Famonjena

121. tealala ( 10/07/2017 07:25)
Izao ary, ny hozon'Andriamanitra ve rava?
122. RBNIR ( 10/07/2017 07:44)
Ilay hoe nandrava ny lalàna aloha tsy marina....

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

Ilay hoe tsy zanak'i Davida dia aleo halavirina hoy ny teny... satria resaka tantarampirazanana tsy ho hita lany iny...
123. RBNIR ( 10/07/2017 07:46)

tealala:

Izao ary, ny hozon'Andriamanitra ve rava?

ozona inona moa izay , nisy ny ozona natao tamin'ny lehilahy, tamin'ny taranaky ny vehivavy ny ozona natao ho an'ny tany sns???
124. tealala ( 10/07/2017 07:48)
" satria resaka tantarampirazanana tsy ho hita lany iny..." dia io daholo no havalin'ireo tsy mahalala :D
raha tena manadihady manko dia manaiky an'ilay TT ihany no farany :D
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)
manohitra an ity "15tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany; " EFES,2:15
hahahaha!!!
125. tealala ( 10/07/2017 07:55)

RBNIR:

tealala:

Izao ary, ny hozon'Andriamanitra ve rava?

ozona inona moa izay , nisy ny ozona natao tamin'ny lehilahy, tamin'ny taranaky ny vehivavy ny ozona natao ho an'ny tany sns???

Rehefa ozona dia ozona ka
126. RBNIR ( 10/07/2017 08:07)
tealala:

Rehefa ozona dia ozona ka

Aleo omeko rohy ianao dia mazava tsara aminao ary ny momba ny ozona e!

127. Miharena ( 10/07/2017 08:13)
Raha manaraka ilay lojikan'i Tealala aho dia te-hanao fanadihadiana momba ny fandalinana nataon'ny olona momba ny fahamarinan'ny Baiboly manontolo izy ary miainga avy amin''ny fanadihadiana fa diso ny Baiboly fa tsy mirindra.

Ilay resaka rohim-pirazanana dia isan'ny manome hevitra maro dia maro tokoa ary na dia ny Testamenta Vaovao aza dia mazava tsara fa efa hatrany amin'izany fotoana izany dia efa nisy ny ady firazanana teo amin'ny samy Mpino ka nahatonga io fitenenana tao amin'ny TV io.

Ka raha zohina aloha dia efa olana hatramin'izany fotoana izany io ady firazanana io izay nametrahan'ny Jiosy tamin'izany hoe taranak'i Abrahama izy ireo nefa dia novalian'i Jesoa hoe Andriamanitra afaka manangana zanaka avy amin'ny vato. Aza adino koa fa io ady firazanana io dia hita ao amin'ny Silamo izay miady fa taranak'i Abrahama koa izy ireo.

Ny fandraisako ny Tenin'i Jesoa dia milaza Izy fa na Izy aza dia tsy miady firazanana fa efa manana antoka fa Iray ao amin'ny Ray Izy.

Ity farany ity ihany no lazainy fa tsy ady firazanana.

128. tealala ( 10/07/2017 08:25)

Miharena:

Ka raha zohina aloha dia efa olana hatramin'izany fotoana izany io ady firazanana io izay nametrahan'ny Jiosy tamin'izany hoe taranak'i Abrahama izy ireo nefa dia novalian'i Jesoa hoe Andriamanitra afaka manangana zanaka avy amin'ny vato. Aza adino koa fa io ady firazanana io dia hita ao amin'ny Silamo izay miady fa taranak'i Abrahama koa izy ireo.

Ny zavatra tsy azon'ny Silamo dia i Ismael rainy dia zanak'i Abram talohan'ny famorana, ary i Izaac kosa dia zanak'i Abraham tahorian'ny famorana fa tsy takatri zareo io.
129. tealala ( 10/07/2017 09:14)
Jen 17:13 "Tsy maintsy foràna avokoa ny lehilahy, na ny teraka ao an-trano, na ny novidim-bola, ka dia ho eo amin'ny nofonareo ny fanekeko, ho fanekena mandrakizay. "
Dia aza mifora amin'ny nofo intsony ry RBNIR fa efa fanekena vaovao be, misy farany ilay mandrakizay nenareo manko, efa natao t@ ny fo dia ao amin'ny fo daholo ny fanatanterahana ny lalàna.
130. RBNIR ( 10/07/2017 11:19)

Ny famorana dia azo atao (noho ny antony ara-pahasalama...fa tsy noho ny antony ara-pivavahana intsony...
131. tealala ( 10/07/2017 12:07)

RBNIR:

Ny famorana dia azo atao (noho ny antony ara-pahasalama...fa tsy noho ny antony ara-pivavahana intsony...

