Rom.3:1,2

1. RBNIR ( 08/04/2016 10:53)
Fanentanana mialoha: aleho mba

Rom.3:1,2
1 Koa inona ary no tombony ananan’ ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ ny famorana?
2 Be ihany amin’ ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’ Andriamanitra ho adidiny.

Araka io teny io , ny namana Stahtam dia manamafy fa tokony ho Jiosy ara-nofo irery ihany no afaka miadidy (mitory hoy ny namana stahtam) ny tenin'Andriamantra fa ny Jentilisa (ireo hafa firenena) tsy manana anjara amin'izany....

Tsy izay anefa no izy satria "efa nomena ny jentilisa ho adidiny ihany koa ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra satria

1- Ny atao hoe Jiosy ao amin'ny fanekena vaovao dia « fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Rom.2:29)

2- Ireo teny fikasana nomena ny Jiosy fahiny dia efa nafindra ka nomena ihany koa ny Jentilisa...« dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara, » (Efe.3:6)
Vakio tsara "mpiray lova sy....ho mpiombona ny teny fikasana...

Koa araka izany ilay teny fikasana voasoratra ao amin'ny Rom.3:1,2 dia efa iombonan'ny Jentilisa amin'ny Jiosy ihany koa...Io hoy aho no fahatanterahan'ilay Gal.3:28

Aiza ary ny porofo ao amin'ny baiboly fa efa nomena fahefana hitory ny tenin'Andriamanitra marina ireo Jentilisa....

Porofo voalohany : Timoty (zanaka jentilisa) izay nomena fahefana hitory ny teny, hampianatra ary handresy lahatra..
« mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. » (2 Tim. 4:2)

Porofo faharoa : ireo diakona sy loholona izay nomena fahefana hampianatra sy handresy lahatra amin'ilay teny tsy misy kilema Tit.1:5-9

sy ny 1 Tim.3:1-3

Porofo faha telo, dia tsy inona fa ireo epistily marobe (tenin'Andriamanitra) naely tany Roma, Galatia, Efeza, filipina sns.....Matoa naely any amin'ny jentilisa dia satria natao iadidin'ireo jentilisa ihany koa (taloha dia ny Jiosy irery ihany no niadidy ny tenin'Andriamaintra)....
novalian'i RBNIR ny 20/04/2016 13:27
2. rhaj0 ( 08/04/2016 12:27)
Vakio anie ny tantara ao ambadiky ny tantaran'ny Bokin'ny Romana.
https://en.wikipedia.org/wiki/Epistle_to_the_Romans

ka ny fahazoako azy izany, dia i Paoly no nanoratra ity Boky, tany @ taona 55s tany, izany hoe, efa maty i Jesosy. Dia i Paoly hono, milaza-tena i Paoly @ io, fa izy i Paoly dia "he is set apart by God for the purpose of preaching the Gospel", izany hoe, dikan-teny globalobako, i Paoly izany dia nanondro-tena fa, i Andrmntra hono no nanome azy ny fahalalahana hitory ny tenin'Atra.

[size=8]hi hi hi... entre-pa : toa izay ihany koa no nianaran'i Herinirina, ary dia nilaza-tena i Herinirna fa #12 ao @ ekipa nationaly vaovao...[/size]

ka dia io izany ny these de doctorat , na ny taratasin'i Paoly. Dia hoy ny mpandinika :
This essay-letter composed by Paul was written to a specific audience at a specific time; to understand it, the situations of both Paul and the recipients must be understood.


Ka io no tsipihiko fanin-2 eto hoe, raha hamahabaha ny revirevy (na rediredy) an'i Paoly ianareo, raha hametraka ny fi(s)ainanareo @ izany, dia : "Vakio anie k'lou ny tantara ao ambadiky ny tantaran'ny Bokin'ny Romana...."
3. RBNIR ( 08/04/2016 12:44)
Ka ilay sujet eto hoe marina v ny filazan'i stahtam fa ny Jiosy ara-nofo ihany no tokony hitory ny filazan-tsara fa ny jentilisa natao ho mpihaino sy ho mpanantanteraka fotsiny amin'izao vanim-potoana iainantsika izao???

Leo H.S mameno page maro aho fa tsy dia hoe inona akory rhajo a! eto ange malalaka tsara ny fanehoankevitra e, afaka manokatra lohahevitra hatrany ny rehetra......
4. RBNIR ( 08/04/2016 12:54)
Galatiana 3
28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.

Hoy ny namantsika stahtam ary ambadika ary hoe

"....ka hazavao ilay hoe "Tsy misy lahy na vavy intsony" ao @ Gal 3/28"....

Io tsy ara-bakiteny hoe ny lahy dia niova vavy ary ny vavy dia niova ho lahy (tsy changement de sex), fa mitovy amin'ilay hoe tsy misy intsony na Jiosy na Grika...

