inona no tena marina ?

41. annie ( 08/04/2005 15:19)
Ka ny ao @ baiboly ihany randriana no resahana fa tsy mamorona a! za aloha tsy kamo mihintsy mamaky baiboly e! ary vonona hijoro foana hanambara fa mbola betsaka ny manao hevi-diso,mandika vilana io baiboly io!Betsaka ny tafitohana raha vao ny fahamarinana ao @ baiboly no resahana satria manelingelina ny fombany.Raha tonga tety antany jesosy de hirak'Aa hitory ny baiboly,sy ny fahamarinana rehetra,de nametraka hafatra Izy nanao hoe :"mandehana ka mitoria de hataovy mpianatro ny firenena rehetra" de ny fahamarinana no torina fa tsy ampiana zavatra hafa mba handrebirebena ny olombelona.Raha nitory Jesosy tsy nanao sarinjavatra mihintsy hiankohofana,na nanao exemple t@ sarinjavatra akory!koa maninn ianareo katolika no manao sarinjavatra hatao symbole?
Ahoana moa ny fahatezeran'Aa t@ zanaky ny Israel raha nanao ilay sary nivavahana? genese32:7-10
"Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy(moise):Mandehana midina hianao;fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany @ tany Egypte.Nalaky nivily nila t@ làlana izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely an-idina ho azy; ary efa niankohaka teo anatrehany ......
Mety hisy hilaza indray hoe ka ny azy sarin'omby no nivavahany!De valiako hoe na sary inn io na sary inn de efa voararan'Aa avokoa
namana
42. dadabe ( 08/04/2005 15:32)
o ry zareo a,efa tafakatra 40 ny nitsidika ity loha-hevitra ity nefa vao androanay 08/04/05 no nanoratako azy,midika izany fa maro isika namana no liana ny te hahafantatra ny marina,koa dia mamporisika antsika hatrany hamoaka ny hevitra ao anaty firahalahina sy finamana ary firaisankina tanteraka.Ny Fanahin'Andriamanitra anie hanampy antsika tsirairay avy .
:D de ampy e
43. xxx ( 08/04/2005 15:58)
lotera, annie,sns> Izay mihitsy ny problem-nareo. Maka ny zavatra en global be ohatran'io. Ny vahoakan'Israely ange, nataony ho solon'Atra mihitsy ilay sary e! Eo amin'ny fiangonana Katolika, tsy natao hivavahana izany mihitsy ny sary. Izao no dikany raha tsy hainao:
-Natao ho fahatsiarovana,
Ianareo ve aloha mba maka sary sa tsia e? Dia mba mijery sary sa tsia? Raha ohatra ianareo any aoriana any, te hampahafantatra ny zanakareo ny moba ireo ray aman-dreninareo, efa maty ohatra, tsy hampiasa sary ve ianareo? Fahotana ve izany?
-natao ho fampianarana,
Mba hampisy bebe kokoa ao an-tsain'ny Kristianina izany fitiavan'Atra izany, izany fahasoavan'Atra izany. Ny tena niandohan'io anie dia tamin'ny taloha tany, vitsy ny olona mahay mamaky teny. Natao tamin'ny sary ny ankabeazan'ny fampianarana. Inona ny maharatsy izany?
Mety tsy mi- se facer amin'ny probleme ohatran'io ny Eglize taty aoriana fa izay no izy. Dia lasa fahazarana izy izao fa jamais ho natao hivavahana.
Izay no mahatonga ahy milaza hoe, tsy mba dinihinareo objectivement ny zavatra critiquer-nareo fa toa falin'ny mi-critique izany fotsiny.
44. dadabe ( 08/04/2005 16:09)
amim-pirahalahiana ihany an! tolory tsiky hatrany ny namana (l)
45. xxx ( 08/04/2005 16:21)
Dia mbola misy zavatra tiako hanampiana! Vakio Joany21:25. Ho hitanareo fa tsy io izay vakinareo ao amin'ny Baiboly io ihany ny fampianarana nataon'i Jesoa! Dia mbola vakio koa joany20:30. Ho fantatrareo fa tokana ihany ny antony nanoratana ny Evanjely(Evangile) dia ny "hinoantsika fa zanaka'Atra i Kristy dia hanana ny fiainantsika mandrakizay isika Kristianina" !
Ireo no zava-dehibe! Ary ny tena nahagaga ahy dia ny nahitako an'ireo, surtout ity farany ity rapide be satria efa novakiako fotsiny io taloha, fa tsy fantako mihitsy hoe taiza. Fa vao nivavaka kely aho, second vitsy monja dia hitako.
Mahery Atra (tsy vazivazy io ary tsy misy idirany firy amin'ity ady hevitra ataoko fa mba fahasoavana azoko ka mba zaraiko aminareo fotsiny).
46. sonwin ( 08/04/2005 16:32)
migest indray frera fa masaka be ny ady hevitra an :lol:
47. iartistika ( 08/04/2005 16:43)
:-D :-D
48. annie ( 08/04/2005 20:48)
Tena maka sary mihintsy izahay fa tsy manafatra @ taranakay velively hoe hataovy tsangam-bato de hiankohofy ho fahatsiarovana!
namana
49. maditra ( 08/04/2005 22:22)
haha! Tsy lany am-bava no fiantsoanay olona toa an'i annie! Mamalivavaly fahatanitany dia izay!
Tsy ny zavatra nanontaniako anao no valianao fa mamorona zavatra hafa! Efa nomeko anao ny antony isian'ny sary ao amin'ny Fiangonanay ka asakasakanao! Ekenao, arahaba soa arahaba tsara, tsy ekenao, tsy problem.
Dia averiko koa, diniho objectivement ny zavatra critiquer-na fa aza falin'ny manan-kavaly fotsiny toa an'io!
50. Lotera ( 09/04/2005 00:09)
spiritisme = communication avec l'esprit des defunts quelquesoit sa forme

