Testamenta vaovao/Testamenta taloha

201. tealala ( 23/08/2016 12:27)
Tahaka ny ao amin'ny Matio ihany io ko "Abia" ihany io ko
202. RBNIR ( 23/08/2016 12:28)
ka io r'ise dia otran'ny olona iray nitanisa zavatra ihany a, rehefa mitory teny ohatra ny mpanompon'Andriamanitra iray dia mety hisy ihany ny latsaka amin'ny toko sy andininy,

Izay v no hitsarako azy hoe tena tsy izy mihitsy ity olona ity, na ity fivavahana ity????
203. RBNIR ( 23/08/2016 12:29)
ny toriteny amin'io adiny 2 na adiny 3 (arakaraka) atao tsianjery ny baiboly, indraindray ary tsy nomanina akory ny toriteny fa avy dia raikitra izao....
204. RBNIR ( 23/08/2016 12:30)
mba lojika ry zalahy a! maso tokony hihiratra takon'ny zavatra kely tsy misy dikany rehetra izao....
205. tealala ( 23/08/2016 12:31)
Ary raha manonona anarana samihafa?
206. lahindroy ( 23/08/2016 12:32)

RBNIR:

ka ianao mihitsy aza dia efa mahita sahady fa na dia tany amin'ny testameta taloha aza dia efa tsy nitovy koa....inona indray no olana??? sa rehefa any no tsy mitovy dia mety fa raha taty aoriana dia tsy mety hoy aho?????


Misy tokoa ny "tsy fitoviana" ao anatIn'ny baiboly na ao amin'ny TT izany na ao amin'ny TV .

Ny fanontaniana hapetraka dia ireto :
1. tokony ahagaga ve ny fisian'izany "tsy fitoviana" izany ?
2. mitovy lenta ve ireny tsy fitoviana ireny misy "tsy fitoviana" tsy dia mampiova zavatra be loatra ve ary misy "tsy fitoviana" mety tena mametraka olana :
-daty tsy mifanaraka
-foto-kevitra mifanipaka ...
3. inona no mety dikany na hambaran'ireny tsy fitoviana ireny ?
207. RBNIR ( 23/08/2016 12:32)
efa impiry aho niteny hoe tsy mitovy amin'ny toriteny rehetra ity fa tena zavatra REEL no hiainana ato ary tanteraka ara-bakiteny itony tenin'Andriamanitra itony mahatonga anay sahy mijoro fa tena misy marina Andriamanitra ary tena mampianatra sy mananatra marina tokoa IZY????

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)
208. tealala ( 23/08/2016 12:33)
Tsy toriteny io a, fa anarana vao miatomboka dia Salomona ny iray Nathan..olona 2 samihafa anefa mitontona amin'i Josefa ihany ko.
209. RBNIR ( 23/08/2016 12:37)
variana any amin'ny pitsopitsony dia adino ny tena IZY......

Araho hatramin'ny voalohany ity fampianarana ity fa efa partage ao izy izao dia fantaro ny tokony atao raha te ho afaka tsy andevozin'ny OTA intsony ianao ary ho lasa zanak'Andriamanitra marina tokoa dia miarahaba tena rehefa tonga amin'izay......

http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

« Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. » (Jaona 8:36)


« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Korintiana 3:17)

210. tealala ( 23/08/2016 12:39)
Ary ty RBNIR ity tsy mamaly mihitsy rehefa anontaniana a.
Sa avela hitady site silamo aloha ianao hanazava azy?
211. tealala ( 23/08/2016 12:42)
Fa maninona kosa anefa ilay boky no feno diso e?
indraindray anarana, indraindray olona.
Ary ny tsy azoko koa dia rehefa noana i jesosy dia nozoniny ilay aviavy. Anefa tsy fotoana famokaran'ny aviavy akory.
212. RBNIR ( 23/08/2016 12:46)
zavatra 1 no raisiko : i Saoly dia mpanenjika an'i Jesosy i Saoly dia nahay tsara ny tantara tany aloha, taty aoriana i Saoly lasa Paoly ary dia niaky fa....« Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy; » (Filipiana 3:8)

Niaiky izy fa ny fahalalana rehetra nananany hatrizay dia taimboraka raha hoarina amin'ny fahalalana azony tao amin'i Jesosy....

Koa inona indray no hivakiko atidoha fa tsy efa manana ny tena tsara v izaho, taorianan'io dia be dia be ny olona voataonan'i Paoly tamin'ireo jiosy....

Ampy ahy izay ho porofo marina tokoa.....
213. tealala ( 23/08/2016 12:50)
hi3!!!!
214. tealala ( 23/08/2016 12:54)
Tena tsy ianao irery no mandoa ampahafolo-karena amin'ny zavatra tahaka izany ry RBNIR fa ireo olona feno dia feno tao Antsonjombe t@ tapa-bolana lasa angamba izay..
Ary henoko koa fa tsy mahazo mampiasa "Airtel" ny tanora ao aminareo ao, marina ve izany?
215. rhaj0 ( 23/08/2016 13:09)
rhaj0:
Dia izy 8 mianaka izany no nanao inceste tao izany. Izay tokoany ilay nahatezitra be an'i Bainina fa nopehan'ilay bandikely izy..
RBNIR:
Tsy misy inceste izany tao fa olona efa samy nanana ny vadiny ny tao

hi hi hi... ataovy ny simulation..
- A,B,C,D lahy, 1,2,3,4 vavy.
- A&1 dia i Noah mivady
- B,C,D dia zanak'i Noah
- dia ahoana.. ny zanak'i B&2 izany no miaraka @ zanak'i.. C&3 ??? mifampi-cousin anie zareo ee... sa moa aminareo ry RBNIR afaka mifampivady ny cousin germain?
- sa indray, ny zanak'i B&2 izany miara-matory @ Tantine 3?

eny azany koa... reveo ao ny stimulation-nao izany ry RBNIR aaa ... :-)


mampihomehy mampahonena mihintsy ianao ity ry RBNIR... Dia avy indray izao i RBNIR dia hoe, ka nisy olona hafa koa kay velona tatsy alavidavitra tatsy, nony niparitaka izy 8 mianaka. Ka dia ahoana ihany izy ity: izy 8 mianaka IHANY no avotra, sa nisy olona hafa ihany tsy matin'ity safodrano eee???

