Fivavahana= Izay ao anaty baiboly ihany?

61. fatsoraly ( 05/11/2004 03:43)
tsy ampy ve izany ny Baiboly fa incomplet?
62. ikaretsaka ( 05/11/2004 04:05)
amiko dia tsy ampy.. ny faran\'ny bokin\'i joany aza miteny heo tsy ampy.
i masindahy paoly koa niteny hoe miteny heo tsy ampy ny taratasy hilazana azy fa mandeha koa ny lovan-tsofina..
io ilay hoe tsy ampy ny sola scirptura (scripture alone)
63. fatsoraly ( 05/11/2004 04:10)
amin\'ikatretsaka izany dia incomplet ny Baiboly.
Misaotra an\'ise fa izay ihany no tiako anontaniana.
Mahereza e!
64. ikaretsaka ( 05/11/2004 04:23)
ao @ boky faharoa an\'i paoly hoan\'ny Thess. toko faha 2 angamba raha tsy diso za de manodidina ny faha 14 sa faha 15 any ho any izay izay misy an\'io koa
65. ikaretsaka ( 05/11/2004 05:20)
ary izay ny lohahevitra navoakako voalohany ato
66. fatsoraly ( 05/11/2004 05:29)
Mahereza e!
67. moi ( 05/11/2004 08:42)
Fijeriko mbola mandalo ato amin\'ity lohahevitra ity :
1°/ Tsy tokony ho ianareo samy ianareo ve no mifanoratra any raha resaka ivelan\'ny fanontaniana no entinareo eto, ohatra hoe Mitsaratsara i ranona ... fa tsy valin\'ilay fanontaniana no ataonareo, fa ilaozanareo mifanitsy eto ... Hanoraty mangingina any ny namana raha mba diso, fa sao lasa mivoaka mihitsy ny resaka.

2°/ Tena mety raha atao lohahevitra hafa mihitsy ny Baiboly sy ny fivavahana kristiana, dia lohahevitra hafa ny fivavahana ankoatry ny kristianisma. Ohatra raha betsaka ny te hiresaka Silamo dia sokafana ny lohahevitra SILAMO, fa izaho izao ohatra mba liana ny amin\'ireny HALAL, Ramadan ...; misy kely fantatro fa ny tena silamo no tiako hiresaka tsara momba ny fivavahany.

3°/ Baiboly incomplet :
Raha ny tantara nisy ary tokony ho fantatra dia tsy ampy ny baiboly, nefa efa ampy hitondra fiainana kosa izay voasoratra ao. Tsy mila ampiana boky hafa na fanitsiana.
Ny tena mandinika ny baiboly mbola mamaky boky hafa.
Dia hisy hilaza hoe mifanohitra izany voalaza izany ?

4°/ Mbola tsy hitanareo angaha ilay voasoratra hoe \"Aza mitsara ... (...)... Mitsarà marina !\"