Iverenako ny tantaran' ilay mpanankarena t@ andron'i Lazarosy sy i Abrahama. Arak'io dia tsy misy na iza na iza alefa hiverina ety an-tany rehefa tonga any @ paradisa afa-tsy Kristy Tompo.
Iza izany ireny fisehoana etsy sy eroa ireny? Na i Maria raha sanatria tsy lasa tany @ paradisa, na sandoka.

koa maninona no mi-s'adresser amin'ny maty nefa ny Andriamanitra ivavahantsika Andriamanitra velona? Isika koa anefa mino fa Kristy irery ihany no mpanalalana!


annie> angamba kosa aloha tsy hoe miankohoka @ sarin-javatra ry zareo. Ny marina dia taolam-paty no iankohofany. Aza gaga ianao fa misy taolam-paty misitritsitrika ao amin'ny hotely (alitara) ka ireny no iankohofany.
Ny mpiangona tsotra ange tsy mahalala ilay izy ny ankamaroany e! Fa hoe hotely (alitara) io dia hajaina, kanefa taolam-paty no ao! Tsy fidiny ny rehetra ny iankohoka amin'ny taolam-paty fa tsy fahafantarana (na famitahana) no antony. Dia izay no maha sarotra ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra aminy satria izy voafitaka ary mihevitra fa mahitsy tanteraka ny fanompoany.

Dia ho zava-baovao amin'ny malagasy indray ve hoe iza no mpilalao faty?

51. Lejim ( 09/04/2005 01:23)
lotera> Atsika roa lahy indray aloha ato. Efa nisy fanontaniana nanontaniako anao tany aloha tany fa tsy namaly ianao. Sa... Izy io rehefa tsy mahita fika amin\'ny hevitra vaovao dia miafina kely aloha dia izay vao mitranga indray?? haha, nice try!
Efa voavakin\'la angamba ilay i Jesoa nolazaina fa mandroaka Devoly amin\'ny anaran\'i Belzeboba iny. Dia ny namalian\'i Jesoa azy ireo hoe, ataon\'ny satana ahoana ny handroaka an\'ny satana, dia nitohizany amin\'ilay hoe izay trano miady an-trano dia mora rava! Ny tiako ahatongavana dia izao. Raha Satana miseho amin\'ny endrik\'i Masina Maria, hanome hafatra antsika hivavaka (anay) ve izy? Hanampy amin\'ny fanaovana Eglizy ve izy?(manao reference amin-dRapatrice zah izao sy ireo hafa koa).
Raha vakinao tsara io tantaran\'i Lazarosy sy ilay mpanan-karena io ange, tsy milaza fa tsy afaka miverina intsony i Lazarosy e! Tsy misy resaka izany mihitsy ao! Ny resaka navalin\'i Abrahama dia hoe: Tsy hino ireo na alefa any aza i Lazarosy. Midika ve izany amin\'i lotera fa tsy misy na iza na iza alefa aty mihitsy? Aza raisina en globale be ohatran\'io hoy aho ny Baiboly fa tsy mitondra antsika n\'aiza n\'aiza mihitsy. Mino mihitsy zah izao fa tsy voadinikao lalina akory io zavatra arosonao io na marina na tsy marina fa rehefa mahavoa kely dia izay! I Elia izao ohatra dia raha manaraka tsara ny tantara ao amin\'ny Baiboly ianao dia mbola izy (ny fanahiny) ihany i Joany Batisa. Believe or not
Noho izany efa diso sahady ny zavatra teneninao raha ny hoe tsy misy afaka mandeha aty izany!
(hitohy)
52. Lotera ( 09/04/2005 01:44)
Lejim:
Raha Satana miseho amin'ny endrik'i Masina Maria, hanome hafatra antsika hivavaka (anay) ve izy? Hanampy amin'ny fanaovana Eglizy ve izy?(manao reference amin-dRapatrice zah izao sy ireo hafa koa).

