Testamenta vaovao/Testamenta taloha

261. lahindroy ( 25/08/2016 15:28)

tealala:

Ny zavatra tian'dry rhajo sy Lahindroy anontaniana any anaty cours vidéo no misy ny valiny, fa na ho alefa eto aza tsy hisy hijery tahaka ny an'i Herinirina.

manakory daholo

ho ahy manokana ry tealala dia marina tokoa ny volazanao hoe "... na ho alefa eto aza tsy hisy hijery ..."

ny fanazavanao ny hevitrao sy ny fahazahoanao izay novohizinao tany an-kafa (boky novakiana na "vidéo" nojerena na fampianarana azo ..) no andrasako hifanakalozan-kevitra sy hiara-midinika fa tsy izay "vidéo" na koa toko sy andiny araradraraka etoana

262. rhaj0 ( 25/08/2016 15:51)

RBNIR:
Famintinana : ny fahitana zavatra toa mifanohitra ao anaty baiboly v afaka hitsarana fa tsy marina ny baiboly na ny testameta taloha na ny testameta vaovao?
Valiny : tsia,
Misy citation ao anaty baiboly ary Andriamanitra tsy manova "citation" ataon'ny olona...
Fahamarinana daholo izany : tsy misy amboamboarina ao anaty baiboly....

Ka aiza ho aiza @ io azany ilay ventensina(reo) lava hoe: "tenin'Andmntra" ny ao anaty Baiboly ao eeee... Sa io baiboly iodia TSY "tenin'Andmntra"???

Raha "tenin'Andmntra" ny Baiboly, dia ho anay mpitaty resaka aloha, dia lasa hoe: "misy zavatra toa mifanohitra izany tenin'Andmntra" izany.

Ka ireo "olona mpitantara" ireo dia milaza maninzinginzina mihintsy hoe "nobitsihan'Andmntra" eee...Ka dia io izany ve dia, (fangolika) i Andmntra izany miteny zavatra "mifanohitra" @ ireo "olona" mpitantara?
263. rhaj0 ( 25/08/2016 17:46)
Ka TSY "fangolika" izany i Andrmntra raha mibitsika "zavatra mifanohitra" @ olona (mpitantara ao anaty Baiboly), fa ... "niova hevitra" fotsiny izy ee... mba "mivoatra" kosany IZY izany ee... satria "seuls les imbeciles ne changent pas d'avis", hono hozy ny vazaha (nampianatra Baiboly ny gasy).

Dia TSY nahitsin'Andrmntra ka napetrany mazava koa moa hoe, izatsy no "marina", ary izatsy no "mifanohitra @ marina", ary dia io mifanipaka an-karona io ny mpanaraka azy iray harona eee...

ka dia izay mandray ilay Fampianarana "mifanohitra @ marina" kosa aloha izany dia ... any ny tranony rahefa TSY mahatakatra ny famindra-tanoran'Andrmntra eeeee... sa ilay "famindra-tsisy-kilema" io ry RBNIR ???

264. RBNIR ( 26/08/2016 12:34)
rhaj0:

Ka aiza ho aiza @ io azany ilay ventensina(reo) lava hoe: "tenin'Andmntra" ny ao anaty Baiboly ao eeee... Sa io baiboly iodia TSY "tenin'Andmntra"???

TANDREMO TANDREMO TANDREMO ALOHAN'NY HAMAKIANAO AN'ITY DIA MANDINIHA TSARA ALOHA SATRIA HOY I JESOSY.....
« fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Marka 3:29)

Izao no nolazain'i Jesosy « Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo? » (Marka 12:24)

Mila mahafantatra ny Soratra Masina ny olona 1 mba tsy ho diso hevitra......

Ahaona no atao mba hahafantara ny Soratra Masina?????

« fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.  » (Jaona 14:26)

Mila ny Fanahy Masina isika, IO FANAHY MASINA IO dia ALATSAKA AVY ANY AN-DANITRA!!!

« Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao; » (Isa;44:3)

Ary tsy IZA akory io FANAHY MASINA IO FA.....« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17)

Jesosy KRISTY IHANY IO FANAHY IO........

