RAHOVIANA VAO HO TONGA NY FARANY (Mat.24:14)

1. RBNIR ( 27/03/2015 15:35)
Faly misera namana

« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)
Io no famantarana fa ho tonga ny farany, TSY FILAZAN-TSARA HAFA fa ilay notoriany 2000 taona lasa no nolazainy fa hotoriana amin'izao tontolo izao indray dia vao ho tonga ny farany.

Araka ny nozaraina tato dia io ilay 2EME EVENEMENTS andrasana na koa ilay hoe FITORIANA LEHIBE FARANY.....

Io filazan-tsara io dia tsy inona fa ilay fampianarana tsy misy kilema noraisin'i Jesosy mivantana avy tamin'Andriamanitra tsy nanampiany ary tsy nanalany « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Mbola hitohy.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
novalian'i RBNIR ny 08/04/2015 08:15
2. RBNIR ( 27/03/2015 16:15)
Tohiny....

Ahoana ary no hahafantarana marina fa efa manomboka io fitoriana lehibe farany io???

Io fampianarana tsy misy kilema io dia tahaka ny taloha ihany : tsy maintsy Jesosy mivantana no mampianatra azy amin'ireo olona izay fidiny mivantana ihany koa.....

Hisy araka izany fifidianana olona 12 lahy vaovao indray hampianariny sy hampianatra indray kosa io fampianarana tsy misy kilema io......

12 lahy satria hatramin'izay ny vahoakan'Andriamanitra dia notarihin'ny 12 lahy hatrany...Voahaja io hatramin'ny andron'i Israely, voahaja io tamin'ny andron'i Jesosy (ireo apostoly 12)...

Ny tsy maintsy hitovizan'ireo 12 lahy ireo dia :
1- Lehilahy avokoa
2- Jesosy mivantana no hifidy azy fa tsy olona manandratena akory ireo (jereo ny fomba nifidianany ireo apostoly taloha.....
3- I Jesosy mivantana ihany koa no mampianatra azireo fa tsy misy mahazo manelanelana....Vakio ny baiboly fa voahaja hatrany io fampianarana mivantana io, eny fa na dia hatramin'i paoly apostoly izay nasolo an'i Jodasy aza)....« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina izireo amin'izany koa dia hiverina ireo fahagagana lehibe efa nisy tamin'ny andron'i JEsosy (ny maty hitsangana, ny marary ho sitrana, ny malemy hitsangana, ny jamba hahiratra sns......)

Toy izao no hamataranao azireo : « Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. » (Mat.7:20)

Ny voany dia ny tenin'Andriamantira izay toriany : « Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. » (Lio.8:11)

Raha milaza ilay olona fa i Jesosy no nampianatra azy dia lojika be tokony hitovy 100% amin'ny fampianaran'Ilay Jesosy tonga tety 2000 taona lasa ny fampianarany (tsy anampiana, tsy analana)

Koa dia ny voany no hamantarantsika azy.....

Mbola hitohy....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
3. bor2lais ( 27/03/2015 17:01)
:-)
4. RBNIR ( 27/03/2015 17:03)
Tohiny....

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa mbola avelany manohy ny fizarana hatrany.....

Hiroborobo fatratra io fitoriana lehibe farany io ka ho betsaka dia ho betsaka no ho resy lahatra amin'ny mponina rehetra ety ambonin'ny tany....

Hifidy olona iray kosa ny devoly hitarika ny olona hanohitra izany fampianarana izany... Tsy iza akory io olona hofidin'ny devoly io fa ilay bibidia voalaza ao amin'ny apokalipsy 13 ihany....Ilay voalaza koa hoe lehilahin'ota na koa hoe ilay zanaky ny fahaverezana....
VAKIO ATO NY MOMBA AN'IO BIBIDIA IO

Handresy lahatra ny fikambanambe iraisam-pirenena sy ny mponina rehetra ety ambonin'ny tany amin'ny alalan'ny famantarana mandainga (avy amin'ny devoly fa tsy avy amin'Andriamanitra) io BIBIDIA io fa tokony henjehina, sy vonoina ireo mpitory ao amin'ny fitoriana lehibe farany ireo (vakio iry rohy ery ambony ery fa ho azonao tsara ny ataony amin'izany).......

