Famonjena

201. tealala ( 12/07/2017 12:09)
Vahoaka omena Torah dia ianareo no miantso azy
=> Nanao erreur Andriamanitra pouhahahahahaha!!!!
202. RBNIR ( 12/07/2017 12:10)
otran'izany mihitsy no nahazo an'i Jesosy fahiny tealala!!! enga anie ho tonga saina alohan'ilay fotoana ianao!!!
203. tealala ( 12/07/2017 12:11)
Vahoaka mirakotra ny tantarany ny Torah dia izy indray no antsoinareo izay vao nitsangana teto madagasika vao 200 taona ra misy dia misy. Kanefa ny azy efa fifanekena efa firy taona izay tsy mivaha ry RBNIR? nanomboka t@ Abrahama firy taona?
204. tealala ( 12/07/2017 12:14)
Mba dihiho kely anie e, ny anarany aza Israely t@ zany mbola Israely hatramin'izao.
Dia ianareo no hanova azy hoe Israely teo aloha fa ianareo no Israely vaovao hahahahaha!!!
205. RBNIR ( 12/07/2017 12:23)
Tsy misy misavika ny anjaran'ny hafa mihitsy eo an!!

Izahay dia efa notsindrina mazava fa sampana avy tamin'ilay hazo oliva naniry ho azy...

« Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy. » (Romana 11:24)
206. tealala ( 12/07/2017 12:35)
Misavika ny anaran'izany ry RBNIR a.
Anefa ianareo manaiky hoe vahoaka voafidy zareo?
207. tealala ( 12/07/2017 12:43)
Ity hoe ry RBNIR mba valio hoe "ENY" na "TSIA"

Misy faminaniana ve ao amin'ny Torah hoe ianareo ry taranak'Israely dia ny firenen'kafa no hitarika anareo hiverina amiko?
208. tealala ( 12/07/2017 12:45)
P.S : aza miolakolana mamaly (aza mampiasa TV)
209. RBNIR ( 12/07/2017 12:53)
Izay v izany no tsy handrosoano ry stahtam satria ianao mieritreritra fa tsy tokony hitarika ny jentilisa?
210. tealala ( 12/07/2017 13:00)
ökalo fa fanina ianao.. i Tealala ity
Eny sa Tsia ilay valiny fa tsy fanontaniana vaovao
211. tealala ( 12/07/2017 14:45)
Aiza ilay izy ry RBNIR a, aiza no misy faminaniana hoe ny jentilisa no hampianatra ireo jiosy ny lalàna ka hanaraka ny jentilisa ny jiosy?
Aiza ao anaty TT izany vakina?
212. RBNIR ( 13/07/2017 05:31)
tealala:

Aiza ilay izy ry RBNIR a, aiza no misy faminaniana hoe ny jentilisa no hampianatra ireo jiosy ny lalàna ka hanaraka ny jentilisa ny jiosy?
Aiza ao anaty TT izany vakina?


Aleo angamba hovaliantsika atsy izy ity ry stahtam (tsy diso aho ka iray ihany ange ny hevitrareo eto e) fa mahareta satria mbola misy zavatra hafa tokony ho fantatra vao tena afaka mamaly ny fanontanianao namana tealala!!!

Io dia tahakan'ilay lanitra mangamanga mihitsy e!
213. stahtam ( 13/07/2017 08:04)

[quote=tealala]
Aiza ilay izy ry RBNIR a, aiza no misy faminaniana hoe ny jentilisa no hampianatra ireo jiosy ny lalàna ka hanaraka ny jentilisa ny jiosy?
Aiza ao anaty TT izany vakina?
[quote=stahtam]
Azafady tealala ! Mba farito tsara ihany aloha hoe iray ihany ve isika sa tsia fa toa miampanampana ilay zalahy io (RBNIR). Izaho mantsy efa ela no nahatsikaritra io fombany io (miolakolaka). Ohatra iray no omeko: nilaza izy fa misy izany Jiosy 100% izany, dia nanontaniako izy hoe ny taranak'i Joda (Davida, Mesia) izay avy amin-dry Rahaba janga sy ry Rota Moabita ve Jiosy 100% ? fa rehefa nojereko ny valinteniny dia naleoko najanona mihitsy aloha ny firesahana aminy.
214. tealala ( 13/07/2017 09:14)
Dia gaga aho ry stahtam fa dia fanontanina tsotra no apetrako fa fanina izy.
Io koa angamba ilay fihatraikan le manompo olona telo e hahahaha!!
olona 2 samihafa lazaina fa 1
215. RA TAN ( 13/07/2017 09:23)
RBNIR:


« Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)

raha vakiana dia didy folo no asain'i Jesosy tandremana ao (raha te hiditra amin'ny fiainana ny olona iray)...



