FANDRAVANA AN'I BABILONA LEHIBE (HAFATRY NY ANJELY FAHAROA)

1. RBNIR ( 12/11/2015 19:25)
« [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana]
ANJELY VOALOHANY (IO ILAY FITORIANA LEHIBE FARANY IZAY HAMPIANATRA NY OLONA HATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA SY TENA HIANKOHOKA EO ANATREHANY)
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apokalypsy 14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apokalypsy 14:7)

ANJELY FAHAROA (RAVA I BABYLONA LEHIBE)
« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » (Apokalypsy 14:8)

ANJELY FAHATELO MITAONA NY OLONA TSY HIANKOHOKA AMIN'ILAY BIBIDIA
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apokalypsy 14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apokalypsy 14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apokalypsy 14:11)

ARAKA NY EFA NOZARAINA TATO http://forum.serasera.org/forum/message/m551578d571154/20
Dia toy izao ny ho filaharan'ny zavatra hitranga tsy ho ela intsony....

1- Ampianarina hatahotra sy hiankohoka ary hanome voninahitra an'Andriamanitra ny mponina rehetra ambonin'ny tany (io ilay asan'ireo apostoly vaovao hampianatra indray ilay tena sitrapon'Andriamanitra izay takiany araka ilay filazan-tsara notorian'i Jesosy fahiny) Hafatr'ilay anjely voalohany io... Efa manomboka izy io satria efa manomboka ny fifidianana ireo olona 12 vaovao hitarika ao amin'ilay fitoriana lehibe farany.....

2- Horavana i babilona lehibe (ny fivavahana lehibe indrindra manerana an'izao tontolo izao io ary ny foibeny dia ao babilona ihany) araho ato fa ho fantatrao hoe iza izy io (hafatr'ilay anjely faharoa io)

Ary hoy aho hoe efa manomboka koa izy io ankehitriny.....http://www.infochretienne.com/des-milliers-de-musulmans-se-convertissent-au-christianisme-apres-avoir-ete-temoins-des-horreurs-commises-par-daech-ils-sont-ecoeures-par-lislam/

3- Rehefa rava i babylona lehibe dia ny fivavahana kristianina sisa no tena hitoetra eto amin'izao tontolo izao,
Hizotra ampilaminana ny fitoriana lehibe farany saingy tsy ho ela dia hifidy olona iray kosa ny devoly hanohitra an'izany tsy iza fa ilay bibidia io (avy amin'ny fivavahana kristianina ihany hitondra ny fampianarany manokana mifanohitra amin'ilay fampianarana tsy misy kilema)...

4- Hiasa ilay anjely fahatelo ka hotoriana amin'ny olona amin'izany fotoana izany fa na iza na iza miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny vakio ato dia hisotro ny fahatezaran'Andriamanitra (vakio ny apok.16 loza fito farany) ary koa hampijaliana mandrakizay mandrakizay vakio apok.14:9,10...

5- Hilatsaka ny loza fito farany ary dia

6- ho Vita ny tantaran'ity tontolo izao ity......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
novalian'i Strong3 ny 14/01/2016 06:37
2. RBNIR ( 12/11/2015 19:32)
Mba tsy hahavoafitaka anao amin'ilay bibidia dia vakio ato.....Ho hitanao ny momba ny bibidia...http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588

P.S : MAHITA MIBEBEBAHA ARY MIVERENA AMIN'NY SABATAN'I JEHOVAH!!!
3. gasy1zay ( 12/11/2015 21:34)

RBNIR:

Mba tsy hahavoafitaka anao amin'ilay bibidia dia vakio ato.....Ho hitanao ny momba ny bibidia...http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588

P.S : MAHITA MIBEBEBAHA ARY MIVERENA AMIN'NY SABATAN'I JEHOVAH!!!

Fa inona ity fampianaranao ity ry RBNIR a! Fa angaha ny sabatan'i Jehovah no mahavonjy raha tsy ny finoana an'i Jesoa Kristy e! Tokony handinika kely ny epistily nosoratan'i Paoly ise indrindra ny Romana fa mbola misamboaravoara be ny fampianarana zaraina eto dia manjary tsy mety fa misy olona lasa fanina miaraka amin'ise. Efa voasoratra ao fa tsy misy azo amarinina @ lalana isika na iray aza, ka tsy tokony ny Sabata no mahamaika fa ny fandraisana an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.

