Testamenta vaovao/Testamenta taloha

101. tealala ( 21/08/2016 18:01)
"Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14),"
io efa noresahina fa "Alma" no voasotra ao anaty Torah izay midika hoe "jeune fille", mety ho virjiny mety tsy ho virjiny, ary ny "bethulah" no midika hoe virjiny.
Dia efa hiaraha mahalala fa rehefa manala zavatra iray ao anaty Torah ianao dia melohina satria soratra masina io amin'ny jiosy, i jesosy dia jiosy.
102. tealala ( 21/08/2016 18:07)
"IZY HIJANONA HITOETRA ANY AN-DANITRA NEFA HOY IZY HANDAKA NY FANAHIKO AMIN'NY NOFO REHETRA AHO!!!" (Culte de Baal) :-D
103. RBNIR ( 22/08/2016 05:43)

tealala:

"IZY HIJANONA HITOETRA ANY AN-DANITRA NEFA HOY IZY HANDAKA NY FANAHIKO AMIN'NY NOFO REHETRA AHO!!!" (Culte de Baal) :-D

Culte de Baal???? « [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe.3:1)

Fa iza no niteny an'io teny io????

Zavatra efa fanaon'Andriamanitra Fahiny io fa naverina indray,
Taloha ny Fanahin'Andriamanitra dia efa nanapaka tao anatin'ny olona, saingy nisy fotoana nanapakevitra IZY fa....
« Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. » (Gen.6:3)

Nanomboka teo dia olona tsongaina sisa no tena hilatsahan'ny Fanahin'i Jehovah : mpaminany sns.....

Tato ohatra dia nisy mpaminanin'i JEHOVAH (fa tsy mpaminanin'i Baal) nilatsahan'ny Fanahin'i Jehovah niaraka tamin'ny mpanjaka Saoly : « Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy. » (1 Sam.10:10)

Apetraho ary ny fanontaniana hoe inona ary ilay Fanahin'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saoly sy ireto mpaminany nefa ilay JEHOVAH Tompon'ny maro mbola tany an-danitra tany ihany koa?????




104. RBNIR ( 22/08/2016 05:47)
Tandremo fa izao no nolazain'i Jesosy an....« fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Marka 3:29)

Koa TANDREMO TANDREMO TANDREMO fa ny ota rehetra (otran'ny nataon'i etiena, petera, sns....mbola hahazo famelankeloka ihany fa ny MITENY RATSY NY FANAHY MASINA KOSA DIA VITA TANTERAKA NY AMINY!!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!


105. tealala ( 22/08/2016 06:54)
"Culte de Baal????" fiheverana fa any an-danitra any no misy an Andriamanitra fa tsy eto an tany izy (tafiditra anatin'izany ny fanompona andriamanin-kafa izay lazainao izay ianareo anatiny "Tandremo fa izao no nolazain'i Jesosy an" andriamanin-kafa io.) ianaoreo tsy hoe baal fa ilay idéologie no voizina.
Ny Machiah na mesia tsy andriamanitra, Davida aza no rainy i jesosy hafa no rainy fa tsy Josefa izay lazaina fa taranak'i Davida.
Nangataka taminao aho hoe inona ilay prophétie messianique nataon'i jesosy fa tsy novalinao.
106. tealala ( 22/08/2016 07:46)
Mba tsatohy anie hoy aho i Pasiteranareo izay miresaka amin'i Jesosy e, anontanio azy ireo diso ireo fa tsy maintsy hiteny izy hoe tena marina izany anao izany ry RBNIR dia lazainy fa ny fanahy masina no nihiditra taminao nanitsy ny masonao ao, anefa za no nanome sopapa anao.
107. tealala ( 22/08/2016 08:10)
"1 Tsy misy diso hoy aho ny voasoratra ao amin'ny asan'ny apostoly 7 fa "citation 'izay nolazain'i etiena no ao...." hahahaha!!! marina daholo izany izay voasotra ao amin'ilay izy ao fa ny TT no diso?
I Etienne marina moa izany nandika vilana sa ilay fanahy masina nilatsaka tao nanosika azy hanoratra no nanafina ny marina?..mba fanahy masina tahaka ny inona aza izany ry RBNIR?
108. RBNIR ( 22/08/2016 08:51)
otranao mitantara ihany io dia avy eo mifangaro koa, tamin'ny voalohany izao ianao nampifandray ny genesisy sy ny asan'ny apostoly, dia rehefa nentiko teo i josoa vao nanomboka tonga saina ianao hoe kay tokoa moa misy an'iny koa????
Vakio tsara ange ny post nao voalohany e...
109. RBNIR ( 22/08/2016 09:05)
Hoy i tealala hoe : (izany hoe noheveriny koa fa mifandray ny jenezy sy ny asan'ny apostoly ka nampitoviany.....

