RAHOVIANA VAO HO TONGA NY FARANY (Mat.24:14)

21. bor2lais ( 30/03/2015 11:32)
Fahamarinana ve ny manampy "indray" ny voasoratra ? :-)
Raha mba ahiratrao kely fotsiny ny masonao dia ahita fa io "indray" nampiany ao @ Matio 24.14 io no fototry ny kabarin'ilay apôstôlinareo ! :-)
Ianao anefa milaza fa ny Baiboly no reference ! Mahavariana e ! :-)
22. RBNIR ( 30/03/2015 12:17)

bor2lais:

Fahamarinana ve ny manampy "indray" ny voasoratra ? :-)
Raha mba ahiratrao kely fotsiny ny masonao dia ahita fa io "indray" nampiany ao @ Matio 24.14 io no fototry ny kabarin'ilay apôstôlinareo ! :-)
Ianao anefa milaza fa ny Baiboly no reference ! Mahavariana e ! :-)

Ka afaka manaporofo ary v ny namana borlais hoe iza ilay nahatazona tsara ilay fampianarana tsy misy kilema tsy nivoana tamin'ilay nampianarin'i JEsosy fahiny????
23. RBNIR ( 30/03/2015 12:18)
Fanampiny ny fampianarany voaporofony fa mitovy amin'i Jesosy???? Raha voaporofonao fa nisy nahatazona ilay fampianarana dia tsy mitombina ilay indray namana.....
24. bor2lais ( 30/03/2015 14:07)
Lazao izay marina RBNIR a : ny Baiboly ve no reference sa izay lazain'ny apôstôlinareo ? :-)
25. RBNIR ( 30/03/2015 21:11)

bor2lais:

Lazao izay marina RBNIR a : ny Baiboly ve no reference sa izay lazain'ny apôstôlinareo ? :-)

mazava B fa tsy hovoavalinao mihitsy io namana bor2lais.....
MARINA loatra ilay nolazaina fa efa tsy hita intsony ilay tsy misy kilema nandritra ny taonjato maro......
26. bor2lais ( 31/03/2015 11:43)
Ny anareo kosa aloha hita be fa misy kilema e ! :-)
Zavatra tsy mifanaraka amin'ny Baiboly ve no lazaina fa tsy misy kilema ry RBNIR ! :-)

Averiko indray fa manova ny voasoratra mihitsy ny apôstôlinareo : mba mieritrereta ihany ! :-)
27. RBNIR ( 31/03/2015 13:48)
bor2lais:

Ny anareo kosa aloha hita be fa misy kilema e ! :-)
Zavatra tsy mifanaraka amin'ny Baiboly ve no lazaina fa tsy misy kilema ry RBNIR ! :-)
Averiko indray fa manova ny voasoratra mihitsy ny apôstôlinareo : mba mieritrereta ihany ! :-)

Tsy asian-tsika adi-hevitra namana a! Zava-miafina izany!! misy navela hahalala misy kosa na dia mahita aza dia tsy hahafantatra.......

Nazava B ny fanazavako : ilay fampianarana tsy misy kilema dia niandoha tamin'ny andron'ny apostoly (olona nampianarin'i Jesosy mivantana nahafehy sy nahafantatra tsara ilay fampianarana).......

Lasa nodimandry ireo apostoly dia tsy nitoetra niaraka tamin'izay koa ilay fampianara (raha misy mahita ny mifanohitra amin'izay dia mba angatahana izy hanaporofo fa tsy maninona mihitsy).........

Nanomboka teo ireo fampianarana voakilema rehetra taty aoriana izay tsy niorina tamin'ny fampianarana mivantana natolotr'i Jesosy intsony fa tamin'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany (ireo karazana ecoles théologiques maro dia maro)........

Taonjato maro no nifandimby, tsy hita intsony ilay tsy nisy kilema.........
Jesosy anefa niteny hoe hotorina amin'izao tontolo izao ilay filazan-tsara fahiny (ity filazan-tsara ity hoy Izy) vao ho tonga ny farany .........

