Fivavahana= Izay ao anaty baiboly ihany?

101. pitchou ( 14/11/2004 04:47)
izaho indray aloha kitjo dia mino fa tsy mila assistance akory ny famakiana baiboly, raha tsy hoe tsy mahay mamaky teny aza! asan\\\'ny fanahy masina fotsiny dia mahatareika olona iray hivavaka! mety ho olona tena tsy mino izany Andriamanitra izany, na tsy mino izany Kristy izany mihitsy nefa dia resy lahatra ho azy tsy nisy namporisika mihitsy!
Indraindray koa ange ilay misy olona mi-insiste be hoe vakio ny baiboly no vao maika mampihemotra ny olona ka mahatonga azy handà e! indrindra fa tsy misy arina tena marina izay mety hanazavan\\\'ny olona ny baiboly na izay lazainy fa subjectif daholo! ny fanoharana rehetra mety ho hita ao, misy fomba an\\\'arivony maro azon\\\'ny olona handraisana azy! tena arakarak\\\'ilay olona!
Tsy tokony ho adino koa fa ezaka fandikana izay mety ho hevitry ny raki-tsoratra hita ny baiboly ary tsy mbola tapitra ny fikarohana, mbola misy zavatra vaovao hita hatrany! noho izany, mety hisy zavatra ihany mifanohitra @ zay tena tian\\\'ny nanoratra ireny raki-tsoratra ireny nambara no voadika tao, ka izany no tokony ametrahana ny finoana tsy ho eo @ izay hevitr\\\'olombelona fotsiny fa lalina any ao an-tsaina sy ao am-po ary @ fieritreretana! Ny tsirairay ihany no afaka hamakafaka ny finoany! ary ny finoana amiko tsy misy fanontaniana hoe \\\"satria nahoana \\\" mihitsy! fa na handà tahaka ny inona aza ianao, rehefa tafiditra ao aminao ilay finoana dia tsy hisy ahafaka izany ao aminao, na dia ianao aza! izay ilay adika tsotsotra hoe \\\"voaantso\\\"! tsy ny kristiana ihany, fa ny finoana rehetra!
102. kitjo ( 14/11/2004 23:02)
pitchou> ekeko io k,

Ny tiako lazaina @ ilay assistance ai nddray ianao mamaky fa tsy mahazo...samihafa amiko ny mamaky baiboly sy mianatra baiboly.

Ary ny olona izay mampatsiahy anao hamaky baiboly dia anisan\' ny asan\' ny fanahy masina.

Asa raha tsaroanareo ilay resaka baiboly sy serasera tary @ eritreritra mandalo tary.
Mety hoe izay no fomba ampatsiahivin\' Andriamnitra anao......mety ho misy olona miteny aminao mivantana...mety misy tonga d inspiration amzao fts

