Testamenta vaovao/Testamenta taloha

81. RBNIR ( 20/08/2016 17:51)
Nanda in-telo i petera......tsy nanafina koa ny baiboly......

Tsy amboamboarina fa lazaina araka ny zava-nisy marina........

Raha ny olona no diso tsy misy idiran'Andriamanitra izany na kely aza, raha i etiena no nampifangaro tsy ny testameta vaovao izay natao araka ny fitarihanan'ny Fanahin''Andriamanitra no disoina....
82. RBNIR ( 20/08/2016 17:53)
Dia ahoana koa ry tealala, inona koa no mbola hanankiananao ny testameta vaovao????

Ho hitanao miharihary fa tsy misy kilema io......
83. tealala ( 21/08/2016 06:07)
Fa tena tsy tsikaritry ny profeta anareo tao mihitsy mo izany izy io? Dia tsy mba nahalala nanitsy mihitsy izany i Jesoa ho an'i Herinirina :-D fa dia silamo no noteneniny angamba hoe i Etienne no nandiso hi3!!! i Herinirina angamba tsy mahafantatra ny fisian'io diso io akory :-D mba anontanio anie e, fa raha izaho ianao dia mivadika silamo indray aho fa toa zareo no nahita ilay diso ko mety zareo no tena niresahan'i Jesosy angamba
Ny source nao manko tena masaky miteny izao : "nous n’avons honte de vanter Usama Ben Laden rahimuAllah pour ce qu’il a fait de bien pour notre communauté " dia tsy haiko ianao raha tena hino ny lazainy ao na ny an'i Herinirina :-D.
Actes 7.55
Mais Etienne, rempli du Saint-Esprit, et fixant les regards vers le ciel, vit la gloire de Dieu et Jésus debout à la droite de Dieu....fa anaky firy ihany ilay Andriamanitra e? ary zanak'i Davida ilay ao ankavia sa i Davida ilay ankavanana amin'io? aiza ho aiza ilay maha zanak Davida an Andriamanitra? aiza ho aiza ilay maha zanak'i Josefa an'i Jesosy?
(Tena raha izaho ianao mivadika silamo aho, ny baiboly katolika ny manazava hevitra silamo :-D, inona ihany izany e ny fomba Jiosy..Mety ho bouddhiste koa no farany :-D)
84. RBNIR ( 21/08/2016 07:28)

tealala:

Tsy misy fanitsina tokony ho entina eo ry tealala a!!! mitatitra ny zava-nisy "marina" ny baiboly, .....Raha manitsy izy dia izay ilay hoe fanafenana ny marina....
85. RBNIR ( 21/08/2016 07:31)
Izay ilay fampianarana tsy misy kilema (tsy amboamboarina) ....na koa sarotsaronana fa ny marina no aseho....

Anjaran'ny tsi11 kosa no mandray ....

Averiko hatrany Andriamanitra v no diso raha ohatra ka nandainga Abrahama fa anabaviny ilay vadiny?????

86. RBNIR ( 21/08/2016 07:33)
Ny fahitana an'izay v dia ampy hitsarana fa tena mpandainga koa Andriamanitra????

Alefaso lavitra ny fisainana e.....

Inona indray ary ny manaraka hitsaranao fa diso ny testameta vaovao fa ho hitanao fa misy fanazavana azy daholo io.....

Sa tapitra sahady????
87. RBNIR ( 21/08/2016 07:50)
Raha mikasika ilay hoe firy Andriamanitra dia izao:

1 Vao namoronona ny olombelona Andriamanitra dia izao no nolazainy : « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ;...... » (Gen.1:26)

Andeha "isika" fa tsy hoe Andeha "Aho".....

Ny mpamorona araka izany eto dia tsy tokana fa miohatra ny anankiray.....

2 Taloha dia efa nambara fa hisy Andriamanitra ho avy.....« Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana. » (Isaia 9:5)

3 Nebokadnezara mpanjaka dia efa nampahitana Azy ihany koa....« Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. » (Dan. 3:25)

4 I daniela koa dia efa nampahafantarina ny momba Azy.....« Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky. » (Dan.12:1)