Noho izany na tian-tsika na tsy tian-tsika tsy maintsy hiverina indray Izy mampianatra e!

Tsy misy olona mahafantatra ilay tsy misy kilema intsony afats'i Jesosy irery ihany.........
Ny baiboly kosa no hahafahan'ny olona manamarina na ilay tsy misy kilema marina ilay izy na tsia.........

28. bor2lais ( 31/03/2015 17:06)
RBNIR:

Tsy asian-tsika adi-hevitra namana a! Zava-miafina izany!! misy navela hahalala misy kosa na dia mahita aza dia tsy hahafantatra.......

Ny ahy indray ataoko hoe : "na dia lemana ny rano mangatsika aza ny lamosin'ny sasany dia mbola tsy taitra ihany !" :-)
RBNIR:

Nazava B ny fanazavako : ilay fampianarana tsy misy kilema dia niandoha tamin'ny andron'ny apostoly (olona nampianarin'i Jesosy mivantana nahafehy sy nahafantatra tsara ilay fampianarana).......

Tsy dia mitombona loatra : asan'ny Fanahy Masina no nampahatsiaro azy ireo ny fampianaran'ny Tompo rehefa lasa niakatra any an-danitra Izy !
RBNIR:

Lasa nodimandry ireo apostoly dia tsy nitoetra niaraka tamin'izay koa ilay fampianara (raha misy mahita ny mifanohitra amin'izay dia mba angatahana izy hanaporofo fa tsy maninona mihitsy).........

Fomba fijerina(re)o io ! Amina(re)o izany rehefa nodimandry ireo apostoly dia tsy niasa tamin'ny hafa intsony ve ny Fanahy Masina sa "sous-estimé"-nareo ny asaNY ? :-)
RBNIR:

Nanomboka teo ireo fampianarana voakilema rehetra taty aoriana izay tsy niorina tamin'ny fampianarana mivantana natolotr'i Jesosy intsony fa tamin'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany (ireo karazana ecoles théologiques maro dia maro)........

Eto no isan'ny ahitana fa tena tafiditra lalina ao @ ilay sekta ka voagejan'ingahy gourou tanteraka mihitsy ny saina (sy/na ny fanahinao) ry RBNIR !
RBNIR:

Taonjato maro no nifandimby, tsy hita intsony ilay tsy nisy kilema.........
Jesosy anefa niteny hoe hotorina amin'izao tontolo izao ilay filazan-tsara fahiny (ity filazan-tsara ity hoy Izy) vao ho tonga ny farany .........

Aza mba terena hanaraka ny eritreritra(re)o sy izay tiana(re)o re ny asan'ny Fanahy Masina e ! :-)
Inona moa no antsoina(re)o hoe filazantsara fahiny ? :-)
RBNIR:

Noho izany na tian-tsika na tsy tian-tsika tsy maintsy hiverina indray Izy mampianatra e!

Io ilay fototra iorenan'ny sektareo ry RBNIR ! :-)
RBNIR:

Tsy misy olona mahafantatra ilay tsy misy kilema intsony afats'i Jesosy irery ihany.........

Koa ahoana no asahiana(re)o milaza fa misy kilema ny fampianarana hatrizay sa iana(re)o no Jesoa (tahaka ilay iraika lahy milaza tena fa dahalo niova fo) ? :-)
RBNIR:

Ny baiboly kosa no hahafahan'ny olona manamarina na ilay tsy misy kilema marina ilay izy na tsia.........

Ka eo indrindra isika :
izaho:

Raha mba ahiratrao kely fotsiny ny masonao dia ahita fa io "indray" nampiany ao @ Matio 24.14 io no fototry ny kabarin'ilay apôstôlinareo !

Izany hoe MANDISO ny voasoratra ny lazainareo ...
Ka "misy kilema sa tsia" ?
:-)
Raha misy kilema : avy Aminy tokoa sa avy aiza ?

