taranak'andriana sy andevo hono ka tsy mahazo mivady

21. peluche ( 05/03/2004 09:27)
Amin'izao fotona ohatrany efa mba mivotra ihany ny toe-tsaina fa na izany aza mbola raiki-tapisaka ihany ilay izy.Ny ray amandreny tsy miteny hoe tsy zanakay ntsony ianao raha manambady mainty sy andevo sns,fa na na izany aza tandremo sy jerijerevo ihany,miolankolna ny fiteny an'ny hoe aza manambady mainty,andevo.Izany aloha no tsikaritro,ny ao antananrivo ihany moa no fatatro,tsy afaka ny hiteny ny hafa aho
22. voahary ( 05/03/2004 14:08)
ka zay ilay izy e, ny fitsinjovana ny taranaka any aorina mba tsy ho arirariran'ny hafa no tena soucis n'iretsy RAR ka dia miditra foana io resaka io hoe avy aiza ranina ???
23. lema ( 05/03/2004 15:11)
tsy hoe tiko be izy dé ho alaiko vady manjary tia tena za fa mba tsinjoviko koa ny zavatra rehetra mety hitranga
24. hendry ( 05/03/2004 15:14)
Ny zavatra tsapa dia ny tanaranak aty aoriana toa efa tsy dia misy mankasitraka an´io resaka andevo sy andriana io ntsony. Imolotra fotsiny ve zany? resaka tiana atao ve? sa mba tena izay tokoa?
Ny mampalahelo manko dia maro no milaza ho tsy mivakiloha zay firazanan´ny hafa nefa rehefa tena tonga eo @ ilay toerana sy fotoana ho an´ny tenany manokana @ zay dia mbola misisika kely ihany io resaka firazanana io. Velona na fanontaniana hoe: avy aiza, taranak´iza sy ny sisa. Tsy maintsy voanontany ankolaka @ io ny resaka firazanana hoe andevo sa andriana.
25. hendry ( 05/03/2004 15:16)
Sika gasy tena mbola mahay mihatsara ivelan-tsihy. Miala tsiny fa tena zay no zava-misy. Eo ny tahotry ny fanilihan´ny fianakaviana arak´izay efa voalazan´ny namana teo ambony. Indrindra moa raha tsy mahaleo tena ara-pivelomana (manana situation stable) dia atao daholo zay azo atao mba tsy isintahana @ be sy ny maro indrindra ny fianakaviana.
26. hendry ( 05/03/2004 15:19)
Ny fianakaviako dia anisan´ny mbola mpandala io foto-pisainana mpanavakavaka io. Toa ny ankamaroan´ny tanora @ zao fotoana dia matetika izahay ankizy aty aoriana no miady hevitra @ lehibe momba zany. Tsy mahazo rariny mazava ho azy zahay fa kely be siasia hono. Tsotra ny hevitro: ataovy zay anananao foto-pivelomana ara-dalàna mba tsy hianteheranao @ hafa indrindra ny fianakaviana dia afaka mitondra ny fiainanao arak´zay tianao enao. Tsy voatery hanaraka zay foto-pisainana tsy eken´ny sainao fa malalaka tsara.
27. kitjo ( 06/03/2004 10:00)
Fa raha tena raisina @ fiainana andavanandro mitsy ary e, inona no tena mbola zavatra mahasamihafa be ny andrina ,hova ary andevo,ilay oe vazaha sy mainty b aloha normale raha hita fa ra tsika gasy.

Misy koa anefa andrina naka vady lazaina fa andevo satria zanak'olona mpanankarena b ilay sipa,tena nisy io....