Vakio ny tohin'ny Mat.24:14 fa hisy fanejehana mivaivay tsy mbola nisy otran'izany hahazo ireo olona hanara-dia ireo apostoly vaovao hitory ao amin'ny fitoriana lehibe farany ireo....« Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. » (Mat.24:21)

hoporofoin-tsika amin'ny tohiny fa io fitoriana lehibe farany io marina tokoa no famantarana fa ho tonga ny farany namana.....

Mbola hitohy raha sitrapon'ny Tompo...

5. bor2lais ( 27/03/2015 17:27)
RBNIR:

TSY FILAZAN-TSARA HAFA fa ilay notoriany 2000 taona lasa no nolazainy fa hotoriana amin'izao tontolo izao indray dia vao ho tonga ny farany

Aza (asainy) ampiana oua ny voasoratra RBNIR a ! :-)
6. RBNIR ( 27/03/2015 18:02)
Dia mbola misaotra ny Tompo hatrany...

Fanaporofoana fa io FITORIANA LEHIBE FARANY io marina no famantarana fa ho tonga ny farany....

Andeha hojeren-tsika ny fiafaran'ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka namitaka azy sy ireo mpanaradia azy.......

« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apo.19:20)

Hatsipy velona any amin'ilay AFOBE IZIROA IREO.....

Vakio fa alohan'io fanipazana azireo io dia hiady amin'ilay mitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany izireo ka ho resy (JESOSY SY NY ANJELINY IO).....

Izay ihany koa no porofo fa tena io fitoriana lehibe farany io no manambara fa ho tonga ny farany satria fotoana fohy aorian'ilay fitoriana lehibe no hiseho ilay ady hifanaovan'ny bibidia amin'i Jesosy sy ny hanipazana ilay azy sy ilay mpaminany velona any amin'ny afobe (ilay andro fanenjehana mantsy dia hafohezina hoy ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny mat.24:22)

Farany dia tiako no manambara amin-tsika fa efa manomboka ny fifidianan'i Jesosy apostoly ary mahafaly ny manambara fa malagasy ny iray amin'izireo.....Jereo ato ny momba azy ry namana isany

Izaho tsy nahita azy nofidian'i JEsosy sy nampianariny mivantana fa mijoro vavolombelona kosa aho fa ny fampianarany dia 100% mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy.....

Araka ny fanambarana nataon'i Jesosy taminy dia misy 1 hafa koa efa voafidy any ivelany any.
10 sisa andrasana araka izany...

Fantantsika tsara fa vetivety ihany ny fotoana nifidianan'i Jesosy ireo apostoly 12 fahiny ry namana isany...Noho izany dia tsy ho ela intsony koa dia hovoafidy ireo 10 sisa ambiny ka hanomboka amin'izay ilay fitoriana lehibe farany...

Ny hafatra dia ity: TSY MAINTSY MIVERINA AMIN'ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA NY OLONA REHETRA AMBONIN'NY TANY RAHA TSY IZANY DIA HIHARAN'IREO LOZA FITO FARANY (APOK.16) ARY KOA HO VERY ANY AMIN'NY AFOBE RY NAMANA....

Fitiavana no hitaomako an-tsika, andeha hiverina daholo....Tonga ny fotoana....

Tianao JESOSY.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
7. endriny ( 28/03/2015 03:38)
Ianao ve mpaminany sandoka sa ahoana e?

Jesosy aza nikozy hoe: "Tsy haiko na ny ora na ny fotoana, fa ny Raiko no mahalala izany... Saingy ity ny famantarana: miraraka avy any an-danitra ireo voatsinefy (kintana)..."

Sa mandainga indray Jesosy...
8. RBNIR ( 28/03/2015 03:59)
endriny:

Ianao ve mpaminany sandoka sa ahoana e?

Jesosy aza nikozy hoe: "Tsy haiko na ny ora na ny fotoana, fa ny Raiko no mahalala izany... Saingy ity ny famantarana: miraraka avy any an-danitra ireo voatsinefy (kintana)..."

Sa mandainga indray Jesosy...

