Rom.3:1,2

21. RBNIR ( 18/04/2016 04:59)

rhaj0:

Io ho'a ry RBNIR, mba hadihadio ihany hoe IZA no nanoratra ity toko aman'andininy, dia ahoana ny tantara sy jeogirafia ary ny fipetraky ny (tsy)-fahalalana t@ izany fotoan'androny izany.

Dia ho kOpy ianao ny @ ireo atsanga tsy aman'orana nampinoana anao hatrizay ka h@ izao eee...

TSY MAMAKY TSARA.....
22. rhaj0 ( 18/04/2016 12:58)
rhaj0:
Io ho'a ry RBNIR, mba hadihadio ihany hoe IZA no nanoratra ity toko aman'andininy, dia ahoana ny tantara sy jeogirafia ary ny fipetraky ny (tsy)-fahalalana t@ izany fotoan'androny izany.

Dia ho kOpy ianao ny @ ireo atsanga tsy aman'orana nampinoana anao hatrizay ka h@ izao eee...
RBNIR:
TSY MAMAKY TSARA.....

Heverovereto ho'a ry RBNIR.. T@ izany fotoan'androny ho'a

- tsisy mahalala hoe boribory ny tany, fa mbola hoe, mipotsaka avy atsy atsinanana io masoandro io, dia milentika atsy andrefana
- koa na hoe, ny fisian'i Chine azany tsisy mahalala
- io orana avy io izao tsy fantany akoriny ny cycle de l'eau fa dia toa misy mandraraka rano izany "avy ao ambony ao"

- Ka rahefa tonga ry Belazao, mahay mampiresaka toa i Jesosy, na koa mahay manoratra boky, toa an-dry Paoly sy John... Dia ahoana kosany azany no tsy inoana izay lazainy ao. Dia misy mihintsy mijoro ho "vavolombelona" hono, ka mahita izay antsanga tsy aman'orana ampinoana azy ao izany.


Dia ianao ve ry RBNIR, @ izao taona 2000 izao dia ho ambakan'ireo olona t@ izany fotoanan'ny taonjato zero izany... Dia ianao anie dia mampalahelo, fa dia fahanan'i Herinirina hoe, i Herinirina hono profeta nomerao 12 ao @ ekipa nasionaly vaovao, dia ianao lehilahy lehibe io, mba manan-kaja sy andraikitra ambony ao @ nanata, dia midogaigy minobe izay lazainy ao???

Aoka ho'a...
23. RBNIR ( 18/04/2016 13:33)
Ka izay ilay tsy mamaky tsara e! misy zavatra "iainako" ankehitriny manaporofo amiko ny fahamarinan'ny teny tany aloha.......

(porofony amiko ankehitriny) fa "velona" IZY fa tsy maty....satria IZY dia......

Izay mino dia hotafita, izay tsy mino dia afaka ny adidy rhajo....
24. rhaj0 ( 18/04/2016 15:36)
eny ho'a eee... Ianao "vavolombelona" (ary mahay mamaky tsara sy mandray tsara ny resaka atsanga tsy aman'orana) izao ao koa ho'a, dia toa ireo "vavolombelona" (mahay mandray tsara ny resaka atsanga tsy aman'orana) fahagola eee...

ntsss... raha tena izy ve izao "fahagagana" hitanao ao izao tsy efa 'nareo no multi-milliardaire internasionaly... Fa manambaka ny mahantra sy ny malahelo ao moa nareo...

TSY mba manaikitra ve ny kaonsiansa ry RBNIR aaa ??
25. RBNIR ( 19/04/2016 05:46)
rhaj0:

ntsss... raha tena izy ve izao "fahagagana" hitanao ao izao tsy efa 'nareo no multi-milliardaire internasionaly... Fa manambaka ny mahantra sy ny malahelo ao moa nareo...

Ny fahagagana ange rhajo ka tsy natao hanangonam-bola e!

Ireto izao ohatra voahiraka hanao fahagagana...
« Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lio.10:9)


Nefa alohan'ny nanirahana azireo dia hoy Jesosy taminy hoe:
« Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, .....» (Lio.10:4)


Satria ilay fahagagana izay hataon'izireo tsy natao hitadiavana vola.....

Fa ireny asa lehibe ireny dia natao...« Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. » (Lio.10:13)

Ireny asa lehibe ireny dia natao mba hampibebaka izay mahita azy........

27. rhaj0 ( 19/04/2016 16:24)
rhaj0:
ntsss... raha tena izy ve izao "fahagagana" hitanao ao izao tsy efa 'nareo no multi-milliardaire internasionaly... Fa manambaka ny mahantra sy ny malahelo ao moa nareo...
RBNIR:
Ny fahagagana ange rhajo ka tsy natao hanangonam-bola e!

ilay "vola" dia vokatr'ilay fahefana, ao anatin'ilay hoe 3V io eee.. ka ny tiako lazaina, raha "tena marina" ny "fahagagana" INOANAREO ao, dia tena anareo ny fahefana sy ny 3V e.. (ho voninahitr'Atra io)

Saingy ny "fahagagana" lazainao fa ianao "vavolombelona", dia TSY mitombona akoriny, na TSy hainao manazava, ka dia atotonao ho "fahagagana"...