88. tealala ( 21/08/2016 10:20)
"Tsy misy fanitsina tokony ho entina eo ry tealala a!!! mitatitra ny zava-nisy "marina" ny baiboly, .....Raha manitsy izy dia izay ilay hoe fanafenana ny marina...."
Iza no manafina ny tena marina ary? I Herinirina ary ve hoy aho mahalala soratra diso io?
Efa nanontanianao ve izy hoe ahoana ny fahitanao ity diso ty sa tonga dia homenao sopapa kely hoe i Etienne no tsy nahay nandika?
"Izay ilay fampianarana tsy misy kilema (tsy amboamboarina)"
Ninina natao diso izany ilay voasoratra?
"Ny mpamorona araka izany eto dia tsy tokana fa miohatra ny anankiray....."
Maromaro izy izany a.
Ireo verset sasany noteneninao ireo dia tsy Jesosy no resahiny..
Ary manomeza porofo fa nanatanteraka prophétie messianique i Jesosy.
89. tealala ( 21/08/2016 12:47)
Tena hafa mihitsy ny finoanao ry RBNIR a, na ianao aza ve tsy mba mamaky izay voasoratrao eo?
Mino an'i Pasitera ianao fa miresaka amin'i jesosy izy anefa izy mivoy an'ilay zavatra diso voasotra ao anatin'ilay boky izay lazainy fa tsy misy diso io tsy misy kilema io, ianao eto mahita fa diso i Etienne izy tsia.. iza ihany no harahinao e?
90. RBNIR ( 21/08/2016 13:58)

tealala:

"Tsy misy fanitsina tokony ho entina eo ry tealala a!!! mitatitra ny zava-nisy "marina" ny baiboly, .....Raha manitsy izy dia izay ilay hoe fanafenana ny marina...."
Iza no manafina ny tena marina ary? I Herinirina ary ve hoy aho mahalala soratra diso io?
Efa nanontanianao ve izy hoe ahoana ny fahitanao ity diso ty sa tonga dia homenao sopapa kely hoe i Etienne no tsy nahay nandika?
"Izay ilay fampianarana tsy misy kilema (tsy amboamboarina)"
Ninina natao diso izany ilay voasoratra?
"Ny mpamorona araka izany eto dia tsy tokana fa miohatra ny anankiray....."
Maromaro izy izany a.
Ireo verset sasany noteneninao ireo dia tsy Jesosy no resahiny..
Ary manomeza porofo fa nanatanteraka prophétie messianique i Jesosy.

1 Tsy misy diso hoy aho ny voasoratra ao amin'ny asan'ny apostoly 7 fa "citation 'izay nolazain'i etiena no ao....
maniona ianao no mandray ny testameta taloha nefa i Abrahama nandainga in-droa (fa tsy mba indray mandeha) momba ilay vadiny????

Davida ilay nahatokisana nanota ary nampamono ny vadin'olona mba hangalany ny vadiny????

Satria fantatrao tsara fa tsy misy idiran'Andriamanitra velively raha manota ny mpanompony iray......Tsy mampiova ny maha tsy misy kilema an'Andriamanitra ny ditran'ny mpanompony rehetra.....

Dia otran'izay io.....fa tsy hoe rehefa testameta taloha dia ekena fa rehefa testameta vaovao dia lavina.....

2 ity dia ampy atao porofo fa tsy misy ankoatran'io....« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isaia 7:14)

Ny anjely nirahina ho ao amin'i Josefa no nanamafy an'io......

« Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. » (Mat.1:19)
« Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, » (Mat.1:20)
« ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] » (Mat.1:21)
« Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] » (Mat.1:22)
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Mat.1:23)
91. tealala ( 21/08/2016 14:21)
"ity dia ampy atao porofo fa tsy misy ankoatran'io....« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isaia 7:14)"
Isaia 7:14 Miresaka zaza teraka tokoa io, fahaterahana hafa mihitsy satria ho toy ny mpanjaka io zaza io (Hihinana hero-dronono sy tantely izy) anefa zareo an tany miady ny sakafo efa vitsy sns, ary io zaza io no handeha hiady angamba izy izay (tsy dia tadidiko loatra ilay fanazavana izay fa izay no resahina amin'io fa tsy jesosy)
Jesosy tsy nahatanteraka prophétie messianique mihitsy
92. tealala ( 21/08/2016 14:25)
Porofo tsy zanak'i Davida akory aza izy
93. tealala ( 21/08/2016 14:39)
Immanouel = Dieu est avec nous
dia nadikan'ny kristianina hoe miaraka amitsika tokoa andriamanitra fa io efa lasa olona io izy.
94. tealala ( 21/08/2016 15:03)
"Izay ilay fampianarana tsy misy kilema (tsy amboamboarina) ....na koa sarotsaronana fa ny marina no aseho...." nasehony ve ilay marina, tsy maints hoe i Etienne no mahazo loza rehefa mandiso e :-D, fa i Herinirina mamoy an ilay diso teo aloha foana
Averiko hatrany Andriamanitra v no diso raha ohatra ka nandainga Abrahama fa anabaviny ilay vadiny?????
Tsy fantatrao angaha i Abrahama hoe nandainga t@ io? ary hainao ve ny antony nandaingany t@ io?
fa i Etienne ve fantatrao hoe nandiso raha tsy nolazaiko anao? Ary fantatr'i Herinirina ve fa misy "Diso" ny boki toriany aminao?(mba valio amin'ny fo madio) eny/tsia
95. RBNIR ( 21/08/2016 17:37)

