Famonjena

181. tealala ( 11/07/2017 12:47)
RBNIR:

Tsy vitan'ny olona tsy nandray ny ràn'i Jesosy izany tealala a!!! normal be ianao raha namaly tany aloha hoe ngah moa tsy ny passage à l'acte ihany no tena ota????

Izay no (mahasamihafa) mahadiso anao koa anefa satria tahaka an'i Adama izay nahalala fa ny hazo tsara indrindra tao edena dia tsy azo nohanina, fa hitany anefa hoe io no tsara indrindra, izany hoe raha araka ny famaritanao ny fahotana izany dia nanota i Adama vao nahita ilay hazo fa voahozona ve izy? efa nikarepoka izy izay vao voahozona, izay ny "fahotana' voalohany nisy passage à l'acte fa tsy hoe nitsiriritra dia roboka teo aveo fa hoe nanota, hafa indray ny ao amin'ny didy folo hoe aza "mitsiriritra" dans le sens hoe iteny ianao hoe "tsy maintsy hanana tahaka iny fiara iny aho" ohatra io an.
182. tealala ( 11/07/2017 12:49)
Fa moa ve misy fiatraikany aty amiko raha toa ka ao an tsainao ianao no mikasi-tanana ahy?
midika ve izany fa mare marary ah?
Tsy fantatro akory ary izany hoe tahaka ny inona ny kapoka ataonao ahy ao an-tsainao ao ko. hahahaha
183. tealala ( 11/07/2017 12:57)
Dia sahy hilaza izany ianao fa avy nandray an'i Jesosy dia tonga dia tsy nisy fanirina fitsiriritana intsony tsy tezitra lasa tanteraka e noho ny fanekena vaovao? hahahaha
ndana miakatra velona amin'izay fa efa vita t@ Jesosy nofantsiana ny anjaranao e :D
184. RBNIR ( 11/07/2017 13:08)
azo atao ange hoy aho ny mijanona amin'ilay fahamarinana ety ivelany e!

Saingy hoy i Jesosy ilay tonga tety hanambara ny marina (jao.18:37) hoe

« Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Matio 5:20)


Mila manana fahamarinana hatrany anatiny fa tsy ivelany fotsiny, vakio ny teny aorianan'io mat.5:20 io dia ho azonao ilay izy....TSY AMPY NY FAHAMARINANA IVELANY!!!
185. tealala ( 11/07/2017 13:13)
Ka izay no hitsipahanareo ny fanekena teo aloha ko nosoloina vaovao
Izao nareo ny anatiny fotsiny indray dia nialana ny ivelany :D mampiomehy ahy mihitsy ianao ity ry RBNIR, soa fa nisy anao teto :D
186. RBNIR ( 11/07/2017 13:33)
Tsy marina izany, rehefa madio ny fo dia tanteraka ho azy ety ivelany ny zavatra takian'Andriamnitra amin'ny olona...

« Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy*;[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3] » (Matio 15:19)


Izao no fampanantenana ho an'ireo mino an'i Jesosy ...« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)


fo vaovao , sy fanahy vaovao tsy misy ezaka atao fa omena (fahasoavana) Izay no mahatonga ilay fitenenana hoe ambany fahasoavana fa tsy ambany lalàna....

187. rhaj0 ( 11/07/2017 13:41)
tealala:
Fa moa ve misy fiatraikany aty amiko raha toa ka ao an tsainao ianao no mikasi-tanana ahy?
midika ve izany fa mare marary ah?
Tsy fantatro akory ary izany hoe tahaka ny inona ny kapoka ataonao ahy ao an-tsainao ao ko. hahahaha
esy e ry Tealala... io foana ilay lazaiko hoe:
ny imazination (collective) an'ny Mpino: TSY mahakasika anay eee... :-)

tealala:
:D mampiomehy ahy mihitsy ianao ity ry RBNIR, soa fa nisy anao teto :D
Dia io koa ho'a no manpivanitika gilady ahy ary toa hotry ny mahatamana ahy eto eee.. :-)