Faly misera aminao hatrany namana endriny :
Izao no tena nolazain'i Jesosy namana : « Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. » (Mat.24:36)
ny andro (date précis) sy ora (heur précis) no tsy misy mahalala fa kosa ny famantarana dia efa nomeny ao amin'ny mat.24 satria ireo mpianatra dia nanontany azy an'izany : « Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Mat.24:3)

Hafatra fanampiny ho an'ny rehetra, n'iza n'iza tsy hanaiky ny fampianaran'ireo apostoly vaovao 12 ireo dia tsy maintsy ho isan'ireo hanohitra hiaraka amin'ilay bibidia avokoa satria hizara 2 mazava tsara ny fivavahana amin'izay fotoana izany : etsy andaniny ireo tarihin'ny apostoly vaovao ary etsy an-kilany ireo tarihin'ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka......
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)

Ny fahotan'ny olona amin'izany andro izany dia ny tsy finoana sy fandavana an'ireo apostoly vaovao ireo (tahaka ny tsy finona an'i Noa sy Jesosy fahiny)« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

VONINAHITRA ANIE HO AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY!!!!

TENA TIAN-TSIKA ANDRIAMANITRA MATOA MANDRE IZAO FAMPIANARANA IZAO ISIKA FA TSY KISENDRASENDRA AKORY ITY RY NAMANA ISANY!!!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HIHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana.......
9. endriny ( 28/03/2015 06:27)

Ianao ve mahalala ny tianaoanho lazaina sa ahoan e? Sa ianao no mpisandoka?
10. RBNIR ( 28/03/2015 17:25)
endriny:

Ianao ve mahalala ny tianaoanho lazaina sa ahoan e? Sa ianao no mpisandoka?

faly misera namana...

Efa mazava B ireo namana a!!!
Tsy misy fanazavana ankoatran'ireo intsony...

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
11. RBNIR ( 29/03/2015 13:28)
12. RBNIR ( 30/03/2015 08:28)

bor2lais:

RBNIR:

TSY FILAZAN-TSARA HAFA fa ilay notoriany 2000 taona lasa no nolazainy fa hotoriana amin'izao tontolo izao indray dia vao ho tonga ny farany

Aza (asainy) ampiana oua ny voasoratra RBNIR a ! :-)

Salama namana,
Aleo valiana mba hampahazava tsara azy namana....

Indray satria efa tsy hita intsony ilay fampianarana (tsy misy afaka hijoro ho manana azy io intsony amin'izao fotoana izao).

Porofo fa tsy hita intsony dia raha ohatra ka mbola teo ilay izy dia azo antoka fa efa nandre avokoa izao tontolo izao ary tokony efa ela no tonga ilay farany.....

P.S : raha nanaraka an'ilay fandaharana ianao dia ho hitanao tokoa fa tsy nitoetra intsony ilay fampianarana tany amboalohany namana fa efa betsaka no niova taty aoriana...Normal, tsy ho tonga mihitsy ny farany.....

Izay ilay izy namana.....

Samia ho tahin'ny Tompo
13. Strong3 ( 30/03/2015 08:37)

RBNIR:

Tohiny....

Ahoana ary no hahafantarana marina fa efa manomboka io fitoriana lehibe farany io???

Io fampianarana tsy misy kilema io dia tahaka ny taloha ihany : tsy maintsy Jesosy mivantana no mampianatra azy amin'ireo olona izay fidiny mivantana ihany koa.....

Hisy araka izany fifidianana olona 12 lahy vaovao indray hampianariny sy hampianatra indray kosa io fampianarana tsy misy kilema io......

12 lahy satria hatramin'izay ny vahoakan'Andriamanitra dia notarihin'ny 12 lahy hatrany...Voahaja io hatramin'ny andron'i Israely, voahaja io tamin'ny andron'i Jesosy (ireo apostoly 12)...

Ny tsy maintsy hitovizan'ireo 12 lahy ireo dia :
1- Lehilahy avokoa
2- Jesosy mivantana no hifidy azy fa tsy olona manandratena akory ireo (jereo ny fomba nifidianany ireo apostoly taloha.....
3- I Jesosy mivantana ihany koa no mampianatra azireo fa tsy misy mahazo manelanelana....Vakio ny baiboly fa voahaja hatrany io fampianarana mivantana io, eny fa na dia hatramin'i paoly apostoly izay nasolo an'i Jodasy aza)....« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina izireo amin'izany koa dia hiverina ireo fahagagana lehibe efa nisy tamin'ny andron'i JEsosy (ny maty hitsangana, ny marary ho sitrana, ny malemy hitsangana, ny jamba hahiratra sns......)

