taranak'andriana sy andevo hono ka tsy mahazo mivady
101. ikaretsaka
(
03/04/2004 17:52)
fa na eduque ohatran'ny inona aza ilay olona raha tsy mitovy ny univers ny dia mahatsapa tena ho azy izy fa miavaka
102. besoiiin
(
04/04/2004 09:50)
ka logique izany ka. tsy tokony hiadiana hevitra. resab daholo ny moral sns fa tsy ho foana io akoury. ny mety dia samy mionona @zay nihariana azy ary samy maka ny tandrifiny.
103. ikaretsaka
(
04/04/2004 22:59)
zay.. ny tandrifinao ihany alaina sy ny mitovitovy amino... ny lalitar aza tsy maka fangarana na samy insecte ry zareo..
104. tia_ery
(
05/04/2004 06:05)
Ilay izy ange tena namaritra vanimpotoana iray goavana teo amin'ny tantaran'ny firenentsika ka sarotra ho hadinoana ary ho tsinontsinoavina avy hatrany.
Maninona ny aty aoriana tsy misy sahy maneho fa TARANAKY NY MPANJANATANY sns ... satria ireny zavatra nahamenatra sy namoafady dia tsy hita ho hindraindraina.
Ny resaka MERINA sy TANINDRANA dia fisainana taty aorian'ny fanjanahatany izany no nipoitra sy nirongatra. Ny foko valoambin'ny folo izany efa taty aoriana ela t@ tantaran'ny Madagasikara vao nisy. Noezahina naindraindra; indrindra moa tao anatin'ireny resaka mahamay tamin'ny fanjanahan-tany ireny. Satria ny MDRM, ny VVS, sy ireo namany dia ny ankamaroany dia merina avokoa. Dia teo no nipongatra ireny resaka ireny.
Ka raha ny MERINA sy ny TANINDRANA dia asakasaky izay hanindraindra an'izany fa resaka fanjanahan-tsaina sy fanangolehina fotsiny izany. Ny olona, na izy nobeazina tao amin'ny fomba fanao sy fiaina frantsay nefa tsy dia lasa lavitra loatra teo amin'izany toerany izany na izy miambo fa frantsay fiaina no manindraindra an'ireny.
Farany, raha ny resaka ANDRIANA sy TSY ANDRIANA izany dia aza atao ho olana eo amin'ny fiainana. Misy ny manindraindra an'ireny nefa misy ihany koa ny efa milefitra nefa mametraka ny toy ireny amin'ny toerana mahamety izany.
Ny fampidirana an'izany resaka izany eo amin'ny fanambadiana sy ny fiarahan'ny ankizy dia mbola tantara mitohy aloha hatramin'izao ka aza dia mora entin'ny fo mora misendotra fa alao mora ê!
Sôtra ê!

109. shinshan
(
17/05/2004 11:05)
ZAVATRA TSOTRA IHANY NO TENENIKO? IO DE RESAKA FANABEAZANA SY FITAIZANA? TSY MITOVY ARY STY HITOVY MIHITSY NA FOMBA FISAINANA NA FOMBA FIAINANA KA SAMIA MAKA IZAY TANDRIFY AZY AVY.
111. yonikafopl
(
17/05/2004 21:04)
marina fa samy manana ny fomba fitaizana sy fanabeazana fa kosa ange raha toa ka niara-nilalao fony mbola zaza dia teny foana dia farany nifankatia, efa nifankahita fa mety ny fiarahana satria nifankahita toetra, dia satria tsy mitovy firazanana ve ka tsy tokony hiaraka.
112. fijo
(
17/05/2004 22:41)
tsy izay ilay izy,fa rehefa tafiditra sy mbola miaraka anie tsy mitovy e.rehefa ao ianao mahita ilay fomban'ny anankiray mety ahatsiaro tena ho miavaka ,ka izay no ratsy.
113. alexis16
(
20/12/2016 09:58)
Isaka rehetra raha atao ny tetiharana dia misy andriana sy andevo daholo fa ilay andriana ihany no arangaranga fa ny razana andevo mahamenatra ka afenina.