tealala:

Immanouel = Dieu est avec nous
dia nadikan'ny kristianina hoe miaraka amitsika tokoa andriamanitra fa io efa lasa olona io izy.

Diso tsy hoe miaraka amitsika tokoa andriamanitra fa hoe « Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Mat.1:23)

Amintsika Andriamanitra no tena marina.....

96. RBNIR ( 21/08/2016 17:37)
Izy io ange ry tealala tsy hoe atao amin'izay tianao azy e, fa araka izay tena izy ihany.....
97. RBNIR ( 21/08/2016 17:40)
tealala:

fa i Etienne ve fantatrao hoe nandiso raha tsy nolazaiko anao? Ary fantatr'i Herinirina ve fa misy "Diso" ny boki toriany aminao?(mba valio amin'ny fo madio) eny/tsia

Efa voavaly fa tsy misy diso ao fa "citation" no ao....ka raha diso ilay citation dia tsy ilay boky akory no diso.....
98. tealala ( 21/08/2016 17:53)

RBNIR:

tealala:

Immanouel = Dieu est avec nous
dia nadikan'ny kristianina hoe miaraka amitsika tokoa andriamanitra fa io efa lasa olona io izy.

Diso tsy hoe miaraka amitsika tokoa andriamanitra fa hoe « Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Mat.1:23)

Amintsika Andriamanitra no tena marina.....

Etymologie de Emmanuel
Vient de l'hébreu "immanouel" Signifie : "Dieu avec nous" Se fête le 25 décembre.
hébraïque : de Immanouel, Dieu avec nous.
Les dérivés sont :
Emanuel, Emmanuella, Emmanuelle, Manuel, Manu
"en nous" izy raha hoe "amintsika"
avec nous=miaraka amitsika
99. tealala ( 21/08/2016 17:55)
http://www.prenoms.com/prenom/signification-prenom-EMMANUEL.html io no rohy nahitako io anarana io
100. RBNIR ( 21/08/2016 17:58)
Izao no nataon'i Jehovah Tompon'ny maro....« [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe.3:1)

IZY HIJANONA HITOETRA ANY AN-DANITRA NEFA HOY IZY HANDAKA NY FANAHIKO AMIN'NY NOFO REHETRA AHO!!!

IZA MARINA IZY??? ARY IZA MARINA ILAY FANAHINY IZAY HALATSANY ATY ARY HALATSANY TOY NY RIAKA??? IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

vakio ny Isaia....« Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao; » (Isa.44:3)

F'ANGAH TSY HOE TOKANA IZY KA AHOANA INDRAY IZANY FANAHY HALATSAKA IZANY

Alatsaka aiza io Fanahy io???? « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo,......» (Ezekiela 36:27)

Imanoela = Amintsika Andriamanitra.....Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo....

Tena Jesosy marina v io Fanahy io???? « Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17)

« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; ......» (Gal.2:20)

Izany no secretn'ny fiainana mandrakizay FANAHIN'ANDRIAMANITRA VELONA AO ANATY MANOVA NY FON'NY OLONA IRAY HANDEHA ARAKA NY LALAN'ANDRIAMANITRA....LASA OLOMBAOVAO.....IO FANAHY IO DIA TSY IZA FA I KRISTY IHANY ...

Ny tsy fantatry ny jiosy dia 1 ihany no voatondro handatsaka an'io dia tsy iza fa i Jesosy irery ihany.....« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Mat.3:11)

Voalaza fa hoe Andriamanitra no handatsaka ny Fanahy : eto ary dia fantaro fa io Andriamanitra io dia tsy IZA fa i Jesosy ihany IZY no hanao batisa amin'ny Fanahy Masina sy ny Afo...;;;

Koa n'iza n'iza tsy hino, dia hiandry vasoka ao marina tokoa izy.......

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9555