Betsaka ny vehivavy "dominante"

61. ari.malala ( 08/06/2004 09:50)
ny lahy no lohany nefa tsy midika izany fa ianareo no tompon' ny teny farany ê! tsisy afa tsy ny miresaka ihany no fanafodiny.
62. mumu ( 08/06/2004 11:42)
fijo mifanampy angamba no tena izy e????
63. fijo ( 08/06/2004 22:33)
io toa ny fitondrana e.ny lahy no mitondra ny politika,ary ny vavy manatanteraka io politika io.
oh.mila amboarina ny lavarangana.dia ny vavy no manao izay hampisy tahiry ahafahana manatanteraka azy.
64. nyna ( 09/06/2004 10:37)
tena marina mihitsy ilay hoe tena ilaina dia ilay ny dialogue ry reto a!

Merci!!
65. chipie1 ( 09/06/2004 10:41)
ie raha vao tsy misy dialogue tsy mety mintsy !!!
66. pitchou ( 09/06/2004 15:57)
raha ny lahy no avela ho lohany, araka io tenin'i fijo io, fa ny vavy mpanatanteraka fotsiny d tadidiotsara fa ho feno labiera sy rhum hatr@ biberon ho sotroin'ny zaza! fa raha mahay midina miala kely @ hambo diso toerany izy ka mihaino ny hafa heveriny fa tsy manana anjara toerana eo @ izany ho "lohany" izany izy d hirindra tsara ny fiaraha-monina
67. jhouhlambout ( 10/06/2004 10:52)
Ny lahy no lohany ary ny vehivavy kosa no tendany. Ary matetika ny tenda no manodina ny loha any amin'izay tiany....tsss.....
68. ari.malala ( 10/06/2004 11:06)
aiza kosa r'i jhoul fa tsy mitombina kosa izany analyse nareo zany â!im_10 angamba no namerimberenana teto @ ty forum ty hoe ny miresaka ihany no fanafodiny fa tsisy an'izany mifampi domine izany. Ny an'ny lhl d zay izy no lohany zay fôna no ambentin-teny, nefa ahoana ny hiran'i Neri Ratsimbazafy? Na mahery aza malemy toy ny zaza ny lehilahy.
69. ari.malala ( 10/06/2004 11:07)
Henri Ratsimbazafy io fa diso
70. pitchou ( 10/06/2004 17:28)
io complexe nareo lehilahy io ihany no mampivarina ny ankaaroan'ny fianakiavana any an-kady! tsy te-hahalala mihitsy izay mety sy tsara fa d matikambo otran'ny baolina fingotra!
hihihihihi! vao noforoniko vao teo iny
71. jhouhlambout ( 10/06/2004 19:13)
pitchou> Ary taiza ianao no nahita ilay hoe: ho feno labiera sy rhum hatr@ biberon ho sotroin'ny zaza
72. fijo ( 10/06/2004 22:48)
ih,ih,ih,.ianao ra pitchou aza manao izay ahavaky hehy eto fa tsss.
izahy anie lohany tsy midika akory izany fa tsy misy resaka azo hifanaovana intsony e.
73. pitchou ( 11/06/2004 16:18)
jhoul> zavatra tena nitranga io, ary resaka matikambo ho lohany otran'ny ataon'ny sasany ato no nahatonga azy, ilay rangahy no miseho ho izy no mandidy @ izay tiany atao @ zanany satria hono zanany (fa angamaba tsy an'ilay ramatoa niteraka azy!!!) ary tena nataony fanahiniana ny nampisotro labiera sy rhum ilay bandy kely vao 9 mois, t@ biberon-ny!
74. jhouhlambout ( 11/06/2004 16:45)
Exeption indray izany ka! Misy koa anie ny vehivavy manao an'io e, toy ireny mère alcolique ireny...
75. mimich ( 15/06/2004 10:15)
ary rehefa lohany ary dia aza manao ohatra ny fary e!
Ny fahitako azy dia izao h@ izay ny vhv dia natao ho mpanatanteraka sy mpikarakara tokatrano fotsiny, @ izao fotoana izao anefa dia miezaka handray anjara feno eo @ fiainan-tokatrano, ary miezaka maneho hevitra hitadiavana ny tsaratsara kokoa fa tsy miandry fotsiny toy ny teo aloha , izay no tsy tantin'ny lhl satria @ ankapobeny dia mahataka-davitra kkoa ny vhv eo @ lafiny tokantrano (fitantanana , fanolokolona,sns) ka izay ilay hoe toa ny heviny foana no arahina, tsy hoe ny heviny foana no arahina fa ny azy no mety logique na hita ho tsara kokoa (ap discussion io an!)
76. jhouhlambout ( 15/06/2004 11:07)
mimich> Karakarao tsara ary ny tokatrano sy ny sisa dia avelao lery hatoritory haka aina tsara e!
77. mimich ( 15/06/2004 11:43)
jhoul> matoria andro fotsiny ao ary dé avy eo vé lazaivo hoe dominant indray
78. fijo ( 15/06/2004 22:04)
aleo izahay hilalao kanety be fa karakarao ny trano ary e.raha izay dia ok.raikitra tsara ka
79. booboo ( 16/06/2004 13:30)
80. fijo ( 16/06/2004 23:00)
kofina ngaha i booboo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4188