FANDRAVANA AN'I BABILONA LEHIBE (HAFATRY NY ANJELY FAHAROA)

61. tealala ( 19/11/2015 07:33)

tealala:


endriny:

Ny fahitako azy indray dia ny Kristianina no miha rava tsikelikely noho ny lainga marivo tototra ao aminy:
1) Anio Tsy boribory ny tany, rahampitso boribory ny tany kay
2) Anio Tsy ekena ho eny amin'ny alitara ny vehivavy, rahampitso tsy maninona indray afaka miakatra alitara ny vehivavy
3) Anio Tsy misy izany fivoarana izany, ampitso misy ny fivoarana
4) Anio Tsy ilaina ny PD, rahampitso tsy maninona fa raisina ihany ny PD
5) Anio mpamono olona izay manala zaza, rahampitso tsy maninona fa omena famotsorana ny mpanala zaza
6) Anio olo-marina sy masina no mpitantana fiangonana, ampitso ny mpisoloky kay no mpitantana fiangonana....

Dia miomana fa rava fa efa tonga saina ny olona

Amidy hatramin'ny fiangonana fa lasa ny kila, fa tsy ho adalainao eo foana izy.

Marina le anao le hoe ho rava ny Kristianisma, io ilay "41Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony, ho tanimangan'ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany, dia satria ho fanjakana mizarazara izy; hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga. 42Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany, dia ho fanjakana mafy ila sy malemy ila, izy. 43Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga dia satria ho fifangaroan'ny taranak'olombelona, izy; nefa toy ny tsy fetezan'ny vy hiharo amin'ny tanimanga no tsy hifampitambarany. 44Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin'ny firenen-kafa ny fanapahany; ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany, fa izy kosa haharitra mandrakizay,"
ny kristianina no "vy" ary ny silamo no "tanimanga".

bokin i Daliely io an 2: 41-44
62. RBNIR ( 19/11/2015 07:45)
tealala:

ny kristianina no "vy" ary ny silamo no "tanimanga".

Mbola ho avy ny fampianarana ny momba ilay tandroka kely (Dan 7) raha sitrapon'Andriamanitra namana....
63. endriny ( 19/11/2015 09:00)

tealala:

ny kristianina no "vy" ary ny silamo no "tanimanga".

bokin i Daliely io an 2: 41-44
[/quote]
Marina fa mafy ny vy noho ny tanimanga saingy tsy hateza noho ny tanimanga na oviana na oviana...
64. Strong3 ( 19/11/2015 11:44)
hihihih !!! :-)

samy mafoaka
65. tealala ( 19/11/2015 15:32)

RBNIR:

tealala:

ny kristianina no "vy" ary ny silamo no "tanimanga".

Mbola ho avy ny fampianarana ny momba ilay tandroka kely (Dan 7) raha sitrapon'Andriamanitra namana....

Efa azoko ko iny ry namana, fa arosoy aloha ny anao
66. Yahl ( 20/11/2015 14:48)

[quote=RBNIR]
Namana Yahl, raha ao amin'ny baiboly (bokin'ny apokalipsy) ny teny hoe anjely dia entina ilazana ihany koa mpitondra fivavahana izay mitarika fiangonana...
Ireto no manamarina izany:
« [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia] » (Apok.3:1)
Tsy misy anjely ara-bakiteny ao sardisy fa ilay mpitondra ao no nomena ny hafatra...
Dia toy izany koa « [Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia] » (Apok.2:1)

Ireo anjely telo araka izany dia ilazana ireo mpitondra fivavahana izay :
1- Mitaona ny olona hatahotra , hiankohoka ary hanome voninahitra an'Andriamanitra


Yahl
Ka iza ireo mpitondra fivavahan mitaona ny olona hatahotra siy hanome voninahitra an' Atra ireo ary aiza eto @ izao tontolo izao izany, mba farito hoe atsy na ary.


[quote=RBNIR]
2- Manambara ny faharavan'i Babylona lehibe
3- Mampitandrina ny olona tsy hiankohoka amin'ilay bibidia sy ny sariny .....

Iza io fiangonan-dehibe atao hoe Babylôna ambara fa ho ravana io ary iza ilay Bibidia sy ny sariny?

