FANDRAVANA AN'I BABILONA LEHIBE (HAFATRY NY ANJELY FAHAROA)

41. RBNIR ( 18/11/2015 05:56)
Tsy ho takatrao ny marina rhajo a! ohatra fotsiny ny scientifique mihevitra fa mbola ela dia ela vao ho levona ny masoandro (fin de vie) nefa aho efa nilaza fa isika izao ny generation farany....

« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa.55:8)
« Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. » (Isa.55:9)

Ka ho very ao amin'ny kaontikaontinao ao ianao (sy izay mihevitra toa anao) fa misy hoy aho tsy ho voazavan'ny siansa mihitsy....
42. SP-TCA_3 ( 18/11/2015 08:10)
>RBNIR
Mpianatry n Tompo zan enao io? d iza t@pianatr'Jesosy Tompo no napianatr n oul itandrina n sabata? (kristiana n tiko tenen fa ts jiosy na ny Heleniste na ny Proselite). Vakio ange ny Asan'ny Apostoly iray mantolo, ny tantaran'ny fiangonana, vakio koa ty Epistily hoan'ny "Kristiana" tao Galatia, nosoratan'ny anjelin'fiangonana t@zany, Paoly Apostoly ty (Galat 5:4) "Ary dia TAFASARAKA T@ KRISTY IANAREO na iza na iza TE HOHAMARININA AMIN'NY LALÀNA"
43. RBNIR ( 18/11/2015 08:55)
SP-TCA_3:

>RBNIR
Mpianatry n Tompo zan enao io? d iza t@pianatr'Jesosy Tompo no napianatr n oul itandrina n sabata? (kristiana n tiko tenen fa ts jiosy na ny Heleniste na ny Proselite). Vakio ange ny Asan'ny Apostoly iray mantolo, ny tantaran'ny fiangonana, vakio koa ty Epistily hoan'ny "Kristiana" tao Galatia, nosoratan'ny anjelin'fiangonana t@zany, Paoly Apostoly ty (Galat 5:4) "Ary dia TAFASARAKA T@ KRISTY IANAREO na iza na iza TE HOHAMARININA AMIN'NY LALÀNA"

Salama namana,
Efa miverina im-betsaka fa tsy maninona e,
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)
Tsy noravana fa notanterahina ireo lalàna taloha ihany fa saingy izay manantanteraka araka ny fanekena taloha dia tsy mahatanteraka fa ireo mananantanteraka araka ny fanekena vaovao no mahatanteraka....

Tsy noravana ny didy Mat.5:17 fa ilay soratanana tety ivelany no novonoina satria iny no miapanga, (Kol.2:14) dia nolosoiny kosa soratra anatiny (fanekena vaovao) « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb. 8:10)
Ny votoatiny tsy miova ohatra tsy sitrak'Andriamanitra ny angalaran'ny olona iray fa saingy tsy natao soratra ivelany intsony fa natao soratra anaty.....

Ny olona nahazo maimaipoana io fanovana anaty io no atao hoe nandray fahasoavana ary tsy mila tenenina sy ampianarina intsony hoe Aza mangalatra intsony satria ilay olona (anatiny) mihitsy no efa tsy mpangalatra intsony)...
Fehiny: ilay lalàna teo aloha iny ihany fa saingy tsy soratanana ivelany intsony fa soratra anatiny....Fanampiny, nesorina ny ota (izay mpanandevo ka tsy nahafahan'ny olona nanantanteraka ilay tsara izay nambaran'ny lalàna (vakio Rom.7:14-21).

Fehiny ao amin'i Kristy dia tanterak'i ny olona ny zavatra takian'ny lalàna satria ilay olona mihitsy no novaina ho tahaka an'i Kristy Gal.2:20 lasa tsy mpangalatra intsony fa tsy hoe mihezaka ny tsy angalatra fa ny ao ampo te hangalatra ihany....

Dia otran'izany daholo, raha tianao Andriamanitra mandeha ho Azy ny fitandremana ny Sabatany fa tsy hoe terena akory ianao hitandrina ny sabatany fa ilay olona ao anatinao ao mihitsy ho efa mankamamy ny fitandremana ny Sabatany namana....

