Testamenta vaovao/Testamenta taloha

301. lahindroy ( 31/08/2016 18:30)

Miarahaba ny rehetra

Sady misaotra an'i rhajO namaly ny fanontaniako mahakasika an'ilay Herinirina , no miala tsiny koa satria izao aho vao mahita fa nodisoko foana ny fanoratana ny solon'anaranao

Ireo fampitandremana na koa aza ny fanambarana fa ho very mandrakizay izay miteny ratsy ny fanahy masina dia mety mandaitra eo amin'ny olona mino ny fisian'izany fanahy masina izany izany hoe ireo izay manaradia sy mino an'i Jesoa

Sahala amin'ny finoana ny fitahin'ny Razana ihany io :
-misy ny mino sy resy lahatra fa milatsaka eo aminy sy ny fianakaviany tokoa izany fitahina izany rehefa manao ny vavaka , ny fanatitra ...tokony atao rehetra izy ; rehefa tsy mandaitrra ilay izy dia satria ....tsy nilatsaka tsy nitoetra tao aminao ilay fitahin'ny Razana (saingy eto kosa tsy mba misy fampitahorana hoe ho very mandrakizay izany na koa handeha any amin'ny afobe na afo fandiovana ...na ho voatambitamby ho any amin'ny paradisa !
-ho an'ireo tsy mino an'izany kosa dia tsy misy dikany izany rehetra izany na koa aza ho an'ireo kristiana sy silamo iringiriny dia ny fanenjehana sy ny fanongotana tsy hisy intsony an'izany finoana izany aza no tena imasoany -tamin'ny fomba mahery vaika taloha ( fandorana velona , fampidirana am-ponja , izay mbola hita eo anivon'ny silamo sasantsasany fa nataon'ny kristiana kosa nandritry ny taon-jatony maro , rehefa nahazo fahefana ny finoany sy ny fivavahany tany amin''ny taona 380 tany ho any )

ny tena olana lehibe eo amin'ny finoana mitombina amin'ny fisian'ny "Andriamanitra tokana" dia ny tsy hanekena sy ny hanajanan'ireo mpanaradia azy , ny finoan'ny hafa ary efa hita taratra izany , eny na eto aza ( RBNIR sy ny fahafahany miteny = afaka mitsara sy manana fahefana hitsara ny hafa ho "tsy mino ny filatsahan'ny fanahy masina" kanefa moa samy "aferan-dry" zareo izany ka izay anaovany azy eo -rehefa tsy miafara amin'ny von'olona sy ny herisetra maro samihafa ( tahakan'ny nandorana ny sampy malagasy na koa ny ny nandorana ny doany na ny rova amin'izao taon-jato faha XXI izao ...izay mety ho kristiana iringinina sekta no mety mahavita an'izany )

302. rhaj0 ( 31/08/2016 19:11)

tealala:
Dia inona no mahatonga ilay mihinjtrinjitra kay rehefa mivavaka?
RBNIR:
Manana tanjona fanaratsiana ny hafatrao...aleo tsy mamaly.....

hi hi hi... mahalatsaka mihintsy ilay resaka eee... :-)

Fa i Tealala koa anie mba manindrontsindrona an'i RBNIR mpihinjitsinjitra ao, nefa i Tealala ao indray anefa, dia @ ilay (iray @ ireto)
- manipy tanana any an-danitra, mila lasa mipitika h@ voamaso
- miankohoka ambany dia ambany, mila ho rovitra h@ pataloha, sady tsy hay na mihinana ny tapis ao ity nareo
- migonongonona irery ao, dia tsy hay koa na mihinana ny volombavany ao na maninona
- ary indrindra, manakapokapoka loha @ ilay "mur des lamentations"

Sa tsy mba manao toa io ianao ao ry Tealala? (mba te-ahalala koa zahay eee... :-)
303. RBNIR ( 31/08/2016 19:12)
lahindroy:

1 Ireo fampitandremana na koa aza ny fanambarana fa ho very mandrakizay izay miteny ratsy ny fanahy masina dia mety mandaitra eo amin'ny olona mino ny fisian'izany fanahy masina izany izany hoe ireo izay manaradia sy mino an'i Jesoa

