taranak'andriana sy andevo hono ka tsy mahazo mivady

1. tenio ( 03/03/2004 14:47)
Gaga angamba ianareo nefa mbola misy izany. Ry zareo andriana hono ka tsy afaka miaraka izahay fa izhay hono taran'andevo. N'importe quoi mihintsy hoy aho, maharikoriko.
novalian'i alexis16 ny 20/12/2016 09:58
2. aladin ( 03/03/2004 15:09)
marina izany!ady hevitra be tato aminay koa io hoe taranak'andriana ianao ka manajà tena. de notoheriko avy hatrany satria amiko refa gasy de gasy.raha izaho aloha raha sendra olona tiako na avy aiza io na avy aiza dia iarahako foana.ary tsy hitako anie ze hoe mbola ho andriana na andevo @ izao e! le toe-tsaina manambony tena sy manavakavaka volon-koditra mihitsy no mbola tsy afaka eto amintsika e!

'zay fa mahereza ra-Tenio a!
3. pitchou ( 03/03/2004 17:30)
d angataho aminy ary hoe iza no nametraka azy ho andriana e! d anontanio azy hoe inona no azony hifehezana anao raha mihevitra anao ho andevo izy! ny andevo izany manko tsy tompn'ny tenany fa an'ny hafa! fa raha ilay vehivavy kosa (lehilahy ve aloha ianao sa vehivavy?) no manaraka izany hevitra izany dia ialao fa tsy tia anao izy izany, na ny havany to teny aminy kokoa noho ny fitiavany anao
4. ikaretsaka ( 03/03/2004 17:39)
io hoa ilay lazaiko anareo hoe tsy ny fitiavana loatra no mibaiko.. jereo koa "izahay ankizy" na milahatra @ samy cousins sy cousines aza.. hita hoa miavaka ry zareo na avy any @ havan'ny lahy na vavy dia tssy maintsy hanaovan'ireo ankizy kely remarque foana. Raha gisa fotsy daholo aza ka misy gisa mainty.. gaga ny gisa fotsy ary hahatsiaro tena ho tsy ao @ toerany koa ilay gisa mainty
5. fijo ( 04/03/2004 10:52)
ny mahagaga kosa anie dia izao e.aty france misy vazaha be miaraka amin'ny tena mainty,dia tsy misy mahatsiaro tena miavaka.fa raha any amintsika dia io lazain'ikaretsaka io .
6. ikaretsaka ( 04/03/2004 11:52)
Fa ny zanak'ireny vazaha be manambady mainty be ireny ve ry fijo tsy mahatsapa tena hafahafa rehefa miaraka @ ilay cousins sy cousineny vazaha ohatra na ilay mainty be? satria sady tsy an'ny antsy no tsy an'ny aroa.. ilay voailika double no tandremo!
7. voahary ( 04/03/2004 16:54)
zay ilay fomba fitaiza efa hatramin'ny mbola kely ka rehfa lehibe ny ankizy dia mibahana foana ilay izy. @ izao aloha raha namana tsotra ilay heverina fa "andevo" de mbola tsy quoi f raha vao hoe misakaiza na mifankatia @ iny dia raikitra @ izay ny kiteniteny.... Milaza fa tsy te hanan-dratsy ireo RAR.....
8. xxx ( 04/03/2004 17:49)
rehefa tia tsy misy mainty na fotsy
za nahazo io hoe andevo sy andrina io de ny nialahako
fa samy raha mena no ato aminy veine-tsika
tsy misy intsony zany andrina sy andevo zany e
mitovy daholo ny olona zao
9. six ( 04/03/2004 17:50)
fa angaha moa izao mbola misy an'izany ihanye ! fa nga kou ry zareo tsy mba farafaharatsiny mivavaka?
10. peluche ( 04/03/2004 10:39)
zahako koa de tsoriko fa nahazo fitenenana hoe:tandremo mitondra andevo,ngita volo sns,de miady @ ny ray amandreniko sy ny olon-dehibe ato @ fianakavianay fona moa aho refa maheno otran'izany,mankarary sofina be
11. tia_ery ( 04/03/2004 11:11)
Ny tiana hifampizarana aloha dia izao ry zareo ah !!!

Ny Maha Andriana, Hova, Andevo aloha dia ataoko fa efa hevitra nofoanan'ny vanin'andro ary tokony tsy apetraka intsony.

Santionany ito, mety tsy marina aloha, fa an'isany izay mba nalaza ihany tamin'ireny raharaha Ratsimandrava ireny. Dia ny resaka firazanana; nolazaina mantsy fa Andevo i .... ka tsy tantin'dry zareo Andriana ny hoentin'ny Andevo dia nokarakaraina i ratompokolahy. Tantara izany fa ny Andrina koa ange ka misy karazany TELO fara fahakeliny eh !!!!

1.- Eo ireo Taranaky ny Mpanjaka
2.- Ireo Havan'ny Mpanjaka
3.- Ary ireo namana akaiky ny mpanjaka

Matetika mihintsy dia ireo eo amin'ny sokajy fahatelo ireo no manindraindra ny maha Andriana satria mataotra ny ho very fiandrianana.

