Testamenta vaovao/Testamenta taloha

141. rhaj0 ( 22/08/2016 12:41)
hi hi hi... Ka i RBNIR ho'a efa siorimenehy fa mazana be ny fanontaniana kouh... :-)

Izaho izao teo efa nahazo ny hoe, "misy diso", hozy RBNIR, fa avy eo indray, rahefa avy nitori-teny (tahaka an'i Herinirina) i RBNIR, dia hoz'izy, "fehiny: tsy misy diso".


Fa io ho'a, raha ampiasana saina sy hanaovana fandalinana io Baiboly/Torah, dia ... "manokatra pot" hozy ny mpilalao fanorona izay.. Izany hoe, ilay tavimandry feno iny no sokafanao ny sarony, ka dia... safidinao io eee :-)

Hadalan'ny ao @ Torah/Baiboly angha no nanipika mialoha h@ voalohany mihintsy hoe, ilay "arbre du savoir" aza kitikitihina, fa tonga dia mahazo ny daka an..

142. RBNIR ( 22/08/2016 12:52)
misy tetiarana ange ao amin'ny bokin'ny matio mikasika ny firazanan'i Jesosy dia hita fa mandalo an'i Davida izany tetiarana izany e, saingy kosa na dia tsy zanak'i Josefa ara-nofo aza i Jesosy (fa nohon'ny hefin'ny Fanahy Masina, eo anatrehan'Andriamanitra dia zanany ihay Izy ary eo anatrehan'ny fiarahamonina koa dia zanany ihany Izy....

« Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra? » (Jaona 6:42)
143. tealala ( 22/08/2016 13:06)
Zanak'i Davida izany ny andriamanitrareo e?
144. tealala ( 22/08/2016 13:08)
Raha ny lojika anareo no harahina dia tena izay. Rehefa misy olona iray mi adopte sokatra ka mampandova azy ny fananany dia zanany ilay saka.
145. tealala ( 22/08/2016 13:11)
Io tetiarana io ko araho tsara fa misy mifandipatra ao jereo tsara.
146. tealala ( 22/08/2016 13:14)
I Matio sy Lioka fotsiny aloha ataovy mifanaraka.
147. RBNIR ( 22/08/2016 13:25)
tealala:

Zanak'i Davida izany ny andriamanitrareo e?


Voalazanao, hoy tomasy hoe : « Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao.20:28)

Tsy nanome fanakianana IZY, raha ny tena marina raha diso ny nataon'i Tomasy, dia tokony nanao fanakianana tahaka ity anjely iray ity IZY......

« Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho. » (Apok.22:9)

Izy rahateo efa nilaza hoe : « Izaho sy ny Ray dia iray ihany. » (Jaona 10:30)

148. tealala ( 22/08/2016 13:27)
Eny izany?
Dia i Davida zano no iza raha tena izy no rain'andriamanitrareo?
149. RBNIR ( 22/08/2016 13:30)
Andriamanitra tsy nandrara mihitsy hoe tsy azo atao ny milaza olona iray ho Andriamanitra....
150. RBNIR ( 22/08/2016 13:33)
« Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6). » (Jaona 10:34)
151. RBNIR ( 22/08/2016 13:33)
« Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6). » (Jaona 10:34)
152. RBNIR ( 22/08/2016 13:33)
Sa diso ny salamo?????
153. tealala ( 22/08/2016 13:33)
"Andriamanitra tsy nandrara mihitsy hoe tsy azo atao ny milaza olona iray ho Andriamanitra...."
Tena ianao no niteny an'io an, tsy izaho fa ianao
154. RBNIR ( 22/08/2016 13:34)
Hoy IZAHO Andriamanitra ianareo.......IZA ilay IZAHO milaza fa Andriamanitra ny olona????
155. RBNIR ( 22/08/2016 13:35)
« Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6). » (Jaona 10:34) Sa diso indray koa ny Salamo???

Eto mantsy otran'ny lasa diso daholo ny fijerinao azy koa????
156. RBNIR ( 22/08/2016 13:37)
Nampian'i Jesosy hoe : « Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana), » (Jaona 10:35)

Raha ireny (olona ange ireo e)
157. tealala ( 22/08/2016 13:42)
Mamakia ianao Zohar, na mianara koa Talmud na hébreu mihitsy dia jereo tsirairay ny zavatra teneni'io boky io.
158. tealala ( 22/08/2016 13:47)
http://sefarad.org/parashat.php/id/157/
159. RBNIR ( 22/08/2016 13:55)
Tsy dia mila mandalina loatra isika tealala an, i paoly izay fatrapanohitra (tahaka anao) ary efa lasa alavitra dia alavitra tamin'ny fandalinana ny soratra masina no nilaza tahaka izao rehefa nisehoany tamin'ny voninahiny...« Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy; » (Filipiana 3:8)


Raha hiezaka ihany aho dia hiezaka mafy ao amin'i Kristy fa tsy handany andro na fotoana amin'aloka.......

Ny taloha dia tandindona fa ao amin'i Kristy no tanteraka avokoa ireo zavatra rehetra.....
160. RBNIR ( 22/08/2016 13:58)
Raha hanadio ihany aho dia hodioviko tsara avokoa hatrany anatiny fa tsy ataoko madio ivelany tahaka amin'ny fariseo sy ny mpanoradalana fotsiny ihany.....

« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Matio 23:25)


Tsy misy afatsy ny ran'ILAY ZANAK'ONDRY ihany no manadio ny ao anaty ao.....

« fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; » (1 Petera 1:19)
« Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza. » (Apokalypsy 12:11)

Mialatsiny fa tsy handany andro amin'izany mihitsy aho ary taomiko ny namana kristianina rehetra tsy handany andro amin'izany fa hikezaka mafy kosa ao amin'i Kristy Jesosy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.1342