voatery akory ianao hino izany, nefa na dia ny fitenenana sasantsasany ihany aza : tanindrazana ; lovan-drazana; hasin'ny razana... dia ahoana ireny. Raha tsy mitahy ny Razana dia tsy hitako loatra izay hanaovana fombafombam-pandevenana fa alevina sanatria fatim-biby dia vita. Fa atao an'izany ve ny fatin'olona ? Inona no antony ? Inona no hevitry ny fasana ? Tsaroanareo angamba ilay problème be tany France (Juillet - Aout 2004), noho ny fanimbazimbana fasana. Satria nahoana?
Oay, azafady fa lava loatra.
"Raha Razana no tsy hitany, fohazy hihady vomanga".
165. dadabe ( 24/05/2005 17:24)
an3 tsy maninona marozevo nalava be aza,fa le hevitra rehefa mazava de zay no tadiavin'ny namana.Dia miandry ireo zay voakasiky ny fanontaniana aza e.:)
166. sorom ( 26/05/2005 14:33)
Tamin'ny andron'ny Testamenta taloha dia nisy ny Mpisorona izay mitondra ny tenin'ny vahoaka ho any amin'Andriamanitra, ary dia nisy niaraka tamin'izany koa ny Mpaminany izay nitondra ny tenin'Andriamanitra nankeo amin'ny vahoaka. Hatramin'ny nanaovan'i Jesosy ny asany teto ambonin'ny tany anefa dia Izy no nandray ny asan'ireo, hany ka sady Mpisorona Izy no Mpaminany (jereo Hebreo) toa an'i Melkizedeka. Hatreo izany dia izy irery ihany sisa no Mpanelanelana antsika amin'Andriamanitra Ray araka ny nilazany hoe:
"
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana: tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
"
167. dadabe ( 26/05/2005 16:35)
ahan ! de tohizo sorom a!
168. sorom ( 27/05/2005 09:10)
dadabe> iry an'i Marozevo iry mantsy no tiako nanombinana tamin'io... Ny tiana hambara dia hoe ny Razana dia natao hotsarovana ary hotsarovana fotsiny ihany koa anefa satria efa an'i Jesoa ny fanelanelanana antsika amin'Andriamanitra. "Angataho izay tianareo amin'ny Anarako fa ho azonareo izany." Sa tsy izay moa hoy Jesoa?
169. ndrena ( 28/05/2005 05:11)
Ny baiboly no fototra,tena marina izay saingy izao no mampisy ny olana:ilay baiboly fototra izay tenin'A/tra mirakitra ny sitrapon'A/tra dia tsy tena arahin'ny olona fa ny fampianarana izay araka ny sainy heveriny fa tokony hataony no tanterahiny hany ka dia be ny mivaona.Izay no nahatonga ahy nilaza matetika hoe:tsy azo alaina ara-keviny fotsiny ny baiboly fa alaina araka izay hitarihan'ny Fanahy Masina sy ampianarin'A/tra antsika.
170. dadabe ( 28/05/2005 17:37)
le fampianarana manaraka ny filozofian\'olombelona ve no tian\'i ndrena holazaina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1085