Fivavahana= Izay ao anaty baiboly ihany?

81. ikaretsaka ( 06/11/2004 01:40)
tandanitra> sakafo ny vary, fa matsiro tokoa raha ampiana loaka..
toy izany koa ny baiboly.. sakafom-panahy, fa raha mbola ampiana zavatra hafa dia hanim-pitolohan\'ny fanahy!
82. fatsoraly ( 06/11/2004 01:52)
Dialogue:

a) Aza mitanisa andalana fotsiny
b) Andao ary fa Baiboly manontolo no resahina

a) an? Tsy ampy ny Baiboly. Maninona raha mamaky Koran na boky hafa?
b) Tsiky dia ampy

-----------
-----------
Mpanoratra: William Shakespeare
Lohateny: Romeo & Juliette
Sahalan\'isa: 19/20

Mpanoratra: Bekorontana
Lohateny: Tantaran\'ny andriana
Sahalan\'isa: 18/20

Mpanoratra: Andriamanitra
Lohateny: Baiboly
Sahalan\'isa: 12/20

Membres du jury: Ikaretsaka, Ramaso
83. ikaretsaka ( 06/11/2004 01:54)
tsy hitako ny nidiran\'ilay romeo et juliette!
84. fatsoraly ( 06/11/2004 06:24)
Ho anareo rehetra eto,

Izaho dia mahita fa tsy mifankahazo ilay resaka hifanakalozana eto. Ary tsy tokony hiadivan-kevitra be akory satria ny dikan\'ny teny hoe \"Baiboly\" mihitsy no tsy itovizantsika @ ilay nanokatra ny adihevitra.

Raha miteny izy mantsy hoe \"tsy ampy ny Baiboly\" dia ny \"Baiboly\" araka ny heviny azy manokana no tiany ambara. Anjarantsika tsirairay araka izany no mandanjalanja hoe \"Baiboly\" inona no asiany vakiantsika @ ilay hoe \"izy aza mamporisika\".

Mety tsy ho azonao angamba ny tiako tenenina fa dia http://serasera.org/forum/index.php?rub=viewthread&msgid=m413e3bf8ad57f e!

Samia ho tahian\'Andriamanitra.
85. pitchou ( 06/11/2004 17:21)
tiako ho fantatra : aminareo mamaky baiboly sy te-hampihatra azy eo @ fiainana (satria izay no mahabaiboly ny baiboly), a) izay voasoratra ao v dia mety avokoa? raha resaka fivavahana sy fitondran-tena no resahana an! satria misy zavatra, raha izaho tsy heken\'ny saiko satria zavatra hita rahateo ny tsy mahamety azy eo @ lafiny ara-tsiansa sy ny ara-piaraha-monina eo @ malagasy. Ohatra le sipa 2 nanamamo ny rainy d nanao acte sexuel taminy, voasoratra ao izany saingy tsy ekeko ny mahamety azy (maka taha anareo aho eto @ resaka tsy milaza afatsy izay toko sy andininy tiana lazaina an! sao tezitra!) ohatra ny fomban\'ny sasany ao @baiboly tsy ampy azy vady iray! dia ary ambadimbadika ary hoe tsy aleo tsy manambady???? azo idirana lalina eto izany ny resaka hoe fitiavana zay atao malaza masaka rehefa manao mariazy
b) tsy interpretation ve no ataontsika tsirairay? satria raha tena hentitra ny voalaza ao, tsy tokony ho maro ny karazam-pinoana mifototra @ baiboly iray!
c) misy zavatra sasany mikasika indrindra io baiboly io afenina ny mpino, indrindra ny kristiana, tsy avela ho fantany loatra izany e! raha fantatry ny rehetra ve ireny mety hanozongozona ny finoany, ka dia noho ny antony samihafa dia aleo tsy fantany?
d) ny fivavahana amiko dia tsy izay ao anaty baiboly ihany, fa indrindra indrindra izay ao anatin\'ny fo sy miorim-paka ao anaty saina lalina ao, ka tokony hitondra filaminana sy fiadanana ho an\'ny mpiara-belona aminao! dommage fa tsy mbola nisy fiara mamoaka setroka mainty t@ zany dia tsy isan\'ny voasoratra ao io nefa karazana famonoana olona ihany!