188. tealala ( 11/07/2017 13:42)
"fo vaovao , sy fanahy vaovao tsy misy ezaka atao fa omena (fahasoavana) Izay no mahatonga ilay fitenenana hoe ambany fahasoavana fa tsy ambany lalàna...."
Hahahahahahaha!!! miracle izany hahahahaha!!!
189. tealala ( 11/07/2017 13:45)

rhaj0:

tealala:
Fa moa ve misy fiatraikany aty amiko raha toa ka ao an tsainao ianao no mikasi-tanana ahy?
midika ve izany fa mare marary ah?
Tsy fantatro akory ary izany hoe tahaka ny inona ny kapoka ataonao ahy ao an-tsainao ao ko. hahahaha
esy e ry Tealala... io foana ilay lazaiko hoe:
ny imazination (collective) an'ny Mpino: TSY mahakasika anay eee... :-)

tealala:
:D mampiomehy ahy mihitsy ianao ity ry RBNIR, soa fa nisy anao teto :D
Dia io koa ho'a no manpivanitika gilady ahy ary toa hotry ny mahatamana ahy eto eee.. :-)



Dia ny tena no gaga ry Rhajo fa dia izy no mamely totondry ahy any an-tsainy dia izao no mangana hono e :D
190. tealala ( 11/07/2017 13:48)
Dia gaga dia gaga aho ry Rhajo fa ny resaka eto dia i RBNIR mamoaka antoko sy andininy milaza hoe misy lalàna tsy miatra intsony dia lazainy fa tsy rava ny lalàna teo aloha, izy ihany no miteny fa fomba vaovao no anaovana ilay lalàna dia mbola miteny ihany izy hoe tsy rava ny lalàna.
dia aveo izy miteny fa izay manana maso-koditra aoko ahita hahahahahahaha!!!
191. MINDAOZY ( 12/07/2017 05:49)

RBNIR:

Raha fanontaniana tsotra misy valiny tsotra dia azoko valiana hoe eny na Tsia,

-EKEN'I RBNIR VE NY "ASA,4:12"?

-MPANOTA VE IANAO RBNIR?

Valio ENY na TSIA fotsiny, fa ra vao miolankolana eo ianao dia avy @ ilay ratsy
192. RBNIR ( 12/07/2017 05:52)
tealala:

Hahahahahahaha!!! miracle izany hahahahaha!!!

testameta taloha ange io entiko io e (Eze.36:26)!!! ngah ianao tsy mino ny TT indray???? (izay ilay faly hanohitra fotsiny dia tsy mandinika intsony....

Io fo vaovao io ilay tsy misy ota intsony dia avy eo dia izao indray no ataon'Andriamanitra....


« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)


Rehefa afaka ilay ota ka lasa fo vaovao sy fanahy no ao anatin'ilay olona dia ataon'Andriamanitra ao anatin'ilay olona indray kosa ny FANAHY MASINA ary rehefa tonga ao anatiny iLAY FANAHY MASINA dia handeha araka ny lalàn'Andriamanitra sy hitandrina ny fitsipiny ilay olona ka hanarana izany....

Izay ny fanekena vaovao (soratana ao anaty amin'ny alalàn'ny Fanahy Masina ireo lalàna sy fitsipika teo aloha)

« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10)

Tsy atao soratra ivelany intsony fa soratana ao ampo sy ao antsain'ilay olona ilay lalàna (ilay teo aloha iny ihany) ...

Lasa fiainana vaovao ao anatin'ilay olona ilay izy .....« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Galatiana 2:20)


Kristy (ILAY FANAHY MASINA) no velona ao anatin'ilay olona fa tsy mandeha araka ny tenany intsony ilay olona....

Mpangalatra lasa tsy mpangalatra intsony (madio hatramin'ny fieritreretany « izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra] » (1 Petera 3:21)


Fanamarihana : araka io 1 Pet.3:21 io dia eo amin'ny batisa no hahatanterahan'izany saingy....

Ny tena batisa dia tsy maintsy olona naharay iraka mivantana sy fahefana mivantana avy any an-danitra no manantanteraka azy vao tanteraka ao amin'ilay olona izany rehetra rehetra izany...

Ireto avy ireo nanao batisa tao anatin'ny baiboly, izy rehetra ireo dia naharay iraka sy fahefana mivantana avokoa...

1 Jaona mpanao batisa izao no noteneniny.... « .... fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: .... » (Jaona 1:33)

Nisy naniraka i Jaona fa tsy hoe naniratena akory

2 Jesosy : « Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. » (Jaona 3:22)

Jesosy koa dia nilaza fa nisy naniraka Izy...« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)


3 Ireo mpianatra izay nahazo iraka mivantana tamin'i Jesosy hanao batisa ihany koa...« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)


Koa raha tianao hotanteraka aminao izany zavatra rehetra voalaza ery ambony ery dia mitadiava olona iray naharay iraka mivantana avy any ambony....

Ity misy iray raha mangetaheta ianao...



193. MINDAOZY ( 12/07/2017 06:14)

RBNIR:

ny fanatitra dia teo ihany saingy tsy biby intsony fa i Kristy

Ny problème an'i RBNIR dia afangarony ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao.

