Testamenta vaovao/Testamenta taloha

341. RBNIR ( 05/09/2016 12:10)
Izay tsy mahatakatra an'izany dia "malady" manameloka sy mitsaratsara ny Soratra Masina ary dia mitondra fahaverezana ho an'ny tenany izy....
342. tealala ( 05/09/2016 13:05)
ny masina anie hoy aho mandiso e..Matio Lioka Etienne
343. RBNIR ( 05/09/2016 13:23)

tealala:

ny masina anie hoy aho mandiso e..Matio Lioka Etienne

Izay ilay tsy fahazoana resaka izay...
344. tealala ( 05/09/2016 13:43)
ka tsy fidiny ho antsika mamaky anie fa ny tetiharana samihafa e mo ko i etienne diso fohaino
345. tealala ( 07/09/2016 09:22)

RBNIR:

tealala:

Ianareo izany ve mifora sa tsia?

Ny fiforana afaka atao noho ny antony ara-pahasalamana, fa tsy miantoka intsony kosa ny fidiran'ny olona na tsia any amin'ilay fiainana mandrakizay...

Fa naninona aza no io fanekena io no hoe azo hatao na tsy azo hatao aminareo?
Koa maninona no niova ny anaran'i Abrahama raha izany?
Koa inona koa io no mahasamihafa i Isaac sy Ismael?
Tena tsy tsy ilaina intsony izany famorana? raha tsy antony ara-pahasalamana ?
346. rhaj0 ( 07/09/2016 12:32)
Ilay famorana ho'a ry Tealala dia ... kirikiriana avy any @ izany nalehany tany ireo olombe nanoratra torah/baiboly, fa izy no tsy mahita tsirony (intsony) @ sex any, ary dia ny tissu ahitana plaisir an'ny boaikely no nodidiany ho tapatapahina eee... Misy fotoana akoriny azany, @ tantara sy jeogirafia, ny andevo ihany no noforaina, @ izay tsy tia manao fa miasa foana eee...

Io mitovy @ excision natao t@ sipakely eee.. Ny tsy ahitan'ny ankizy plaisir no mahamaika ny rangory sy bainina mpamosavy malemy mpamely an-trano..

Raha ny marina izany dia KOLOTORA tao @ tantara sy jeogirafia tao ilay famorana, fa nosavisavihan'ny Torah-mBaiboly tao, dia lazainy fa didy (na fanekena) avy @ Avo indrindra hono izany e...
347. RBNIR ( 07/09/2016 13:22)
tealala:

Fa naninona aza no io fanekena io no hoe azo hatao na tsy azo hatao aminareo?
Koa maninona no niova ny anaran'i Abrahama raha izany?
Koa inona koa io no mahasamihafa i Isaac sy Ismael?
Tena tsy tsy ilaina intsony izany famorana? raha tsy antony ara-pahasalamana ?

Efa nazavaina tato kosa ry tealala fa efa lasa ny famorana amin'ny fo no tena takiana fa tsy famorana ny vatana intsony....
http://forum.serasera.org/forum/message/m57078d9edcc60
Ary efa lasa izay ihany koa no hamantaran'Andriamanitra izay "tena Jiosy" fa tsy ny ara-nofo intsony....


348. tealala ( 07/09/2016 13:54)
http://forum.serasera.org/forum/message/m57078d9edcc60

Ny jiosy izany mifora (tena mifora) fa ianareo jentilisa amin'ny fo no mifora?
349. RBNIR ( 07/09/2016 14:36)
Tsy natao ho an'ny jentilisa fotsiny io.....fa hoy ny teny hoe « fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Rom.2:29)

Ny tena atao hoe jiosy dia izay araka ny miafina,
350. tealala ( 07/09/2016 15:23)
Ireo taloha ireo izany tsy jiosy fa nareo no tena izy?
351. endriny ( 08/09/2016 04:52)
Raha tena mino izany atao hoe Atr'Isreaely izany ny Kristianina dia izao no voasoratra ao hoe: Atra tsy miova na anio na ho mandrakizay?

Ka fanekena vaovao inona no nifanaovany tamintsika indray?
352. tealala ( 08/09/2016 05:14)

endriny:

Ka fanekena vaovao inona no nifanaovany tamintsika indray?

Maty angamba izy dia nanao testamenta dia aveo nitsangana indray dia nanao testamenta vaovao. Dia nariny ny jiosy dia aveo izy niresaka t@ RBNIR
353. calin.brandon ( 13/09/2016 12:43)
Ahoana ny fahitako ny ady hevitra ara-pivavahana teto, izay natomboky TEALALA ary ohatra ny nofaranany koa ?
Nihomehy aho satria toy ny nampiady angely i TEALALA. Fomban'ny tandrefana io ankehitriny hanapotehana ny maha-izy azy ny Firenena iray sy kolon-tsainy ary ny finoany.

Tadidio fa tsy hadalan'ny Vatican ny nandrara ny mpino katolika tsy hamaky baiboly hatramin'ny taona 1990 tany ho any. Hany ka betsaka ankehitriny ny katolika no mbola tsy tia mamaky azy io. Izay voalazan'ny Mompera sy ny Eveka ary ny Papa ihany dia ampy.

Tadidio koa fa ny boky dimy voalohany no fototry ny Baiboly (Pentateuque) izay manome ny Torah ho an'ny Jiosy.

Tadidio koa fa ny Jiosy dia tsy mino an'i Jesoa Kristy ho Mesia, satria ny Mesia dia tsy maintsy mahatanteraka ny iraka ampanaovina azy. Io iraka io, izay voalazan'ny Testamenta Taloha mazava tsara, dia tsy vitan'ny Jesoa Kristy. Izay no mahatonga ny Kristiana milaza fa hiverina indray izy hanatanteraka ireo. Ny Jiosy milaza fa tsy mbola nisy Mesia efa tonga na Mesia miverimberina, fa mbola ho avy izy ary amin'izay vao hanatanteraka ny iraka hampanaovina azy.