Izao no hafatra: ny fitandremana ny andro fahafito dia mitovy lanja amin'ny tsy fangalarana ihany Jak.2:10,11

Tsy misy mifanohita ao amin'Andriamnaitra, ny fampianaran'i paoly dia saro-patarina koa mila mitandrina sao dia ho tafalatsaka amin'ny fahadisoan-kevitra.....

Ny marina dia ity, ny asa natomboky ny Ray, no notanterahan'ny Zanaka ary ampahatsiahivin'ny Fanahy Masina ankehitriny....« fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao.14:26)

Koa dia aza gaga ianao raha toa ny hitanao ihany no averiko ampianarina eto saingy tsy amin'ilay fanekena taloha fa amin'ny fanekena vaovao kosa indray (ilay lalàna novakiana sy norenesina tety ivelany novonoina, ka natao soratra anatiny)
Ny olona tsy mihezaka ny hanao ny marina fa efa novaina ho olona marina hifanaraka amin'ilay lalàna ny ao anatiny.....

Izany rehetra izany dia vokatry ny finoana an'i Jesosy Kristy ary fanampiny dia nafahana tanteraka teo ambany ziogan'ny fanandevozan'ny ota satria ny ran'i Jesosy mahaisotra ny ota « Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)
fa ny ram-biby tsy mahaisotra ny ota.....« Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. » (Hebreo 10:4)
44. Yahl ( 18/11/2015 10:18)

[quote=RBNIR]
« [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana]
ANJELY VOALOHANY (IO ILAY FITORIANA LEHIBE FARANY IZAY HAMPIANATRA NY OLONA HATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA SY TENA HIANKOHOKA EO ANATREHANY)
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apokalypsy 14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apokalypsy 14:7)


Yahl

Miarahaba namana!
Namaly anao aho namana t@ loha-hevitra "Fiasan'ny sekta" nefa tsy hitako ao izay nosoratako. Inona no nantony tsy hisehoan' ny lahatsoratra namaliako ny fanontanianao? Iza no afaka hamaly izay? Manahy koa aho, fa sao tsy ho voarainao ity soratako aminao ity sy ny fanontaniana hapetrako aminao momba ny loha-hevitra tianao resahina ity dia ny @'i Babylona, fa na izany aza alefako ihany.

Manontany anao aho namana hoe Iza ilay anjely ?
nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apokalypsy 14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apokalypsy 14:7)

Satria efa mampianatra sy mitory izany izy io @'izao fotoana izao sa....? ahoana?

45. RBNIR ( 18/11/2015 10:43)
Namana Yahl, raha ao amin'ny baiboly (bokin'ny apokalipsy) ny teny hoe anjely dia entina ilazana ihany koa mpitondra fivavahana izay mitarika fiangonana...
Ireto no manamarina izany:
« [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia] » (Apok.3:1)
Tsy misy anjely ara-bakiteny ao sardisy fa ilay mpitondra ao no nomena ny hafatra...
Dia toy izany koa « [Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia] » (Apok.2:1)

Ireo anjely telo araka izany dia ilazana ireo mpitondra fivavahana izay :
1- Mitaona ny olona hatahotra , hiankohoka ary hanome voninahitra an'Andriamanitra
2- Manambara ny faharavan'i Babylona lehibe
3- Mampitandrina ny olona tsy hiankohoka amin'ilay bibidia sy ny sariny .....

Anjely voalohany efa miasa satria efa manomboka ny fifidiananana... link textJereo ato namana
http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

HAFATRA LEHIBE EFA MANOMBOKA MIASA IREO ANJELY TELO ANKEHITRINY (ASA PARALLELE IO....) SATRIA MIFANDRAY IREO HAFATRA IREO.....
46. rhaj0 ( 18/11/2015 11:39)

RBNIR:
... ny scientifique mihevitra fa mbola ela dia ela vao ho levona ny masoandro (fin de vie) nefa aho efa nilaza fa isika izao ny generation farany....