Am-pitiavana be RBNIR a ! :-)
29. RBNIR ( 01/04/2015 01:10)
Namana bor2lais,

Tsy asiana adihevitra Be hoy aho...

Tandremo fotsiny fa nampalahelo ireo fariseo sy mpanoradalana ary Jiosy fahiny,
Izireo no tena nahatongavan'i Jesosy nefa indrisy i Jesosy indray no nolazainy fa KILEMA.....

Ampitiavana be io namana....Marobe no efa resy lahatra ankehitriny ary marobe koa no mbola tsy maintsy ho resy lahatra.....

Tandremo fotsiny sao tara fa na iza na iza handray ny mariky ny bibidia dia ho VITA ny aminy......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana......
30. bor2lais ( 01/04/2015 07:02)
RBNIR:

Namana bor2lais,

Tsy asiana adihevitra Be hoy aho...

Miala tsiny re ry RBNIR fa nahatsiaro an'ity indray ange aho e :
RBNIR:

Raha misy namanao mirimorimo mankany an-kady, dia ho jerenao fotsiny ve raha tena tianao tokoa ...

:-)
RBNIR:

Tandremo fotsiny fa nampalahelo ireo fariseo sy mpanoradalana ary Jiosy fahiny,
Izireo no tena nahatongavan'i Jesosy nefa indrisy i Jesosy indray no nolazainy fa KILEMA.....

Ampitiavana be io namana....Marobe no efa resy lahatra ankehitriny ary marobe koa no mbola tsy maintsy ho resy lahatra.....

Tandremo fotsiny sao tara fa na iza na iza handray ny mariky ny bibidia dia ho VITA ny aminy......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana......

:-)
"VITA" hoy ny Tompo raha nanolotra ny aiNY teo amin'ny hazo fijaliana Izy ! Ao anatin'ny herinandro masina isika izao : mba misy akony aminareo ve io teny nolazaiNY io RBNIR ?
:-)
31. RBNIR ( 01/04/2015 11:32)
bor2lais:

Raha misy namanao mirimorimo mankany an-kady, dia ho jerenao fotsiny ve raha tena tianao tokoa ...
:-)

Aza dia variana mananihany hoy aho ry namana bor2lais a! izao fampianarana izao dia vitsy dia vitsy no manana azy 2 ihany aloha amin'izao fotoana izao erak'izao tontolo izao araka ny fanambarana nataon'i Jesosy tamin'ny mpanompony.....
Tanjona dia.....Famitana ny irak'i JEsosy.....
1- Ampodiana amin'ny fampianarana tsy misy kilema avokoa ny olona rehetra ambonin'ny tany (tsy manavaka io fa ny rehetra mihitsy) mba tsy ho tratran'ny fahatezeran'Andriamanitra (loza fito farany apok.16)
2- mba tsy hiankohoka amin'ilay bibidia ka tsy ho very any amin'ny afobe (Apok.14:9,10).

Toy izao ny hitranga manerana an'izao tontolo izao tsy ho ela intsony...
Hafatry ny anjely telo:
« [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apokalypsy 14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apok.14:7)
« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » (Apok.14:8)
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)

1- Ampianarina hatahotra sy hiankohoka ary hanome voninahitra an'Andriamanitra ny mponina rehetra ambonin'ny tany (io ilay asan'ireo apostoly vaovao hampianatra indray ilay tena sitrapon'Andriamanitra izay takiany araka ilay filazan-tsara notorian'i Jesosy fahiny)

2- Horavana i babilona lehibe (ny fivavahana lehibe indrindra manerana an'izao tontolo izao io ary ny foibeny dia ao babilona ihany) araho ato fa ho fantatrao hoe iza izy io

3- Rehefa rava i babylona lehibe dia ny fivavahana kristianina sisa no tena hitoetra eto amin'izao tontolo izao,
Hizotra ampilaminana ny fitoriana lehibe farany saingy tsy ho ela dia hifidy olona iray kosa ny devoly hanohitra an'izany tsy iza fa ilay bibidia io (avy amin'ny fivavahana kristianina ihany hitondra ny fampianarany manokana mifanohitra amin'ilay fampianarana tsy misy kilema)...