2 ny tena olana lehibe eo amin'ny finoana mitombina amin'ny fisian'ny "Andriamanitra tokana" dia ny tsy hanekena sy ny hanajanan'ireo mpanaradia azy , ny finoan'ny hafa ary efa hita taratra izany , eny na eto aza ( RBNIR sy ny fahafahany miteny = afaka mitsara sy manana fahefana hitsara ny hafa ho "tsy mino ny filatsahan'ny fanahy masina" kanefa moa samy "aferan-dry" zareo izany ka izay anaovany azy eo -rehefa tsy miafara amin'ny von'olona sy ny herisetra maro samihafa ( tahakan'ny nandorana ny sampy malagasy na koa ny ny nandorana ny doany na ny rova amin'izao taon-jato faha XXI izao ...izay mety ho kristiana iringinina sekta no mety mahavita an'izany )

1 Fitiavana no hampitandremako ny olona ....

2 Misy zavatra fantatro tsy fantatrao namana, misy zavatra iainako tsy iainanao, matoa aho mahasahy "miteny toy izao" , dia noho ny zavatra "tonga" amiko ankehitriny.....

Ary lozako raha tsy miteny izany aho.......


Averiko hatrany fitiavana no hilazako izany..... TENA MISY ANDRIAMANITRA ARY NY ANDRIAMANITRY NY KRISTIANINA NO TENA MARINA!!!

ARY ILAY FAMPIANARAN'I JESOSY FAHINY IHANY NO TENA ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA (ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA IO)

IZAY ALOHA NO AZOKO AMBARA HATRETO!!!

IZAY MANANA MASO HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
304. tealala ( 01/09/2016 12:28)
fa ilay talohan'i jesosy misy kilema?
305. lahindroy ( 01/09/2016 13:58)

RBNIR:

[quote=lahindroy]
1 Ireo fampitandremana na koa aza ny fanambarana fa ho very mandrakizay izay miteny ratsy ny fanahy masina dia mety mandaitra eo amin'ny olona mino ny fisian'izany fanahy masina izany izany hoe ireo izay manaradia sy mino an'i Jesoa

2 ny tena olana lehibe eo amin'ny finoana mitombina amin'ny fisian'ny "Andriamanitra tokana" dia ny tsy hanekena sy ny hanajanan'ireo mpanaradia azy , ny finoan'ny hafa ary efa hita taratra izany , eny na eto aza ( RBNIR sy ny fahafahany miteny = afaka mitsara sy manana fahefana hitsara ny hafa ho "tsy mino ny filatsahan'ny fanahy masina" kanefa moa samy "aferan-dry" zareo izany ka izay anaovany azy eo -rehefa tsy miafara amin'ny von'olona sy ny herisetra maro samihafa ( tahakan'ny nandorana ny sampy malagasy na koa ny ny nandorana ny doany na ny rova amin'izao taon-jato faha XXI izao ...izay mety ho kristiana iringinina sekta no mety mahavita an'izany )

1 Fitiavana no hampitandremako ny olona ....

2 Misy zavatra fantatro tsy fantatrao namana, misy zavatra iainako tsy iainanao, matoa aho mahasahy "miteny toy izao" , dia noho ny zavatra "tonga" amiko ankehitriny.....

Ary lozako raha tsy miteny izany aho.......


Averiko hatrany fitiavana no hilazako izany..... TENA MISY ANDRIAMANITRA ARY NY ANDRIAMANITRY NY KRISTIANINA NO TENA MARINA!!!

ARY ILAY FAMPIANARAN'I JESOSY FAHINY IHANY NO TENA ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA (ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA IO)

IZAY ALOHA NO AZOKO AMBARA HATRETO!!!

Miarahaba ny rehetra tsy ankanavaka

inona no fenitra tian'ireo izay rehetra nampiely ny finoany sy ny fivavahany era-tany ho tratrarina ?

"TENA MISY ANDRIAMANITRA ARY NY ANDRIAMANITRY NY KRISTIANINA NO TENA MARINA!!!"