Izay manana an'io Fanahy Masina io no manana an'i Kristy velona ao anatiny...« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Gal.2:20)

Kristy no mandatsaka (na koa hoe manao batisa ) ny olona amin'io FANAHY MASINA IO....

« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Mat.3:11)

IZAY MANANA AN'IO FANAHY MASINA IO NO MANANA ILAY MPAMPIANATRA....ARY IRENY DIA TSY HO DISO HEVITRA VELIVELY MIHITSY........

Misy dia misy ny teny toa mifanohitra, ny teny saro-pantarina : tsy takatry ny fisain'ny olona fotsiny ihany izany....« tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Petera 3:16)

Tandremo fa ny tsy fahatakarana, na ny tsy fahalalana dia mahatonga ny olona "anolana ny teny sasany amin'ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany...
265. rhaj0 ( 26/08/2016 13:47)
RBNIR:
IZAY MANANA AN'IO FANAHY MASINA IO NO MANANA ILAY MPAMPIANATRA....ARY IRENY DIA TSY HO DISO HEVITRA VELIVELY MIHITSY........

Ka iza aby azany ireo "nilatsahan'ny Fanahy Masina avy any an-danitra tsy ho diso velively mihintsy" eee..

Ohatra hoe :
- ny Papa, izay TSY manaiky ny hisian'ny vehivavy mpitarika ao @ Leglizy, sa
- ny sefobe anglikana izay manaiky izany
- dia ahoana ny an'i Herinirina ao ny @ io?
266. rhaj0 ( 26/08/2016 18:32)
Tsy hita moa ny nalehan'i RBNIR, fa mbola naka hevitra tany @ Herinirina angamba izy. Fa hitanao @ io ry RBNIR, fa

1- misy "fampianarana" izay voasoratra (dia voasoratra) ao @ Baiboly/Torah ao, momba ny fifampitondrana rehefa "mifampianatra" (ao ampiangonana/leglizy/sinagaogy). Samy afaka mamoaka toko aman'andininy daholo ireo olona eto ambany ireto.

2- ary dia samy manana ny "fandraisany ny resaka" ny tsirairay
--- ny sefobe katolika TSY tia vhv mitaritarika mampianatra izany, ary manaraka an'izany ny katolika aman-tapitrisany, mino fa izay hozy ny Fanahy Masina (nibitsika an'i sefobe, na ny Papa)
--- ny sefobe anglikana kosa dia manaiky ny ho tarihin'ny vhv, ary ary manaraka an'izany ny anglikana aman-tapitrisany, mino fa izay hozy ny Fanahy Masina (nibitsika an'i sefobe)
--- ny sefobe Herinirina dia ... hi hi hi... izy Herinirina ihany no debabe-tsisy-kilema eee.. ny vhv dia mangina sy misaron-doha rehefa ao am-piangonany ao, ngo dia manaitaitra ny... devolin'i Herinirina eo, ary dia ho sirika eo ny kilemany :-)

267. lahindroy ( 26/08/2016 20:03)

akory ? salama ?
fanontaniana tsotra dia tsotra no apetrako ry rahjO

fa iza ity Herinirina resahinareo matetika eto ity fa tena tsy arako ?

268. rhaj0 ( 27/08/2016 13:11)
Iza moa i Herinirina...

i RBNIR mahay azy tsara, fa raha ny fahafantarako azy, ahitsio raha diso, dia i Herinirina dia mpitarika sekta ao DAgo ao, ary RBNIR no mpitam-bolan-drizareo. I Herinirina hono no ilay profeta #12, izay notendren'i Jesosy en personne. Izy dia nandray ary mampita fampianarana direct avy t@ Jesosy en personne. Izay ilay "fampianarana-tsisy-kilema".