MATIO 19 :17-21
17 Fa hoy i Yahoshuah taminy : nahoana Aho no anontanianao an’izay tsara ? Iray no tsara; fa raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy. 18Hoy ralehilahy taminy; inona avy moa? Di ahoy I Yahoshuah: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, 19Manaja ny rainao sy ny reninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
20Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola maha tanteraka ahy?(NA DIA MITANDRINA DIDY FOLO AZA TSY TANTERAKA) 21Dia hoy i Yahoshuah taminy: raha te ho tanteraka ianao, mandehana amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia manaraka Ahy
AVIA MANARAKA AHY: rehefa manaraka an’i Yahoshuah dia tsy maintsy tonga ary @ hazo fijaliana, dia eo amin’izay ilay “EFESIANA,2:15” naharava an’ilay didy folo.
“EFES,2:15 Fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana (raha @ baiboly DIEM moa dia tena mazava be: “Nofoanan’I Kristy ny lalànan’ny jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny”)” TENA RAVA NY DIDY FOLO.
=> GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo. TAFASARAKA @ A/TRA IZAY MBOLA MITANDRINA DIDY FOLO.

NY TENIN’NY APOSTOLY SY NY TENIN’I YAHOSHUAH NO DIDY ATY @ FANEKENA VAOVAO.
JAONA,12:49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay ho lazaiko. 50Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazainy tamiko.
1KOR,14:37Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
=> “EFES,2:15” RAVA NY DIDY FOLO (AZA MITANDRINA DIDY FOLO INTSONY) io no DIDY VOALOHANY aty @ fanekena vaovao.
Far aha tsy rava ny didy folo(fanekena taloha) tsy tafapetraka ny fanekena vaovao.
=>Izay mitandrina didy folo indray izany manomboka eo dia “mandika ny didin’A/tra aty @ fanekena vaovao”; izay mitandrina didy folo dia mandika lalàna; manota (porofon’izany: GAL,5:4 Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna(didy folo), efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo)



216. RA TAN ( 13/07/2017 09:30)
Miezaka ny manapoizina olona foana i RBNIR dia averiko eto indray ity:




RBNIR:
3 Diso ny fiheverana fa ny teny ao amin'ny Isa.42:1-6 dia entina manambara olona iray aty amin'ny
nosy madagasikara.....tsy manambara olona io fa manambara an'ilay Zanak'Andriamanitra satria ny
teny hoe Izy rehetra voasoratra ao dia manomboka amin'ny renintsoratra avokoa fa tsy zanantsoratra...
ary manamafy ny ao amin'ny mat.12:17-21 fa efa tanteraka marina tokoa io teny io...

RA TAN:
YAHOSHUAH ilay zanak’A/tra. Ary izaho mihintsy no efa niteny fa MANONDRO AN’I YAHOSHUAH IO ISAIA,42:1-6 IO.
Porofon’izany YAHOSHUAH mihintsy no niteny hoe: “LIOKA,4:18 ny Fanahin’I Yahvah no ato amiko”. Hatramin’izany no efa niandry ny lalàny ny Nosy, fa ankehitriny kosa tonga eto @ Nosy M/car ilay lalàna nandrasana; eto M/car YAHOSHUAH no mamoaka ny fitsipika hoan’ny jentilisa(mazava ho azy fa tsy didy folo, fa ny didy folo efa voarara ny fitondrana azy mankany @ jentilisa SAL,147:19,20).
Y.F.V: Yahoshuah Fanekena Vaovao MANDRAVA DIDY FOLO.
Tanteraka ny teny

RBNIR:
4 Diso ny fanambarana fa ILAY Anarana YAHOSHUAH dia originel fa tao amin'ny baiboly nadika
tamin'ny teny latina no nangalana azy, noho izany "tsy originel" intsony fa efa dikan-teny ihany koa
(mitovy laharana amin'ireo Anarana izay nosoratana avy amin'ny dikan-teny grika sns....)

RA TAN:
Anarana avy any andanitra ny Anarana YAHOSHUAH. Ny anjely mihintsy no niteny an’izany (MAT,1:21 ka hiteraka zazalahy izy, ary ny anarany atao hoe YAH no MPAMONJY (YAH HOSHUAH).
Anarana ambony nohon’ny Anarana rehetra izany, fa ny devoly sy ny mpiray tsikombakomba ratsy aminy ihany ireo miezaka mafy mampitovy an’I YAHOSHUAH @ a/try ny grika ireo.
Ianao aza asaiko manaporofo izay mba mahamarina an’ilay a/try ny grika iarahanao, fa tsy mahavita ianao.


