inona no tena marina ?

21. dadabe ( 08/04/2005 10:38)
misaotra ny namana ,mahafinaritra de tohizo e
22. Lotera ( 08/04/2005 11:03)
ny vavaka dia resaka amin'Andriamanitra. Mi-s'adresser aminy rehefa mivavaka fa tsy amin'ny razana.
"Raha misy olona roa na telo mivavaka amin'ny anarako dia eo afovoany aho": fa aiza ho aiza ilay Maria na "olo-masina" faharoa sy fahatelo? Tsy niteny ny Tompo hoe "raha misy matotoa" na "raha misy razana" fa "OLONA" no voambara.

Maria sy ireo "saints" tanisainareo efa maty, ny mi-s'adresser amin'ny olona maty no antsoina hoe miantso tromba, na "spiritisme".

Tsarovy ny tantaran'i Lazarosy sy ilay mpanankarena fa tsy misy tokony iantsoantsika ny maty mihitsy. Satria efa nomena antsika ny Soratra Masina tamin'ny alalan'i Mosesy sy ny Mpaminany ary feno sy tanteraka tao amin'i Kristy.

"Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tonga aty amin'ity fijaliana ity koa izy. Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza."Lioka 16, 27-31

23. ari.malala ( 08/04/2005 11:20)
Lotera:

" Tsy niteny ny Tompo hoe "raha misy matotoa" na "raha misy razana" fa "OLONA" no voambara.

Maria sy ireo "saints" tanisainareo efa maty, ny mi-s'adresser amin'ny olona maty no antsoina hoe miantso tromba, na "spiritisme".

Fa i Lotera ve aloha mivavaka sa ahoana ê! ao @ Fiekem-pinoana anie misy hoe "mino ny Fitsanganan'ny Vatan-tsika @ maty" ê! Ka matoatoa ahoana moa?

Tsarovy ny tantaran'i Lazarosy sy ilay mpanankarena fa tsy misy tokony iantsoantsika ny maty mihitsy. Satria efa nomena antsika ny Soratra Masina tamin'ny alalan'i Mosesy sy ny Mpaminany ary feno sy tanteraka tao amin'i Kristy.

"Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tonga aty amin'ity fijaliana ity koa izy. Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza."Lioka 16, 27-31

Io tantara teneninao io mihintsy no manaporofo ny voalazako teo hoe misy ny Fitsanganan-ko velona, ao koa ny tantaran'i Lazara ilay anadahin'i Maria sy Marta ilay natsangan'i Jesoa tany Betania.

Valin'ilay fanontaniana, tsy azo atao ary tsy ataon'ny Katôlika ny mivavaka @ Maria satria olombelona izy, fa ny ataon'ny katôlika dia miantso azy st ireo olo-masina efa any anilan'Andriamanitra hivavaka ho an'ny velona satria ny vavaky ny olo-marina dia mahery.

24. Lotera ( 08/04/2005 11:28)
aiza ho aiza ao amin'ny Baiboly na bokim-panjakana aiza ry ari.malala no mirakitra fa efa nitsangan-ko velona i Maria sy ireo "saints" teneninao?

raha tsy mbola nitsangan-ko velona izy dia mitombona izany ilay "spiritisme". Ary tena manao spiritisme anie ireo ao ambonimbony ireo fa tsy ambarany anareo am-pahibemaso e.

Dia handiso ny teniko koa ve i Hery raha miteny aho fa manao "spiritisme" ry zareo ireo? :D
25. welie ( 08/04/2005 11:30)
Mahita sizé vaovao fona koa isika eto izany an!
Zà klou zao pause kely ry dadabe @famaliana sizé a! Hihihi..... mbola mieritreritra valiny ho an'ilay sizé ary zà io... hihihihi.....
26. radriana ( 08/04/2005 11:35)
Lotera, ny finoantsika rehetra dia misy ny fiainana any ankoatra, ary izay hita porofo fa nanao ny tsara teto antany dia inoana fa akaikin'Andriamanitra izy rehefa maty, na ianao na izaho(izaho mbola tsy tany aloha fa inoako izay)na aiza toerana misy azy na aiza, hoy ny sasany hoe eto antany ihany ny paradisa, hoy koa ny hafa hoe misy toerana any andanitra any après la mort,tsy problème izany,
Fa ny olona maty rehefa nanao ny tsara aminay dia eo anilan'Andriamanitra any @ fianana any ankoatra, tsy misy intsony ny fanavahana hoe maty izy na velona. Ka raha mba inoanay ireo fa olona saints, maninona moa izahay raha mba mangataka azy hiaramivavaka ho anay.
Indro kely, ny anatin'ny baiboly katolika dia hoe
"Na aiza na aiza hiangonan'ny roa na telo amin'ny anarako dia eo ampivoany aho", fa tsy nopréciser-ny hoe " OLONA roa na telo, razana roa na telo na matotoa roa na telo " aloha e.
Samy nanana ny nandikàny azy ny baiboly angamba e.
27. dadabe ( 08/04/2005 11:36)
tsy olana fa rehefa hita dia midira e :D
28. Lotera ( 08/04/2005 11:51)
radriana:
Lotera, ny finoantsika rehetra dia misy ny fiainana any ankoatra, ary izay hita porofo fa nanao ny tsara teto antany dia inoana fa akaikin'Andriamanitra izy rehefa maty