RBNIR > misy chronologie mazava ny baiboly ka ny zavatra voasoratra dia tokony apetraka @ contexte sy ny fotoana nanoratana azy, ise mitanisa ny apokalypsia nefa toa tsy misy milaza mintsy ao hoe miverena @ sabatan'i Jehovah izany, mba zarao eto raha mahita an'izany ianao ry RBNIR.
4. RBNIR ( 13/11/2015 06:08)
gasy1zay:

Vakio tsara aloha ilay ROHY namana dia azonao ny antony TSY MAINTSY hitandremana ilay SABATA...
Ireo mpanompon'Andriamanitra izay hitory ao amin'ilay fitoriana lehibe farany no hitandrina sy hitaona ny olona hitandrina ny Sabata, Ny bibidia sy ny mpanaradia azy kosa no hanohitra izany ary dia voalaza fa hanenjika sy hamono mihitsy aza....
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apok.14:11)

Tsy hisy olona hiankohoka ara-bakiteny amin'ny olona (ilay bibidia) izany fa ny atao hoe miankohoka aminy dia manaiky ny fampianarany, mankasitraka ny fampianarany mankasitraka ny fanenjehana sy ny famonoana izay hotanterahany.........
5. Yahl ( 13/11/2015 10:23)

quote

Mampalahelo ianareo anankiroa! Mitovy ihany fa samy jamba mifampitantantana! Miteniteny foana!
jEREO ny (rtvyahoshuah.com) na henoy ny FM97.2 radio HFF.
6. Strong3 ( 13/11/2015 10:55)
RBNIR:
2- Horavana i babilona lehibe (ny fivavahana lehibe indrindra manerana an'izao tontolo izao io ary ny foibeny dia ao babilona ihany) araho ato fa ho fantatrao hoe iza izy io (hafatr'ilay anjely faharoa io)

__ fa hono hoa namana mpampianatra ny mpampianatra, aiza ho aiza na io toerana io (babilona) ?

sao mba hifandiso ny resaka manko ...

misaotra mamaly :-)
7. RBNIR ( 13/11/2015 11:29)

Strong3:

Efa mba nanaraka ilay rohy v aloha ianao vao niteny namana?
Raha nanaraka ianao dia tokony ho nahita ilay antokom-pivavahana lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao...
Babylona no tena foibeny amin'izao fotoana izao (fa tsy ilay toerana fivahinina akory) afaka manadihady ianao hoe aiza marina ankehitriny no mitazona ny lakilén'i babylona lehibe.....
8. Strong3 ( 13/11/2015 12:02)
tsy nanaraka aho fa , lazao amin'ny teny fohy eto hoe atsy ananona na ary ananona ...
9. rhaj0 ( 13/11/2015 12:11)
Babylon anie dia efa vita ohabolana eee... 'nareo manary ny ohabolana nefa tena mifono hevi-dalina ny metafaoro ao... jereo http://ohabolana.org/, dia ho mazava daholo ny zava-drehetra..

Ohatra hoe, raha mikitakita @ RBNIR io ianao, dia hozy ny ohabolana hoe...

- Aza tefitra loatra ka mibaby laona

Ary io fiandrasana ny faharavan'i Babylon io, dia ataovy tahaka ny ohabolana koa hoe..

- Rafotsibe very (any Baby-)laona ka dia miandry izay higadonany
10. RBNIR ( 13/11/2015 12:11)
Namana strong3 aza diso fandray babylona lehibe = ilay antokom-pivavahana lehibe....
11. RBNIR ( 13/11/2015 12:16)
Amin'izao fotoana izao dia babylona no lehibe indrindra, fa rehefa rava izy dia ny kristianina no hanjaka, ary rehefa avy eo ny kristianina hizara 2 mazava:
1- ireo manaraka ilay tsy nisy kilema nampianarina 2000 taona lasa, ary mitana ny fitandremana ny Sabata...
2- Ireo hanaiky ny fampianaran'i bibidia ka hanohitra azireo ary handidy ny olona rehetra hivavaka ny alahady...
P.S : fantatrao tsara anie izany e!!!
12. RBNIR ( 13/11/2015 12:18)
Hoy ianao mantsy hoe efa ho avy izao ny didy handrarana ny olona tsy hivavaka ny Sabata...
Matahotra mafy ny aminao aho namana, raha izaho ianao mibebaka dia ny anio ihany....
13. Strong3 ( 13/11/2015 12:19)
taiza no nangalanao izany interprétation manadala be izany... :-)
14. RBNIR ( 13/11/2015 13:19)

