Famonjena

141. tealala ( 11/07/2017 07:39)
Hahahahaha!!!!
Izao no lazaiko anao ry RBNIR fa ny zavatra noteneninao rehetra teo dia manaporofo fa nofoanana ny lalàna, tsy nanery anao hifora za.
Nifora ve i Jesosy ie nifora i jiosy ve izy eny koa ny valiny, jiosy ve ny andriamanitrao eny tokoa fa jiosy, andriamanitra nanaiky novonon ny romanina hahahahaha!!!
142. tealala ( 11/07/2017 07:41)
Ny lalàna rehetra teo aloha dia nofoananareo daholo na io sabatanareo lazaina novahana io aza dia tsy sabata io, aleo tsy manao toy izay manao kitoatoa ry RBNIR a :D
143. RBNIR ( 11/07/2017 07:58)
Izaho ange efa niteny e! misy hoy aho lalàna efa tsy atao intsony (tahaka ny lalàm-pisoronana) satria efa vita teo amin'ny hazo fijaliana....sns

Fa mbola misy kosa anefa lalàna tsy maintsy tohizana ny fitandremana azy Izay rehetra nampianarin'i Jesosy fa tsy maintsy mbola tandremana....Ary araka ny fitandreman'i Jesosy sy ny mpianatra azy no atao fa tsy araka ny fanaon'ny razana tany aloha...
144. tealala ( 11/07/2017 08:33)

RBNIR:

Izaho ange efa niteny e! misy hoy aho lalàna efa tsy atao intsony (tahaka ny lalàm-pisoronana) satria efa vita teo amin'ny hazo fijaliana....sns

Fa mbola misy kosa anefa lalàna tsy maintsy tohizana ny fitandremana azy Izay rehetra nampianarin'i Jesosy fa tsy maintsy mbola tandremana....Ary araka ny fitandreman'i Jesosy sy ny mpianatra azy no atao fa tsy araka ny fanaon'ny razana tany aloha...

lalàna efa tsy atao intsony (tahaka ny lalàm-pisoronana)
1 - Atao ireo rehefa vita ny 3ème temple izany hoe efa eo ny Roi Mashiah ny tena izy izay hampody ny jiosy rehetra fa tsy manaparitaka azy eraky ny vazan'tany
2 - Manambara io fa rava ny lalàna aminareo hahahahah!!!!

"nampianarin'i Jesosy fa tsy maintsy mbola tandremana....Ary araka ny fitandreman'i Jesosy sy ny mpianatra azy no atao fa tsy araka ny fanaon'ny razana tany aloha..."
= rava ny lalàna izay nampianarin'i Mosesy ("fa tsy araka ny fanaon'ny razana tany aloha")
Ny zavatra lazainao ihany no azavaiko aminao fa nandrava ny lalàna i Jesosy hahahahaahaha!!
Ianao ihany anie ry RBNIR no miteny fa rava ny lalàna eto fa izaho tsy mpamaky ny TV dia tsy haiko izany e .
145. tealala ( 11/07/2017 08:36)
"lalàna efa tsy atao intsony" = efa noravaina teo @ hazo fijaliana hahahahaha!!!!
146. tealala ( 11/07/2017 08:48)
Izaia 56: 1Izao no lazain'ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko,
ary efa hiseho ny fahamarinako.
2Sambatra ny olona hanao izany,
sy ny zanak'olombelona hifikitra mafy amin'izany,
ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy,
sy hifehy ny tànany tsy hanao ratsy akory!
3Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin'ny Tompo, tsy hanao hoe:
Ho esorin'ny Tompo marina aho, tsy ho isam-bahoakany,
ary aoka ny eonoka tsy hanao hoe;
Indro hazo maina aho!