Manaiky ianao izany hoe Andriamanitra no nanao io matoa miteny fa "Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra".
Iza aza no hinoanao amini'ireto : Ny Toerana nandevenana an'i Abrahama
Testamenta Taloha : Jenezy toko 25, 9
9Nalevin'Isaaka sy Ismaely zanany izy, tao amin'ny zohy any Makpela, amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Seora, Heteana, tandrifin'i Mambre,
Ny Asan'ny Apostoly : 7, 16
16 Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hemora tany Sikema.
Andriamanitra ve izany manao hadisoana tahaka izao ry RBNIR?
110. RBNIR ( 22/08/2016 09:09)
tealala:

Nangataka taminao aho hoe inona ilay prophétie messianique nataon'i jesosy fa tsy novalinao.


Efa voavaly fa ianao tsy nandray an, ny anjely no nanambara fa i Jesosy no ilay nandrasana tao amin'ny Isaia 7...

I Josefa no voafidin'Andriamanitra hanambara izany....


« Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. » (Matio 1:19)
« Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, » (Matio 1:20)
« ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] » (Matio 1:21)
« Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] » (Matio 1:22)
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Matio 1:23)
« fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Marka 3:29)


Io no porofo manamarina fa i Jesosy marina tokoa ilay nandrasana...
111. tealala ( 22/08/2016 09:53)
Ao amin'ny bokin'i Josoa izy Jakoba no nividy, ao amin'ny asan'ny apostoly i Abrahama
112. tealala ( 22/08/2016 10:00)
Isaia 7 io ilay efa noresahina t@ le resaka tsy i Jesosy io noresahina io.
Isaia 7:14 Miresaka zaza teraka tokoa io, fahaterahana hafa mihitsy satria ho toy ny mpanjaka io zaza io (Hihinana hero-dronono sy tantely izy) anefa zareo an tany miady ny sakafo efa vitsy sns, ary io zaza io no handeha hiady angamba izy izay (tsy dia tadidiko loatra ilay fanazavana izay fa izay no resahina amin'io fa tsy jesosy)
113. tealala ( 22/08/2016 10:15)
Amin'ny fampianarana izay haraiko dia misy ny milaza fa mahafantatra ny tena rain'i jesosy, t@ izany andro izany dia tsy tafaraka i Josefa dia nalehany i Maria, ka noho niverina izy efa nitoe-jaza i Maria ka nilaza fa ny fanahy masina no nahatonga izay.. tsy haiko tsara ilay tantara fa tsy nisy olona teo na dia iray aza nanaporofo izany fa ny fantatra dia tora-bato no mihatra amin'ny vehovavy mijangajanga satria mbola teo ny 2ème temple...
Sady raha ny testamenta anareo dia tsy mitombona intsony ilay hoe zanak'i Davida ny messia :-D
114. tealala ( 22/08/2016 10:57)
Sa ve diso i Matio nanoratra fa natsangan'ny taranak'i Davida jesosy fa tsy tena zanak'i Davida ara-nofo izy? sa io koa ilay marina miafina :-D?
115. RBNIR ( 22/08/2016 11:24)
Voalohany, i Josefa tsy adala fa afaka dia afaka tokoa izy nisaotra an'i Maria......Raha toa ka hitany marina fa efa tsy nadio intsony i Maria....Ary tsy manameloka an'i Josefa mihisy ny lalàn'Andriamanitra amin'izay fotoana izay.......