Hitanao izany efa tsy midika n'inona n'inona intsony ilay fifanekena efa maivana fa lasa resaka ara-pahasalamana sisa ny fandikanao azy, anefa "ho fanekena mandrakizay" misy lanjany lehibe dia lehibe matoa nomena
Raha fintinina sy hazavaiko dia tena maivana tena maivana io fifanekena io aminao :D
132. RBNIR ( 10/07/2017 12:10)
« Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza. » (Romana 2:25)
« Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza? » (Romana 2:26)
« Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao? » (Romana 2:27)
« Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; » (Romana 2:28)
« fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Romana 2:29)
133. tealala ( 10/07/2017 12:18)
Hahahaha!!!!
Fa ianareo ve ry RBNIR tsy mahay mamaky Bible a?
Jen 17:10Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko izaho sy hianareo sy amin'ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo. 11Hifora amin'ny nofonareo hianareo; ary izany no ho mariky ny fanekeko aminareo.
Tsy maintsy hatao io ry RBNIR fa tsy zesta fotsiny a :D, sady io mbola misy fomba fanaovana azy fa tsy toy ny antsika izy io no tena marina
134. RBNIR ( 11/07/2017 05:21)

Izaho mino an'i Jesosy sy izay rehetra nampianariny an! Normal ny valiteninao satria ianao tsy mino Azy....

135. RBNIR ( 11/07/2017 06:05)
RBNIR:

Izao no anatra nomena anay jentilisa (tsy taranak'i abrahama araka ny nofo) manolona ireny olona mampirisika anay hifora (tahaka anao) ireny ry tealala

« [Anatra farany] Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo. » (Galatiana 6:11)
« Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy. » (Galatiana 6:12)
« Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo. » (Galatiana 6:13)

Ireny olona ireny hoy izy dia "te hiseho ho tsara amin'ny nofo" ......fa tiany ho forana koa ianareo hoy izy mba hireharehany amin'ny nofonareo.....

P.S : ianao marina tokoa ve izany tokony averina hoforana satria tsy vita araka ny fomba???? :-) :D
136. tealala ( 11/07/2017 06:26)
« [Anatra farany] Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo. » (Galatiana 6:11)
« Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy. » (Galatiana 6:12)
« Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo. » (Galatiana 6:13)
Io ko mbola anisan'ny fitsipahana ny TT io ry RBNIR a mazava be tena mazava be io tsy ankolaka hoe miteny hoe aza mifora intsony : "Ireny olona ireny hoy izy dia "te hiseho ho tsara amin'ny nofo" ......fa tiany ho forana koa ianareo hoy izy mba hireharehany amin'ny nofonareo....."

P.S : ianao marina tokoa ve izany tokony averina hoforana satria tsy vita araka ny fomba???? :D
Ie marina io P.S anao io tokony mihitsy fa tsy androany hahaha!!! fa amin'izay ny fomba hiforako raha toa ka hifora dia tahaka ny nanaovana an'i Abrahama :D satria izahay efa samy lehibe :D, efa marika sisa efa rà kely no alatsaka
137. tealala ( 11/07/2017 06:28)
Tena efa olona mitapi-maso kosa no tsy mahita hoe rava ny lalàna rava ny fanekena natao t@ Abrahama ao amin'ny TV raha arak'io teny noraisinao io ry RBNIR a.
Satria i Jesosy izao dia noforaina ianareo anefa manaraka azy tsy te hifora fa efa resa pahasalamana fotsiny sisa no andraisana azy sady lasa tahaky ny hoe aingitraingitr'ireo jiosy orthodoxe ftsny.
138. tealala ( 11/07/2017 06:35)
Raha mahatsikaritra ianao ao amin'ny TV dia ireo lalàna tao amin'ny TT dia novaina sy nofoanana ny be dia be fa tsy notanterahina izany.
Raha diso ireo fanarahana lalàna tany aloha dia diso ry Mosesy sy ry Davida nanaraka izany.
139. RBNIR ( 11/07/2017 07:08)
ary tsy mandinika mihitsy ange i tealala fa izy mihitsy no ambaran'ny Soratra masina rehetra eto e!

Tery ambony dia efa voalaza:
1 hanao fanontaniana adaladala
2 hiady teny amin'ny resaka tantarampirazanana tsy hita lany,
3 eto indray dia hisy olona hampirisika anareo hifora hoy izy "Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna;" Ianao izao eto dia mitsotra fa mampirisika nefa tsy mbola nanao, fanampiny ianao io v izao mba manao fanatitra alatsadrà isanandro koa....

Velona sy mahery ny tenin'Andriamaitra.....mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fon'ny olona....Heb.4:12
140. RBNIR ( 11/07/2017 07:08)
Vakiana fotsiny fa misaotra tealala a!!! Mafy orina be ny finoako fa voaporofon'ny heb.4:12 ny mombanao rehetra e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2037