Veloma samy ho tahian\'Andriamanitra daholo, na ny mpivavaka manaraka baiboly, na ny tsy manaraka o !
68. kinaoly ( 05/11/2004 09:21)
moi>
1°/ fanga tsy hevitra no ampedina eto e, tsy haiko ny hafa alou fa ny fahitako azy de hevitra doly zany mivoka zany
2°/ fa maninn no tsy maintsy atokana foana raha vao misy resaka kristianisma ? samy fivavahana sy finoana daholo zany, eny e, mety hahamora zavatra alou ngamba zany e :^)
3°/ mety marina ho anao io fa mety tsy mitombona ho an\'ny hafa
4°/ ....sambatra izay mino....
69. bekorontana ( 05/11/2004 11:22)
ikaretsaka sy moi, tô nasaotaky bekorontana dôly? inona no mba takatry ny fisainanareo amin\'io baiboly kôzinareo incomplet io?
70. bekorontana ( 05/11/2004 11:53)
:twisted: :twisted: :twisted: :twisted:
71. bekorontana ( 05/11/2004 12:03)
:twisted: :twisted: complément :twisted: :twisted:
http://forum.europeanservers.net/cgi-bin/v.eur?385582
72. tandanitra ( 05/11/2004 13:21)
amiko tsy tokony hipetraka akory ilay fanontaniana satria efa fantatsika fa misy karazany bdb ny fivavahana ary tsy voatery ho izay voalazan\'ny Baiboly no atao hoe fivavahana, izany hoe tsy azontsika fehezina hoe fivavahana kristiana irery no fivavahana.Efa mazava ny finoako an\'i Jesoa Kristy araky ny lohahevitra nataoko hoe: \" la Bible, salut divin et regret éternel \" sy ny valinteniko tao @ lohahevitr\'i heartbreakkid hoe : \"Jésus, info ou intox ? \"
Dia tiako hamafisina eto ny tenin\'i kelly hoe : avelao samy haneho ny heviny ny tsirairay arak\'izay finoany fa aza atao manafintohina anareo raha mitory filazantsara eto ny mpino kristiana @izay maharesy lahatra azy toy ny voalazan\'i hery hoe \" sakafo nahasalama ahy ny finoako \" koa dia aza sakanana izay te-hisakafo. Dia aoka tsy ho lazaina hoe \"extremiste \"i tandanitra ...misaotra anareo namana rehetra...
73. ikaretsaka ( 05/11/2004 14:04)
tsy azoko ilay nasaotaky bekorontana... nga nisy nisahotajka sy action nataon la teo?
74. kally ( 05/11/2004 14:33)
Fa ny tsy azoko ange dia izao e!inona moa ny olan\'Ikaretsaka sy Fijo raha mamaky Baiboly aho ohatra?
Amin\'io Baiboly lazainareo fa tsy ampy io,mba tanteraho hoe na andiny roa na iray fotsiny aza amin\'izay voalaza ao raha ho vitanareo: toy ny hoe \"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao..\" sahiko ny milaza aminareo fa mbola mianatra an\'izany foana aho isan\'andro.Na ny hoe \"aza atao tratry ny masoandro milentika ny hatezerana\" ho vitanao ve io @ olon-drehetra?Ka io aza sarotra amiko na dia lazainareo fa tsy feno aza,tsy maninona fa tao no nianarako ny tena \"Fitiavana\" sy nahazoako ny fahasambarana rehetra iainako.
75. ikaretsaka ( 05/11/2004 15:05)
andraso ary fa azavaiko tsara:

0-tsisy olana raha mamaky baiboly ianao. za ko aza mamaky

1-ilay hoe tsy ampy = tsy hoe io ihany (ohatran\'ny hoe vary io fa ny loaka tsy mbola ao) tsy mahafehy ny hoe kristianina na mpivavaka akory ny famakiana baiboly ihany. raha izany dia tsy tsy nisy nandeha niangona sy nandeha Lourdes sy manao toko saple sns
fa dia mipetraka mamaky ny baiboliny dia samy basy. tsy ilaina i mopera, tsy ilaina pastera sns.

2- Io baiboly io mihitsy aza no niteny tary @ farany hoa (jaona farany indrindra ary) bedebe ny mbola misy fa tsary nosoratana tato aby!

3-Za tsy niteny mihitsy hoe aza mamaky baiboly , za aza mamporisika, fa hoe ampio de midira lalindalina kokoa ( hoano ny vary dia mba ampio loaka hozizy ilay mpampianatra katesizy anay fahiny)
76. fatsoraly ( 06/11/2004 01:12)
Hahaha! Toy izao ny valin\'ny fifaninanana manoratra boky teto @ serasera araka ny fitsaran\'ireo mpikambana sasany:

Mpanoratra: William Shakespeare
Lohateny: Romeo & Juliette
Sahalan\'isa: 19/20

Mpanoratra: Bekorontana
Lohateny: Tantaran\'ny andriana
Sahalan\'isa: 18/20

Mpanoratra: Andriamanitra
Lohateny: Baiboly
Sahalan\'isa: 12/20

Membres du jury: Ikaretsaka, Ramaso, Fijo
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D

77. fatsoraly ( 06/11/2004 01:17)
Dialogue:

a) Aza mitanisa andalana fotsiny
b) Andao ary fa Baiboly manontolo no resahina

a) an? Tsy ampy ny Baiboly. Maninona raha mamaky boky hafa?

Tsiky dia ampy
78. ikaretsaka ( 06/11/2004 01:24)
de ahoana ny valin\'ilay b?
79. ikaretsaka ( 06/11/2004 01:28)
tsy shakespeare no nolazina ra fatsoraly fa apocryphes, histoiren\'ny olomasina, Domicicanisme (thomas d\'aquin) tsy dominicanisme ( ohatra augustinian) saple, raozery sns...
baiboly zany efa tsy ampy sady efa samy mahaalla izany aby
zay no nolazaiko fa aza mamorona an
80. ikaretsaka ( 06/11/2004 01:38)
indro kely koa:
hozizy i moi ary ambony ary \"ny tena mandinika ny baiboly di amamaky boky hafa\"
atsipy ny teny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.298