Ahoana marina ny momba ireo jentilisa?

1. RBNIR ( 13/07/2017 05:15)
Noho ny hetahetan'ny namana vitsivitsy dia aleo hanokafana lohahevitra vaovao ato mihitsy izy ity?

ahoana marina ny hevitr'Andriamanitra momba ireo Jentilisa?

Moa ve nataon'Andriamanitra tsinontsinona marina izireo fa ny Zanak'Israely ihany no tena olony hatramin'izay?

Moa v tsy mahazo mitandrina ireo didy nomena ny Zanak'israely izireo satria jentilisa (hafa firenena)?

Moa ve tsy mahazo mitory ny tenin'Andriamanitra izireo?

Sns???

Hovaliana indray raha sitrapon'Andriamanitra.....
novalian'i tealala ny 28/07/2017 07:57
2. tealala ( 13/07/2017 06:46)
Halaina rony be ny anao ko, miolakolana be mamaly zavatra tsy mba mitsotra...
Anontaniana ny Jentilisa ve no mampianatra an' Israely misy faminaniana an izany ve ao anaty TT?
3. tealala ( 13/07/2017 06:48)
Tsy ny fanontaniana apetrako no valianao fa fanontaniana hafa mihitsy no apetrakao avieo, sa tsy mazava mihitsy ve ilay fanontaniako
aleo averiko eto
Misy faminaniana ve ao anaty TT manambara hoe ny hafa firenena no hitarika an'Israely hiverina amin'Andriamanitra?
4. RBNIR ( 13/07/2017 06:58)
Izay no tena mahavoa anareo izay ry tealala rehefa tsy ritra ny laoka dia be menomenona tahaka ny zaza....

Ho valiana raha sitrapon'Andriamanitra e!!!
5. tealala ( 13/07/2017 07:12)
Ka tsy hoe mimenomenona aho fa ianao mitsaoka fanontaniana, rehefa tsy voavaly anie io ry RBNIR tsy misy tsiny e :D
ny ahy izao tonga dia tsoriko hoe tsy voavaliko d point fa tsy hoe hanangana lohahevitra vaovao mihitsy anefa tsy mbola mahavaly ny teo aloha akory
6. tealala ( 13/07/2017 07:18)
Misy faminaniana ve ao anaty TT manambara hoe ny hafa firenena no hitarika an'Israely hiverina amin'Andriamanitra?
Mifono io hoe ianareo ve no lasa mampianatra an'Israely hoe miverena fa diso lalana ianatrao hatrizay?
Tsy mitovy mihitsy io fanontaniana apetrako io sy ireo fanontaniana apetrakao ireo.
7. RBNIR ( 13/07/2017 07:54)
Ka ny nametrahanao ity fanontaniana ity tatsy mihitsy no tsy azoko?

Izaho tsinona mihezaka nandresy lahatra anao dia teo ianao no nametraka an'io? te hiteny ve izany ianao hoe ianao dia Jiosy ka nahoana aho no mitory aminao sa????
8. tealala ( 13/07/2017 09:09)

RBNIR:

Ka ny nametrahanao ity fanontaniana ity tatsy mihitsy no tsy azoko?

Izaho tsinona mihezaka nandresy lahatra anao dia teo ianao no nametraka an'io? te hiteny ve izany ianao hoe ianao dia Jiosy ka nahoana aho no mitory aminao sa????

Fanontaniana mazava be io RBNIR a, fa ianao mihitsy no fanina dia miolakolaka mamaly ny fanontaniako.
averiko eto foana
Aiza ao anaty TT no misy faminaniana manambara fa ny hafa firenena no hitarika ny vahoakan'Israely ho any amin'ny Andriamanitra?
9. rhaj0 ( 13/07/2017 11:46)
Ilay "Gentiles", nadikan'i Andrianaivoravelona hoe Jentilisa,
dia ireo izay "hafa firenena" noho ny Jiosy tao Moyen-orient de l'an zero tao.
Ao izany ny Romana, ny Persiana, sns... ary ny farany alavitra takatry
ny Moyen-orient-de-l'an-zero tao, dia ny firenena tany India.

Izao no saritany mba takatry ny Moyen-orient-de-l'an-zero t@ izany:



Dia hita io ohatra fa, ny Dynastie an'i HAN tany Chine dia tena
tsy fantatry ny Moyen-orient-de-l'an-zer0 velively ny fisiany.
Mainka fa ny tany Afrika sy Amazonia ary Aostralia sy Madagasikara.

10. rhaj0 ( 13/07/2017 11:46)
Fa jereo ny any ivelan'i moyen-orient, sy t@ fotoana talohany sy taorian'ny l'an zero, ny @ fihanaky ny fivavahana isan-tokony




Dia rahefa takatrao io, dia takatrao mazava koa ny dikan'izany hoe Gentiles/Jentisila, fa t@ Moyen-orient-de-l'an-zero ho'a, dia ny dikan'ny hoe "hafa firenena", dia ireo foko/tribu tao moyen-orient tao ihany. Teboka.