Eny! Tena manome hafatra antsika hivavaka izy, saingy fantaro hoe hivavaka amin'iza?
Ny antony? Vakio io hafatro io ambony io. Inona no iankohofana? Taolam-paty.

Lejim> enga anie ka samy tsy hisy voafitaka isika mirahalahy.
53. Lejim ( 09/04/2005 01:54)
Mikasika ireo taolana ireo indray. Diso ianao raha tsy ampahafantarina ny Kristianina Katolika ireo taolana ireo. Efa nisy ary tamin\'ny fiangonana nandehanako izay, ny nangalarina.
Izao ny antony amin\'ny ankapobeny. Satria tianao mihitsy io tantaran\'i Lazarosy sy ilay mpanan-karena io dia mbola io ihany no averintsika eto. Raha mba nolalininao tsara angamba io dia mahita ianao hoe, afaka niresaka tsara tamin\'i Abrahama ilay mpanan-karena. Noho izany, azo inona fa afaka mivavaka (na miresaka) amin\'Atra koa ireo. I Lazarosy moa dia teo akaikin\'i Abrahama mihitsy, noho izany vao mainka manakaikikaiky an\'Atra kokoa. Ireo olona efa maty any ireo noho izany, araka io fampianarana io dia manana hery hiteny, noho izany hivavaka, tsy milaza zah hoe hitahy amin\'ny zavatra hafa fa au moins hivavaka. Tsy voalaza aloha na afaka mihaino antsika ireo na tsia fa izay aloha manazavazava aminareo kokoa ny momba ity tantara kely ity.
Ireo taolana ireo noho izany tsy ivavahana izany, ary tsy afenina koa, nefa misy hasiny ihany aminay Katolika. Mihevitra izany lotera fa mivavaka amin\'ilay taolana ao ny mompera na ireo mpanao raharaha masina ireo rehefa miankohoka amin\'ny hotely? Ny valiny omeko anao dia non. Tsy misy idiran\'ireny akory ny fiankohofana! Izay no mahatonga anay milaza aminareo hatrany hoe aza mitsikera ny zavatra tsy hainareo. Amin\'ireo zavatra resahinao ireo dia tsy mampino anahy ny hoe avy Katolika ianao ity no niala. Toa tsy misy zavatra fantanao izany akory ny momba ny Katolika.
54. Lotera ( 09/04/2005 02:01)
marina fa afaka mifampiresaka amin'Andriamanitra ireny. Na ny any @ afobe aza. Fa ianao angaha mbola tsy mino sy resy lahatra fa isika velona dia afaka mifampiresaka amin'Andriamanitra? Ary mihaino sy mamaly vavaka antsika anie Izy e. Dia mipetraka indray ny hoe maninona no mi-s'adresser amin'ny maty?

Momba ilay taolam-paty amin'ny hotely iankohofana indray dia tsotra be, saingy raha ao anatiny ianao sarotra aminao ny ahatsapa azy.

Voasoratra ao amin'i Matio sy Deotoronomia ka aoka ny tsirairay no hamaky azy sao diso ny "interpretation" ataoko angamba.

Matio 4:10
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; " Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao" (Deo.6 13).
55. maditra ( 09/04/2005 03:21)
tsssss! Efa voavakiko doly lesy ireo satria ireo foana no henoko rehefa misy secte mi-attaquer ny finoana Katolika! Izao zavatra iray tena important raha te handalina Baiboly ianao. Misy zavatra ao amin'ny Baiboly ao, azo raisina ara-bakiteny, toy ny hoe Andriamanitra i Jesoa ary olombelona koa izy. Misy zavatra mitovitovy amin'ny fiainantsikafa tsy dia mitovy, toy ilay samaritana tsara fanahy. Tsy misy samaritana na jiosy izany isika izao amin'ny fiainana fa azotsika atao tsara kosa ny mitia olona tsy haintsika. Misy ilana fisainana vao hita ny dikany, toy ilay avereno amin'i Cesar ny an'i Cesar. Raha misy tax ohatra amin'ny Malagasy, dia hijery sary eo amin'ny vola koa ve isika Kristianina ne fa ao tsy misy sarin-dRavalo na Jacque Sylla? Ny tiako ahatongavana dia izao. Ilay hevitry ny hoe miankohoka tamin'ny andron'i Jesoa fa indrindra tamin'i Moizy dia ny mivavaka amin'ireo. Tsy izany ny dikan'io amin'izao fotoana izao. Taloha ny vahoaka dia miankohoka eo anatrehan'ny mpanjaka. Tsy hoe mivavaka zareo amin'izany fa manaja. Aza dia mijery ny fombafomba ry naman fa ny ao am-po no tena jeren'ny Tompo. Raha miondrika amin'io hotely io aho dia tsy midika izany fa mivavaka amin'io aho et encore moins amin'ny taolana. Averiko koa, tsy mivavaka amin'io izahay ka aza force-nao ho ataonao mivavaka amin'io izany.
Misy hevitra efa nalefan'ny namana izay dia hoe: Ireo mpanao arts martiaux miondrika amin'ny maitre ireo ve
dia ataonao ho mivavaka koa. Raiso tsara sy diniho ny Baiboly ry namana!
56. Lejim ( 09/04/2005 03:30)
maditra> merci sady tonga soa(welcome back) :)
lotera:
Lejim> enga anie ka samy tsy hisy voafitaka isika mirahalahy.