4Fa izao no lazain'ny Tompo amin'ny eonoka:
Izay mitandrina ny sabatako
ka hifidy izay sitrako
ary hifikitra mafy amin'ny "fanekeko":

5dia omeko fahatsiarovana sy anarana,
tsaratsara kokoa noho izay zanakalahy sy zanakavavy
ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy;
anarana mandrakizay no homeko azy
ka tsy ho levona.
6Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin'ny Tompo
mba hanompo azy sy ho tia ny anarany,
ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy "miraikitra mafy amin'ny fanekeko",

7dia ho entiko ho ao an-tendrombohitra masina,
sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahana eo ambony otely ny "sorony dorana aman-tsorony":

fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra
sorony dorana aman-tsorony aiza ilay hoe :""lalàna efa tsy atao intsony"?
HAHAHAHAHAHAHAHA!!!!
147. RBNIR ( 11/07/2017 08:59)
Itony izo ohatra (didy folo) dia lalàna mbola tsy maintsy tandremana satria hoy i Jesosy hoe...

« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)


rehefa manontany ilay olona hoe didy inona dia ny didy ao amin'ny didy folo no tanisain'i Jesosy ao....

Noho izany mbola tandremana tsara ny didy folo...

Ka mila mianatra ny fampianaran'i Jesosy raha tsy izany manaonao foana e!!!
148. tealala ( 11/07/2017 09:05)

RBNIR:

Ka mila mianatra ny fampianaran'i Jesosy raha tsy izany manaonao foana e!!!

Nga didy folo iany no didy ry RBNIR? izay ihany no fantatrao? ianao izao gana tsy hoaninao anefa ny gana tsy vorondriaka fa vorona fiompy hahahaha mba mikarokaroa ihany fa "raha tsy izany manaonao foana e!!!" atoron'i Herinirina vilana ao dia roboka ery amin'ny rano mande ery feno fotaka ny akanjo fotsy hahaahha!!!
613 ny an'ny jiosy teneniko tsara ny an'ny jiosy fa tsy ana tealala
misy ny 7 lois de Noah ho an'ny fa ao anatin'io 613 io ihany
149. tealala ( 11/07/2017 09:08)
Io izao ianao fa kepoka kely mihitsy nahita an'ilay hoe "sorony dorana aman-tsorony"
nefa hoe i Jesosy no natao sorona, amin'io ny miaramila romanina no namono azy, sady raha ny tena izy ny lalàn'ny jiosy rehefa misy olona hovonoina dia tora-bato fa tsy fantsiana an'ny romanina izay => ny romanina no nanao sorona an'i Jesosy hahahahaha!!!
150. tealala ( 11/07/2017 09:21)
Aiza ho aiza ilay hoe tsy misy sorona hatao intsony e atsy anefa misy hoe "sorony dorana aman-tsorony" eny am tendrombohitra masina.
151. RBNIR ( 11/07/2017 10:17)
tealala:

Nga didy folo iany no didy ry RBNIR? izay ihany no fantatrao?

Mila mianatra isika hoy aho tealala a!

Ireto avy ny karazana lalàna ao anaty baiboly ao:

1 Ny Didy folo (Eks.20:1-17) (Deot5:1-18)

2- Ny lalàn'ny fanekena (na code de l'alliance) :
- Fitiavana an'Andriamanitra (Eks.20:19-26)
- Fitsinjovana Ny hafa sy valin’ny natao ( Eks.21:1-22:19;
Deot.15:1-18 )
- - Fahaizana miaina eto an-tany sy amin’Andriamanitra
(Eks 22 : 20-23 : 19)

3- Ny lalàna momba ny fahamasinana sy ny fahalotoana
Ny lalàn'ny Fahalotoana ( Lev 11-15 ; Deot 14 : 1-21) (mampahaloto ny olona ny tsy fitandremana azy)
Ny lalàn'ny Fahamasinana ( Lev 17-23) (fitandrovana ny fahamasinana)

Ny fanoherana ireo no manome ny atao hoe FAHAVETAVETANA

4- Lalàna momba ny tsy fahatokina ara- tsaina ( Infidélité
morale)
- Mitaona ny saina hanao sitrapon’Andriamanitra ( Lev.24-27 ; Deot 14 : 22-29)

5- Lalana déoteronomika ( deot 12 : 1-13 : 19, 16 : 18-26 :15)
- Fomba fanao ho hanatsarana ny fiainam-pirenena ( Deot.16 : 18-23)

6- Lalam-pisorona ( Lev 1-7 ; Deot 15 : 19-23)


Amin’ny ankapobeny dia ao anatin’ireo fizarana 6 ireo avokoa ny lalana rehetra. Ireo no ambaran’ny soratra masina hoe: LALAN’I MOSESY ( Josoa 8 : 31 ; IMpanj 2 : 3 ; Jao 7 : 23, …) Tamin’ny alalan’i Mosesy no noanomezan’Andriamanitra ireo lalànana ireo ary nomena ny vahoaka mba handehanay amin’ny fahamarinana sy hiainany amin’ny fahamasinana ka
hahahatonga azy ho tsy misy tsiny eo anatrehan’iJehovah.