Faharoa, ity koa porofo mivaingana,

raha nandainga i Jesosy dia tsy ho natsangan'Andriamanitra velively mihitsy IZY......

Izao anefa ireto dia misy olona "samihafa" nisehoany rehefa nitsanga tamin'ny maty IZY......


« [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy] » (Mar.16:9)



« Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio* raha any Jerosalema.[*Na: Roa ambin'ny folo kilometatra] » (Lioka 24:13)
« Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy. » (Lioka 24:14)
« Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy. » (Lioka 24:15)
« Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy. » (Lioka 24:16)
« Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo ety am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. » (Lioka 24:17)
« Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala* izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?[* Na: Vahiny mitoetra irery angaha Hianao any Jerosalema ka tsy mahalala] » (Lioka 24:18)
« Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, » (Lioka 24:19)
« dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana. » (Lioka 24:20)
« Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany. » (Lioka 24:21)
« Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy, » (Lioka 24:22)
« ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy. » (Lioka 24:23)
« Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany. » (Lioka 24:24)
« Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany. » (Lioka 24:25)
« Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny? » (Lioka 24:26)
« Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra. » (Lioka 24:27)
« Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa. » (Lioka 24:28)
« Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera aty aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy. » (Lioka 24:29)
« Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy. » (Lioka 24:30)
« Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany. » (Lioka 24:31)

« Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jaona 20:19)
« Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. » (Jaona 20:20)
« Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. » (Jaona 20:21)


Karazan'olona samihafa ireo : nijoro vavolombelona ny amin'ny fitsanganan'i Jesosy avokoa....


Fa mba hahamafy orina azy dia nifidy olona 1 hafa ihany koa Andriamanitra (Saoly, ilay mpanenjika an'i Jesosy fahiny) ary nisehoany sy nampianariny ihany koa....

« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asan'ny Apostoly 9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asan'ny Apostoly 9:5)


Ary ankehitriny dia mbola mifidy olona hatrany koa IZY.......

http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

Raha tsy natsangana i JESOSY dia voaporofo fa mpandainga IZY....Izay no anton'ity teny ity...
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Korintiana 15:14)


Ka io no porofo lehibe indrindra.....
116. RBNIR ( 22/08/2016 11:37)

tealala:

Amin'ny fampianarana izay haraiko dia misy ny milaza fa mahafantatra ny tena rain'i jesosy, t@ izany andro izany dia tsy tafaraka i Josefa dia nalehany i Maria, ka noho niverina izy efa nitoe-jaza i Maria ka nilaza fa ny fanahy masina no nahatonga izay.. tsy haiko tsara ilay tantara fa tsy nisy olona teo na dia iray aza nanaporofo izany fa ny fantatra dia tora-bato no mihatra amin'ny vehovavy mijangajanga satria mbola teo ny 2ème temple...
Sady raha ny testamenta anareo dia tsy mitombona intsony ilay hoe zanak'i Davida ny messia :-D


Misy olona mijoro vavolombelona aminao v ry tealala milaza fa velona i Jesosy ankehitriny, ary efa maro koa no maty maritiora fahiny nijoro vavolombelona fa tena velona i Jesosy dia aleonao tantara "tsy hainao tsara" no hitokian'ny fonao nefa fiainana mandrak'izay sy afobe no resahina????
117. tealala ( 22/08/2016 11:42)
Ka diso izany ny Testamenta taloha nanao hoe taranak'i Davida no Mesia ry RBNIR?
118. tealala ( 22/08/2016 11:51)
Diso ve ny testamenta taloha, raha ka tsy namerina ny jiosy rehetra i jesosy, fa vao maika exilé manerana ny vaza-tany efatra?
119. RBNIR ( 22/08/2016 11:51)
Tsy misy diso na ny testameta taloha na ny vaovao.....
120. tealala ( 22/08/2016 11:52)
http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe
Profeta tsy mahalala izay diso ao anatin'y zavatra toriany akory..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4753