=> nataony izay nandringanana ny finoana sy ny fivavahana ary ny kolotsaina naterak'izany era-tany !
-nodorana ny tempoly rehetra nisy raha vao nahazo fahefana ny kristiana teo ambany fifehezan'i Théodose (380)
-nodorana sy naringana izay rehetra nivavahan'ny Malagasy raha vao natao fivavaham-panjakana ny fivavahana kristiana tamin'ny 1869 teto Madagasikara + fanaovana batisa tsy an-tsitrapo fa tonga dia olona aman-jatony no fafaza rano "voahasina"
-nampidirina an-tranomaizina sy noverezina na natao sesi-tany ary indrindra nodorana velona izay rehetra tsy nanaiky ny "NY ANDRIAMANITRY NY KRISTIANINA"

olona aman-tapitrisany no efa maty sy namoy ny ainy nohon'ny fiheverana fa " NY ANDRIAMANITRY NY KRISTIANINA NO TENA MARINA!!!"" ka tsy maintsy eken'ny hafa

niova endrika izany fanerena izany ankehitriny satria ny fiaraha-monina dia tsy nanaiky ny fampiasana SABATRA tahak'izay nampitahoran'i Yeshoua (Matio 10:34-ary io indray izao no anarany tena marina fa tsy izay nampianarana antsika gasy nandritry ny 190 taona) fa nanala niandalana ny fahefanareo mpino teo amin'ny rafi-piaraha-monina

ARY ILAY FAMPIANARAN'I JESOSY FAHINY IHANY NO TENA ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA (ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA IO)

tatahak'izany no niteraka ireny adi-pinoana naharitra amam-polo-taona maro ary im-betsaka nitranga tany Europa ohatra , taty aorian'ny fitakian'i Luther ny hiverenana amin'ilay "...FAMPIANARAN'I JESOSY FAHINY..." amin'ny alalan'ny fiverenana amin'ny soratra masina mivantana , ka tsy iankin-doha intsony amin-dry pape sy ny vatican ...

fanamarihana :
ho an'ireo izay tena te handalina sy "tealala" :
-fampianaran'i Yeshoua marina tokoa ve no hita sy voasoratra ao anatin'ny baiboly (testamenta vaovao) -izay voalaza ao anatin'ny epistily nosoratan'i Paoly ohatra ?
-olona nanatry maso sy niara-niaian taminy tokoa ve no nanoratra azy ireny sa ...?

mety tsara ho antsika koa angamba no mba mamakafaka ireo voka-pikarohana misy amin'izao fotoana izao (eo amin'ny sehatra sy taranja samihafa : sehatry ny fikarohana ara-tantara , arkeolojika , fandinihana asa-soratra sy haifiteny ...) , voka-pikarohana izay atolotr'ireo facultés de théologie manerana ny tany indrindra fa ny avy any Allemagne , USA , Suisse ary Angletera
tsy hitarika ny tsy hino no votoatiny ( fahalalana no fenitry ny foto-pisaiana siantifika na inona na inona sehatra iasany ) fa kosa ny hijery ny tranga nisy azo soritana ra-tantara

farany
"IZAY MANANA MASO HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!"
306. RBNIR ( 01/09/2016 15:22)
tealala:

fa ilay talohan'i jesosy misy kilema?

« Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. » (Hebreo 8:7)
307. rhaj0 ( 01/09/2016 18:23)
RBNIR:
2 Misy zavatra fantatro tsy fantatrao namana, misy zavatra iainako tsy iainanao, matoa aho mahasahy "miteny toy izao" , dia noho ny zavatra "tonga" amiko ankehitriny.....

io ho'a ry RBNIR, raha "ianao irery" ao no mahita (ny tsy-fahita), dia tena ilay "imagination"-nao tokoany no hany tao eee.. ka ampio ilay hiakanao ry RBNIR
IZAY MANANA IMAGINATION, AOKA Hi-IMAGINER.


Fa raha ny fahazaoako an-dRBNIR izany, dia
- ny TT dia TSY "tsy manan-tsiny".. izany hoe, double negatif, dia lasa hoe, ny "TT dia manan-tsiny"
- ny TV dia "tsisy-kilema".. dia ny implication-n'izany, dia ny TT TSY "tsisy-kilema"... izany hoe, double negatif, dia lasa hoe, ny "TT dia misy kilema"

Izay ilay izy ry RBNIR f'aza mihodikodina toa tandrimo ao, satria matahotra mafy ny hiteny an'ireo teboka roa ireo aaa.. aza matahora ho'a f'efa lehibe ianao io.