Ito mbô misy tsy aritra kely (kely fa aza atao mahatezitra). Amin'izao fotoana itenenana izao dia ry zareo avy eny Ambohimalaza no misisika be amin'io Andriana sy tsy Andriana io. nefa ange ny eny Ambohimalaza na izy samy izy aza dia mbola misy Ambohimalaza ambony sy Ambohimalaza ambany eh !!! Dia tena misisika mihintsy mampiditra an'io resaka Andriana io. Ary tonga mihintsy aza amin'ny hoe lova tsy mifindra fa izay no azo antoka. Nefa i Merikasinina ange ka Ambohimalaza no nisintaka fa tsy nifankahazo eh !!!

Ka tsotra ny teniko eh !!! Aza dia mora entim-po be loatra rehefa tojo ny ohatr'ireny fa diniho sy fakafakao tsara. Hazavao amin'ny saina tony sy milamina. Ny Raiamandreny ange ny voninahiny no aloha fa tsy ny fitiavana misy eo aminareo eh !!!

Ny tantara koa ange mbola tsy mijanona eo fa tonga hatrany amin'izany hoe NY ANDRIANA TSY MAKA VADY.

Sôtra ê!
12. taarhy ( 04/03/2004 12:12)
Izaho koa dia mitovy hevitra aminareo rehefa tia ianao na koa hoe mifankatia ny ankizy aza rarana fa mampidi-doza. Efa toe-tsaina nilaozan'ny toetr'andro sy lomorona ary tena fôpla be izany hoe gena sy andrina izany. Olona marary saina sy manana toe-tsaina farany izay ambany no mbola mivoy an'izany resaka masiso sy maimbo be izany !
13. tenio ( 04/03/2004 12:28)
Za raha naheno an'io dia nanindry fo fotsiny aho. Ny tsihy hono no fola-mandefitra fa tsy ny olona.
14. xxx ( 04/03/2004 15:24)
Tsy dia atao mahagaga izany. Toy ny hoe tanivo sy tanindrana. Ahoana moa i Belo sur Mer no fady merina nefa tsy fady Vakinakaratra ? Ahoana moa no tsy mifanamdaby ny menabe sy ny Sakalava Avaratra, ny Betsimisaraka tatsimo sy tavaratra? Fa nahoana no afaka manambady vazaha na tsy fady vazaha frantsay indrindra indrindra nefa ireo no tena namono ny gasy maro. Mbola mipetraka ny hoe zarazara eh zarazara o samy hanana isika aby toy eh
15. ikaretsaka ( 05/03/2004 10:31)
ny mifakatia hao mifakatia .. fa jereo kao ny any afara.. raha nipetraka tany afrika atsimo na faritra sasany taty USA t@ taona 70 80 tany ho any dia nahatsapa fa ireo safiotra.. zanaka mainty sy fotsy no mijaly indrindra satria sady tsy raisin'ny ary no tsy raisin'ny atsy. ataoko fa ohatran'iznay kao ny mbola misy any madagasikara
16. fijo ( 05/03/2004 10:39)
aty france aloha ry karetsaka tsy hita io miavaka io amin'ny zanaka vazaha manambady mainty.maro no hitako fa dia mandeha hoazy.
fa any amintsika dia mbola tena sarotra be.
17. pitchou ( 05/03/2004 17:17)
ny tsirairay angamba no erany! raha mahajoro @ heviny ny tsirairay, fa tsy manaraka ambokony ny hevitry ny hafa (na RADny aza!) mikasika an'io resaka io dia ho foana tsy ho ela io fiheverana io!
18. bakoa ( 05/03/2004 19:12)
ny fandehan'ny ity andriana sy ny andevo ity dia matetika mbola kely ny ankizy (eo amin'ny 8 taona eo) ia efa mahalala hoe iry mainty noho izaho , iry fotsy noho izaho , ary fa zavatra vohizina ao an-trano ily izy dia iny no mijanona ao an-tsain'ily zaza mandra-pahalehibeny , fa tsy tampoka akory ny fakana izany fandraisana ny andriana sy ny andevo izanny ,
asa na fantatrareo fa any Fandriana (fianaratsoa) dia misy andriana mbola milaza fa tsy mitapo-drano -tsy nifangaro mihisy na tamin'ny betsileo na tamin'nny andevo ary rizareo ireo hono rehefa manambady dia tsy mainy misy fanadihadiana be dia be mikasika ny tena fihavian'izay ho vadiny .
na any amin'nny faritra atsimo atsinanan'i madagasikara aza (sud-est) dia betsaka nny foko andrina ty afako mikambana (mivady) amin'nny foko hafa satria te hitazona izay maha anrian aazy izay
19. naritsimba ( 05/03/2004 20:17)
raha andriana tsy te-hanambady mainty dia manambadia Kômôriana eh! any koa ange mba misy andriana eh!
Ahoana hoy ny Baiboly: tsy misy andevo na tsy andevo, na jentilisa na tsy jentilisa fa iray ihany ao @ Kristy Jesoa. Koa raha Kristiana ianao tokony tsy hanavakavaka intsony fa raha mpanomposampy kosa dia tsara fa tohizo ny fisaratsarahana.
20. tenio ( 05/03/2004 20:56)
Izaho dia miray hevitra @ i naritsimba tanteraka. Izany ka bandy kristianina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0886