fehiny: tsara ny mamaky ny baiboly azahoana manatsoaka izay tsara hitondrana ny fiainana, saingy tsy tokony ho vakiana fotsiny fa mila dinihana sao manaonao foana ny tena!
86. ikaretsaka ( 06/11/2004 17:24)
Io ilay nolazaiko ary ambony ary hoe sakafo ny vary fa matsiro kokoa raha ampiana laoka nohon\'ny hoanina @ zao.
sakafom-panahy koa ny baiboly.. saingy tsara kokoa ary mahavoky ny fanahy kokoa raha ampiana zavatra hafa (ireo nolazaiko ireo ny anampiana azy)
87. xxx ( 07/11/2004 01:55)
Nga ny baiboly fivavahana fa tsy boky fianarana eh, dia boky tantara mirakitra ny zanak\'Israely mba ho tarafin\'ny zanaka amam-para. Fa ny vavaka atao avy amin\'y fo fa tsy hoe vakiana avy ao anaty baiboly akory.
Ny baiboly koa tsy natao hiainana akory na hibaiko ny fiainana. Saingy hoy ny Ntaolo hoe raha banjinina ny ho avy dia todihana ny lasa. Koa dia ampiasaina ho fehim-piainana ny baiboly. Io mantsy no mampifanditra matetika satria dia misy ireo olona manaraka ny fampiharana io baiboly io an-tsipirihany na antapatapany.
Ny tokony ho jerena aloha dia hoe oviana sy tamin\'ny fotoana ahoana no nisin\'ny tantara ao anaty baiboly? Misy amin\'ny fahendrena ao anaty baiboly no mbola mandaitra hatramin\'izao, saingy tsy vitsy kosa anefa no efa nolaozan\'ny toetr\'andro.
Raha tamin\'izany andro izany mantsy angamba no nisy nahita ny fanaovana raoplanina, dia io no nolazaina fa mesia satria afaka misidina ny habakabaka ary manana hery tsy hita maso tena mahery vaika. Saingy izao vao anjarantsika ny mahita raoplanina satria ny fahaizantsika mahatakatra ny fisian\'io raoplanina io.
Dia toa izany daholo ny zava-drehetra. Fa tsy hoe rehefa te hivavaka dia mamaky baiboly. Ny baiboliko mantsy tsy misy fivavahana ao anatiny afa ty vitsy kely fotsiny, fa tantara no betsaka ao.
88. pitchou ( 07/11/2004 04:02)
ny tonokiran\'i solomona angaha tsy vavaka moa?
89. tsilan ( 08/11/2004 22:20)
Ka ny anarany aza efa hoe tononkira, koa vavaka ahoana koa eh
90. ikaretsaka ( 08/11/2004 23:42)
eny tokoa hoa!
91. fijo ( 08/11/2004 23:57)
io baiboly io koa anie na handanianao andro eo aza ny famakiana azy,rehefa tsy hampiarinao akory tsy hitako izay hilana azy e.ary ny fampiharana ny zavatra hita ao tsy mila mamaky azy akory ianao dia hafaka ahalala azy.ohatra aza mamono olona.tsy mila mamaky baiboly dia mahay fa ratsy izany.
92. pitchou ( 10/11/2004 18:50)
inona moa no atao hoe vavaka ary? ary inona no atao hoe tononkira? raha amiko manko zavatra iray ihany ireo! azo faranana @ amen koa ange ny tononkira e!
93. fijo ( 10/11/2004 22:18)
marina kosa izany voalazan\' ramaso izany ry pitchou an?tsy mitovy ny tononkira sy ny vavaka.
94. fijo ( 10/11/2004 23:13)
mety mivavaka hampidina lasantsy ko.
95. pitchou ( 11/11/2004 18:16)
diso nareo fa vavaka daholo izany rehetra izany! ny vavaka manko tsy voatery hatao litania ahitana tory fa azo asiana feony ary raha ny tokony ho izy dia hira ny vavaka! ramaso mahay an\'izany tsara! tsy zesta akory ny ataon\'ny mompera le mihirahira iny rehefa mivavaka fa tena izany no izy! ny fahaizan\'ny sasany manisy feony no mahatonga ny sasany manao vavaka monotone be!
96. fijo ( 11/11/2004 21:30)
hirambavaka izany.
97. ikaretsaka ( 12/11/2004 06:24)
fa tsy voatery kao hoe gala envangelika=lamesa an!
98. kitjo ( 12/11/2004 07:26)
Iza rery no tsy hiteny? :)

Amiko aloha samy manana ny zavatra inoany e....
Raha samy kristianina no miresaka dia misy sombiny azoko raisina ny zavatra tenenin\' i fatsoraly.
Kanefa raha oh anah izao dia ny 80% olona mifanerasera amiko dia olona samihafa antokom-pivavahana. Samy mivavak aireo...tsy haiko na olona iray no ivavahanay fa fomba samihafa....na andriaamnitra samihafa mihitsy.....fa dia samy mivavaka ry zareo...samy manana ny zavatra inoany===>
Ny dikan\' izay aloha dia samy Fivavahana ireo ary ny Finoana dia satria misy zavtara inoana.