Io kabarinao io ve ry RBNIR tsy efa ilay vanitika gilady efa hain'ny zaza bodo rehetra, ka hoe, androany manitrikitrika "la fin du monde", dia rahefa oainina i belazao, dia izy indray no tezitra ka hoe, "la fin d'un monde" no tiana lazaina fa ny mpihaino no bemarenina??..

Fa toa tsy hainao akoriny anie ny mekanisman'ny fihetsiky ny masoandro na koa ny fiainany eee... toa ny "inoanao" dia hoe, napetrak'IZY toa ny punaise t@ toile-n'ny lanitra ity masoandro, ka dia... aoka ho'a.


RBNIR:
Ka ho very ao amin'ny kaontikaontinao ao ianao (sy izay mihevitra toa anao)

TSY izaho re no mikaontikaonty ry RBNIR fa ny namanao Kristiana, mba manao matematika hono, dia nikaonty avy @ ilay tetiharana tantarain'i Genesisy, dia manitrikitrika fa 6000 taona hono izao tontolo izao, h@ izay nilatsahan'i Madame Eva teto an-tany izay.

Izaho mamerina fotsiny mba iarahantsika mivanitika eto... :-)
47. RBNIR ( 18/11/2015 11:42)
dia mivanitia samy irery ao rhajo fa tsy mampihomehy mihitsy hoy aho ny mieritreritra ireo olona very......
48. rhaj0 ( 18/11/2015 11:52)
.. ieee.. ireo "olona very" @ rediredin'ny taloha, ireo olon-taloha izay mbola tsy nahalala izay tambonin'ny tany, no ... tsy mampihomehy intsony marina.. fa soa ihany fa ny ankizy aty aoriana ho'a mba misokatra @ fahalalana sy fahalalahana izao dia ... angano ihomehezana fotsiny sisany izy io eee...
49. rhaj0 ( 18/11/2015 14:57)
Ny molekiola/atoma/koarka.. izay mahavita ny tenabeko dia... ireo particules elementaires ireo dia efa teo anivon'izao tontolo izao h@ big-bang.. Fa ni-se transfome nifanesisesy tao ireny, ary io ao @ vatako ao io no niafarany. Dia rahatrzay maty aho, dia lasa vovoka, ary dia mbola tavela eto anivon'izao tontolo izao foana ireo molekiola/atoma/koarka.. izay mahavita ny tenabeko.


Ny @ "Andrmntra namorona izao tontolo izao" indray moa, dia, asa raha mba efa kOpy ihany ianao, fa ny Atheista sy koa ny Siantista dia TSY mba minomino (foana) an'izany resaka "creation" izany.. "tout se transforme" io eee... ny ankizy tany @ kilasy de 6eme no nampianaraina an'izany re, fa dia mba ahoana kosany azany ianao ao izany k'le...
50. rhaj0 ( 18/11/2015 15:02)
Fanamarihana kely: ilay vali-teniko io ambony io dia fanontanian'i SP-TCA_3, fa noho ny antony samy hafa, dia nanjavona ny resakany.. fa inty kopia (jereo atsy @ pejin'ny "namana"):
>Rajh0 Rhf nandinik n teninao rhtr ato ah dia te hanontany anao we taiz ar ianao t@ fotoana namoronan'Atra izao tontolo izao...
51. SP-TCA_3 ( 18/11/2015 15:28)
tsita le iz teo........

Zao no lazaiko anao Ry Rajh0 a :
za dia tena purement scientifique mits, ar ts resinao ah rah resak science zany, fa zao no ts fanatrao, marobe by zvtr volazan'baiboly no ni-demontrer_nay, ar Marina.

Rah ts hainao ny dikan'io we SPTCA io d we Savant Professionnel T....Crane A.....

Mb rechercheo ao @ Google we "existence de Dieu selon les scientifiques"

Za milaza @nao fa n Prof science, nandalina tany @ university mihits izy, nametrahako question d zao no navaliny we mahay zvtr Atra.