Izao lesy izy a! Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. Ny finoana lesy no tena zava-dehibe an! Merci satria niova ianao, ary tohizo fa tsara, tsy dia feno fankahalana firy ny fonao. Izay no tena zava-dehibe. Ambarako anao fa ny rabainina anie lesy Protestante eh, rabofy Katolika, tsy nisy nanery ahy ho Protestanta na ho Katolika, safidy ny ahy ary tsy mbola manenina amin'izany zah!
"ny Tompo anie hitahy anao"
57. dadabe ( 09/04/2005 03:52)
ambarako antsika rehetra namana eto fa MODELY tsara alaintahaka ireo ady hevitra asehon'i lejim,maditra,lotera,annie ireo mahereza ry namana isany mahafinaritra satria de ao anaty finamana tanteraka no anaovanareo ny ady hevitra.
sonwin>eto tsika frera a :wink:
tolory tsiky ny namana dia ampy e,
....tohizo indray ary e.....(ny namana hafa koa isaorana a)
58. Lejim ( 09/04/2005 05:03)
lotera> Mbola hanampiako izay voalazako izay, misaotran'i dadabe manome courage :D .
Efa maro ny hafatra avy tamin'i Maria izay no henoko. Tsy haiko na fosiky(fake na faux) ireo na marina fa tsy hidirako lalina izay. Tsy idirako lalina satria, misy zavatra hafa lalina mihoatran'ny originalite-n'ilay soratra. Hafatra feno fitiavana sy fampitandremana amin'ny fitondran-tena no tena betsaka amin'ireo. Isan'ny nanampy ahy handalina bebe kokoa momba ny Baiboly izany. Raha izay no ataonao fa vokatry ny asan'ny Devoly dia milaza aminao zah hoe, diso ianao. Tsy hampianatra anao fitiavana izany ny Devoly, tsy hanome espoir anao handalina bebe kokoa an'Atra izy. Na marina hoy aho ireo na tsia, nanampy ahy ary manampy ny ankabeazan'ny Kristianina Katolika ireny hafatra ireny. Manome espoir fa indrindra rehefa tojo fahoriana sy fahakiviana. Matetika izy ireny mitory vaovao mahafaly (evangile), manome tantaran'olona feno finoana an'Atra. Izany no mahatonga an'ireny tsy sakanan'ny Fiangonana.
Mazava aminareo izany, arahaba soa arahaba tsara, ratsy izany tsy koi!
59. Lotera ( 09/04/2005 05:10)
maditra a, I Jesoa koa ange tsy nasain'i Satana nivavaka fa nasainy niankohoka taminy e (symbole io). Saingy mazava be ilay valiteniny. Tsy hanao "interpretation" aho fa ny voasoratra no averiko dia andao indray mba hiandry ny fahitan'ny hafa azy.

Matio 4:10
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; " Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao" (Deo.6 13).

Lejim> Manaiky aho fa ny finoana tokoa dia zava-dehibe. Ny finoana no mahavonjy antsika, ary ny marina dia fanomezan'Andriamanitra ny finoana fa tsy noho ny fahendrentsika sanatria.
Tsy tian'i Satana handray io famonjena io isika, ary miasa amin'ny endriny rehetra izy hamitahana. Tsy nofo aman-dra ny fahavalontsika fa fanahy manana fahefana sy hery lehibe! Ka dia irariana samy tsy hisy ho voafitaka na izaho na ianao, ary izany no ifankaherezana sy hifanakalozan-kevitra eto. Na ireo mijoro ho fahavalontsika kristiana koa aza enga anie hiova fo ka tsy hanao izay ahavery antsika.
60. dadabe ( 09/04/2005 05:25)
lejim sy lotera hhmm tohizo e (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2559