Tsy afaka hiteny aho hoe ny kristianisma iany no fivavahana satria misy olona mivavaka kanefa tsy kristianina. Misy olona manana zavatra inoana kanefa tsy mino an i Jesoa.
:arrow: Samy Fivavahana ireo, samy Finoana...fa ilay inoana sy ivavahana no mety samihafa na mitovy ihany fa ny andraisana azy no samihafa hoe iza no tena Andriamanitra na iza no iza :?:

99. kitjo ( 12/11/2004 07:34)
NY RESAKA HOE ANKOATRA NY KRISTIANISMA DIA FINOANOAM-POANA

Mety ho marina amiko satria izaho kristianina....Izay ilay hoe fantatro izay inoako. Kanefa izany tsy tokony itenenana sy hitsarana tahaka an\' izao.

:arrow: Ny ankamaroantsika kristianina dia satria kristianina ny RAR, d oh izay koa ireo olona sasany hafa finoana.
Tsy nisy finoana hafa nampahafantarina azy ireo.
Eritrereto hoe misy olona silamo tonga dia andeha hivatravatra aminao hoe NY ANAY NO MARINA FA IANAREO MINOMINO FOANA. Rariny koa izy izany raha hiteny anzany satria izay no inoany fa marina

rehefa miresaka momba an i Jesoa aty, dia tahaka ny tantaran i Hercule, Dark Angel, Charmed...toy ireny legende sy tantara foronina ireny no fahalalan\' zareo Azy.

Ka ho disoanao ary ve izy raha tsy mino? Zavatra tsy fantany ve hinoany?

:arrow: Aza mitondra fanafintohinana ho an\' ny sasany....Ataoko fa anaty baiboly znay, za moa tsy mahay tsianjery ny toko sy andininy.

Tsy fidiny ho azy ange ny tsy mahaalla e, samy hafa n tsy mahalala ka tsy mino sy ny minia tsy mahalala.
Eritrereto hoe misy namana sasany ato ange mety ho silamo ohatra na hafa finoana e......

Tokony mba mifanaja na ekeko aza, @ maha kristianina ahy fa Jesoa no famonjena ho ahy, fa tsy izany no anaratsiana sy anenjahana ny hafa

Raha tena kristianina amiko, dia miezaka AM_ PITIAVANA, ny ahavonjy ireo sasany. Fa tsy mifikitra ho anao irery ny zava-tsoa azonao...dia midehaka sy manakora ary manenjika ny hafa izay tsy nahazo.

Tena marina io lazaiko io satria refa mifampizara resa-pivavahana oh zany aty dia samy milaza izay fantany eo ary misy zavatra tsy azon sainao eritreretina mihitsy inoan\' ilay olona sy iainany.
100. kitjo ( 12/11/2004 07:50)
Ilay resaka hoe BAIBOLY TSY AMPY

Tsy sanatria hoe momba an\' Ikaretsaka aho fa manazava satria ny filazany azy angamba no mety ho tsy mazava amintsika.

Ilaina ny baiboly...ary tsy misy hanenjika an\' io, isika kristianina.
Ny fitenenana hoe tsy ampy no mety ho samihafa ny fandraisana azy...satria h@ zao aloha tsy nisy niteny hoe DISO.

Amiko, bdb ny zavatra voalaza ao anatin\' ny BAiboly....maro @reo ny tena sarotra raisina...ary reefa avy mamaky Baiboly...na zavatra mitovy ihany aza....dia oh samihafa foana ny heviny tonga ao an-tsainao.
Ilaina anefa io mampahery indrindra2 sy ho mofom-panahy.

Araka io nolazaiko io hoe, ampy izany ilay izy fa:
:arrow: Matoa misy ireo boky kristianina bdb izay mifototra @ baiboly
oh: Footprints, La bonne semence, mofon\' aina.....izay kristianina avokoa ny manoratra azy.
:arrow: Ny baiboly ihany no fototr\' ireny boky marobe ireny, saingy kosa araka nolazaiko hoe sarotra matetika ny handaisanao ny zavatra voasoratra ao.
Misy fanoharana tena tsy hainao mihitsy hoe inona ny tiany ambara.

Ka ireny boky ireny dia fanampiny....ampiharana ny baiboly ho amin\' ny zava-misy marina....tsy mifanipaka akory ny lazainy fa mifameno s ymifanampy.
M
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4446