Dia antaniko indray enao d tandremo so ts maay mamaly, mi_existe v ny obscurite na ny haizina? (ts zay akor le qestion napetrako t@ny )
52. rhaj0 ( 18/11/2015 15:52)
SP-TCA_3:
za dia tena purement scientifique mits, ar ts resinao ah rah resak science zany

hi hi hi.. ka hifampidera taim-by eto ve azany izaho sy ianao eee...

Ny prof-na science-nao milaza fa "mahay zvt Atra" indray dia, raha mahay mi-google ho'a izy dia...

http://lmgtfy.com/?q=percentage+of+atheist+scientists
The study found that 51 percent of members polled expressed such a faith, compared to 95 percent of the American public. Additionally, the National Academy of Science charted belief in God as low as 5.5 percent among biologists and 7.5 percent among physicist and astronomers in a 1998 study.

ka raha physicist izy, dia isan'ilay 7.5% izy izany...

Raha asianao sira i Einstein, dia raiso azany koa ny teniny..

http://www.cnn.com/2015/06/15/us/einstein-letters-auction/index.html
"I have repeatedly said that in my opinion the idea of a personal God is a childlike one,..


53. endriny ( 18/11/2015 16:34)

SP-TCA_3:

za dia tena purement scientifique mits,


Inona ilay hoe: "purement scientifique" fa tsy azonay mihintsy?

Ikoto kare boribory ve ohatra sa ahoana?
54. endriny ( 18/11/2015 16:35)
Ty mandainga: Purement scientifique hono kanefa miresaka fanahy sy fivavahana?
55. RBNIR ( 19/11/2015 06:22)
Hiverenako kely ny lohahevitra mikasika ny fandravana an'i babylona lehibe
« [Ny amin'ny nandravana an'i Babylona, sy ny nisaonan'ny olona azy] Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny. » (Apok.18:1)
« Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren*'ny fanahy maloto rehetra ary akanin*'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. [* Gr. tranomaizina] » (Apok.18:2)
« Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan*'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena. [* Na: (nisotrohan')] » (Apok.18:3)
« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4)
« Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. » (Apok.18:5)
« Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny*, dia fenoy** indroa heny ho azy. [* Gr. noharoharoiny] [* Gr. haroharoy] » (Apok.18:6)

Hoy aho hoe efa manomboka tanteraka ankehitriny , ity teny ity no marimarina kokoa no efa manomboka tanteraka
« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4)
Araho anie ity rohy ity e : http://www.infochretienne.com/des-milliers-de-musulmans-se-convertissent-au-christianisme-apres-avoir-ete-temoins-des-horreurs-commises-par-daech-ils-sont-ecoeures-par-lislam/)
Ho hitanao ao fa efa betsaka ireo olony no efa mandositra ary miverina mankany Aminy.....

Namana strong3 : ny babylona voatondro dia i daech ankehitriny (état islamique) jereo fa eo manakaiky an'i irak (babylona) sy syrie no foiben'io......
https://fr.wikipedia.org/wiki/%C3%89tat_islamique_(organisation)
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
56. RBNIR ( 19/11/2015 06:29)
Mizotra mankany amin'ny fanantanterahana azy ny tenin'Andriamanitra....
1- Efa manomboka mitory ny anjely voalohany (mitaona ny olona hatahotra, hiankohoka ary hanome voninahitra ny TSITOHA)
2- Efa manomboka ravana i babylona lehibe
3- Efa manomboka torina amin'ny olona ihany koa ny momba ilay bibidia mpanompon'ny dragona izay hanenjika sy hamono ireo olona mitory ery amin'ny teboka voalohany....
Efa manangasanga (hoy ny namantsika strong3 ny didy handrarana ny olona tsy hivavaka amin'ny andro Sabata....VAKIO ATO
Koa asakasak'izay tsy hino fa dia Andriamanitra efa mihezaka mafy mba hanaporofoana ny olona ny zavatra rehetra...
ANJARAN'NY TSI11 SISA IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
57. RBNIR ( 19/11/2015 06:44)
« Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren*'ny fanahy maloto rehetra ary akanin*'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. [* Gr. tranomaizina] » (Apok.18:2)

Moa tsy tanteraka v io teny io, moa tsy mercenaire, sy mpamono olona avokoa no recrutena any amin'izao fotoana izao (ireo olona efa niala andaharana tao amin'ny fiaraha monina izay nisy azy no ho ny ditra sy ny antony samihafa )???