Izay no fahazoako azy ho'a, fa ahitsio hoe ry RBNIR raha misy diso ?
269. RBNIR ( 27/08/2016 17:09)

Mahafinaritra efa nijery ilay fandaharana matoa mahafantatra azy...
http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

P.S : ny katolika sy ny anglikana otran'ny tsy mino intsony ilay fandatsahana ILAY FANAHY MASINA....
270. RBNIR ( 27/08/2016 17:12)
>>>>Tealala : saintsaino ity, TOKANA ILAY ANDRIAMANITRA (MARINA IZANY) saintsaino anefa hoe ahoana indray ilay FANAHY MASINA IZAY LAZAINY FA ALATSAKA TOY NY RIAKA ARY isam-batan'olona????

Satria ireo olona handatsahany ny Fanahiny ireo dia samy hahafantatra fa IZY ihany IO FANAHY io ary samy hanompo an'io Andriamanitra io avokoa.....
271. tealala ( 28/08/2016 06:57)
Mba hain'i RBNIR ve hoe inona izany fanahy izany?
272. RBNIR ( 28/08/2016 09:58)

tealala:

Mba hain'i RBNIR ve hoe inona izany fanahy izany?

Izao no nambarany fahiny.....« Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. » (Gen.6:3)

Manana fahefana "manapaka" ILAY FANAHINY (TAHAKA AZY IHANY)..........Raha ny Tena marina IZY IHANY IO FANAHY IO ARY NY OLONA NO FITOERANY....

Izay no mahatonga ireto teny ireo : « Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17)

Ny olona izay hitoerany kosa dia voalaza fa : « Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? » (1 Kor.3:16)

P.S : tsy natao ho fantatr'izao tontolo izao io FANAHY IO......

« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

Izay itoerany irery ihany no MAHAFANTATRA AZY...........

TANDREMO TANDREMO ARY TENA TANDREMO HOY AHO AN. N'IZA N'IZA MITENY RATSY AN'IO FANAHY IO DIA TSY HAHAZO FAMELANKELOKA INTSONY MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY.....

KOA REHEFA TSY MAHAFANTATRA ALEO MANGINA (CONSEIL D AMISY IZANY TEALALA)

HOY AHO MAMERIMBERINA ETO HOE MISY ZAVATRA FANTATRO TSY FANTATRAO MISY ZAVATRA HIAINAKO TSY HIAINANAO FA MATOA AHO SAHY MITENY HOE TENA MISY ANDRIAMANITRA DIA TENA MISY IZY (REEL FA TSY IMAGINAIRE) ARY MIRESAKA AMIN'IZAY OLONA TIANY HORESAHINA IZY.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

273. tealala ( 28/08/2016 16:19)
Tsy mamaly ny fanontaniako mihitsy io fa miolakolana be.
274. rhaj0 ( 28/08/2016 18:48)
RBNIR:
Mahafinaritra efa nijery ilay fandaharana matoa mahafantatra azy...

Okey dokey.. no-confirmer-n'i RBNIR izany ny resaka tsi11 @ ireto, raha ny @ Herinirina (sy RBNIR) :-)
rhaj0:

Iza moa i Herinirina... i Herinirina dia mpitarika sekta ao DAgo ao, ary RBNIR no mpitam-bolan-drizareo. I Herinirina hono no ilay profeta #12, izay notendren'i Jesosy en personne. Izy dia nandray ary mampita fampianarana direct avy t@ Jesosy en personne. Izay ilay "fampianarana-tsisy-kilema".

RBNIR:
ny katolika sy ny anglikana otran'ny tsy mino intsony ilay fandatsahana ILAY FANAHY MASINA....

eny azany kouh... dia manao pli-vava izao "fanekem-pinoany" ao izao isan-kalahady izany rizareo Katolika/Anglikana, nefa "otran'ny tsy mino" akoriny, hozy i RBNIR.

(ianao ty kosa k'lou ry RBNIR, dia bornE ao @ tsisy-kilemanao ao, ary dia tena mba "hotry ny" tena manao z'inona ny rahalahy sy rahavavinao ao @ Tompo eee...
Fa izaho indray ve moa no ho sarotiny @ izany.. ao nareo izany fa tsisy mahakasika ahy ho'a izany eee... :-)
275. RBNIR ( 29/08/2016 08:12)

tealala:

Tsy mamaly ny fanontaniako mihitsy io fa miolakolana be.

