Testamenta vaovao/Testamenta taloha

321. tealala ( 04/09/2016 06:37)
Satria dia raha ny fampianarana harahiko dia ny kristianisma (izay Esao rahalahin'i Jakoba dia tsy noforaina noho ny aretina nahazo azy, dia noho ny efa afaka nifora izy dia nisafidy ny tsy hanao izany intsony) tsy mifora
322. RBNIR ( 04/09/2016 06:53)
tealala:

"nanan-tsiny izany fanekena voalohany"
Dia inona avy ilay nisy tsiny?


Ity no tsininy namana tealala....« Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. » (Hebreo 10:4)

Inona no maha-zava dehibe ny fanesorana ny ota???

1 inona no atao hoe OTA? « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jaona 3:4)

OTA = Fandikana ny lalàn'Andriamanitra

Izay itoeran'ny ota lasa mpanota (mpandika lalàn'Andriamaitra)

Satria nahoana???

2 Inona no asan'ny ota ao anatin'ny olona???

« Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17). » (Romana 7:7)
« Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna. » (Romana 7:8)
« Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho. » (Romana 7:9)
« Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa. » (Romana 7:10)
« Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy. » (Romana 7:11)
« Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara. » (Romana 7:12)
« Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna. » (Romana 7:13)
« Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota. » (Romana 7:14)

Ny ota no manetsika ny fitsiriritana rehetra ao anaty.....

3 Na dia manana fikasana tsara aza ny olona dia andevozin'ilay ota ka tsy manantsafidy fa manao ny ratsy hatrany....

« Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko. » (Romana 7:15)
« Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna. » (Romana 7:16)
« Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko. » (Romana 7:17)
« Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. » (Romana 7:18)
« Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. » (Romana 7:19)
« Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. » (Romana 7:20)

Amin'ny ankapobeny ny olona rehetra manana fikasana hanao ny tsara saingy andevozin'ilay ota ao anatiny izy dia tsy mahatanteraka ilay sitrapon'Andriamanitra.....

NY ATAO HOE FAMONJENA DIA TSY INONA FA NY FANESORANA AN'IO OTA IO AO ANATIN'NY OLONA IRAY....
NY ATAO HOE OLOM-BOAVONJY DIA OLONA EFA NATAO HO AFAKA AMIN'NY FANANDEVOZAN'NY OTA....

Oviana no niditra tamin'ny olona io ota io?

Nanomboka tamin'ny fandikana lalàna voalohany indrindra...« fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo. » (Genesisy 3:3)

« Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy. » (Genesisy 3:6)

Iza avy no misy an'io ota io?

« Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; » (Romana 5:12)


Adama sy ny taranany rehetra (héréditaire ilay ota)

Iza ary inona no mahaisotra ny ota?...
1 « Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, » (Efesiana 1:7)

2 « Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)

Fehiny : fanekena taloha : ràm-biby no nampiasaina (tsy mahaisotra ny ota)....
Fanekena vaovao : ny Ran'i Jesosy ilay hany tokana mahaisotra ny ota.....
















323. RBNIR ( 04/09/2016 06:55)
tealala:

Ianareo izany ve mifora sa tsia?

Ny fiforana afaka atao noho ny antony ara-pahasalamana, fa tsy miantoka intsony kosa ny fidiran'ny olona na tsia any amin'ilay fiainana mandrakizay...
324. RBNIR ( 04/09/2016 07:05)
tealala:

Satria dia raha ny fampianarana harahiko dia ny kristianisma (izay Esao rahalahin'i Jakoba dia tsy noforaina noho ny aretina nahazo azy, dia noho ny efa afaka nifora izy dia nisafidy ny tsy hanao izany intsony) tsy mifora

Ary dia tena misy mamahana lainga mihitsy ange ianao izany tealala e......
325. RBNIR ( 04/09/2016 07:06)
Izay ilay ataoko hoe manana maso ange isika hamakiana ny Soratra Masina e!! Tsy hoe rehefa lazain'i rakoto na i rabe dia marina avokoa fa ianao manana ny Soratra Masina hitsaranao azy....
326. tealala ( 05/09/2016 03:05)
Ary dia tena misy mamahana lainga mihitsy ange ianao izany tealala e...... Ie mety i Etienne angamba no mampianatra ahy na i Herinirina :-D izay omena ampahafolony isambolana amin'ny fampielezana ny fampianarany ny soratr'i Etienne.
Hebrio io teny io ry RBNIR a fa tsy latin na grika ka hainao tahaka ny testamenta vaovao ny mamaky azy :-D..
Mba fantatrao ve izao no dikan'izao : Jenezy toko 32 14osivavy roan-jato, osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato, ondrilahy roa-polo, 15rameva mitaiza am-pianahany telo-polo, sy ny zanany, ombivavy efa-polo, ombilahy folo, ampondravavy roa-polo, ary zanak'ampondra folo. ?
mba hazavao araky ny fampianaran'i Herinirina sy ny soratr'i Etienne hoe
327. RBNIR ( 05/09/2016 05:22)

tealala:

Ary dia tena misy mamahana lainga mihitsy ange ianao izany tealala e...... Ie mety i Etienne angamba no mampianatra ahy na i Herinirina :-D izay omena ampahafolony isambolana amin'ny fampielezana ny fampianarany ny soratr'i Etienne.
Hebrio io teny io ry RBNIR a fa tsy latin na grika ka hainao tahaka ny testamenta vaovao ny mamaky azy :-D..
Mba fantatrao ve izao no dikan'izao : Jenezy toko 32 14osivavy roan-jato, osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato, ondrilahy roa-polo, 15rameva mitaiza am-pianahany telo-polo, sy ny zanany, ombivavy efa-polo, ombilahy folo, ampondravavy roa-polo, ary zanak'ampondra folo. ?
mba hazavao araky ny fampianaran'i Herinirina sy ny soratr'i Etienne hoe

Azavao aloha ny tianao hahatongavana fa tsy mazava, efa voavaliko ilay nanontanianao, inona no ifandraisan'ny teo aloha amin'ity fanontanianao manaraka ity....Ny lohahevitra hatreto aloha dia hoe Testamenta vaovao/Testamenta taloha sa tsy maniona fa hivoaka HS kely isika manomboka hatreto...
328. tealala ( 05/09/2016 05:38)
tsotra kely: ny Torah en hebreux no nanomezana azy misy hafatra ampitainy tahaka io notsongaiko ambony io..
ny TV grika io be diso be io tsy misy hevitra ambadika lazainy..nandrava ny fifanekena t@ Abrahama.
329. stahtam ( 05/09/2016 05:52)

[quote=rhaj0]
... ireto ohatra ny fanontaniana atolotro mba tiako ho halalinintsika :

1-ny mpanaradia an'i Yeshua ve no milaza an'io fanambarana io sa i Yeshua mihitsy ?
2-araky ny hevitsika, nijanona ho Jiosy ve i Yeshua fony fahavelony ( fanarahana ny Lalànan'ny Mosesy, ny fomba amam-panao samihafa tahakan'ny famorana , fanajana ny sabata , ny tsy fihinana ny hanina voarara , fandehanana any amin'ny synagoga ...) sa nivadika lasa nanangana "fifanekena vaovao" ?
3-hoviana no mety nanoratana an'io "epistily ho an'ny Hebreo" io ?
4-iza no nanangana ny finoana kristiana (fisarahana amin'ny finoana jiosy ) ary hoviana no nisaraka ireo finoana roa ireo ? ..........................

ary farany, araky ny hevitsika :
5-jiosy ve i Yeshua sa kristiana ?

[quote=stahtam]
Ny hoe hevitsika sy hevitro moa sarotra be ny hiady hevitra @ izany fa avoakako aloha izay hitako, dia manaporofo izay liana @ ilay izy:
1°) Ny mpanoratra ny boky hebreo dia tsy fantatra hoe iza fa tombatombana no betsaka ka atao ahoana no fino boky tsy hita izay nanoratra azy nefa misy appartenance @ finoana resahina ao anatiny?
2°) Ka ilay fanekena vaovao mihitsy no natao ho an'ny Jiosy sy ny Israely (Jeremia 31/31) ka sarotra be ny hino hoe olona tsy Jiosy no hanatanteraka izany fanekena vaovao izany. Azo hazavaina misimisy kokoa raha tsy mahafa-po.
3°) Tombantombana angamba no mety ho azo atao ka samy manana izay famakafakany ny tsirairay.
4°) ny fanjakana Romana no nanao izany satria te-hampiray ny fivavahana maneran-tany ho eo ambany fahefany izy (antony ara-politika) ka t@ alalan'ireo Conciles marobe t@ taona 300 sy 400 tany ho any no nanovany sy nanasarahany azy ireo tsikelikely. Azo jerena @ internet ihany ny fanampin'izany (Encarta 2009 ohatra...)
5°) Lazaiko: Judaiste raha ilay Mesia andrasan'ny Jiosy. Porofo: ny musulman ihany no mahay mivavaka any @ mosquée, ny boudhistes ihany no mahay mivavaka anaty temple de moines, ny Judaistes ihany no mahay mivavaka any @ synagoga sy Tempoly misy Kohen.
330. RBNIR ( 05/09/2016 05:58)

tealala:

tsotra kely: ny Torah en hebreux no nanomezana azy misy hafatra ampitainy tahaka io notsongaiko ambony io..
ny TV grika io be diso be io tsy misy hevitra ambadika lazainy..nandrava ny fifanekena t@ Abrahama.

Normal be ny zava-nisy,
Taloha dia ny vahoakan'Israely irery no tena azo lazaina ho olon'Andriamanitra, lojika, nosoratana tamin'ny teny hebreo ny TT,

Jesosy dia nirahina ho an'ny Jiosy saingy saingy.....« Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. » (Jaona 1:11)

Dia nisokatra tamin'ny jentilisa ny fon'Andriamanitra.....Lojika be raha ny jentilisa indray kosa no manorantra ny TV...

