taranak'andriana sy andevo hono ka tsy mahazo mivady

81. lema ( 19/03/2004 19:00)
zany ry peluche tsy ho afaka mandrakizay a!satria rehefa tsy mitovy anie dé tsy ny loko fotsiny no tsy mitovy e! fa ny fomba fisainana ny fomba fijery ny zavatra rehetra mihintsy e!
82. ikaretsaka ( 22/03/2004 20:22)
ko raha hisy hiaraka amin'ny tavaratra eo ry ramaso
83. fijo ( 26/03/2004 11:26)
misy iray aty marseille efa nitoko izy mitsam izao
84. ikaretsaka ( 26/03/2004 14:06)
dia misaromboaly ve izany le
85. fijo ( 26/03/2004 16:31)
an an mihinana kisoa i kala
86. nananie ( 26/03/2004 11:54)
Ary le bandy nivadika?
87. besoiiin ( 29/03/2004 16:45)
tena resabe tsy vita ity an! matoa mbola mitohy hatramin'izao ity resaka ity dia misy tsy fitovizankevitra ao! raha nitovy hevitra mantsy ny hevitr dia efa samy resy lahatra ka tsisy nanohy intsony! porofo iray mivaingana anefa izany tsy fitoviankevitra izany fa misy andriana sy andevo ato ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka dia mirirotra eo ihany ity sujet ity! ka in ihany no mbola isalasalanareo fa tsy aleo v izay mitovy @ tena no iarahana mba tsy te ho lavareny toa ity sujet ity ny gidragidra!
88. besoiiin ( 29/03/2004 16:52)
ny tena marina ange dia izao e! ny andriana tsy dia mivaky loa @zay andevo e! ka lasa henatra ho an'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina izany hoe nisy singa iray tao aminy ka niaraka amin'andevo!
ny andevo indray dia miady fo mafy ny mba hitovy zo @ andriana ka tena ireharehany fatratra izany hoe miaraka amin'andriana izany!
dia anjarantsika sisa no mieritreritra ne hidikizo na hanakatra ny tsy sahaza e!
89. besoiiin ( 29/03/2004 17:10)
in marina moa no tsy hitiavan'ny andriana ny andevo? ny endrika ivelany alou voaloany! ny toetra , ny fomba fiaina, ny fisainana , ny fomba fiteny , sns
oadray toa ny maha-olona iray manontolo mihintsy izy izany an! dia anjaranao no mieritreritra raha te hitovy zo sy tsy ho voahilika e! ovay daholo ireo param rehetra ireo! misy alou ny azo ovaina ihany e! misy koa ny sarotsarotra kou sa ve hanao M jackson?
90. besoiiin ( 29/03/2004 17:13)
ary ra-tenio namorona ity sujet ity tsita tsony an? sa v resy lahatra ka hamonjy izay tokony ho sahaza? sa.... mba lazao mou izay hevitrao après n'izay adievitra sy fandresendahatra lava b izay e!
91. ikaretsaka ( 29/03/2004 17:21)
mety efa nmahita olona solon'ilay tsy navelan'ny ray amandreniny izy ko
92. peluche ( 30/03/2004 20:58)
ka efa samy naneho ny heviny koa inona ntsony mbola tokony hotenenina?
93. xxx ( 31/03/2004 08:59)
fa izao aloha e! aiza no misy filazana fa rehefa fotsy , dia andriana, iny kosa aloha dia laviko tanteraka e! sao voafitaka ihany lahy ho an'ireo izay mpandala izany e!, ny zava-misy aza , dia irony olona manana fihodirana somary zarzara no tena déscendants directsn'ny mpanjaka (ex: Ratsimamanga sns...), noho izany io fitsarana io aloha dia efa tsy dia mety loatra , manaraka izany, io dia miankina @ tsirairay, rehefa zakan'ny sainao ny mizaka ny safidinao eo anatrehan'ny fianakkaviana, ny manodidina sy ny fiaraha-monina dia tsy misy olana, fa raha mbola miroaroa saina dia , mieritrereta ihany aloha. Raha ny marina aloha , raha olona mandala ny fotom-pisainana tena xana , dia tokony efa tsy ho @ izay intsony e!, saingy ny zava-misy dia ny olona mitonona ho tena xana no matetika tena ahitana azy io, jereo anie hatrany am-piangonana e!
Ary ny zava-misy @ izao dia mifoha indray aza ilay resaka andriana (TAMIMA, club des 48 sns...) izany hoe tsy hety ho afaka mihitsy izany izy io fa mety hoe matory ao anatin'ny fotoana fohy dia mifoha , arakaraky ny vanim-potoana, toy ilay resaka cause cotière ihany rehefa cotier no mitondra.
Ho fehiny dia izao, tsara ilay hevitra hoe tkony hialana, fa inona ny fomba tokony hatao satria raha resaka vava be toy izao fotsiny dia tsy vahaolana, satria tsy ilaozan'izay mpihatsaravelatsihy sy mpanara-drenirano
alao hery ary e!
94. nenitiana ( 31/03/2004 18:10)
Tena marina mihintsy io voalazan'i xxx io, fanampiny kely fotsiny angamba dia ny fitiavana tena fitiavana tsy mijery volon'koditra na firazanana, ary safidy ny mitia fa tsy terena, ianao no hanambady sy hiara-monina aminy fa tsy ny fianankavianao, anjaranao ny mandresy lahatra azy ireo amin'izay safidin'ny fonao.Asehoy azy ireo fa mifankatia ianareo ary mifanaja. Fa matetika koa anie avy amin'ny ataonareo no hanakanan'ny fianankaviana anareo e!
95. besoiiin ( 01/04/2004 03:45)
manaiky za fa tsy voatery ho mainty sy ngita volo foana ny andevo e! fa matetika ny 1e reaction'ny oul dia andevo ianao izay raha vao mainty sy ngita volo, ary andriana ianao na hova raha malama volo! ary ny fitiavana ange tsy atao botolo fotsiny ka hoe tiako io ary zakako ny vavambahoaka dia mivady e! mba tsinjovina ihany ilay ho avy e! ny taranaka no tiako ho lazaina eto! sao ho voailiky ny mpiaramonina izy ireo! eny fa na dia ny fianakaviana koa aza! koa mba saino tsara inany e! aleo ange misoroka toa izay mitsabo e! oul b da b mameno tanana ireo! sao dia ho lany taranaka eo ry akama a! satria mety tsisy mpkaoty ny ankizy de antitra ampijoroana eo na kou tena lasa miova tanteraka ny classenareo satria lasa izay mitovy aminy ihany no mankamamy azy! de ahoana? sa ve any indray ny ankizy vao hirevolte sy hiantsoantso eto @ forum indray hoe! tsy rariny e! mitovy zo e! mainty e! fotsy e! mba misaina alou vao manao zavatra e!
96. ikaretsaka ( 01/04/2004 05:46)
marina ny an'i besoilin.. tsy bontolo ny fitiavana
97. tia_ery ( 01/04/2004 07:53)
Io taranak'andriana sns ... io r'ireto dia tsy azo foanana eo amin'ny hasin'ny mahamalagasy 'zany â!

