Famonjena

161. RBNIR ( 11/07/2017 10:51)
Raha fanontaniana tsotra misy valiny tsotra dia azoko valiana hoe eny na Tsia, fa ny fanontanianao eto dia somary fanontaniana mila fandalinana..

Ohatra raha miteny ianao hoe boribory v ny tany dia hoy aho hoe Eny...

Fa raha manontany ahy kosa ianao hoe manga v ny lanitra dia hoy aho hoe......
162. RBNIR ( 11/07/2017 10:52)
Raha mandeha ao an-danitra ao mantsy ianao dia tsy hahita lanitra mangamanga mihitsy satria taratry ny rano ety antany no hitantsika mbola tsy maintsy azavaina ny atao hoe reflet, inona no mampisy reflet sns....sns....e
163. tealala ( 11/07/2017 10:54)
Ka sintoniko amin'ny "misy kosa anefa ny tsy tandremana intsony" = Nandrava ny lalàna i Jesosy raha fintinina ny resak'isika eto... Aza adino anefa fa ianao solotenana fiangonana iray tonga miady hevitra eto.
164. tealala ( 11/07/2017 10:57)

RBNIR:

Raha mandeha ao an-danitra ao mantsy ianao dia tsy hahita lanitra mangamanga mihitsy satria taratry ny rano ety antany no hitantsika mbola tsy maintsy azavaina ny atao hoe reflet, inona no mampisy reflet sns....sns....e

Hahahahahahaaaa!!!!!
Mahatsikaiky ahy ianao rangah ty ah, afak'andro mihitsy aho miresaka aminao
165. RBNIR ( 11/07/2017 10:59)

tealala:

Ka sintoniko amin'ny "misy kosa anefa ny tsy tandremana intsony" = Nandrava ny lalàna i Jesosy raha fintinina ny resak'isika eto... Aza adino anefa fa ianao solotenana fiangonana iray tonga miady hevitra eto.

Hoy ny teniny hoe « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

Jereo tsara ilay lalàm-pisoronana nazavaiko ery ambony : taloha dia mbola tandindona (zanakondry tsy misy kilema), fa ny fanantanterahana azy dia i Kristy....

Tsy rava fa notanterahina ary i Kristy no nanantanteraka azy....

Inona no tsy mazava amin'izany????
166. RBNIR ( 11/07/2017 10:59)

tealala:

RBNIR:

Raha mandeha ao an-danitra ao mantsy ianao dia tsy hahita lanitra mangamanga mihitsy satria taratry ny rano ety antany no hitantsika mbola tsy maintsy azavaina ny atao hoe reflet, inona no mampisy reflet sns....sns....e

Hahahahahahaaaa!!!!!
Mahatsikaiky ahy ianao rangah ty ah, afak'andro mihitsy aho miresaka aminao

:-)
167. tealala ( 11/07/2017 11:04)
hankasitrahana eo ambony otely ny "sorony dorana aman-tsorony"
Mbola hisy ny sorona, ianao izao no tsy mahazo resaka eto fa efa borné be hoe Jesosy no ondry fantsiana eny mbony hazo hihi!!!
"misy kosa anefa ny tsy tandremana intsony" midika izany fa rava ny lalàna rangahy ity a, mahay mamaky teny ve sa mbola tapona ny masom'panahy ao? sa kosa tsetsin ny fotaka t@ batisan'y rano ny masok'oditra hahahahahaha!!!
168. RBNIR ( 11/07/2017 11:11)

Taloha (aloka) na koa hoe tandindona fa i Kristy no tenany

« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kolosiana 2:17)

Tsy rava fa notanterahina ary i Kristy no nanantanteraka azy....

169. RBNIR ( 11/07/2017 11:13)
ny fanatitra dia teo ihany saingy tsy biby intsony fa i Kristy

ny mpisorona dia teo ihany saingy tsy maro intsony (natao maro satria mety maty tsy maintsy solosoloina) saingy lasa mpisorona Tokana Ilay maharitra mandrakizay (tsy mila solosoloina) dia i Kristy....

