Betsaka ny vehivavy "dominante"

141. pitchou ( 15/07/2004 02:43)
hihihi! ka nen'ny olona ato no mba analana ko! hihihi ! sady ato no mba ahitana zavatra tsy fahita firy!
142. nyna ( 17/07/2004 14:59)
ok ok! c'est bon! hevitra tsy mitovy marina! za manaiky hifandray tanana ka! :wink: :D tsika ndray cool ka!
143. pitchou ( 17/07/2004 15:20)
bizzzz smack!smack nyna an! ao fa ataontsika 2 fanina ireo e! hihihi :D
144. methode ( 17/07/2004 17:12)
:twisted: Toa ny vehivavy samy vehivavy indray no mitady hifampidomine amin\'ny hevitra eto ko!! Voatery namaky hatrany am-boalohany ka hatramin\'ny farany aho!! Marina ny voalazan\'i nyna fa misy lehilahy tena dominé tanteraka ary tsy vitsy io!! Fa ny iafarany dia mikorontana ny tokan-trano, satria tsy afaka miteny na inona na inona ilay lehilahy dia mitady fomba hafa hanalana ny tahotra na hanalana ny sorisory!! Ny efa hitako aloha dia saika lasa mpisotro sy midoroka ilay lehilahy!! Avy eo indray anefa ilay vehivavy no milaza fa anarany no mba loham-pianakaviana nefa tsy manao inona ilay lehilahy!!
Fa ny vehivavy koa rehefa voageja dia mitady lalan-kafa ka rehefa tsy ao ilay lehilahy dia izay no manararaotra mangalatra kely atsy sy aroa!! Dia lasa mikorontana ny tokan-trano avy eo!! Izay no ilazako hoe tokony donnant-donnant fa tsy dominant(e)-dominé (e) izany ny amin\'ny resaka fitiavana!
145. nyna ( 19/07/2004 15:22)
methode> ekena ary tena marina io!

fa izao no tsy matiko lolo! mba tiako ho fantatra hoe inona kay no fihetsika ataon'ny vehivavy no ilazana hoe tena dominante izy?

symptome ozy aho etsy ambony etsy!! mba tsy hitsarana vhv ivelany justement hoe dominante! azonareo ve ny tiako anontaniana??? :wink:
146. methode ( 20/07/2004 23:04)
Ny azoko ilazana azy angamba dia hoe na lehilahy na vehivavy rehefa tsy misaina afa-tsy ny hampanjaka ny heviny izy izay, na fantany izao aza fa tsy mety ny hevitra omeny, mandritra ny ady hevitra, dia izay no atao hoe dominant(e). Manapepo fotsiny no ataony na hoe tsy maintsy ny hevitra omeny no ampiharina na tsara na ratsy!! Izay fotsiny no mahafaly azy!!
Fa na ela na haingana tsy maintsy hitroatra indray andro any ilay voa-dominé(e) ary dia ilay nilaza azy ho dominant no ho olona faran'izay mijaly!!
Raha ny famaritana hoe hatraiza ny vehivavy no antsoina hoe dominante dia tsy itovizana io fa arakaraka ny fiaraha-monina misy azy sy ny olona mamaritra azy!! Raha ny aty Burkina ohatra dia tsy mahazo miteny mihitsy ny vehivavy sy ankizy eo anatrehan'ny lehilahy sy ny olona asaina!! Eken-dry zareo anefa izay ary tsy mihevitra ny tenany ho ambaniana mihitsy ny vehivavy!! Izay manohitra an'io no lazain-dry zareo fa tsy mahalala fomba!!
147. nyna ( 21/07/2004 09:58)
methode> mazava tsara ny fanazavanao! tsy misy ambara aho f tena marina io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3965