4- Hiasa ilay anjely fahatelo ka hotoriana amin'ny olona amin'izany fotoana izany fa na iza na iza miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny vakio ato dia hisotro ny fahatezaran'Andriamanitra (vakio ny apok.16 loza fito farany) ary koa hampijaliana mandrakizay mandrakizay vakio apok.14:9,10...

5- Hilatsaka ny loza fito farany ary dia

6- ho Vita ny tantaran'ity tontolo izao ity......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
32. bor2lais ( 01/04/2015 12:11)
RBNIR:

Aza dia variana mananihany hoy aho ry namana bor2lais a! izao fampianarana izao dia vitsy dia vitsy no manana azy 2 ihany aloha amin'izao fotoana izao erak'izao tontolo izao araka ny fanambarana nataon'i Jesosy tamin'ny mpanompony.....

Mbola tianao ho tohizana indray angaha ny adihevitra RBNIR ? :-)
33. RBNIR ( 01/04/2015 12:17)

« Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo! » (Mat.23:37)
34. bor2lais ( 01/04/2015 12:33)
:-)
35. Strong3 ( 01/04/2015 12:47)
raha rahampitso moa no tonga ny farany dia maninona ... nga maika hitony vomaga ny tsimisyAtra :-)
36. RBNIR ( 01/04/2015 12:49)
bor2lais:

:-)

Diniho tsara ny zava-mitranga eran-tany ry namana moa tsy efa mizotra amin'izany v isika??? ary moa tsy efa fantatr'i babilona lehibe v fa efa mananontanona azy ny hanjo azy ???

NY FAMINANIANA REHETRA AO AMIN'NY BOKIN'NY APOKALIPSY DIA TSY MAINTSY HO TANTERAKA SATRIA AVY AMIN'ILAY TSY MANDAINGA ....

Tsy misy mahafantatra ny tena marina afats'izay nampianariny mivantana irery ihany.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
37. RBNIR ( 01/04/2015 13:30)
Raha tena manampitiavana isika aoka ho faly satria malagasy ny iray tamin'ny nofdin'i Jesosy namana....

Tena tian-tsika malagasy JEsosy,

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
38. Strong3 ( 02/04/2015 06:56)
eny hoa eh !!! iray amin'ny 23 201 926 no marina teto madagasikara ...
dia ny leader-an'ny Vitao ny ...

[qoute=RBNIR] sao misy latsaka ny filazanay azy dia aleo ny an'i pasteur ihany no henoina ... [/qoute] _ giravy ! :p
39. RBNIR ( 02/04/2015 07:08)

Strong3:

eny hoa eh !!! iray amin'ny 23 201 926 no marina teto madagasikara ...
dia ny leader-an'ny Vitao ny ...

[qoute=RBNIR] sao misy latsaka ny filazanay azy dia aleo ny an'i pasteur ihany no henoina ... [/qoute] _ giravy ! :p

Faly misera namana...
Ilay filazan-tsara toriany no efa nohamariniko fa 100% mitovy amin'ny nampianarin'i Jesosy namana...
Izay ihany koa no nambarako teto namana...

Tsy hoe izay rehetra torin'ny olon-kafa akory dia diso daholo...efa noteneniko teto io namana...
Tsy hoe rehefa ny katolika hoy aho no miteny hoe Jesosy no Tompo dia diso fa rehefa ny protestante dia marina....

Rehefa marina dia marina n'iza n'iza miteny azy.....ary rehefa diso kosa dia diso n'iza n'iza miteny azy....

Otran'ny efa nifampiresaka an'izay koa isika an! mety adinonao angamba namana....

Samia ho tahin'ny Tompo e!
40. Strong3 ( 02/04/2015 07:33)
NOHAMARINIKO hoy ianao ....! Merci an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819