Koa araka ny finoanao io. Marina fa misy zavatra mifanohitra ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao, nefa koa afaka lazaina ho mifampitohy ireo boky ireo araka ny toerana hitilianao izany.

Farany, nabaribarin'i TEALALA ihany koa tamin'ny alalan'ny adi-hevitra fa mitombina ny tenin'ilay iraika lahy taloha izay manao hoe : " La religion est l'opium du peuple ".

Samia ho tahian'Andriamanitra Andriananahary.
354. RBNIR ( 13/09/2016 13:04)

tealala:

Ireo taloha ireo izany tsy jiosy fa nareo no tena izy?


« Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; » (Romana 2:28)

Tsy hoe izahay irery, fa raha misy Jiosy tonga saina ka mino an'io dia tanteraka aminy koa ilay teny...
355. tealala ( 13/09/2016 16:37)
calin.brandon:

"La religion est l'opium du peuple ".

Misaotra anao nandray anjara t@ ady hevitra.."opium du peuple" izy satria ny réligion dia miandry an Andriamanitra foana ny olona hiasa tany eo amin'ny toerany, izay mifanohitra indrindra amin'y izay lazain'ny Torah, akako ohatra hiainana andavanandro, rehefa misy filoham'pirenena na koa ohatra ben'tanàna miandry foana ny olona hoe izy ny hanadio ny fako sy hanao ny asa rehetra etc ... Ary indrindra indrindra ko ny réligion dia mihevitra foana fa ity tany naoharin'Andriamanitra ity dia ho rava ka any an-danitra any no tena fiainana izay no tena maha opium azy, maniditsidina eny ilay heritreritra any ka hadino hoe noharina ho antsika anie ny tany (atsipiko kely ihany fa tsy jiosy ny tenako)
calin.brandon:

izay voalazan'ny Testamenta Taloha mazava tsara, dia tsy vitan'ny Jesoa Kristy.

Ianao ihany dia efa mahita an izany
calin.brandon:

ny Kristiana milaza fa hiverina indray izy hanatanteraka ireo,

Ny kristiana ihany koa milaza fa ny finoany an i Jesosy Kristy dia afaka ny fahotany rehetra, anefa anie ny fahotana fototra araky ny lazain'dry zareo dia efa manambara fa raha te hiverina amin'Andriamanitra ny olona dia samy mi-réparer ny zavatra nataony e, izay ilay tiana ampitaina, ny olombelona nataon'Andriamanitra mitovy hendrika aminy e izany hoe manao ny "tsara", noho ilay teny rehetra hoe "ka hitany fa tena tsara izany"
calin.brandon:

misy zavatra mifanohitra ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao

Na ao anaty testamenta vaovao aza dia efa milaza zavatra tsy mitovy.
356. tealala ( 13/09/2016 16:38)

RBNIR:


tealala:

Ireo taloha ireo izany tsy jiosy fa nareo no tena izy?


« Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; » (Romana 2:28)

Tsy hoe izahay irery, fa raha misy Jiosy tonga saina ka mino an'io dia tanteraka aminy koa ilay teny...


Fa i RBNIR izany mihevitra fa io famorana hataontsika gasy eto io dia mitovy amin'ilay famorana natao an Izak sns?
357. rhaj0 ( 14/09/2016 00:57)
ilay famorana antsika gasy izao, dia nasaina kepohin'i dadabe tsisy nify anaty akondro ilay prepuce.

Ny an'i Isaac koa toa hotrhotr'izany.. sa ahoana ry Tealala?
358. RBNIR ( 14/09/2016 01:41)
tealala:

Fa i RBNIR izany mihevitra fa io famorana hataontsika gasy eto io dia mitovy amin'ilay famorana natao an Izak sns?

Misy olona manao famorana nefa tsy noho ny fahafantarany an'i Jehovah Andriamanitra velively fa noho ny antony ara-pahasalama....

Inona no olana????
359. tealala ( 14/09/2016 02:52)

RBNIR:

tealala:

Fa i RBNIR izany mihevitra fa io famorana hataontsika gasy eto io dia mitovy amin'ilay famorana natao an Izak sns?

Misy olona manao famorana nefa tsy noho ny fahafantarany an'i Jehovah Andriamanitra velively fa noho ny antony ara-pahasalama....

Inona no olana????

Tsy misy olana mihitsy rehefa tsy mihevitra izy hoe toy izao ilay famorana nanaovana fifanekena, fa tsy hoe nifora tsy hay hoe nahoana izy na hoe ara-pahasalamana izay dia hiteny fa nanao fifanekena dia hilaza fa jiosy ara-nofo izy avy eo tsy valide ilay zavatra dia ara-panahy indray ny tenany hoy izy.
Izay anie ilay Opium an RBNIR e, ara-panahy fa tsy ara-nofo, nga ianao rehefa mino an'i jesosy dia tsy noana..ny anareo manko mijanona amin'ny ara-panahy ihany ny maha olombelona dia mandrevirevy eny, ny tany ho foana fa ny lanitra hisokatra ka hadino tanteraka ilay tany izay nandaniana firy andro no nanaovana azy.
360. tealala ( 14/09/2016 02:54)

rhaj0:

ilay famorana antsika gasy izao, dia nasaina kepohin'i dadabe tsisy nify anaty akondro ilay prepuce.

Ny an'i Isaac koa toa hotrhotr'izany.. sa ahoana ry Tealala?

hafa ny fomba nanaovana azy, izy koa 8 andro dia vita.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1695