Ny teny fikasana nomena ny Jiosy dia efa nomena ny Grika (sy ny jentilisa rehetra) koa....

« dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara, » (Efe.3:6)

Ilay Rom.3:1,2 ohatra dia teny fikasana nomena ny Jiosy dia mazava ho azy araka izany fa efa lasa mpiombina aminy amin'io teny fikasana io ihany koa ny Grika (jentilisa)....
5. rhaj0 ( 08/04/2016 12:55)
Tsy H.S. io RBNIR, fa fotsiny, toy ny mahazatra, dia H.S @ fisainanao, eny ny fisainanao irery ao.

Raha mba namaky ny tantaran'ny tantaran'ny bokin'i Paoly ao @ wiki io ianao, efa hoe mivoaha ho'a ao @ box-baiboly-kelinao ao io, dia (mety) hitanao fa mamaly ny resakao ny mpandinika maro taterin'i wiki..

"Paul's goal is that the Gentiles would also hear the gospel

"From Adam Clarke:
The occasion of writing the epistle: ... Paul had made acquaintance with all circumstances of the Christians at Rome ... and finding that it was ... partly of heathens converted to Christianity, and partly of Jews, who had, with many remaining prejudices, believed in Jesus as the true Messiah, and that many contentions arose from the claims of the Gentiles to equal privileges with the Jews, and from absolute refusal of the Jews to admit these claims, unless the Gentile converts become circumcised; he wrote this epistle to adjust and settle these differences.[16]
"

" Fitzmyer argues that with the return of the Jews to Rome in 54 new conflict arose between the Gentile Christians and the Jewish Christians who had formerly been expelled.[23] Keck thinks Gentile Christians may have developed a dislike of or looked down on Jew"
6. RBNIR ( 08/04/2016 12:59)
Efa mazava b kosa io rhajo a! moa v ny Jiosy ihany marina tokoa no tokony hitory ny tenin'Andriamanitra fa ny jentilisa tsy mahazo?
7. rhaj0 ( 08/04/2016 13:15)
Ka raha ny fazahoako azy, raha ny fomban-tany, t@ izany fotoan'andron'ny Taon-jato zero, dia ny Jiosy no mpitory. Koa na samy Jiosy azany, dia misy kilasiny ao @ fiaraha-monina no mpitory. I Jesosy izao, zanaka mpandrafitra, dia Jiosy, fa TSY tokony ho Mpitory. Hainao ihany ny fomban-tany.

Dia eto i Paoly mitady hanitatra ny revy, ary dia nilaza izy fa mahazo mitory koa ny Jentilisa. Dia i Paoly moa, io manandra-tena io fa hoe, izy hono nirahin'Andrmntra.

Ka dia raha hino an'i Paoly ianao, dia ao izany eee.. Raha manaja ny fomba-tany ianao, dia tsy ao izany eee...
8. rhaj0 ( 08/04/2016 16:41)
Ka izay izy io ry RBNIR aaa... ianao (sy i Herinirina) izao Gasy. Dia eo izany hoe, (nasaina) nahare ny vaovao mahafaly koa izany nareo hono ee. Ary dia ho amboaboarina ny fomba-tany, ampametimety ny baolinanareo (gasy) ao koa eee...

Izay ilay fifanarahana vaovao izy teo.

Dia afaka ny ho Pretra-be Mpitory koa izany nareo. Koa na i Herinirina azany izany dia, io manao toa i Paoly io, dia manandra-tena hoe, izy hono dia notondroin'Atra hiresaka, ary dia afaka ny ho Mpanasitrana koa.

Ka dia sitrano ao azany ny akoho, dia minoa mivavaha @ i Herinirina... fa inona moa..
9. endriny ( 08/04/2016 17:03)

RBNIR:

1- Ny atao hoe Jiosy ao amin'ny fanekena vaovao dia « fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Rom.2:29)


Misaotra anao indray aloha nitondra porofo vaovao fa sadikadikan-draha ity Atra ity e... tsy manaiky mihintsy raha tsy misy fandatsahan-dra (Famorana)

Aleoko ihany mamono akoho ka
10. RBNIR ( 08/04/2016 19:13)
rhaj0:

Dia eto i Paoly mitady hanitatra ny revy, ary dia nilaza izy fa mahazo mitory koa ny Jentilisa. Dia i Paoly moa, io manandra-tena io fa hoe, izy hono nirahin'Andrmntra.

Soa fa ianao no nanamafy an'io fa misy namantsika eto tsy resy lahatra mihitsy hoe efa nomena fahefana hitory marina ireo jentilisa rhajo....
11. rhaj0 ( 08/04/2016 19:20)
Fa io ange ry RBNIR dia arakarak'izay inoanao avy eo e..