Tsy rava fa notanterahina....
170. RBNIR ( 11/07/2017 11:13)
ALOKA na tandindona novaina ho lasa TENA IZY.....
171. RBNIR ( 11/07/2017 11:14)
« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kolosiana 2:17)
172. tealala ( 11/07/2017 11:36)
inona moa izany fa TV manamarina TV hahaha!!!!
io mibaribary io fa ny diso ihany no diso e
173. RBNIR ( 11/07/2017 11:41)
ity koa fomba iray nanantanterahana ilay lalàna (ilay lalàna teo aloha iny ihany fa tsy hafa akory izay mbola tokony tandremana araka ny fanekena vaovao)...

Ilay didy dia tsy atao ivelany tahaka ny teo aloha fa atao anatin'ny olona Heb.8:10 Heb.10:16

Ireo didy teo aloha iny ihany saingy atao anatin'ilay olona mba ho tonga fiainana vaovao ao anatiny ary ny Fanahy Masina no manantateraka izany araka ny EZe.36:27

Io ny secret tsy fantatry ny fariseo sy ny mpanora-dalàna (ilay didy dia mila atao tonga fiainana anaty fa tsy atao ivelany fotsiny)...

Izay no nahatonga an'i Jesosy niteny ity teny ity...

« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Matio 23:25)

sy ity teny iray ity...

« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Matio 23:27)

Tamin'ny fanekena taloha dia tsy tafiditra anatin'ny olona ilay lalàna fa endrika ety ivelany fotsiny....Fahamarinana ivelany fotsiny fa raha Andriamanitra no mijery dia hita fa feno loto ao anaty ao (ohatra tsy mijangajanga nefa fatra mpitsiriritra vehivavy, tsy mamono olona nefa feno fankahalana olona (Vakio matio 5)

Madio ivelany hoy i Jesosy,

Amin'ny fanekena vaovao kosa dia atao tonga fiainanan'ny olona ilay lalàna....Ny any anatiny no diovina aloha dia madio ho azy ny ety ivelany,

Atao lasa fiainany ilay lalàna ohatra raha mpijangajanga teo aloha dia atao lasa tsy mpijangajanga intsony, raha mpangalatra dia ovaina tsy ho mpangalatra intsony, raha mpamono olona dia ovaina lasa tia olona sns, raha mpanao tsinontsinona ny andro fahafito dia atao tonga fahafinaretana ho azy ny mitandrina ny andro fahafito (Isa.58:13)

Ilay fieritreretana ratsy teo aloha mihitsy no hovaina ho lasa fieritreretana tsara...satria ilay izy tsy hoe fanesorana ny fahaloton'ny nofo fa "fitadiavana fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra...

« izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra] » (1 Petera 3:21)

Ka safidy io tealala a! na ianao te hijanona amin'ny fampianaran'ny fariseo sy ny mpanora-dalana, dia madio ihany ianao saingy ety ivelany,

na kosa ianao handray ny fampianaran'i Kristy dia diovina aloha ny ao anatinao dia ho hita taratra ety ivelany ilay fahadiovampoa azonao tamin'i Kristy....
174. tealala ( 11/07/2017 11:43)
fampianaran'ny fariseo sy ny mpanora-dalana, dia madio ihany ianao saingy ety ivelany, tsy inona akory fa fampianaran'i Moizy e
izany hoe fampianarana 2 samihafa ny TT sy ny TV
175. RBNIR ( 11/07/2017 12:07)
Izao ny secret tealala a! nisy tsiny ny fanekena taloha satria ny ram-biby tsy mahaisotra ny ota....fa ny ran'i Jesosy no mahaisotra ny ota...

« Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. » (Hebreo 8:7)

« Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. » (Hebreo 10:4)

« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)

Io OTA io no manetsika ny fitsiriritana ao anaty ao mahatonga ny olona handika ny lalàn'Andriamanitra....

« Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna. » (Romana 7:8)

Ny secret dia hoe esorina ny OTA dia tsy misy intsony ilay mampihetsika ny fitsiriritana dia hotanteraka ho azy ilay DIDY SATRIA lasa fiainan'ny olona ilay didy (mpagalatra lasa tsy mpangalatra intsony fa lasa madio eritreritra, madio fo) dia otran'izay daholo e, tsy mila tenenina intsony hoe aza manao an'ity na aza manao an'iry satria efa lasa olombaovao mpanompon'ny fahamarinana...

« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Hebreo 8:11)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
176. tealala ( 11/07/2017 12:10)

Hahahahahahahaha!!!!!!
Hitanao fa boky tsy mitohy ireo vakinao ireo hahahahaha!!!
Nisy tsiny hono fanekena taloha iny indray no tsy hitako ny TV no miteny an zany hahahahaha
Tapaka n tsinaiko RBNIR a!!!
177. RBNIR ( 11/07/2017 12:11)
tealala:

Hahahahahahahaha!!!!!!
Hitanao fa boky tsy mitohy ireo vakinao ireo hahahahaha!!!
Nisy tsiny hono fanekena taloha iny indray no tsy hitako ny TV no miteny an zany hahahahaha
Tapaka n tsinaiko RBNIR a!!!

Tandremo an izao tsy niteny hoe nisy tsiny ny boky (TT) fa ny fanekena taloha....

Samy hafa izany....
178. tealala ( 11/07/2017 12:14)
"nisy tsiny ny fanekena taloha" io zavatra teneninao io no manamafy amiko fa tena rava ny lalàna e :D
Ianareo no tsy mahatanteraka dia lazaina fa misy tsiny ko tsy aleo ve natokana ny TV dia iny foana no vakiana isanandro dia tsy atambatra amin'ny teo aloha intsony e.
Manambara ko io zavatra lazainao io fa diso ny Andriamanitr'Israely fa manao zavatra tsy voatateraky ny vahoakany akory
Diso Andriamanitra no tena dikan'io zavatra lazainao io anie ry RBNIR e hahahahahaha!!!
Manome tsiny an'Andriamanitra izany ianao no dikany
179. tealala ( 11/07/2017 12:19)

RBNIR:

[quote=tealala]
Tandremo an izao tsy niteny hoe nisy tsiny ny boky (TT) fa ny fanekena taloha....

Samy hafa izany....

Tsy niteny ianao hoe misy tsiny ny TT fa nanambara ianao hoe ny zavatra ao anaty TT misy tsiny, ny zavatra nolazain'Andriamanitra izany misy tsiny izay no dikan'io lazainao io, dia inona izany no fototr'io fahamarinana vitainao io ny asany hahahaha!!!.?
180. RBNIR ( 11/07/2017 12:28)

tealala:

"nisy tsiny ny fanekena taloha" io zavatra teneninao io no manamafy amiko fa tena rava ny lalàna e :D
Ianareo no tsy mahatanteraka dia lazaina fa misy tsiny ko tsy aleo ve natokana ny TV dia iny foana no vakiana isanandro dia tsy atambatra amin'ny teo aloha intsony e.
Manambara ko io zavatra lazainao io fa diso ny Andriamanitr'Israely fa manao zavatra tsy voatateraky ny vahoakany akory
Diso Andriamanitra no tena dikan'io zavatra lazainao io anie ry RBNIR e hahahahahaha!!!
Manome tsiny an'Andriamanitra izany ianao no dikany

Ilay izy ange hoy aho raha jerena ety ivelany dia vitan'ilay fariseo sy mpanora-dalàna e, fa rehefa Andriamanitra hoy aho no mandinika dia hitany daholo ny miafina ao anatin'ilay olona, (tsy mijangajanga nefa mitsiriritra mafy, tsy mamono olona nefa feno fankahalalana sns sns....

Amin'Andiriamanitra ny tena sitrakany dia ny olona sady madio ivelany no madio fo mifanaraka amin'izay...tsy misy fiatsarambelatsihy....

Tsy vitan'ny olona tsy nandray ny ràn'i Jesosy izany tealala a!!! normal be ianao raha namaly tany aloha hoe ngah moa tsy ny passage à l'acte ihany no tena ota????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1296