ny anao izany fitsaran'olombelona araka ny porofo hitanao teto an-tany.
Ary na iza na iza maty ka mitoetra eo ankavanan'Andriamanitra araka ny finoantsika, afa-tsy Kristy mpamonjy, dia heverinao fa afaka hiverina mi-communiquer amin'ny velona koa ve? Sao dia tsy izay mbola tafita tany an-danitra no lasa "revenants"?
I Kristy irery ihany no hiverina rehefa avy namboatra toerana ho antsika hoy aho. Ny akoatr'izay dia mila fitandremana "fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." 2Kor 11, 13-14

29. Narilala ( 08/04/2005 12:09)
hitako fa tsy tena kristianina io Lotera manoratra eto io satria raha tena kristianina izy dia hahalala fa fahavelomana mandrakizay ho an'izay maty ao @ Kristy. Tsy hainy ny mamaky sy mandray ny Soratra Masina. I Kristy mihitsy no nilazahoe: "Izay mino ahy na maty aza ho velona indray"(jereo joany 11). Vakio tsara ry ingahy Lotera ny baiboly raha tena Kristianina ianao, aza dinganina ny tena zava-dehibe. "Fa raha mino azy isika dia hiara-belona aminy koa", hoy i Paoly. Vakio ny Romana toko faha 6, dia hazava aminao ny hevitry ny atao fahavelomana mandraizay ao # Tompo. Fidirana ho @ tena fiainana tsy manapahataperana, ry ingahy Lotera, ny fahafatesana ho an'ny Kristianina. Tsy hisy handany andro hivavaka eo raha tsy misy izany fahavelomana mandrakizay ao @ Tompo izany. Ary i Masina Maria, ireo Olomasina sy ireo Razana dia efa tafita any eo akaikin'Andriamanitra ka azonay atao ny mangataka ny fivavahany satria tena akaikin'An/tra izy noho isika. Izany ho antony ilazan'ny Krsistianina hoe lasan'An/tra na hoe nantsoin'ny Ray hody any aminy.
30. Narilala ( 08/04/2005 12:11)

31. radriana ( 08/04/2005 12:14)

"ny anao izany fitsaran'olombelona araka ny porofo hitanao teto an-tany." hoy Lotera
Finoana anie io ry Lotera e, "sambatra izay mino nefa tsy nahita " ka maninona ary ianao no mitsara ny olombelona amin'ny finoany hoe "tsy mety ny ataon'ny katolika, lalandiso no arahiny". sao mba apostoly sandoka koa ianao ? Satria toa tena anjely ianao rehefa miteny.
Ianao io no nanomboka an.
Bon, tsy fombako ny mitsara olona fa mety daholo e, izahay mino aloha e. Donc inoy koa ny anao e.
Sana rancune ! a+
32. annie ( 08/04/2005 12:51)
Maria de olombelona notorotoroina t@ nofo sy rà,fa jesosy kosa notorotorina t@ Fanahy masina,noho izany tsy afaka manelanelana mihitsy i Maria,jesosy irery ihany no hafaka manelanelana antsika amin'Aa,vakio ny Baiboly fa voalaza mazava tsara io.
33. dadabe ( 08/04/2005 12:55)
tsara ilay famosahan-kevitra ary misaotra ireo namana izay nandray anjara sahady na dia vao androany aza dia efa maro ny hevitra voaray,midika izany fa lianaisika,fa aoka mba samy hifantoka amin'ilay "sujet"dia tandremo sao mivoaka ny vala r'izareo a,isika mpinamana foana.
:D de ampy a
34. Narilala ( 08/04/2005 13:21)
Annie, tena tsy mazava aminao mihitsy na odianao tsy hita izay ambaranay eto. Tsy misy afa tsy i Kristy no mpanalalana na mpanelanelana, fa i Masina Maria kosa mivavaka ho antsika sy azontsika angatah-bavaka. Tsy hoe akory i Annie raha mivavaka ho ahy dia mpanelanelana ahy sy Andriamnitra.
Matoa mafy orina ny finoana Katolika tsy misy fisaratsarahana dia satria manana mpivavaka izy, manana mpanohana, dia i Masina Maria sy ny Olomasina.
35. hery ( 08/04/2005 13:43)
Ka ny olana koa anie dia izao e :-)