Any @ fanekena taloha dia omby sy osy sy ondry no atao fanatitra sy sorona nohon'ny ota, fa tsy A/tra na olona. Ary atao isan-taona izany.
Rehefa mitandrina didy folo ianao dia tsy maintsy manao an'izany, fa tsy afa-misaraka ireo fa samy lalàn'i moizy; tsy misy azonao anesorana na litera iray aza.

Fa ny aty @ fanekena vaovao no Zanak'A/tra no natao sorona indray mandeha monja.

Anao ny safidy:
-DIDY FOLO NO TINAO?
Ataovy ny fanatitra sy sorona omby sy osy.
-FANEKENA VAOVAO NO TINAO?
Ajanony ny didy folo sy ny sorona omby fa tsy ilaina intsony.
194. RBNIR ( 12/07/2017 08:25)
Mindaozy : olona ao amin'ny fanekena vaovao ireto ary mahafantatra tsara ny fampianaran'i Jesosy...

« Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. » (Lioka 23:55)
« Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. » (Lioka 23:56)

Ireo vehivavy ireo dia niaraka azy foana hatrany galilia ary mahalala tsara ny fampianarany..

Tamin'ny andro nahafatesan'i JEsosy io....dia vakio fa nitandrina ny Sabata ireo olona ireo...

Ity koa tao amin'ny fanekena vaovao no nampianaran'i Jesosy an'ity...

« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)


raha vakiana dia didy folo no asain'i Jesosy tandremana ao (raha te hiditra amin'ny fiainana ny olona iray)...

Ity ny porofo fa nasain'i Jesosy nampianarin'ireo mpianatra hitandrina didy koa ny jentilisa...

« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)
« sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 28:20)


Vakio tsara mandehana...dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra (tsy ankanavaka na jiosy na jentilisa) .....sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiko anareo......

Izay rehetra nampianarin'i Jesosy an'ireo mpianatra dia nasainy ampianarina an'ireo firenena rehetra (anisany ny jentilisa)....

195. RBNIR ( 12/07/2017 08:26)
ireo no porofo fa ao amin'ny fanekena vaovao dia mbola tandremana ny didy.....indrindra ny didy folo....izay notsindrin'i Jesosy fa hoe antoka hidirana amin'ny fiainana mandrakizay...
196. tealala ( 12/07/2017 10:32)
Dia inona moa izany no anjara-toeran'Israely rehefa tafita t@ kristianina ny Torah? dia nanaovana TT izy aveo.?
197. RBNIR ( 12/07/2017 11:43)
Andriamanitra no tokony hanontaniana an'izay satria tonga tany amin'ny azy Izy fa ny azy tsy nahalala Azy....dia izay no nandraisana anay (sampana hazo oliva naniry ho azy izahay)

« Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy. » (Romana 11:24)


tena entren-drizareo izay resaka izay tealala an!!!

Ny fantatro fotsiny raha araka ny faminaniana ao anaty baiboly dia any amin'ny ora farany indrindra any indray dia horaisin'Andriamanitra indray ry zareo ireo....
198. tealala ( 12/07/2017 12:03)

RBNIR:

Ny fantatro fotsiny raha araka ny faminaniana ao anaty baiboly dia any amin'ny ora farany indrindra any indray dia horaisin'Andriamanitra indray ry zareo ireo....

Hahahahahaha!!!
Mba diniho kely anie ny zavatra soratanao e, vahoaka voalohany nanaovana fifanekena voalohany nasaina hitarika ny olona rehetra maneran'tany hanaiky ny Andriamanitra tokana, nalaina tao aminy ny atao hoe Messia dia lazainao fa narin'Andriamanitr izy izao pouhahahahahahaha!!!!
Fa ianao izay kristianina vao 200 taona kely aty Madagasikara mivavaka ao amin'i Herinirina no manana anjara toerana goavana % Amin'ny taranak'Israely Abrahama.
Tena aleo aho hiomehy aloha ry RBNIR a
tohizo ny fanazavanao raha mbola misy aloha :D
199. RBNIR ( 12/07/2017 12:07)
Ka izay ilay teny tealala a!!! « Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. » (Jaona 1:11)

Nanasa vahiny tsy tonga dia nomena izay rehetra hita teny amin'ny sampanan-dalana ny nahandro!!!
200. RBNIR ( 12/07/2017 12:08)
ianao ange izao dia efa ohatra iray mibaribary e!!! antsoina fa e! e! e!

Asa rahoviana vao ho tonga saina???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2004