Fa matetika kosa, tsy azo lavina, dia kamo na leo fts ny olona hoe andeha hamaky baiboly....aleon\' ny olona ammaky oky misy kisarisary.....izay ny anton\'ny amoahana ny Baiboly @ video amzao fotoana izao. Satria mba mila manaraka toetrandro koa angamba e
103. fijo ( 16/11/2004 00:22)
eise le tantara e.
104. tandanitra ( 16/11/2004 11:59)
pitchou< Izaho ohatry ny te hamaly ilay voalazanao t@ 06/11 hoe: mety daholo ve izay voalazan\'ny Baiboly ?
Nomen\' Andriamanitra safidy ny olona @ fomba fiainany eto an-tany.Ny dikan\'izany dia hoe tsy maintsy zakain\'ny olona izay vokatry ny safidy nataony.Tsy nankasitrahan\'i Jehovah ohatra ny hevipetsy nataon\'i Davida mpanjaka mba hamonoana ny vadin\'i Batseba satria i Davida nitsiriritra an\'io vehivavy io : izany tetika ratsy izany izao dia tsy mety satria fahotana , ary dia maty ilay zazakely voalohany naterak\'i davida sy batseba, fantatr\'i Davida fa diso izy izay ange no antony nibebahany araky ny Salamo 51.Tsy hoe tantara fotsiny izany fa misy lesona azo tsoahana daholo izay voalazan\'ny Baiboly
105. fijo ( 16/11/2004 22:29)
tsy izany letsy no nahafaty ilay zaza fa nisy complication a.izay le mampifandray zavatra fotsiny.
106. pitchou ( 18/11/2004 12:42)
tandanitra> raha izany no andraisanao azy dia lasa otran\\\'ny boky rehetra ihany ny baiboly raha izany! ny eritreritry ny tsirairay no mamaritra hoe tsara sy mety iry na ratsy! raha ny mankafy vady maro izao hilaza hoe i ranona \\\"ao anaty baiboly\\\" izay ankasitrahan\\\'Andriamanitra aza firy ny vadiny, d ny hafa tsy tia mampirafy hanizingizina hoe vady iray ihany no izy!
107. fijo ( 18/11/2004 22:12)
ie,i saoly izao nanambady maro dia tiako.i davida koa be revy dia ankafiziko.
108. tandanitra ( 19/11/2004 13:07)
pitchou< izaho ange tsy manakiana izay lazain\'izatsy na izaroa hoe izao no tsara na izao no ratsy, malalaka ny hevitry ny tsirairay. Ny tiako hamafisina fotsiny dia \"tsy nankasitrahan\' Andriamanitra \"ny fakam-badin\'olona sy ny fihatsarambelatsihy ary ny famonoan\'olona nataon\'i Davida.Voalaza mihitsy izany ao @ andininy farany @
2 Samoela 11.Tsy toy ny boky tsotra ny baiboly amiko fa tao no nirakitra ny lalam-pamonjena ananako fifaliana sy fiadanana ary nandraisako ny Tenin\'Andriamanitra @ finoana.Izay ny finoako fa tsy manery na iza na iza aho hoe araho ny kristianisma sady tsy manimbazimba ny finoan\'ny hafa koa aho na inona na inona maharesy lahatra azy.
109. pitchou ( 21/11/2004 10:15)
tsy sanatria aho hanenjika ny kristiana na hanakina izay fomba fanarahany ny baiboly, satria izao mino an\'Andriamanitra, fa kousss mba tiako ho sarihina kely ihany ny sain\'ny mpamonjy fiangonana eto: be loatra ny zavatra mifanohitra alentika ao an-tsain\'ny atao hoe \"mpino sy mpivavaka\" ohatra hoe maninona moa no jerosalema foana no atao filamatra itodihana? tsy henon\'Andriamanitra ve ny vavaka raha vao tsy mipoitra avy any, nefa mino aho fa tsy tsara mankaiza noho ny eto akory izany na dia eo @ lafiny fahendrena aza (ady lava tsy misy farany!!!!)? maninona no olona tsy hita akory izay mahametyny nataony no atao fitaratra satria izy misoratra ao anaty baiboly ny anarany? (ianao aloha fijo tsy ao ny anaranao ka dia tsy isan\'ny olon-kendry ianao!) ... zany hoe ilay finoana tsy apetraka @] maha-finoana azy fa d atao taratry ny zavatra nataon\'ny hafa tany aloha tany ka hita ao anaty boky iray! d ny eo ihany no ahodikodina! zany hoe ny fahitako azy finoana anaty boky fa tsy finoana @ fo sy saina ary fanahy!!
110. xxx ( 17/12/2004 10:14)
Zao zalah zay manaraka no Kristy no atao é,Kristianina fa tsy voatery ho kristianina akory ny fomba fivavahana fa samy manan heviny io fa ny tsara de mitory na mandresy lahatra olona no atao ato ra miditra ato iany mantsy de aleo mitory kely . 8)
111. ranini ( 29/12/2004 15:32)