Dia f'angaha ataonao fa tsy efa fantaNY ny ao an-dohanao na dia tsy miteny azany ianao ry RBNIR aaaa... hi hi hi.. dia idiran-doza ao ianao.. sy ny imagination-nao ao :-)
308. RBNIR ( 02/09/2016 10:58)
rhaj0:

io ho'a ry RBNIR, raha "ianao irery" ao no mahita (ny tsy-fahita), dia tena ilay "imagination"-nao tokoany no hany tao eee.. ka ampio ilay hiakanao ry RBNIR
IZAY MANANA IMAGINATION, AOKA Hi-IMAGINER.

>>> rhajo, lahindroy

Tsy immagination hoy aho fa réel, Ianao miresaka amiko io izao réel sa immaginaire rhajo?????
Dia otran'izay ilay izy....

Fantaro ny fomba fiasan'Andriamanitra....

Rehefa hanantanteraka zavatra Andriamanitra dia mifidy ary maniraka mpanompo iray....« Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amo.3:7)

Ohatra :
1 Nifidy sy naniraka an'i Noa IZY vao nanantanteraka ny Safo-drano
2 Nifidy sy naniraka an'i Mosesy IZY vao nandeha nanafaka ny Zanak'Israely teo an-tananan'ny Egyptiana....
3 Nifidy sy naniraka an'i Jeremia IZY vao nanolotra an'i Israely teo an-tananan'i Babylona,
Sns.....


Fomba fiasan'Andriamanitra : Manana fikasana IZY , mifidy sy maniraka olona IZY vao manatanteraka ilay zavatra kasainy atao....

Ny zava-nisy dia izao :

1 -raha mino ny olona dia vokatra tsara (toy ny tamin'ny andron'i Mosesy) Nino ny vahoaka fa nifidy ary naniraka an'i Mosesy marina Andriamanitra dia voavonjy ho afaka tamin'ny fanandevozan'i Egyptiana ny vahoakan'i Israely

2- Raha tsy mino kosa dia vokatra ratsy no hojinjainy : toy ny tamin'ny andron'i Noa, tsy nisy nino an'i Noa (vokany : maty tamin'ny safo-drano avokoa)

Toy ny tamin'ny andron'i Jeremia (tsy nino an'i Jeremia, dia lasa babon'i Babylona ary tanteraka avokoa ireo loza nolazain'Andriamanitra...


Dia toy izany no misy ankehitriny : Manana fikasana ny handraraka ireo loza fito farany amin'izay Andriamanitra ary dia Mifidy sy maniraka olona IZY hanambara izany sy hampianatra ny olona ny fomba fandosirana izany....

Raha misy mino dia hotanteraka aminy ity teny ity « Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. » (Sal.91:8)
« Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, » (Sal.91:9)

Raha tsy mino kosa dia ny loza fito farany no anjaran'izireo ary dia hitohy hatrany amin'ny Afobe izany loza izany......

INDRAINDRAY MISY TEZITRA KA MILAZA HOE FA IANAREO NO INONA NO IANAREO NO FIDIN'ANDRIAMANITRA SNS .....SNS....

IZAO NO TSAROVY NA IZAHAY AZA DIA MBA GAGA IHANY KOA HOE IZAO MAVOMAVO IZAO V???........

KA DIA ATSIPY NY TADY ENY ANTANDROKY NY OMBY ATSIPY NY TENY ANY AMPON'NY MAHALALA....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
309. rhaj0 ( 02/09/2016 11:22)
eny azany kouh... ianao (sy Herinirina) izany no rôle ao @ imagination-nao ao.. tena ianao (sy profeta Herinirina) no nofidiaNY an... maninona tokoany moa no tsy ianao ihany no ataonao ho rôle be ao @ imagination-nao ao eeee? :-)


Fa tanisao tsotra eto hoe izany "loza 7" izany ho'a ry RBNIR?