[quote=RBNIR]
Anjely voalohany efa miasa satria efa manomboka ny fifidiananana... link textJereo ato namana
http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

HAFATRA LEHIBE EFA MANOMBOKA MIASA IREO ANJELY TELO ANKEHITRINY (ASA PARALLELE IO....) SATRIA MIFANDRAY IREO HAFATRA IREO.....


Yahl

Miala tsiny fa tsy afaka mijery ilay video zah, fa mba ambarao fohifohy ny momba ilay anjely voalohany efa miasa sy ireo manao parallèle aminy sy ny ifandraisan' ny hafatra ataony.

67. SP-TCA_3 ( 21/11/2015 06:33)
#endriny
purement scientifique nefa kristiana?

....classe de 1er C t@ zay fotoana zay, nandalina tokoa ary nopetahana'ny ankizy anarana hoe professeur, teo ah no nanomboka niaina tao anatin'ny fandalinana ny science rht, nahazo Bacc C ah taorian'io ka nitohy hatrany izany....izany. Indray andro anefa raha nandeh nitsangatsangana zay sy ny zandriko, nandeha biskileta, tapaka le frein....za nefa en pleine vitesse midina @tendrombohitra, latsaka tany anaty hantsana (30 mètre a.p.p), dia eritrereto tsara fa manampy ny mouvement ny force de pesanteur (poids) satria midina.

Torana ah t@ io fotoana io ...nony taitra aveo ah dia naheno ny FEON'I JESOSY TOMPO niansto ahy fa tokony hanaradia Azy aho.
Tena marina zany fa ts atsang ts aman'orana akory.....
Nihezaka niala tao ah fa ts afk mits sad impossible b koa satria tapaka ny tanako 2, tena naratra e!

Tsapako nefa fa nisy HERY TSY HAIKO FIHAVIANA nampakatra ahy tao ary mbol ts adinoko hatramin'izao.
Logiquement fa lasa Kristiana nafan fo b n tenako nanomok teo nefa tsy hoe akory nariana ny science fa miaramiasa ihany ahasoa.
68. rhaj0 ( 22/11/2015 13:00)
Esy aho e ry SP-TCA_3... dia hono ho'a.. ilay Jesosy hitanao ve "tsara tarehy sady tsara endrika be, mamirapiratra be, sady tovolahy be, bOgOsy be" ???...

Raha izay dia tena sahala @ hitan'ny profeta Tsaratsara ny hitanao...

Jereo anie atsy @ 9:30 @ ity youtube ity eee....

69. RBNIR ( 23/11/2015 07:46)
tealala:

ny kristianina no "vy" ary ny silamo no "tanimanga".

Faly misera namana,
Mba misy hahitsy kely kosa namana tealala,
Tato no nilazana ny momba ireo nofy
« Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra. » (Daniela 2:31)

« Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, » (Daniela 2:32)
« ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. » (Daniela 2:33)

1- Loha volamena
2- Tratra sy sandry volafotsy
3- kibo sy fe varahina
4- ranjo vy
5- tongotra vy sy tanimanga

Hatreo ihany aloha fa mbola horesahina ilay vato tsy nendahan-tanana raha sitrapon'Andriamanitra..

Izao kosa ary no heviny hoy i daniel,
« Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny. » (Dan.2:36)

1- Loha volamena:
« Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra, » (Daniela 2:37)
« ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany. » (Daniela 2:38)

Loha volamena = mpanjaka nebokadinezara = empire babylonianina na fanjakana babyloniaina

2- Tratra sy sandry volafotsy:
« Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao,
Tratra sy sandry volafotsy = fanjakana manaraka an'i babylona = fanjakana mediana sy persianina (empire des mèdes et des perse)

3- Kibo sy fe varahina
ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra. » (Daniela 2:39)

Kibo sy fe varahina = fanjakana aorian'ny fanjakana mediana sy persiana = fanjakana grika
(empire grec)

4- ranjo vy
« Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy. » (Dan.2:40)
Ranjo vy = fanjakana aorian'ny fanjakana grika = fanjakana romana (empire romaine)

5- tongotra vy sy tanimanga
« Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao. » (Daniela 2:41)
« Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy. » (Daniela 2:42)
« Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga. » (Daniela 2:43)

Tapitra ny fanjakan'ny "empire" fa fanjakana mizarazara tsy mety hikambana mihitsy no sisa hita ("toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo tanimanga" hoy ny teny eo ambony)...