de ry tatandraza koa mba hanangana io fitoriana sy fanjakana io, ka iza aminareo sy ry tatandraza no tena marina ry RBNIR???

sa ny anareo no marina ?

ry tatandraza koa toa hoe JC no nifidy sy nanangana azy ireo kou :-)
[size=15] « Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. » (Lioka 21:8) [/size]
de milaza ho nirahina manokana daholo io rehetra io izany izao, efa akaiky tokoa ny farany
14. RBNIR ( 30/03/2015 08:45)
Ny voany no hamantarana azy ry namana strong3 a, marina ny fanamarihanao...
Tsotra kely e: raha tena nampianarin'i Jesosy marina dia tokony 100% mitovy amin'izay nampianarin'i JEsosy (Jereo tsara fa tsy nifanipaka mihitsy ny fampianaran'ireo apostoly 12 fahiny)....

Tsotra kely......ny baiboly no reference tsy mandainga....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
15. RBNIR ( 30/03/2015 08:58)
P.S: tsy mety ny mandà na manaiky avy hatrany fa afaka mamantatra tsara isika (tsy fahotana akory izany)....
16. Strong3 ( 30/03/2015 10:27)
Mamoaza voan'ny tsy fireharehana fa io no anisan'ny fitaka saika nataon'ny devoly an'i JC ... Mat 4
17. RBNIR ( 30/03/2015 11:03)
Aza afangaro ny filazana ny marina sy fireharehana namana....
Filazana ny marina dia manambara tsotra fa hisy olona tsy maintsy fidian'i Jesosy ary ireny no hitory ilay tena fampianarana tsy misy kilema......
Izay no marina fa tsy hoe fireharehana akory....
18. bor2lais ( 30/03/2015 11:03)
RBNIR:

Indray satria efa tsy hita intsony ilay fampianarana (tsy misy afaka hijoro ho manana azy io intsony amin'izao fotoana izao).

F'angaha rehefa RBNIR sy ny tariny no tsy mahita dia tsy misy ilay izy ? Ka afaka manampy hoe "indray" izay voasoratra ? :-)
RBNIR:

Porofo fa tsy hita intsony dia raha ohatra ka mbola teo ilay izy dia azo antoka fa efa nandre avokoa izao tontolo izao ary tokony efa ela no tonga ilay farany.....

Izany ve no fampianarana ataon'ilay "apôstôlinareo" ? :-)
Sokafy ny maso dia mba mifohaza amin'izay RBNIR a !
:-)
RBNIR:

P.S : raha nanaraka an'ilay fandaharana ianao dia ho hitanao tokoa fa tsy nitoetra intsony ilay fampianarana tany amboalohany namana fa efa betsaka no niova taty aoriana...Normal, tsy ho tonga mihitsy ny farany.....

:-)
19. RBNIR ( 30/03/2015 11:05)
Ary na iza na iza tanteraka amin'izay dia tokony hiaraka hanaiky ny olona rehetra tia fahamarinana .....
20. RBNIR ( 30/03/2015 11:20)

bor2lais:

RBNIR:

Indray satria efa tsy hita intsony ilay fampianarana (tsy misy afaka hijoro ho manana azy io intsony amin'izao fotoana izao).

F'angaha rehefa RBNIR sy ny tariny no tsy mahita dia tsy misy ilay izy ? Ka afaka manampy hoe "indray" izay voasoratra ? :-)
RBNIR:

Porofo fa tsy hita intsony dia raha ohatra ka mbola teo ilay izy dia azo antoka fa efa nandre avokoa izao tontolo izao ary tokony efa ela no tonga ilay farany.....

Izany ve no fampianarana ataon'ilay "apôstôlinareo" ? :-)
Sokafy ny maso dia mba mifohaza amin'izay RBNIR a !
:-)
RBNIR:

P.S : raha nanaraka an'ilay fandaharana ianao dia ho hitanao tokoa fa tsy nitoetra intsony ilay fampianarana tany amboalohany namana fa efa betsaka no niova taty aoriana...Normal, tsy ho tonga mihitsy ny farany.....

:-)

Aza minia manakipy maso manoloana ny fahamarinana namana a!......
Tsy hahavonjy anao anie izany e!......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7098