Toa izay ihany no lazain-dry Tealala ny @ Adama sy Eva. Dia hoe i Lillith vadin'i Adama voalohany koa anie, efa tatsy ambadiky ny bonga, ka niandry mandry tao ee... F'angaha tsy "Adam est le premier homme" ?? dia hoe, non, "Adam est le premier homme manan'ame".

an an.. dia izay olon-dehibe vory saina mbola mino an'izany resak'abobon'adala izany kosa nama dia tena efa tsy avotra intsony aa... Mba mijereva-tena rey olona fa na ny zaza (ankehitrio) any @ garabola azany ve, rahefa manesika ny pourquoi sy pour quoi, dia tsy ho vaky vava, fa kely dia kely ny fitombenan'izany resakabem-Baiboly/Torah izany aaa...
216. RBNIR ( 23/08/2016 13:10)
tealala:

Tena tsy ianao irery no mandoa ampahafolo-karena amin'ny zavatra tahaka izany ry RBNIR fa ireo olona feno dia feno tao Antsonjombe t@ tapa-bolana lasa angamba izay..
Ary henoko koa fa tsy mahazo mampiasa "Airtel" ny tanora ao aminareo ao, marina ve izany?

ry tealala, fantatrao v hoe naninona i petera no voafidy hamahana ny reniondrin'i Jesosy?

Ary fantatrao v ny adidy lehibe napetraka teo amin'i petera ka nanomezan'i Jesosy azy fahefana hoe : « Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Mat.16:19)

Raha voavalinao io dia tsy hametra-panontaniana amiko intsony ianao....
217. tealala ( 23/08/2016 13:13)
Dia mba valio eto hoe
Izaho ainao ihany fa tsy mino ny lazain'io bokinao io ko.
Dia mba valio ihany koa ilay fanontanina kely io ambony io (airtel).
218. RBNIR ( 23/08/2016 13:20)

rhaj0:

mampihomehy mampahonena mihintsy ianao ity ry RBNIR... Dia avy indray izao i RBNIR dia hoe, ka nisy olona hafa koa kay velona tatsy alavidavitra tatsy, nony niparitaka izy 8 mianaka. Ka dia ahoana ihany izy ity: izy 8 mianaka IHANY no avotra, sa nisy olona hafa ihany tsy matin'ity safodrano eee???

Toa izay ihany no lazain-dry Tealala ny @ Adama sy Eva. Dia hoe i Lillith vadin'i Adama voalohany koa anie, efa tatsy ambadiky ny bonga, ka niandry mandry tao ee... F'angaha tsy "Adam est le premier homme" ?? dia hoe, non, "Adam est le premier homme manan'ame".

hita miharihary mihitsy hoe tsy mamaky akory fa faly hanohitra sy hitsikera fotsiny....

Hoy aho hoe : taloha dia mbola neken'Andriamanitra ny fifanambadian'ny mpihavana akaiky (ary lojika izany hoy aho satria tsy ho tanteraka mihitsy ny teny hoe mamenoa ny tany raha tsy manaiky izay Andriamanitra).....
219. rhaj0 ( 23/08/2016 13:26)
RBNIR:
taloha dia mbola neken'Andriamanitra ny fifanambadian'ny mpihavana akaiky

Aiza ho aiza ao @ Baiboly no misy an'io ry RBNIR; mba ameo toko aman'andininy hoe raha mba mety.

Raha tsy mety, dia ... henatra be vata ho anao, fa ilaozanao mamoromporona resaka fotsiny. Mahamenatra anao ity inceste fatao ao anaty Baiboly ity, dia ahodikodinao gaigy eo ny resaka. Izany ve no fombanareo sy Herinirina, sa ianao ihany ho'a no efa siorimenehy dia mi-delire eto io, sa dia tena intrinseque @ kristianisme mihintsy ity (f)ataonao ity eee ???..
220. RBNIR ( 23/08/2016 13:34)

rhaj0:

RBNIR:
taloha dia mbola neken'Andriamanitra ny fifanambadian'ny mpihavana akaiky

Aiza ho aiza ao @ Baiboly no misy an'io ry RBNIR; mba ameo toko aman'andininy hoe raha mba mety.

Raha tsy mety, dia ... henatra be vata ho anao, fa ilaozanao mamoromporona resaka fotsiny. Mahamenatra anao ity inceste fatao ao anaty Baiboly ity, dia ahodikodinao gaigy eo ny resaka. Izany ve no fombanareo sy Herinirina, sa ianao ihany ho'a no efa siorimenehy dia mi-delire eto io, sa dia tena intrinseque @ kristianisme mihintsy ity (f)ataonao ity eee ???..

Hoy i Jehovah tamin'i Adama sy Eva.....
« Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. » (Gen.1:27)
« Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. » (Gen.1:28)

Ampiasao ny saina, ahoana no hahatanteraka izany raha tsy mifanambady ny taranak'i adama sy Eva????

2 nampaka vady an'i jakoba ny rainy dia izao no hafany tamin'izany....
« Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao. » (Genesisy 28:1)
« Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao. » (Genesisy 28:2)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.246