Io fanjakana mizarazara io dia tsy inona fa ireo fanjakana barbarianina nifandimby taty aoriana ary tsy mety tafakambana ho empire intsony izireo fa dia lasa nizarazara tanteraka...

ny tongotra vy sy tanimanga araka izany dia tsy ny kristianina sy ny silamo fa ireo fanjakana nandimby ny empire romaine, izay fanjakana nizarazara fa tsy tafakambana ho iray intsony....


70. endriny ( 23/11/2015 07:51)
Fa anagaha tsy efa rava taloah ela be ho'a ity Babilaona ity e? Sa mbola nisy nanangana vaovao indray taty aoriana?
71. RBNIR ( 23/11/2015 08:04)
endriny babylona taloha = fanjakana empire
babylona vaovao = fivavahana lehibe....araho ato http://lesobservateurs.ch/2013/08/02/lislam-est-officiellement-reconnu-comme-la-premiere-religion-du-monde/

Aza afangaro....
72. tealala ( 23/11/2015 11:45)

RBNIR:

tealala:

ny kristianina no "vy" ary ny silamo no "tanimanga".

Faly misera namana,
Mba misy hahitsy kely kosa namana tealala,
Tato no nilazana ny momba ireo nofy
« Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra. » (Daniela 2:31)

« Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, » (Daniela 2:32)
« ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. » (Daniela 2:33)

1- Loha volamena
2- Tratra sy sandry volafotsy
3- kibo sy fe varahina
4- ranjo vy
5- tongotra vy sy tanimanga

Hatreo ihany aloha fa mbola horesahina ilay vato tsy nendahan-tanana raha sitrapon'Andriamanitra..

Izao kosa ary no heviny hoy i daniel,
« Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny. » (Dan.2:36)

1- Loha volamena:
« Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra, » (Daniela 2:37)
« ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany. » (Daniela 2:38)

Loha volamena = mpanjaka nebokadinezara = empire babylonianina na fanjakana babyloniaina

2- Tratra sy sandry volafotsy:
« Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao,
Tratra sy sandry volafotsy = fanjakana manaraka an'i babylona = fanjakana mediana sy persianina (empire des mèdes et des perse)

3- Kibo sy fe varahina
ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra. » (Daniela 2:39)

Kibo sy fe varahina = fanjakana aorian'ny fanjakana mediana sy persiana = fanjakana grika
(empire grec)

4- ranjo vy
« Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy. » (Dan.2:40)
Ranjo vy = fanjakana aorian'ny fanjakana grika = fanjakana romana (empire romaine)

5- tongotra vy sy tanimanga
« Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao. » (Daniela 2:41)
« Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy. » (Daniela 2:42)
« Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga. » (Daniela 2:43)

Tapitra ny fanjakan'ny "empire" fa fanjakana mizarazara tsy mety hikambana mihitsy no sisa hita ("toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo tanimanga" hoy ny teny eo ambony)...

Io fanjakana mizarazara io dia tsy inona fa ireo fanjakana barbarianina nifandimby taty aoriana ary tsy mety tafakambana ho empire intsony izireo fa dia lasa nizarazara tanteraka...

ny tongotra vy sy tanimanga araka izany dia tsy ny kristianina sy ny silamo fa ireo fanjakana nandimby ny empire romaine, izay fanjakana nizarazara fa tsy tafakambana ho iray intsony....




Jereo tsara io imigration io fa io izy io e, vy sy tanimanga, kristianisma sy slamo anie io e, i barak obama izao io efa fitambarany io mintsy ngamba, slamo no kristianina :D, ho itantsika eo ny tohiny.
73. RBNIR ( 23/11/2015 11:51)
tealala:

Jereo tsara io imigration io fa io izy io e, vy sy tanimanga, kristianisma sy slamo anie io e, i barak obama izao io efa fitambarany io mintsy ngamba, slamo no kristianina :D, ho itantsika eo ny tohiny.

« Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao. » (Daniela 2:41)
« Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy. » (Daniela 2:42)
« Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga. » (Daniela 2:43)

fanamarihana kely fotsiny: "fanjakana mizarazara"....ary fanjakana hatrany no noresahina hatramin'ilay loha volamena......avy aiza no nahitanao hoe silamo sy kristianina???
74. rhaj0 ( 23/11/2015 12:00)
tealala:
...i barak obama izao io efa fitambarany io mintsy ngamba, slamo no kristianina :D

Rahefa "affirmation gratuite" hotr'itony, dia tena mila hoe, ndana k'lou googler-o kely. dia cross-checker-o ny sources isan-karazany ao, f'aza mba "minomino" foana (sy "mampinomino foana") izay renao tany ho any

http://lmgtfy.com/?q=obama+parents%27s+belief
His mother was raised by non-practicing Christians; his father was raised a Muslim but was an atheist by the time he had married Obama's mother.

Sa moa n'enareo "lovaina ny Finoana", dia ny maha-kristiana sy maha-moslimo. Dia nefa atheist io ny rainy. Dia nefa koa ny Finoana "talohan'ny Kristiana/Moslimo" anefa dia TSY nolovainareo.. Aiza ihany azany ity lojikanareo ity eeee ????
75. Strong3 ( 23/11/2015 12:41)
hihihi ... tiany rehefa misy teny latsaka ohatran'io ah :-)
76. tealala ( 23/11/2015 12:53)

rhaj0:

tealala:
...i barak obama izao io efa fitambarany io mintsy ngamba, slamo no kristianina :D

Rahefa "affirmation gratuite" hotr'itony, dia tena mila hoe, ndana k'lou googler-o kely. dia cross-checker-o ny sources isan-karazany ao, f'aza mba "minomino" foana (sy "mampinomino foana") izay renao tany ho any

http://lmgtfy.com/?q=obama+parents%27s+belief
His mother was raised by non-practicing Christians; his father was raised a Muslim but was an atheist by the time he had married Obama's mother.

Sa moa n'enareo "lovaina ny Finoana", dia ny maha-kristiana sy maha-moslimo. Dia nefa atheist io ny rainy. Dia nefa koa ny Finoana "talohan'ny Kristiana/Moslimo" anefa dia TSY nolovainareo.. Aiza ihany azany ity lojikanareo ity eeee ????

ngamba hoy aho, le tsy mino an Andriamanitra moa izany tsy dia haiko loatra koa no miresaka aminy fa tsy dia mahatakatra alavitra ny sainy.
77. tealala ( 23/11/2015 12:56)

RBNIR:

tealala:

Jereo tsara io imigration io fa io izy io e, vy sy tanimanga, kristianisma sy slamo anie io e, i barak obama izao io efa fitambarany io mintsy ngamba, slamo no kristianina :D, ho itantsika eo ny tohiny.

« Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao. » (Daniela 2:41)
« Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy. » (Daniela 2:42)
« Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga. » (Daniela 2:43)

fanamarihana kely fotsiny: "fanjakana mizarazara"....ary fanjakana hatrany no noresahina hatramin'ilay loha volamena......avy aiza no nahitanao hoe silamo sy kristianina???


"Civilisation" io namana. ao daholo na ny finoana na ny fombafomba fiainana rehetra ( silamo tanimanga : iza no tena mitady tany amin'izao fotoana izao?)
78. tealala ( 23/11/2015 12:58)
Fanazavana io ataoko io fa tsy fandresendahatra a :)
79. RBNIR ( 23/11/2015 13:06)
ilay izy mantsy namana tealala efa mazava tsara ilay nanazavan'i daniela azy :
....ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany. » (Daniela 2:38)
Dia milaza ny manaraka indray izy hoe :

« Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao,....
Dia otran'izay hatrany.....fanjakana hatrany no nolazainy .....

Ka tsy aiko hoe any amin'ny fahadimy v dia lasa mivadika finoana indray???

Ary na dia ilay vato tsy nendahan-tanana aza dia mbola manambara fanjakana anankiray koa (fanjakana izay hanjaka mandrakizay mandrakizay).....

Isika moa mitady ny marina fa tsy hoe.....
80. tealala ( 23/11/2015 13:13)
Hiaraha mahita eo ihany izy rehefa misesesy io fandatsahana baomba io sy ioterrorisme io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1153