Strong3:

taiza no nangalanao izany interprétation manadala be izany... :-)

Vakio ny post nao tato Izao no voasoratra ao...

Citation
strong3 - 29/10/2015 10:26
eny ary hoa : ... dia mazotoa mitory ny tsy misy kilema ary kou
alefaso ny pub sitrany miakatra palais de sport
miditra ny dime
miditra ny fanatitra
...
tandremo fa efa hivoaka ny lalan'ny sabata ka sao ho tsy mahita andro hivavahana akohatran'io

aza avela hiteny ny vhv , fa asio fisalobonana foana ny lohany
.. fa mbola tsy tanteraka eo aminareo ny hoe : fa any .. dia tsy hisy lahy sy vavy

... dia mba mampita message ihany eh
raha misy fireharehana kely tafiditra ao amin'ny olona mino iray dia efa mitovy amin'ilay nazera izy izay .
Fin de citation...

Dia sanatria ho efa anisan'ireo miaramila nisoratra anarana tany aminy (bibidia) sahady v ianao namana???
Hoy ianao mantsy io ambony io hoe : tandremo fa efa hivoaka ny lalan'ny sabata ka sao ho tsy mahita andro hivavahana akohatran'io

Mibebaha fa mbola misy ny fotoana toy izany koa ry Yahl, sy ny namana hafa rehetra sns....Tsy hisy indra fo ange hoy aho e!
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apokalypsy 14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apokalypsy 14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apokalypsy 14:11)

Sady alohan'io fijaliana mandrakizay io dia tsy maintsy ho tratran'ny loza fito farany aloha...

« Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok.16:2)

Tsy fankahalana, na fanaratsiana fa izay no marina ary tianay izao tontolo izao tsy hovoafitaka ka handray ny marika ry namana isany!!!
15. Strong3 ( 16/11/2015 09:42)
ianao izao no mpamitaka eo kou!!

aiza ao anaty baiboly no milaza fa any amparany any hisy apostoly 12 hatsangana indray mba hitory nyt sy misy kilema?

fa izay tsy miaraka mivavaka sy tsy mihaino ireo dia very ???

:-) :-) ... mampné tsss
16. RBNIR ( 16/11/2015 09:49)

Strong3:

ianao izao no mpamitaka eo kou!!

aiza ao anaty baiboly no milaza fa any amparany any hisy apostoly 12 hatsangana indray mba hitory nyt sy misy kilema?

fa izay tsy miaraka mivavaka sy tsy mihaino ireo dia very ???

:-) :-) ... mampné tsss

Tsy maninona fa rehefa mipetraka tsara ilay vala tokana hitory ao amin'ny fitoriana lehibe farany dia hohitanao ny 12 lahy vaovao (nalaina avy amin'izao tontolo izao fa tsy voafetra amin'ny toerana 1).....
17. Strong3 ( 16/11/2015 10:44)
asio verset hoa ny teny lazaina fa tsy mampisambo-drivotra olona fotsiny eto , mpampihorohoro tsss

hoe rehefa tsy ao amin'ny valanay dia very ...

tsy efa voasoratra ve izany hoe : hisy mpampihorohoro an'izany eh

ny kristiana rehetra dia mahalala sy mahay daholo fa tsy maintsy miainga amin'ny TA daholo ny atao
fa ny fitoriana tsy miainga ao dia mampieritreritra!!!

eo dia mamoroporona eo fotsiny hoe : voasoratra izany :-) ... mah !! tsy tahotra tsy henatra
18. RBNIR ( 16/11/2015 11:10)

Strong3:

asio verset hoa ny teny lazaina fa tsy mampisambo-drivotra olona fotsiny eto , mpampihorohoro tsss

hoe rehefa tsy ao amin'ny valanay dia very ...