Efa voavaly fa avereno vakiana tsara:

Mandray 2 ilay fanontanianao :
1- Fanontaniana hainao ve (= fantatrao v?) = valiny : eny satria ato anatiko IZY....
2- azo adika ihany koa ny fanontanianao hoe INONA na IZA ilay FANAHY MASINA : dia efa voavaly ihany koa : NY TOMPO IZANY FANAHY IZANY......

koa vakio tsara e!!!!
276. RBNIR ( 29/08/2016 08:13)

rhaj0:

RBNIR:
Mahafinaritra efa nijery ilay fandaharana matoa mahafantatra azy...

Okey dokey.. no-confirmer-n'i RBNIR izany ny resaka tsi11 @ ireto, raha ny @ Herinirina (sy RBNIR) :-)
rhaj0:

Iza moa i Herinirina... i Herinirina dia mpitarika sekta ao DAgo ao, ary RBNIR no mpitam-bolan-drizareo. I Herinirina hono no ilay profeta #12, izay notendren'i Jesosy en personne. Izy dia nandray ary mampita fampianarana direct avy t@ Jesosy en personne. Izay ilay "fampianarana-tsisy-kilema".

RBNIR:
ny katolika sy ny anglikana otran'ny tsy mino intsony ilay fandatsahana ILAY FANAHY MASINA....

eny azany kouh... dia manao pli-vava izao "fanekem-pinoany" ao izao isan-kalahady izany rizareo Katolika/Anglikana, nefa "otran'ny tsy mino" akoriny, hozy i RBNIR.

(ianao ty kosa k'lou ry RBNIR, dia bornE ao @ tsisy-kilemanao ao, ary dia tena mba "hotry ny" tena manao z'inona ny rahalahy sy rahavavinao ao @ Tompo eee...
Fa izaho indray ve moa no ho sarotiny @ izany.. ao nareo izany fa tsisy mahakasika ahy ho'a izany eee... :-)

Ahoana indray koa ity "mampiteny" ahy zavatra tsy nolazaiko ity rhajo a!!!
277. rhaj0 ( 29/08/2016 11:08)
Efa io citer-na io ianao ry RBNIR, ka "mampiteny" anao inona indray azany aho?
Io ny soratrao, original copiE/collE, fa ny "interpretation"-n'ny mpamaky no manaraka ilay izy.

Ka ahoana.. mila ahitsy na afenina ve ny resaka sasany @ ireo nosoratanao (efa voasoratra dia voasoratra) ireo?
278. RBNIR ( 29/08/2016 11:46)
rhaj0:

....fa ny "interpretation"-n'ny mpamaky no manaraka ilay izy.

Voalazanao "INTERPRETATINO N'NY MPAMAKY" kanefa dia sahinao nampiana hoe "hoy i RBNIR....
279. rhaj0 ( 29/08/2016 12:08)
rhaj0:
dia manao pli-vava izao "fanekem-pinoany" ao izao isan-kalahady izany rizareo Katolika/Anglikana, nefa "otran'ny tsy mino" akoriny, hozy i RBNIR.

Ahoana koa azany ny famakianao resaka izany ry RBNIR.. TSY milaza velively io fa hoe "ianao" no milaza fa "manao pli-vava ny kristiana namanao", fa "izaho" no milaza izany. FA ianao RBNIR no milaza hoe "otran'ny tsy mino" zareo. Dia noraisiko (ho mitombona) ny resakao ary nampifandraisiko @ "resako".
280. RBNIR ( 29/08/2016 12:42)
Hoy aho hoe mahafinaritra fa efa nijery ilay fandaharana ianao matoa mahafantatra azy, dia hoy interpretenao hoe "noconfirmeko" izany ireto sy ireto..... ?????? inona no ifandraisany????

hoy aho hoe otran'ny tsy mino ny "Fanahy Masina" ny katolika sy anglikana (tsy finoana ny Fanahy Masina notsindriko tsara...... ny interpretationao dia hoe "manao zinona ny hafa aho????? Misy ifandraisany v?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3302