- Raha mino an'i Paoly ho'a ianao, hoe i Paoly izay nanandra-tena fa miresaka @ Andrmntra hono, dia, eny, marina ny an'i Paoly satria izay (hono) no resakany t@ Atra.

- Fa raha tsy manisy sira an'i Paoly ianao... ohatra hoe, i Herinirina koa izao nanandra-tena fa miresaka @ Atra tahaka an'i Paoly hono... Ka raha TSY manisy sira an'i Paoly sy Herinirina ianao, dia tena TSY rahirahianao izay fampianaran'i Paoly/Herinirina any..

Asa raha azonao aloha hatreto...

Mila mieritreritra tsara ianao hoe, ny olona anie ka TSY toa anao daholo, TSY mino ny inoanao... Ary ny inoanao dia anao (sy ny mitovy finoana aminao). Ny inoan'ny hafa dia azy (sy ny mitovy finoana aminy).


Ka mba aoka izay ho'a ity misavisavika ny olona, ka manery azy hino izay inoanao ao ity..
12. RBNIR ( 08/04/2016 19:30)
rhaj0:

Ka mba aoka izay ho'a ity misavisavika ny olona, ka manery azy hino izay inoanao ao ity..

Tsisy fanerena mihitsy eto rhajo an, ny konsiansinao ngamba no manenjika anao noho ity teny ity....

« Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. » (Isa.30:21)

Ny secret tsy fantatrao dia hoe "velona sy mahery" anie io tenin'Andriamanitra io e!!!

« Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Heb.4:12)


13. rhaj0 ( 08/04/2016 20:06)
ok azany eee.. tsy hoe "manery ny olona hino ny inoanao" moa ianao izany, fa hotry ny hoe, TSISY resaka vanona mihintsy raha vao TSY mino ny inoanao ny olona. Tena hotry ny tsy mety takatrao mihintsy, fa ny finoanao anie, dia anao (sy ny mitovy aminao) irery ao. Ny hafa dia TSY mino izay inoanao ao.

Asa raha azonao ho'a izay...


Izaho izao, raha mino an'Atra ianao, na hoe mino an'i Allah ny moslimo, na hoe mino an'i Herinirina ianao, etsetra... dia... OK izany, mahasoava amin'azy ao.
Fa henoiko ny "finoana(re)o", dia anaovako, na ijereko "famabahana", ary dia ivanitihako rahefa mivoitra ny absurdite/abberation/ridicule an'ilay izy.

Ny "famabahana" dia araka ny lojika iarahantsika rehetra izay manana fijery/finoana samy hafa. Rahefa TSY mifanaraka ilay lojika, fasamy mihidy @ ny azy, dia samy miala maina izany. Fa ny hitako, dia mifanaraka ihany ilay lojika manavoitra ilay absurdite/abberation/ridicule :-)
14. RBNIR ( 10/04/2016 01:19)
rhaj0:

Ny "famabahana" dia araka ny lojika iarahantsika rehetra izay manana fijery/finoana samy hafa. Rahefa TSY mifanaraka ilay lojika, fasamy mihidy @ ny azy, dia samy miala maina izany. Fa ny hitako, dia mifanaraka ihany ilay lojika manavoitra ilay absurdite/abberation/ridicule :-)

Izaho kosa dia te hampita mafy aminao fa misy teny voasoratra ao anaty baiboly ao tokony mba saintsainina ihany hoe « Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13). » (1 Kor.3:19)

Satria io fahendrena (na fahalalana) io no mahatonga ny ankamaroan'ny olona hanao tsinontsinona ILAY NAHARY AZY....ka manjary "miteniteny foana" eny miteny ratsy mihitsy ny anaran'Andriamanitra aza......

« Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny tenany. (Joda 10)

"Manimba tena" voafitaky ny fahalalana kely izay hanany, .....ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany sy maro....

Fitiavako no manosika ahy hanambara ny marina eto satria hoy ny teny hoe....« Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy. » (Joda 11)

Ireo olona ireo dia olona nanana toetsaina tahakan'izany koa tamin'ny andro fahiny ary ho an'i KORA manokana dia izao no niafarany....« ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana. » (Nom.26:10)

TONGA DIA DIRECT .....LASA VELONA ANY AMIN'NY HELO.....