Dia lazaiko mialoha fa izany "loza" izany no mba takatry ny hoza-dohan'ny l'an -3000, fa izao dia hafa mihintsy ny "loza" mananontanona eee... Fa mba tanisao ihany moa ry RBNIR andinihina azy aaa... (dia mba ivanitihana indray koa eee :-)
310. RBNIR ( 02/09/2016 11:38)
Efa nanomboka nitanisa ny loza 1 ka hatramin'ny fahadimy isika tato.....

http://forum.serasera.org/forum/message/m579b976a9338c

P.S : io indray i rhajo sy ny interpretation disony dia mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko....
311. rhaj0 ( 02/09/2016 12:20)
RBNIR:
io indray i rhajo sy ny interpretation disony dia mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko

Ka ianao anie ry RBNIR ka miolakolana toa ireny politifikana masisobe ireny eee.. Be ihany izay namana miresaka aminao izay (i Tealala na i Lahindroy io farany), fa kanosa TSY mahasahy mamaly fanontaniana tsotra ianao, fa ilaozanao miodikodina, kanosa TSY mahasahy miteny direct.

Dia na ianao TSY mamaly (na hors-sujet), na dia sesefanao toko aman'andininy ny olona, toko aman'andininy izay matetika tsisy ifandraisany akory, fa anaovanao lamentation eto fotsiny.

Fa ny fahatakarako azy, dia... efa "ao an-tsainao" dia mazava iilay resaka, ary "mahamenatra" anao ny milaza azy, ary dia io ianao "miolakolana toa ireny politifikana masisobe ireny".


Io izao mba iangaviana ianao dia hanontaniana tsotra hoe, tanisao (lister-o) ny loza 7, nefa dia ny "asan'ny anjely" no tondroinao. Tsy mba afaka ny ho tso-po sy tso-piainana ary tsotra saina ve ry RBNIR, dia lazaina mazava fotsiny, toatoa ny hoe
loza 1 = rougeole
loza 2 = variole
312. RBNIR ( 02/09/2016 12:26)
ny zava-misy tsy izay loatra fa efa mamaly aho fa mety tsy nahafapo ny olona ilay valiny,

Na koa tsy mamaky mihitsy ilay olona : ianao ohatra miharihary , raha nanaraka ilay rohy ianao ka nijery ilay video, dia tsy niteny otran'io intsony hoe tanisao ny loza fito satria efa voatanisa ao anatin'ilay video ilay izy,
tsy maninona fa avelao averiko eto (ny loza voalohany ka hatramin'ny faha dimy io aloha

313. tealala ( 02/09/2016 12:42)
"nanan-tsiny izany fanekena voalohany"
Dia inona avy ilay nisy tsiny?
314. rhaj0 ( 02/09/2016 14:21)
Eto aho izao tsy mahazo miditra youtube (fa be virus hozy ny ato ampiasana), ka dia..
Fa @ sary izany dia ireto (hono) ireo loza (hozy Herinirina) eee..

Loza 1- vay ratsy
Loza 2- masoandro mandoro

Mbo lister-o tsotra eo hoe ny ambiny eee....
315. lahindroy ( 02/09/2016 21:08)

[quote=rhaj0]
Eto aho izao tsy mahazo miditra youtube (fa be virus hozy ny ato ampiasana), ka dia..
Fa @ sary izany dia ireto (hono) ireo loza (hozy Herinirina) eee..

Loza 1- vay ratsy
Loza 2- masoandro mandoro
Loza manaraka :lasa rà daholo ny ranomasina rehetra a ry ho faty mamibo be ao ny trondro sy biby rehetra ao anatiny (satria nararak'ilay anjely ao anaty ranomasina izay tao am-bilihany
dia tahak'izany koa ny mahakasika ny renirano , farihy , dobo ...rehefa ho rano mamy dia ho lasa rà..............tohizo ao amin'ny apokalipsa toko faha 16

koa mitandrema ianao ry rhajO fa "hikatona aminao-...hi!hi!hi!...sy izaho koa angamba - ny varavarana" raha tsy mibebaka sy tsy raharahinao ny fahamarinana entin'ilay fiangonana farany sy ry RBNIR sy ireo akolitany izay tena ...nahita an'i Yeshua na angamba aza ny "big boss" mihitsy , nifanatry tava ary tena niresaka mivantana !

fa ny tiako hiverenana kely angamba dia ity resaka tao amin'ny "epistily ho an'ny Hebreo" ity izay milaza fa :
"Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena volohany izany ,dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina amin'ny faharoa"

mbola tiako marihana ihany fa ny hitarika antsika hisaina sy hametra-panontaniana no andraisako anjara eto fa tsy hilaza hoe izao na ity no tena marina ;

ireto ohatra ny fanontaniana atolotro mba tiako ho halalinintsika :