Mahirata hoy aho ny maso fa izay voasotra tsy maintsy tanteraka......
58. endriny ( 19/11/2015 06:59)
Ny fahitako azy indray dia ny Kristianina no miha rava tsikelikely noho ny lainga marivo tototra ao aminy:
1) Anio Tsy boribory ny tany, rahampitso boribory ny tany kay
2) Anio Tsy ekena ho eny amin'ny alitara ny vehivavy, rahampitso tsy maninona indray afaka miakatra alitara ny vehivavy
3) Anio Tsy misy izany fivoarana izany, ampitso misy ny fivoarana
4) Anio Tsy ilaina ny PD, rahampitso tsy maninona fa raisina ihany ny PD
5) Anio mpamono olona izay manala zaza, rahampitso tsy maninona fa omena famotsorana ny mpanala zaza
6) Anio olo-marina sy masina no mpitantana fiangonana, ampitso ny mpisoloky kay no mpitantana fiangonana....

Dia miomana fa rava fa efa tonga saina ny olona

Amidy hatramin'ny fiangonana fa lasa ny kila, fa tsy ho adalainao eo foana izy.
59. RBNIR ( 19/11/2015 07:19)
Endriny ,
1- tokony ny siantifika no niantefan'ny fanamarihanao,
2- mila mianatra ny olona fa « Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana] » (Asa.8:31)
Ny tanjona tsy blame fa ny mba hiverenan'ny olona amin'ny tena marina
3- « Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. » (Hebreo 13:8)
5- mitovy amin'ilay point 2
6- dia mbola mitovy amin'ilay point 2 ihany....
Ny kristiaina tsy ho rava fa i babylona no voasoratra fa tsy ho rava,
Ny kristianina vao maika hitombo satria
1- hiditra ilay tsy misy kilema
2- Ireo miala any amin'ny babylona hanampy ny kristianina

Saingy aoriana kely ao dia tsy maintsy hizara indray ny kristianina (hisy ireo hanaraka an'ilay tsy misy kilema mitandrina ny Sabatan'i Jehovah)
Hisy indray kosa ireo hanaraka an'i bibidia (hiankohoka) amin'i bibidia hamoaka didy momba ny Sabata ary hanery ny olona hivavaka amin'ny andro alahady....
60. tealala ( 19/11/2015 07:19)

endriny:

Ny fahitako azy indray dia ny Kristianina no miha rava tsikelikely noho ny lainga marivo tototra ao aminy:
1) Anio Tsy boribory ny tany, rahampitso boribory ny tany kay
2) Anio Tsy ekena ho eny amin'ny alitara ny vehivavy, rahampitso tsy maninona indray afaka miakatra alitara ny vehivavy
3) Anio Tsy misy izany fivoarana izany, ampitso misy ny fivoarana
4) Anio Tsy ilaina ny PD, rahampitso tsy maninona fa raisina ihany ny PD
5) Anio mpamono olona izay manala zaza, rahampitso tsy maninona fa omena famotsorana ny mpanala zaza
6) Anio olo-marina sy masina no mpitantana fiangonana, ampitso ny mpisoloky kay no mpitantana fiangonana....

Dia miomana fa rava fa efa tonga saina ny olona

Amidy hatramin'ny fiangonana fa lasa ny kila, fa tsy ho adalainao eo foana izy.

Marina le anao le hoe ho rava ny Kristianisma, io ilay "41Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony, ho tanimangan'ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany, dia satria ho fanjakana mizarazara izy; hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga. 42Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany, dia ho fanjakana mafy ila sy malemy ila, izy. 43Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga dia satria ho fifangaroan'ny taranak'olombelona, izy; nefa toy ny tsy fetezan'ny vy hiharo amin'ny tanimanga no tsy hifampitambarany. 44Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin'ny firenen-kafa ny fanapahany; ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany, fa izy kosa haharitra mandrakizay,"
ny kristianina no "vy" ary ny silamo no "tanimanga".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0983