marina aloha fa tsy ho lefy mitsy zay resaka firazanana zay fa zvt tsy maintsy prioritaire ve zany @zao fotoana izao?
28. pitchou ( 06/03/2004 16:53)
nefa tsara mihitsy ny manadihady satria misy itony atao hoe tares itony!
29. ikaretsaka ( 08/03/2004 20:32)
sarotra ihany ny manala an'io .. raha hoe fafana fotsiny tsy eritreeretian dia mety ho afaka ihany... fa zavatra efa nisy hatramin'izay io ko.. na ny Jiosy sy ny Samaritanina sy ny Kristianina sy ny fariseo taloha aza.. tsy maisy mifamely kely sy mifanavaka kely foana
30. naritsimba ( 08/03/2004 20:04)
tsy tokony ho ny firazanana intsony no jerena fa ny toetra amam-panahy.Tsy misy mihitsy ny vorondolo nitera-boromanga koa anjaratsika no mandinika, ny fiaraha-monina ange tsy maintsy mitsara eh!
Fa ianao hanana azy ihany io, ianao no hiara-monina aminy sy hiaraka aminy fa tsy i dada sy neny akory.Ny adidin'ny Ray aman-dreny dia ny manoro hevitra fa tsy tokony hisakana mihitsy ny fifankatiavan'ny tanora lahy sy vavy.
Ka vava kisoa misy sira io asakasak'izay hihinana azy.
Raha efa hitan'ny olona izao kosa ve hoe tsy mamely ny toetrany eo @ fiaraha-monina dia mbola hisisika ihany.Misy ange ka na andriana aza tena andevozin'ny halatra sy ny hafetsifetsena ary ny fanambakana eh!
Dia mahazoa vady hiadanana daholo eh!
31. besoiiin ( 08/03/2004 09:21)
ny tena marina dia izao e! izay heritreritrao ihany! mahantanty ianao matoa miditra ka dia tatazo ny vavambahoaka sy izay mety ho vokany eo @ fiaraha-monina sy fianakaviana! tsarovy fa raha mbola oul koa ny oul de tsy maintsy ao anatiny ao izay instinct izay! ka na tsy asehony miariary aza izay dia miseo @ ora tsy ampoizina! io ilay hoe vavankisoa misy sira io ka tokinao ihinana azy!
32. pitchou ( 08/03/2004 17:22)
raha samy mbola velona aloha afaka mifanasa vangy tsara e! fa rehefa maty, any no mety hisy olana satria hilevina aiza ary? raha ny ary tsy manaiky ampiditra ny tary nanary?
33. ikaretsaka ( 08/03/2004 17:49)
zay manko hoa...
34. fijo ( 09/03/2004 11:33)
zavatra efa hitako aloha namana,ilay lahy mainty ilay sipa fotsy.dia lasa mpivady.
teo amin'ny mariage aloha dia hita fa ny havan'ny lahy nifaly be daholo.ny an'ny vavy hotran'ny menamenatra noterena ho tonga izany.
fa ny tena loza rehefa miady izy mitsamy dia lasa ny hoe;"nareo aza ngaly be,ngita volo"ary lery koa mamely ny hoe"ianao koa anie nataoko fakana taranaka fotsiny e,sady mba te hamely fotsy fotsiny aho"resaka toa izany,nefa marihiko,fa ingenieur le bandy ary prof eny ankatso ilay sipa.
35. xxx ( 09/03/2004 11:49)
Sarotra ny manafoana an'io ary tsy eto Afovoany ihany fa na any an'indrana aza dia mbola mitoetra ny ranandria sy ny ndevo. Fa ny tena mahasarotra ny eto Tana dia ilay izy voazara amin'ny toerana mihintsy toy ny hoe Faravohitra sy Andohalo, mitaha amin'ny faritry ny Masay (Manjakaray, Andjanomanal). Ilay izy koa tena mbola hita manaraka eny ihany ilay toetra raikitra avy any amin'ny niaviana rehefa tena manakaiky ny olona tsirairay ianao. Ny fanajana ohatra sy ny voninahitr ohatra dia tena maha sarotiny ny taranak'andriana avy any Malaisie sy Indonesia ary Filipina. Ireto eny @ masay indray dia tena mbola ao ny Maha Masay azy, eo amin'ny fandaniana fanaovana fety sy ny fombafomba fiaina an-davan'andro, tsy dia mivaky loha fa toa vitavita mora ny fainana.
Ny disoko fotsiny amin'ity resaka ity dia ny filazana fa ny fotsy andriana. Nampoina dia mainty saingy mpanjaka. Andriamanjato dia fotsy saingy tsy andriana araka ny anarany akory. Tsara jerena ihany io fa manjary mandiso raha
36. ikaretsaka ( 09/03/2004 16:15)
marna mihitsy io an-dra X io
37. ikaretsaka ( 09/03/2004 16:16)
marna mihitsy io an-dra X io
38. ikaretsaka ( 09/03/2004 16:16)
marna mihitsy io an-dra X io
39. fijo ( 09/03/2004 16:34)
ie,efa nisy fanazavana kely natao momba io fotsy sy mainty io tato.
40. peluche ( 09/03/2004 10:11)
dia ahona zany,manaiky ny tenenin-dra xxx aho fa dia avela amin'izao fotsiny zany?ekena tsy azo lavina satria zay no zava-misy ka nefa na izany aza...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.714