Ary na ny marina tsy hitako izay tokony mbola hahasarotiny an'ny Jiosy an'izany satria ny Jiosy aza efa "TSY NANDRAY AZY"....
331. RBNIR ( 05/09/2016 06:30)
Salama indray lahindroy (zfdy) stahtam mantsy e! ela ela tsy hita izy izany namana an!!
332. RBNIR ( 05/09/2016 09:27)
tealala:

Mba fantatrao ve izao no dikan'izao : Jenezy toko 32 14osivavy roan-jato, osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato, ondrilahy roa-polo, 15rameva mitaiza am-pianahany telo-polo, sy ny zanany, ombivavy efa-polo, ombilahy folo, ampondravavy roa-polo, ary zanak'ampondra folo. ?

Dikanteny nalaiko tato ity tealala.....http://www.sefarim.fr/

14 Il établit là son gîte pour cette nuit et il choisit, dans ce qui se trouvait en sa possession un hommage pour Ésaü son frère: 15 deux cents chèvres et vingt boucs, deux cents brebis et vingt béliers; 16 trente chamelles laitières avec leurs petits, quarante vaches et dix taureaux, vingt ânesses et dix ânes.

Tsy dia ilaina mpanompon'Andriamanitra loatra satria rehefa vakiana dia mazava be ara-bakiteny,

Nikendry ny hamitrapihavanana amin'i Esao i Jakoba, nanomana "présent" ho an'i Esao izy mba hampitony ny hatezeran'i Esao aminy.....nataony antokony ny présent, rehefa tamy i Esao dia mahita présent isankarazany,

Tsy misy dikany miafina fa dia tena ara-bakiteny, "présent nomanin'i Jakoba ho an'i Esao ireo....
333. tealala ( 05/09/2016 11:07)
misy dikany miafina io RBNIR a
satria i Esau tia vehivavy loatra dia nandefa ireo biby ireo i Jakoba ho fampitahana ny toetran i Esao hoe misafidy amin irwo izy hoe inona amin ireo karazany ireo izy..provocation io no mesaage @ Zohar no misy an io
334. RBNIR ( 05/09/2016 11:27)
tsy maninona hevitrao izay fa ny famakiana baiboly aloha dia 2 ihany, raha ohatra ka zavatra réel (zava-misy amin'ny fiainana an-davan'Andro) no voalaza ao dia avy dia raisina ara-bakinteny ilay izy, (eto ohatra osy, ondry, omby sns...;

Raha ohatra kosa ka zavatra tsy réel (tsy misy amin'ny fianina an-davan'andro ohatra ilay sary olona lehibe voalaza ao amin'ny bokin'ny dan.2:1-35 dia manana heviny miafina fa tsy ara-bakinteny....

Nefa ny heviny miafina dia ny baiboly ihany no ahitana azy avy eo fa tsy hoe foronina na takarin'ny saina akory....

Raha mitady ny dikan'ilay (na ny hevitra) ilay sary olona lehibe ianao ohatra dia hitanao ao manomboka ny dan.2:36 ny heviny

Ka io moa ry tealala, na dia zavatra efa mazava sy tsotra aza no lazaina amin'ny olona iray rehefa tsy hino izy dia tsy hino ka akory atao e!
335. tealala ( 05/09/2016 11:42)
ka ny TT boky tantara sy jeografia aminareo ka
336. RBNIR ( 05/09/2016 11:55)

tealala:

ka ny TT boky tantara sy jeografia aminareo ka


Mitovy ianareo sy rhajo tsy mahazo resaka, raha miteny aho hoe ny soratra masina dia "mitantara" ara-bakiteny ny natao (na nolazaina) ny olona iray dia midika v fa lasa tantara ilay boky????
337. tealala ( 05/09/2016 12:02)

"mitantara" ara-bakiteny ny
natao (na nolazaina)
ianao izao no miteny an io
338. RBNIR ( 05/09/2016 12:05)
tealala:

"mitantara" ara-bakiteny ny
natao (na nolazaina)
ianao izao no miteny an io

Raha nanota abrahama ka "nandainga" fa sarah dia anabaviny, tsy nilaza nifanohitra an'izay ny baiboly na nihezaka nanafina fa dia notantarainy ara-bakiteny ny zavatra natao sy nolazain'i abrahama....Izay ilay hevitra tiana hampitaina fa tsy hoe lasa tantara akory ny baiboly.....
339. RBNIR ( 05/09/2016 12:08)
Fehiny izay nanoratra na koa nampanoratra ny baiboly dia "marina" sy mahitsy ary tsy manafina izay zava misy marina ary araka ny voasoratra moa dia misy dia misy ny fandraisan'Anjaran'ny Fanahy Masina tamin'ny fanoratana ireny "Soratra Masina ireny....« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
340. RBNIR ( 05/09/2016 12:09)
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3433