11. rougenoir ( 13/07/2017 13:38)
Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny fanahiko @ nofo rehetra aho...(JOELA:3:1-)
Amiko aloha le izy tsy misy hoe jiosy na jentilisa fa rehefa nofo voafidy sy manaiky ny Fanahin' Andriamanitra dia ho vonjeny.
Asa apost:14:1/Asa Apost:19:10/
Fa tsy misy hafa na Jiosy na Jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra sady sady manan-karena homena an'izay rehetra miantso azy Izy.(Roman:10:12)
Ikorint:1:23-24....
12. rhaj0 ( 13/07/2017 17:30)
Dia asa mihintsy ho'a, fa tena tsy mipi-maso ny Kristiana, tonga dia manakilasy ny olona hafa rehetra ho "Jentilisa", satria hono, hozy ny Baiboly hoe, izay "hafa firenena" rehetra dia "Jentilisa".

Raha ohatra ka mba ataon'ny Hindus toa izany koa moa ireo Kristiana, ka hoe, ka nareo tsy @ ilay "caste"-ny, koa dia ho kilasiana ho "intouchables" daholo izany ianareo Kristiana.

Nataoko hoe "intouchables", satria tokoany anie, ilay hoe "Jentilisa", t@ voalohany, dia misy connotation kilasy (ambany).

13. rhaj0 ( 13/07/2017 17:35)
Tohizako kely.. Fa lasa niova ny dikan'ny teny Jentilisa, rahefa nohindrahindrain'i Paoly ny ... olona toa azy.

I Paoly, izay Saoly no anarany taloha, dia ... maro ny mihevitra fa TSY Jiosy. Ary dia
- kingabe i Paoly mamely ny Jiosy, izay lazainy fa TSY manaraka an'i Jesosy
- kingabe i Paoly manamanja ny Jentilisa (toa azy), ary dia, toa rambon'osy, dia nofaritany fa ny "Jentilisa" koa dia handova ny fanjakan'Andmntra (Jiosy).

Ary i Paoly no nanoratra ny ankabeazan'ny ao @ TT, na ny marimarina koakoa, hoe, ny soratr'i Paoly no nosafidiana ho apetraka tanaty TT, h@ Romana sy Korintiana, ka h@ ilay Titosy iny izany.
14. rougenoir ( 14/07/2017 09:10)
Averiko indray mandeha fa ( Tsy misy hafa na jiosy na jentilisa fa iray ihany no Tompon izy ireo... Rom:10:12)
Inona no mbola manakana anao tsy handray ny famonjena fa mbola variana mitady izay fanazavana maro etsy sy eroa mandram-paha oviana?
15. tealala ( 14/07/2017 11:30)

RBNIR:

te hiteny ve izany ianao hoe ianao dia Jiosy ka nahoana aho no mitory aminao sa????

Za tsy jiosy ka
16. tealala ( 14/07/2017 11:33)

rougenoir:

Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny fanahiko @ nofo rehetra aho...(JOELA:3:1-)
Amiko aloha le izy tsy misy hoe jiosy na jentilisa fa rehefa nofo voafidy sy manaiky ny Fanahin' Andriamanitra dia ho vonjeny.
Asa apost:14:1/Asa Apost:19:10/
Fa tsy misy hafa na Jiosy na Jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra sady sady manan-karena homena an'izay rehetra miantso azy Izy.(Roman:10:12)
Ikorint:1:23-24....


Izay no voalazan'ny TV. fa tsy ny TV manamarina TV no andrasako eto fa ny hoe, misy faminaniana ve ao anaty TT manambara fa ny jentily na ny hafa firenena no hitarika ireo vahoakan'Israely na ireo vahoaka voafidin'Andriamanitra hiverina aminy? izay ilay fanontaniako tsotra dia tsotra ilay izy fa i RBNIR moa izany dia mitsaoka fanontaniana tahaka izany rehefa anontaniana dia ametrahany fanontaniana ianao rehefa tsy voavaliny ilay izy na maka toko sy andininy ao amin'ny TV izy hialany bala eto dia any izy miletika any aveo.
TT : testamenta taloha
TV : testamenta vaovao
17. RBNIR ( 14/07/2017 11:46)
« Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny. » (Jeremia 31:10)
18. RBNIR ( 14/07/2017 11:48)
Raha io teny io no vakiana ry tealala dia izao,

Ny nahazo iraka dia ny jentilisa

Ny iraka nomena dia hoe "torio)

Ny torina dia ireo Isiraely niely any lavitra any...

Ny hafatra dia hoe hanangona azireo indray ilay nampiely azireo....
19. RBNIR ( 14/07/2017 11:50)
Hafatra kely fotsiny ity fitoriana ity hoy aho tsy tahaka ny fitorina teny rehetra hatramin'izay fa I Jesosy dia niverina indray nampiantra mba hahafantaran'ny olona rehetra ny marina rehetra ao anaty baiboly....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
20. tealala ( 15/07/2017 19:34)

RBNIR:

« Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny. » (Jeremia 31:10)


http://www.torah-box.com/torah-pdf/neviim/jeremie/31.html
Dia vakio tsara ny tena izy ry RBNIR a
"Ecoutez la parole de l'Eternel, ô nations! Annoncez-la sur les plages lointaines, dites: "Celui qui disperse Israël saura le rallier, et il veille sur lui comme le pasteur sur son troupeau."
Miresaka ireo jiosy mbola very any amin'ny 70 Nations io fa tsy ny jentilisanao izany hahahaha!!!
Tsy ianareo mihitsy no lazainy eo fa miala tsiny aho hihihi!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8584