I Maria na dia tsy angatahana hoe mivavaha ho anay aza dia mivavaka ho antsika... (sy ho an'i Lotera sy ny sisa)... ahoana moa no hanakananao an'izany fa dia ihafio ao hoe mivavaka ho anao koa i Maria :-)

Spiritisme ahoana koa? io indray i Lotera.

Raha tsy tena fantatrao ny atao hoe spiritisme... ka tsy tena fantatrao ny atao hoe katolika... dia aza miditra lalina amin'ny fampitahana (na fitsarana). Ny ankamaroanareo mitsikera ireo mantsy dia avy ao ivelany daholo fa tsy avy ao anatiiny :-)
36. radriana ( 08/04/2005 13:54)
Narilala, misaotra anao namaly an'i Annie fa izaho vao saika hanoratra hoe toa hiverina hatramin'ny voalohany indray ity resaka ity efa nanomboka reaka aho.
Hery, ianao mihitsy anie no tena tian'i Lotera hamaly azy foana asa maninona
:roll:
37. annie ( 08/04/2005 13:54)
hery,narilala sns!
Le hoe maria manampy mivavaka mihintsy no tsy ekeko @ maha za anà
Tsy misy olona maty efa any ampasana ka afaka hivavaka sy hiara-mivavaka mihintsy!
Raha afaka ireny angamba tsy nisy nahantra fa nanampy sy nitahy daholo ny maty tany aloha rehetra tany!Fanontaniana hapetrako aminareo fotsiny ary de zao e!
Raha maty lazarosy de natsangana t@ maty izy,ary naninn kosa raha maty i maria tsy mba natsangana? nefa olo-masina izy hoy ianareo?
Omeo ahy eto hoe aiza ao @ Baiboly no milaza fa tokony miaraka mivavaka @ maria isika?na afaka mampiakatra ny vavakitsika any andanitra izy?
Jesosy ihany aloha no hitako ao fa de mba lazao amiko ndray hoe mba ho vakiko?
namana

38. ari.malala ( 08/04/2005 14:17)
annie, hoy ianao hoe raha afaka ireny angamba tsy nisy nahantra, nefa adinonao ve ny tenin'i Kristy hoe "ny mahantra dia hisy mandrakariva eo aminareo"? Nefa kosa hoy i Md paoly hoe "mifampitondrà izay mavesatra", tsy voatery ho ara materialy anie zany ê! afaka mifampitondra izay mavesatra tokoa @ lafiny fivavahana, ary izay no antony angatahana ny "intercession" an'ireo olona ef
39. ari.malala ( 08/04/2005 14:23)
Nisy fausse manipulation fa azafady!

Izany hoy aho no antony angatahana ny "intercession" an'ireo olona any anilan'Andriamanitra ireo, satria izy no azo lazaina fa efa afaka ady, ary manam-potoana kokoa eo anilan'Andriamanitra mivavaka ho antsika.

Mbola ho an'i annie ihany, marina fa notontoronina t@ Fanahy Masina i Jesoa, ka iza ary ny Reny nitondra Azy ê!
40. radriana ( 08/04/2005 14:25)
Annie, vakio ny message nalefan'i Narilala t@ 16h09 niverina indroa mihitsy.
Hoy ianao hoe "ra nanampy sy nitahy ny olona maty taloha tsy nisy nahantra " .
Andriamanitra ihany no mandidy ny zavadrehetra anie, fangatahana no atao na ny maty na ny velona na ny eo antenantenany tsy misy afaka mamonjy raha tsy Andriamanitra irery ihany, ny sitrapony ihany io. Izy no mahalala ny explication rehetra ny sitrapony.
Faharoa manaraka izany, i Lazarosy foana no resaka, exemple anie io e, raha ny zavanitranga rehetra tamin'izany andro izany no ataony ao daholo dia angamba na isika hamaky azy aza kamo sisa.
Fa ny azo raisina ho an'ny olona mpino rehetra @ izao fotoana misy antsika izao dia ny hoe sy zavadehibe indrindra dia ny hoe " izay mino ahy na maty azy, dia mbola ho velona "io mba @ ankapobeny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3359