RBNIR:
5 Diso ihany koa ny fandraisanareo ilay ho "tsy mpanota" satria ny atao hoe ota = fandikan-dalàna (1
Jao.3:4) ny atao hoe mpanota araka izany dia mpandika ny lalàn'Andriamanitra...Noho izany ny atao
hoe tsy mpanota dia tsy mpandika ny lalàn'Andriamaitra fa mitandrina tsara azireo (toy an'Ilay
Zanak'Andriamanitra izany nitandrina hatramin'ny madinika indrindra (Deot.6)
Ianareo anefa dia milaza fa tsy mpanota nefa tsy mitandrina ireo lalàna....

RA TAN:
Ianao no tsy mahay mihaino, satria avy @ devoly rainareo(JAONA,8:43,44), fa tsy izahay no diso fandray. Tenin’ny JAONA izay mpianatr’I YAHOSHUAH miaraka aminay anie io e! dia izahay no mahalala azy fa tsy ianao. Fa ianao aza io miezaka mafy ny mamilivily io, fa tsy mahavita e!
FANDIKAN-DALANA NO OTA: NY MPANDIKA LALANA NO MPANOTA. Ianareo mpitandrina didy folo no mpandika lalàna hoy A/tra, dia ianareo no mpanota: “1TIM,1:9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna(didy folo), fa ny mpandika lalàna sy ny maditra,dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona. 10Ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema”
Mitandrina didy folo nareo, fa tsy mahatandrina an’ireo izany ianareo, fa diso @ iray Monja dia meloka @ izy rehetra(JAK,2:10).
Ny lalàna aty @ FANEKENA VAOVAO manao hoe RAVA NY DIDY FOLO(EFES,2:15), fa dikainareo izany.
TSY AZO OVAINA NY ANARAN’NY ZANAK’A/TRA (ASA,4:12), fa dikainareo izany.
Tena mpandika lalàna nareo; mpanota nareo dia tsy mahafantatra an’A/tra(1JAONA,3:6)


RBNIR:
6 Diso ny fanambarana fa ILAY Anarana YAHOSHUAH "avy any an-danitra"...
"TSY AVY ANY AN-DANITRA" ihany koa satria ingahy samuelson edward dia tsy mitsotra mazava
mihitsy hoe nisy avy any an-danitra nidina nanome azy io anarana io na koa hoe izy tety antany
nakarina nankany an-danitra no nanomezana ilay anarana....efa nentiko moa ny porofo tao amin'ny
la saint bible de la vulgate no nangalany ilay Anarana tamin'ny endriny feno hoy izy ao anaty
internety....http://www.rtvyahoshuah.com/lien/fampianarana1.php

RA TAN:
Ny Ray aman-dReny SAMUELSON EDWARD ilay iraky ny Avo indrindra(APOK,14:6) avy any andanitra, MITONDRA an’ilay Anarana YAHOSHUAH ety ambonin’ny tany. Ary rehefa nanambara Izy ka tsy nino ny olona, dia natondrony amin’izay ilay tao @ baiboly katolika romana izay mbola nahitsiny koa fa nisy diso: YEHOSHUAH ilay ao @ baiboly katolika, fa nahitsiny hoe YAHOSHUAH no Izy, satria YAH no anaran’ny Ray fa TSY YEH



RBNIR:
7 Diso ny fanambarana fa izay manana ny Anarana YAHOSHUAH ihany no "tsy mpanota", izahay dia
manana ny Anarana hoe Jesosy nefa izahay dia milaza fa "tsy mpanota" satria efa nesorina taminay
ny ota, ary tsy izahay intsony no velona ato anatinay fa i KRISTY (ILAY TSY NANOTA) ILAY TSY
NANDIKA LALANA.....
ho fanitsiana izay diso hoy aho....