Ny helo moa dia tsy aiza hoy aho fa ao ambany tany ao ihany.....VAKIO ATO

Izaho ange tsy sasatra ny mamerimberina eto hoe "tena misy zavatra fantatro" hoy aho fa "tsy fantatrao" misy zavatra "iainako" fa tsy iainanao" fa TENA MISY IZY hoy aho ary miresaka amin"izay olona tiany resahina tahaka an-tsika miresaka izao ihany...;

FAMPIERITRERETANA.....

http://www.leparisien.fr/faits-divers/videos-floride-avale-par-un-trou-geant-qui-s-ouvre-sous-son-lit-01-03-2013-2608895.php#xtref=https%3A%2F%2Fwww.google.mg%2F


N.B: Fantatro fa misy ianao satria "miresaka amiko".....
Dia torak'izany koa fantatro fa MISY IZY satria...........

Ary tsy manonofy aho akory na midelira araka ny teninanao satria mino aho fa ianao io miresaka amiko tsy manonofy na midelira rhajo.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
15. rhaj0 ( 11/04/2016 11:13)
RBNIR:
Ny helo moa dia tsy aiza hoy aho fa ao ambany tany ao ihany.....VAKIO ATO

Ato ilay Helon'i RBNIR... esy e ry RBNIR..


Fa mampahonena mampihomehy ilay lojikan'i RBNIR eee..

1- hoe, maty Jesosy t@ taona 30s

2- dia, taty aoriana, taona 60s, nianatra t@ tori-tenin'i Jesosy taloha teo Ingahy John the Eleder, ary "nanana vision" (sy imagination) ny @ Apoks (sy ny anjely miteny mafy sns..)

3- dia izao i Jesosy FM hono "mampianatra" an'i RBNIR ny @ resak'i John ao @ Apoks

hi hi hi.. lasa "mampianatra" ny these-n'i John the Elder sisa ity izany i Jesosy FM...
16. endriny ( 13/04/2016 05:36)

RBNIR:



Sotroy aloha ny Raoma vao miresaka ny Raoma Hanina izay lasa Raomanina fa manjary mampalahelo be ianao
17. RBNIR ( 13/04/2016 06:23)
Rhajo, adinonao Jesosy anie nitsangana tamin'ny maty e, ary b dia b ny vavolombelona tamin'izany fitsanganany tamin'ny maty izany ...

« [Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny, » (Asa.1:1)
« hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny, » (Asa.1:2)
« sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Asa.1:3)
« Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana] » (Asa.1:4)

Ary raha ny tena marina dia tsy nisy ny fitoriana ankehitriny raha toa ka tsy nitsangana IZY...

.« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Kor;15:14)
18. rhaj0 ( 13/04/2016 14:55)
RBNIR:
Rhajo, adinonao Jesosy anie nitsangana tamin'ny maty e, ary b dia b ny vavolombelona tamin'izany fitsanganany tamin'ny maty izany ...

Ka izao izany ny kronoloziany ee..

1- teraka Jesosy, dia nampianatra i Jesosy
2- dia maty i Jesosy
3- dia nitsangana t@ maty (hono) i Jesosy

4-a dia avy @ fampianaran'i Jesosy (atsy @ #1), no naka inspirasiO (vision/imagination) i Paoly sy John the Elder dia nanoratra ny bokin'i Paoly, sy ny bokin'ny Apoks

4bis- dia nanandra-tena i Paoly sy John the Elder, ary nampino ny olona, fa i Jesosy/FM/Atra (atsy @ #3) no miresaka azy ao, ka nanoratra ny bokin'i Paoly, sy ny bokin'ny Apoks


Ka eo izany isika izao ee....

Raha 4-bis no inoanao, izany hoe, raha mino ny fitompoan-tena ataon'i Paoly sy John ianao, hoz'izy hoe miresaka @ Atra zareo (ao @ #3), dia inoanao izany, dia ... eny azany fa ireo resak'i Paoly sy John dia tena fitohizana (continuation) ny "fampianaran'i Jesosy' (ao @ #1)

Raha 4-a indray no ekenao, izany hoe, i Paoly sy John no nanana ny "vision"-ny sy "analiziny" tao, ary nanolotra "dogme" na "faminaniana" (i Paoly sy John no auteur, sahala @ NOstradamus ihany io), dia hivanika (miaraka amiko) ianao, fa ... dia i Jesosy/FM izany no lasa prof, manaraka ny manuel/these-n'i Paoly sy John eee...


Ka raha hi-4-bis ianao, dia biser-o azany eee... fa izaho k'lou dia hivanitika @ 4-a :-)
19. RBNIR ( 15/04/2016 06:16)
TSY MINO......
20. rhaj0 ( 15/04/2016 14:38)
Io ho'a ry RBNIR, mba hadihadio ihany hoe IZA no nanoratra ity toko aman'andininy, dia ahoana ny tantara sy jeogirafia ary ny fipetraky ny (tsy)-fahalalana t@ izany fotoan'androny izany.

Dia ho kOpy ianao ny @ ireo atsanga tsy aman'orana nampinoana anao hatrizay ka h@ izao eee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3605