Isika fotsiny no ''devant un fait'' no miady hevitra sy mifanjinja eto dia samy entin'ny fo misendaotra dia miezaka manome rariny ny tenan-tsika sy ny fisainantsika.

Fa ahoana ary ny hevitrareo ny amin'i Princesse Diana ''Lady Di'' sy ny printsy de Monaco sy ny hafa ireny ... Maninona ny hafa miezaka mametraka ny azy tsy misy mandiso fa maninona no rehefa isika Malagasy no mametraka an'izany no lazaina fa tena diso sy toetsaina efa tsy mifanaraka amin'ny toe-trandro ilay izy.

Ekeko hoe misy tsy tanteraka ao; satria raha resaka Andriana izany no resahina dia tsy natao hanavahana izany fa kosa ilay MARI-PIANDRIANANA no tiana ho vohizina ary ny ao ambadik'izay dia ny MAHA-MPANJAKA. Ankehitriny ary ve ireo zanaka filoham-pirenena nifandimby teto amin'ny tanintsika raha hametraka hoe izahako na izahay taranaky ny filoham-pirenena dia ho enjehinareo. Raha nahavita be sy nankasitrahan'ny vahoaka andriamanjaka teo amin'ny fiandrianany izy dia mino marimarina aho fa ho mamim-bahoaka ihany koa izy ireny. Fa raha tsy nety ny nataony dia ataoko fa na izy tenany aza mety hisitri-belona sy hilaza aminao tsotra hoe ''I dada'' izany.

Sôtra ê!
98. fijo ( 01/04/2004 23:28)
marina ary azo hitarina i hevitra farany io.maninona tokoa moa raha io no ezahana dinihana fa mety ahavaly tampoka ilay loha hevitra anie.
99. xxx ( 02/04/2004 12:53)
dé mbola mitovy @ io ko ve zany le resaka merina sy tanindrana?
100. ravatorano ( 02/04/2004 13:04)
tia_ery> mbola sarotra koa izany ary ho lalina kokoa no hirobohana raha mbola hampiana ireo filoha nandalo teto ny resaka.
Amiko dia ilay lazain Ikaretska no tohanako : na izy manava tena na izy mahtsiaro voaavaka.Zay , satria na izahay aza dia miaina amin io ao anatin ny fianakavianay ,misy manavaka ary mazava ho azy fa misy ny miavaka ho azy tsy anontaninana akoriny.
Za leo ny manazava fa be koa ny R@R no be diouka ka aleo ny tena no mananatra ny zanaka amam para manomboka izao mba hialana tsikelikell aminio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3997