-ny mpanaradia an'i Yeshua ve no milaza an'io fanambarana io sa i Yeshua mihitsy ?
-araky ny hevitsika , nijanona ho Jiosy ve i Yeshua fony fahavelony ( fanarahana ny Lalànan'ny Mosesy , ny fomba amam-panao samihafa tahakan'ny famorana , fanajana ny sabata , ny tsy fihinana ny hanina voarara , fandehanana any amin'ny synagoga ...) sa nivadika lasa nanangana "fifanekena vaovao" ?
-hoviana no mety nanoratana an'io "epistily ho an'ny Hebreo" io ?
-iza no nanangana ny finoana kristiana (fisarahana amin'ny finoana jiosy ) ary hoviana no nisaraka ireo finoana roa ireo ? ..........................

ary farany , araky ny hevitsika :

jiosy ve i Yeshua sa kristiana ?

316. RBNIR ( 04/09/2016 04:28)
rhaj0:

Eto aho izao tsy mahazo miditra youtube (fa be virus hozy ny ato ampiasana), ka dia..
Fa @ sary izany dia ireto (hono) ireo loza (hozy Herinirina) eee..

Loza 1- vay ratsy
Loza 2- masoandro mandoro

Mbo lister-o tsotra eo hoe ny ambiny eee....

Aza mampihomehy ianao rhajo a!!!
317. RBNIR ( 04/09/2016 04:29)
rhaj0:

Eto aho izao tsy mahazo miditra youtube (fa be virus hozy ny ato ampiasana), ka dia..
Fa @ sary izany dia ireto (hono) ireo loza (hozy Herinirina) eee..

Loza 1- vay ratsy
Loza 2- masoandro mandoro

Mbo lister-o tsotra eo hoe ny ambiny eee....

Aza mampihomehy ianao rhajo a!!!
318. RBNIR ( 04/09/2016 05:00)
Jesosy ve nandrava ny lalàna sa ahoana?

Hoy Jesosy : « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Tsy nandrava ny lalàna i Jesosy.....

Noporofoiny izany tamin'IZY nalain'ny devoly fanahy (P.S : Efa feno Fanahy Masina i Jesosy teto)

« Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. » (Matio 4:3)
« Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Matio 4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, » (Matio 4:5)
« dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Matio 4:6)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Matio 4:7)
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Matio 4:8)
« dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. » (Matio 4:9)
« Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). » (Matio 4:10)

Vakio tsara fa lalàna fahiny 3 ireo nangalan'ny devoly fanahy an'i Jesosy ireo ary samy notandreman'i Jesosy avokoa,

Nitandrina Sabata ve i Jesosy ary niditra sinagoga koa? valiny : Eny....« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lioka 4:16)

Isaky ny Sabata dia nandeha nankany amin'ny Synagoga (fiangonana ankehitriny) i Jesosy....

Nitandrina ny hanina voarara v? Valiny : Eny : vakio tsara ny tantaran'ny apostoly petera fa hatramin'i petera nanehoana ilay fahitana dia tsy nihinana hanina "tsy madio" mihitsy petera...Petera dia niaraka tamin'i Jesosy foana noho izany Jesosy koa "tsy nampianatra ny mpianany mihitsy hihinana hanina "tsy madio.....

« Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. » (Asan'ny Apostoly 10:14)

Tsy nihinana i petera satria tsy nihinana i Jesosy ary Jesosy koa tsy nampianatra an-drizareo hihinana mihitsy....


P.s :ny famorana dia tsy zava-dehibe intsony ao amin'ny fanekena vaovao....Araho ato
319. RBNIR ( 04/09/2016 05:04)
P.s :ny famorana dia tsy zava-dehibe intsony ao amin'ny fanekena vaovao....Araho ato

http://forum.serasera.org/forum/message/m57078d9edcc60
320. tealala ( 04/09/2016 06:33)

RBNIR:

P.s :ny famorana dia tsy zava-dehibe intsony ao amin'ny fanekena vaovao....Araho ato

http://forum.serasera.org/forum/message/m57078d9edcc60

Ianareo izany ve mifora sa tsia?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1348