Zao ry zalahy a!maro ny fivavahana hitantsika, misy eo @ 12000 eo izy io ds le monde. nefa iza t@ir\"eo fivavahana ireo no efa nisy hatramin\'ny nisian\'ny olombelona?Ny fivavahana t@ jehovah ihany no nisy t@ izany ary mbola mitohy hatramin\'izao .Mbola tsy nisy ny corana sns.. de\' efa nisy izany jehovah izany. taty aoriana vao nisy ny fivavana maro.Ary t@ izany mbola tsy nivavaka t@ andriamanitra hafa ny olona.Zzao ny olona vao mamorona a/tra ze tiany :na vola, na olona sns ...Ary ny baiboly koa anie no boky tranainy indrindra eto an-tany eee!Mba lazao ahy hoe mety hisy hafa ve boky mitovy @ io? Efa t@ 1300 ans tk izy io no nisy.Koa mba lazao ahy ary raha misy talohan\'io ka tonga aty amintsika tsy simba sy tsy niova na de nenjehana aza? dinidinika ihany io ee ! Samy mandray izay sahaza azy sa ahoana ? ok ary aloha eee!
112. booboo ( 29/12/2004 15:42)
euh... tsy marina ilay oe ny fivavahana t@ Jehovah no taloha indrindra ( entre parenthèse fotsiny io )
113. ranini ( 30/12/2004 10:02)
F\'inona ry no fivavahana voalohany àry hoy enao e? Ny fivavahan\'ny babylonianina t@ -1500 av -j.c no nisy , ny musulman -1200 av j.c no nisy , ny boudiste sy ny hindouiste -1400 av j.c no nisy ,ny judaisme -1600 av j.c .( encycplopedie britanica & encyclopedie catholique) no nahitako an\'ireo .christianisme année 29 vao nisy .Omeo argument hafa àry aho raha mahita hafa enao e? fiananarana daholo nyzvt rehetra koa ilaina ny mandalina an\'izay hita e!Sa ahoana . :D
114. booboo ( 30/12/2004 10:08)
zay ange no itenenako oe tsy ny fivavahana t@ Jehovah no voalohany nisy indrindra. talohan\'ny Babyloniana mbola nisy ny andriamanitra kely be de be isaka ny civilisations nisy talohan\'ireo. Fa marina mitsy ilay anao oe ilaina ny mandalina ny hita dé fantarina ny zava-drehetra ary azonina zay tsara. :D
115. ranini ( 30/12/2004 15:08)
ie !Aa noforonin\'ireo firenena maro no nisy .ary ny Aa bayloniana aza anie nisy ana-million e! fa atohan\'ireo rehetra ireo !tsy i jehovah ve no niresahan\'i adama ? sa nisy olona hafa noho i adama?iza no nivavahan\'i abela?tsy i jehovah ihany koa !Teo @ taranak\'i noa vao nisy ny Aa kely vaovao ! teo zany vao nisy Aa hafa niforona taty aorian\'i jehovah! Milay aloha le dinidinika eee!rehefa avy eo indray eee! :P
116. pitchou ( 30/12/2004 18:44)
ranini> izay ilay voasoratra ao anaty baiboly! ary raha izay no andraisana azy d lasa boky tantara tsotra izy! firy taona taorinan\'ny nisian\'i adama tokoa moa no nosoratana ny baiboly? na no nisy soratra voalohany? d tokony ho firy % zany no very t@ fahalalana sy ny tena marina?
d ahoana no hanamarinanao fa tena i adama no olona voalohany teto an-tany? ankoatry ny hoe zay no nosoratana ao anty baiboly! ny baiboly ange tadidio fa olombelona no nanoratra azy e! ary araka ny fahatsapany izay heveriny ho mety!
117. ikaretsaka ( 02/01/2005 04:02)
ka izay ange no teneniko heo tsy voatery ho izay voalaza ao anaty baboly ihany e
misy signe bedebe @ fiainanao na tsy ampoizinao aza mahatonga ny saina sy ny fanahinao hivavaka
fa tsy heo hamaky baiboly de noanin\'ny trondro i jonasa de handeha koa hihinana trondro! (nisy olona nanao an\'izany an)
118. pitchou ( 03/01/2005 18:46)
\"fa tsy heo hamaky baiboly de noanin\'ny trondro i jonasa de handeha koa hihinana trondro! \" d nihinana olona zany!!!! satria nihinana ny trondro nihinana an\'i jonasa!
Fa ny fahitako azy aloha dia ao anatin\'ny olona rehetra ilay fahalalana ny fisian\'ilay nahary izao tontolo izao, ka manainga azy hivavaka, saingy minia tsy mihaino ilay feo kely mibitsika ao am-pony izy dia milaza fa tsy misy izany Andriamanitra izany!
119. sahary ( 06/01/2005 11:55)
rehefa nodinihiko izay rehetra voalaza hatrany am-piandohana dia izao ny hevitro,ny olona tsirairay dia tsy voatery hitovy hevitra,ohatra hoe ny sasany milaza fa tsara ny andro,amin\'ny hafa izay midika fa hoe manga ny lanitra amin\'ny mpamboly ohatra mety midika fa avy ny orana izany,ka de reraka eo nareo mifanasa vangy sy mifandany rora eo fa amiko aloha rehefa hoe mivavaka de le ao anaty baiboly ihany fa ny ankoatr\'izay piraty sy gravage ary photocopie daholo fa tsy tena izy.
120. pitchou ( 06/01/2005 17:27)
ka hihinana crevette zany sahary sa tsy hihinana? :twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1993