tsy efa voasoratra ve izany hoe : hisy mpampihorohoro an'izany eh

ny kristiana rehetra dia mahalala sy mahay daholo fa tsy maintsy miainga amin'ny TA daholo ny atao fa ny fitoriana tsy miainga ao dia mampieritreritra!!!

eo dia mamoroporona eo fotsiny hoe : voasoratra izany :-) ... mah !! tsy tahotra tsy henatra

Hatramin'izay dia vala tokana no nisy,
Tamin'ny tarana'i Jakoba (israely) dia 12 lahy zanany no nitondra sy nitantana ny fiangonana...
Lasa ireo ny foko 12 notazomina hatrany ary dia nisy hatrany 12 lahy nitarika isan'izany
Tonga Jesosy, mbola vala tokana ihany ary dia nifidy 12 lahy izy, nanondrana ny 1 ka namadika, nahatsapa ireo apostoly fa tokony averina fenoina ny 12 lahy dia nifidy ny olona...

P.S : tamin'ny andron'ny apostoly tsy ny olona intsony no mifidy noho izany dia niverina nifidy hafa Jesosy (paoly apostoly)...

Dia toy izany hatrany amin'ilay fitoriana lehibe farany tsy maintsy vala tokana tarihin'ny 12 lahy (rafitra napetrak'Andriamanitra io) vitsy no mahafantatra izany......normal ny remarkanao satria ny masonao izao vao nampahafantarina an'izany (nefa na izao aza ianao toa tsy mino mampalahelo)....
19. rhaj0 ( 16/11/2015 15:45)
Hono ho'a... miresaka ianao hoe taranak'i Jakoba sy izy 12 lahy, na koa ireo foko 12, mba fantatrao ve ry RBNIR toatoa ny ahoana izao tontolo izao t@ izay fotoan'androny izay?

T@ taona 0 sy ny manodidika, mba fantatrao ve toatoa ny ahoana ny population sy ny histoire-ny, any Amazonie, na Mexico, na Azia na Japana, na Madagasikara akoriny azany ???

Raha fantatrao ireo, dia mety mba kOpy @ izay ve ianao, fa tena "tantaran'ny Kanaan" (contes et legendes de Canaan) no andanianao ron-doha sy anankinanao ny fi(s)ainanao ao.. @ izao taona 2015 izao?... aoka ho'a....

20. RBNIR ( 17/11/2015 06:57)
rhaj0:

Izao ny zava-nisy, ny olombelona taloha rehetra tena nahafantatra an'Andriamanitra saingy vitsy dia vitsy no nanaraka an'Andriamanitra...
Porofo, nisy izany Enoka izany voalaza fa niaraka tamin'Andriamanitra ary dia nanjavona tsy hita taty aoriana « Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. » (Gen.5:24)

Efa nisy koa mpisorona atao hoe melkizedeka (fa tsy hoe taty aoriana akory vao nisy nisorona ho an'Andriamanitra) « Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. » (Gen.14:18)

Ireny olona niaraka taminy ireny dia efa nampahafantatra tsara ny fisiany sy ny zavatra takiany na dia tsy voasoratra aza (mety hoe lovatsofina no tena niasa satria mety mbola tsy nisy ny soratra)...
Ny olona taloha araka izany efa censé mahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra...
Nisy ny nanaraka,
Nisy kosa tsy nanaraka,
Nisy tamin'ireny olona ireny nahita tany tsara nefa ny nataony tsy araka ny sitrapon'Andriamnaitra..
Nifidy olona Andriamanitra (ny taranak'Israely) mba handova ireny tany tsara ireny ary ny mission'ireny olona ireny dia ny hamongotra izay rehetra tsy nety nanao ny sitrapon'Andriamanitra nefa dia nibodo an'ireny tany tsara ireny....
VAKIO ATO NY DEOTERONOMIA 12 DIA AZONAO NY ANTON'NY MISSION'I ZANAK'ISRAELY;;;

Andriamanitra anefa tsy miangatra ka dia nanafatrafatra izy tamin'ny zanak'Israely hoe :

« dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany. » (Deotoronomia 12:30)
« Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny. » (Deotoronomia 12:31)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2646