Amin'ireo karazany enina ireo dia misy ny mbola tandremana hoy i Jesosy, misy kosa anefa ny tsy tandremana intsony.....

Mila mianatra isika e!!!
152. tealala ( 11/07/2017 10:33)
"misy kosa anefa ny tsy tandremana intsony....." Ianao ihany no milaza an'io hoe efa tsy tandremana intsony izany hoe i Jesosy mihitsy no milaza hoe rava ny lalàna.
153. tealala ( 11/07/2017 10:38)
Misy fampianarana izay narahiko momba ny lalàna, 613 hoy izy ny isan'ny lalàna, izay mi-correspondre amin'ny 613 taova amin'ny olombelona iray angamba izy izay ka rehefa ireo 613 taova ireo no analanao dia tsy mahafehy fe-petra maha olona azy.
ny lalàna tsy tokony analana tsy anampina fa raha analana sy anampina io dia very enao ry RBNIR a :D
Mahafinaritra ahy ny mijery anao tsy manana lojika eto marina :D
154. RBNIR ( 11/07/2017 10:42)
tealala:

"misy kosa anefa ny tsy tandremana intsony....." Ianao ihany no milaza an'io hoe efa tsy tandremana intsony izany hoe i Jesosy mihitsy no milaza hoe rava ny lalàna.

tsy tandremana satria tandindon'ny fanekena vaovao...

Ohatra lalàm-pisoronana, ny zanak'ondry natao fanatitra ho an'ny ota fanao isan'andro dia efa nosoloina Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra....

Taloha naterina isan'andro, amin'ny fanekena vaovao kosa dia in-dray mandeha ihany no nanaovana azy....

Tsy ilaina intsony ny manatitra zanak'ondry isan'Andro fa efa vitan'i Jesosy indray mandeha izany ho an'ireo izay mino Azy.....Foana ny lalàm-pisoronana (satria tsy misy fisoronana atao isan'Andro intsony sady iray ihany koa sisa ny mpisorona dia i Jesosy irery ihany izay mifona isan'andro ho an'ireo olony....

Ny antony nahabetsaka ny mpisorona fahiny dia satria mety maty ny olona dia mila solosoloina...

« Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy; » (Hebreo 7:23)

N fisoronan'i Jesosy kosa no maharitra mandrakizay....

« fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy; » (Hebreo 7:24)



155. tealala ( 11/07/2017 10:43)
"Amin'ireo karazany enina ireo dia misy ny mbola tandremana hoy i Jesosy, misy kosa anefa ny tsy tandremana intsony....."
Manaiky izany ianao fa nofoanana ny lalàna a?
156. RBNIR ( 11/07/2017 10:44)
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

Hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra.....
157. RBNIR ( 11/07/2017 10:44)

tealala:

"Amin'ireo karazany enina ireo dia misy ny mbola tandremana hoy i Jesosy, misy kosa anefa ny tsy tandremana intsony....."
Manaiky izany ianao fa nofoanana ny lalàna a?

Mifanena ny valitenin-tsika io ambony io ny valiny.....
158. tealala ( 11/07/2017 10:47)
Ianao ity raha ny hitsaoka ry RBNIR enjana be an
Eny na tsia no andrasana fa tsy valiteny secta be ohatr'io
159. RBNIR ( 11/07/2017 10:49)

tealala:

Ianao ity raha ny hitsaoka ry RBNIR enjana be an
Eny na tsia no andrasana fa tsy valiteny secta be ohatr'io

Normal Be raha valiteny secta no ataoko satri i Jesosy anie no secta voalohany e!!!
160. tealala ( 11/07/2017 10:49)
Sa ianao tsy mba mahay mamaly mihitsy hoe Eny na Tsia?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2062