Efa hoe, inona ho'a no maha-samy hafa aminao sy TSaratsara..

i Dahalo Tsaratsara izao, dia voan'ny cancer hono izy, hoz'izy, ary dia nisy "fahagagana", avy t@ Jesosy, ilay tovolahy bOgOsy izay nilatsaka avy tao ambony tafo fanitso tao, ka NAHASITRANA ny cancer-n'i TSaratsara, Ary "vavolombelona" i TSaratsara sy ny mpanaraka azy ao.

Dia toa izay koa i Herinirna sy ianao.

Fa ny fahefan'i TSaratsara, dia azahoany 3V ao (voninahitra indrindra ohatra), dia ... takatrao tsara fa anambakany ny marefo sy malemy ka minomino foana @izay mety ho solution facile @ fiainany ampanantenain'i TSaratsara ao, nefa kay TSY solution akoriny

Dia toa izay koa ianao

Jereo tsara fa ianao (sy ny mpino miaraka aminao) IRERY no mi-valider an'i Herinirina, fa ny olona rehetra aty ivelany dia mihomehy tsiravina an'i Herinirina sy Tsaratsara daholo
28. RBNIR ( 20/04/2016 07:30)
Salama rhajo, ny fahagagana atao amin'ny anaran'i Jesosy rhajo dia mety foana io rehefa mino ilay olona fa manasitrana ny anaran'i Jesosy.....
Ity ohatra nisy anankiray olona tsy nanaraka an'i Jesosy akory nefa dia nahavita namoaka demonia tamin'ny Anarany « Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika. » (Mar.9:38)

Ary ireny olona ireny dia tsy azo raràna satria hoy Jesosy hoe:
« Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. » (Mar.9:39)

Fa averiko hatrany fa ny fahagagana avy amin'Andriamanitra tsy natao angalana vola...
Ity ohatra Elisa mpaminany nanasitrana an'i Namàna boka
« Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy. » (2 Mpanj.5:14)
« Ary niverina nankao amin'ny lehilahin'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra, afa-tsy ato amin'ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin'ny mpanomponao. » (2 Mpanj.5:15)
« Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa. » (2 Mpanj.5:16)

Raha nikasa hanome zavatra ho an'i Elisa i Namàna rehefa sitrana dia "tsy nety nandray" mihitsy Elisa...

Ilay mpanampy an'i Elisa avy eo fetsifetsy dia nisovoka moramora nakany amin'i Namàna hangataka zavatra taminy....

« Fa hoy Gehazy, zatovon'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana* ity ka tsy nandray tamin'ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.[Heb. Aramiana] » (2 Mpanj.5:20)
« Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va? » (2 Mpanj.5:21)
« Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga aty amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy. » (2 Mpanj.5:22)
« Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo. » (2 Mpanj.5:23)

Izao no niafarany rehefa tafaverina tany amin'i Elisa io mpanampy azy io.....

« Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan'ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao. » (2 Mpanj.5:25)
« Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao? » (2 Mpanj.5:26)
« Koa ny habokan'i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala. » (2 Mpanj.5:27)

TSY NATAO HAHAZOAM-BOLA NY FAHAGAGANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA.......
29. rhaj0 ( 20/04/2016 11:23)
Eny azany fa tsy Vola, na akoriny azany, tsy 3V, Voninahitr'(Atra) hono, na koa ny V an-dry pretra (sasany)) nanolana zaza, no manetsika anareo eee...

Fa mety hoe Vasoka, raha ohatra ka voapetrapetraka fa resak'hehy izao ataonareo ao izao..

Fa dia mamikitra mafy ao izany i RBNIR eee... Dia mbola any @ ilay "Baiboly manamarina Baiboly" ao foana ihany izy @ io... Mbola @ stade-n'ny "déni" i RBNIR io.. Fa efa manomboka voakitikitika ilay izy.. hi hi hi... aoriana kely tonga @ stade-n'ny "colère", satria ho'a ho tonga saina fa dia tena nampinonoana foana ny tenany izay ela izay, na dia efa lehilahy lehibe tao azany... Fa fiainana daholo izany RBNIR aaa... :-)

30. RBNIR ( 20/04/2016 13:27)
rhaj0:

satria ho'a ho tonga saina fa dia tena nampinonoana foana ny tenany izay ela izay,

« Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay..» (2 Tim.1:12)

Fantatro izay inoako rhajo...


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2091