RA TAN:
Fialonana ny an’I RBNIR.
1JAONA,1;8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamitatena, ary ny marina tsy ato amintsika. 10 Raha hoy isika: tsy manota isika dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato amintsika.
Nodikain’i RBNIR ireo teny ireo, satria I RBNIR milaza fa tsy mpanota koa nefa mbola any ivelan’ny fanjakan’I Yahoshuah.
Ny fanjakan’i Yahoshuah tsy eto antany, fa any andanitra(JAONA,18:36); ary any andanitra tsy misy didy folo(DEO,30:11-12); olona iza no hovonoinao any ka hoe ilaina didy folo? Any andanitra tsy misy manam-bady, ka vadin’iza no ho tsiriritinao any ka ilaina didy folo?
-MAMITA-TENA I RBNIR
-TSY AO @ RBNIR NY MARINA: fahadisoana sy lainga ary fitaka daholo io ataon’i RBNIR io.
-MAMPANDAINGA AN’A/TRA I RBNIR, ko inona fa ny devoly no manao an’izany.
-TSY AO @ RBNIR NY TENIN’A/TRA: mazava fa tenin-demony io tenenin’I RBNIR io.
I RBNIR tsy any andanitra, fa ety antany, ary io mivingitra didy folo mariky ny maha mpanota (1TIM,1:9,10) io:
“1TIM,1:9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna(didy folo), fa ny mpandika lalàna sy ny maditra,dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona. 10Ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema
Donc, araka an’io “1TIM,1;9,10” io dia TENA MPANOTA I RBNIR, ARY TENA TSY MATAHOTRA AN’A/TRA, NOSOKAJIN’A/TRA HO SODOMITA SY MPANAO AN’ IREO KARAZANA FAHARATSIANA IREO I RBNIR. Any ivelan’ny fanjakan’A/tra ianao(APOK,21:8,27).
Didy izany ka koseho raha mahakosoka e!
Miraikitra ianao RBNIR a! Hoaiza eo anefa ianao @ ity teny marina ity e!
Ary hoy koa ny lalàn’I Yahoshuah hoe “AMIN’NY ANARAN’I YAHOSHUAH NO AHAZAHOANA FAMELANKELOKA (ASA,10:43), fa tsy @ anaran’ny a/try ny grika. Ny an’i RBNIR anefa ny a/try ny grika(ZEUS) no miaraka aminy.
Mahita anay zanak’A/tra tsy mpanota ianao dia mba nangala-tahaka koa. Ko raha tsy tenintenenina fahatany tahak’izany fotsiny izy ity ko. Izahay anie matoa tena afa-pahotana dia nisy dingana natao aloha e: MANDRAVA DIDY FOLO; atao batisa aty @ YAHOSHUAH, dia izay vao lasa olo-marina(1KOR,6:11), dia tafapetraka any an-danitra ao @ fanjakan’i YAHOSHUAH(EFES,2:6).
Fa ny ao anatinao ao izao mahalala tsara fa mpanota ianao, ary matahotra mafy ny ho faty. Fa ny vavanao fotsiny no mody mba miteny hoe tsy mpanota fa menatra loatra ianao.

217. RBNIR ( 13/07/2017 09:59)
stahtam:


tealala:

Aiza ilay izy ry RBNIR a, aiza no misy faminaniana hoe ny jentilisa no hampianatra ireo jiosy ny lalàna ka hanaraka ny jentilisa ny jiosy?
Aiza ao anaty TT izany vakina?
[quote=stahtam]
Azafady tealala ! Mba farito tsara ihany aloha hoe iray ihany ve isika sa tsia fa toa miampanampana ilay zalahy io (RBNIR). Izaho mantsy efa ela no nahatsikaritra io fombany io (miolakolaka). Ohatra iray no omeko: nilaza izy fa misy izany Jiosy 100% izany, dia nanontaniako izy hoe ny taranak'i Joda (Davida, Mesia) izay avy amin-dry Rahaba janga sy ry Rota Moabita ve Jiosy 100% ? fa rehefa nojereko ny valinteniny dia naleoko najanona mihitsy aloha ny firesahana aminy.

Salama stahtam elaela izy izany an!

Tapitra tato mantsy ny resantsika farany (raha tsy diso aho) (saingy tealala) moa ianao ka dia hotohizana raha sitarpon'Andriamanitra e!.....
218. tealala ( 13/07/2017 10:14)
Tena tsy hamaly izany i RBNIR a?
219. RBNIR ( 13/07/2017 11:19)
mangetaheta v ry tealala? ho avy fa aza taitra e! azonao atao koa ny tonga dia mamerina mamaky ato e


Tapitra tato mantsy ny resantsika farany (raha tsy diso aho) (saingy tealala) moa ianao ka dia hotohizana raha sitarpon'Andriamanitra e!.....
220. tealala ( 13/07/2017 12:17)
Tsy nandray anjara t@ ady hevitra atoronao ahy io ny tenako an
Sady matio marka lioka no betsaka ao tsy ilaiko fa ao amin'ny TT no ilaiko hoe aiza ho aiza ny manambara fa ny firenen kafa no mitarika ny jiosy aty aorina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1714