Testamenta vaovao/Testamenta taloha

401. stahtam ( 21/09/2016 08:43)

[quote=tealala]
Ka eo izao ianao manamafy fa mivadibadika amin'ny teniny ny andriamaniteareo izany hoe tsy ilay Andiamanitr'Israely sy Abrahama ilay omaly anio sy mandrakizay fa hafa mihitsy dia culte de baal
[quote=stahtam]
Ho sahirana eo ianao tealala! Raha zohinao ilay raisonnement(n'ilay zalahy io) dia hoe manomboka eo @ Josefa izany ilay fanekena vaovao e! (tsy misy intsony Jiosy na ...) fa tsy taorian'ny nahafaty ilay Mesia(ny). Fa andraso fa mbola hahazo versets boubaka be vaovao avy any aminy ianao raha tsy ampy anao ireo marobe teo aloha ireo!!! Marina ange izany e!
402. tealala ( 21/09/2016 08:58)
Ka eto anie hijerena ny fomb fijeriny fotsiny hoe ahoana ny hilazany fa TT dia mitohy @ TV e. Tokony hoe iray hatramin'ny farany ny zavatra voizin ireo.
Fa marina ny lazainao ka
403. tealala ( 21/09/2016 09:31)
Ny tsy takatr'i RBNIR dia ny Andriamanitr'Israely izay tsy andr zareo dia mila famantarana fizika noho fy fifanekena hataony izay tsy miova mandrakizay.
404. stahtam ( 21/09/2016 09:46)

[quote=tealala]
Ny tsy takatr'i RBNIR dia ny Andriamanitr'Israely izay tsy andr zareo dia mila famantarana fizika noho fy fifanekena hataony izay tsy miova mandrakizay.
[quote=stahtam]
Ka io ny origine ihany no fototry ny zavatra rehetra e! Avy aiza ny TV? Avy @ Romana (jentilisa) izay hanjanaka izao tontolo izao; ka ahoana no hahatafidirany ao anatin'io fivavahana io? Tsy maintsy holazainy fa tsy izy intsony izany resaka Jiosy sy tsy Jiosy izany; izany famorana sy tsy famorana izany; izany biby maloto sy madio izany; izany teny hebreo sy ny teny hafa izany; izany lahy sy vavy izany... dia hainao ny tohiny
405. tealala ( 21/09/2016 10:38)
Tena marina koa io voalazanao io a..apiko kely fotsiny @ maha grika romanina azy dia mbola tavela ilay hoe ny andriamanitra miterak @ olombelona mitologie e
406. RBNIR ( 21/09/2016 11:04)

tealala:

Tena marina koa io voalazanao io a..apiko kely fotsiny @ maha grika romanina azy dia mbola tavela ilay hoe ny andriamanitra miterak @ olombelona mitologie e

Izay ilay faly hanohitra fotsiny ry tealala.....
Testameta taloha ity.....« dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy. » (Gen.6:2)
407. RBNIR ( 21/09/2016 11:05)
Rehefa tsy fantatra ny dikany ary koa tsy takatry ny saina dia mangina aloha fa tsy avy dia manohitra e!!! tsy misy diso na mifanohitra ao amin'ny baiboly (=TT+TV) ao na 1 aza mahandrasa fa tsy maintsy hohazavaina (RAHA SITRAPON ANDRIAMANITRA)
408. tealala ( 21/09/2016 11:28)
http://www.torah-box.com/torah-pdf/torah/genese/6.html
ao @ io rohyio no mamaly io zavatra lazainao io dia manontania olona hanoro ny hoe "elohim" fa sao diso fandray tahaka ny isanandro.
az hadino mihits hoe hebrio io no novaina ka misy teny tsy hananana ny dikan teniny
409. tealala ( 21/09/2016 11:37)
f izany eo ihany fa ny fanazavanao ilay hoe mitovy ny TT /TV anefa ny iray miteny hoe naloaka ny kibo ny iray avy @ FM tsy mitombona a
410. tealala ( 21/09/2016 11:50)
Shmouel 2 7:12 Quand tes jours seront accomplis et
que tu reposeras auprès de tes
pères, j'établirai à ta place ta
progéniture, celui qui doit naître de
toi, et j'affermirai son empire.
7,13
C'est lui qui édifiera un temple en
mon honneur, et j'assurerai à jamais
le trône de sa royauté.
aiza ko ilay temple?
411. RBNIR ( 21/09/2016 12:00)
Hoy aho hoe tsy misy diso ary tsy mifanohitra fa mahandrasa fa misy fanazavana daholo ireny teny toy ny mifanohitra ireny.......


[url=http://forum.serasera.org/forum/message/m56a8c87ee9a9b/80#m56b25ca5c3a34Tato[/url] ohatra ny namantsika rhajo dia nitoky tamin'ilay theorie hoe supernova no miteraka ny trou noir....

dia nivoaka ho azy (afaka omaly ny valiny) misy koa ny atao hoe supernova raté izay miteraka ihany koa ny trou noir....voamarina ny faminaniana.......

Ka mahandrasa re ry tealala a, tsy maitsy hipoitra daholo ny marina e!

Fa izaho aloha dia fantatro INOKO SATRIA IZY DIA M...........AMIKO.......TSY NANDAINGA IZY FA KAY TENA VELONA MARINA TOKOA TAORIAN'NY NAHAFATESANY ARY DIA ISAO ANGE E!!! EFA HO 2000 TAONA MAHERY INDRAY IZAO NO NAHAVELOMANY INDRAY TAORIAN'NY NAHAFATESANY....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

P.S: IZY KOA TSY AZOKO FORCENA HOE AVY DIA LAZAO MBA LAZAO HONO HO FANTATRY TEALALA NY ANTONY TOA MAMPIFANOHITRA AN'IREO FA METY KOA ANGE I TEALALA MIHITSY NO ANDRASANY HINO SY HANETRY TENA EO ANOLOANY E!!!!
412. RBNIR ( 21/09/2016 12:07)

tealala:

Shmouel 2 7:12 Quand tes jours seront accomplis et
que tu reposeras auprès de tes
pères, j'établirai à ta place ta
progéniture, celui qui doit naître de
toi, et j'affermirai son empire.
7,13
C'est lui qui édifiera un temple en
mon honneur, et j'assurerai à jamais
le trône de sa royauté.
aiza ko ilay temple?

ka izay anga ilay dialogue de sourd e, amin'ny fanekena vaovao dia tabernakely tsy natao tanana intsony fa tabernakely dia afindra any an-danitra ary any JESOSY no misorona amin'izao fotoana izao....
« [Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any an-danitra] Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra, » (Hebreo 8:1)
« Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona. » (Hebreo 8:2)
« Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy. » (Hebreo 8:3)
« Koa raha ety ambonin'ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna, » (Hebreo 8:4)
« dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40). » (Hebreo 8:5)
« Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra. » (Hebreo 8:6)
« Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. » (Hebreo 8:7)
« Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Hebreo 8:8)
« Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. » (Hebreo 8:9)
« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10)
« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Hebreo 8:11)
« Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34). » (Hebreo 8:12)
« Amin'ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona. » (Hebreo 8:13)
413. tealala ( 21/09/2016 12:11)
tena aoka re ry RBNIR a..
fa diso ve ary by hoe semence David ny messie e?
Sa i josefa sy maria afaka nibedy an andriamanitra?
414. RBNIR ( 21/09/2016 12:16)
Mila mino an'i Jesosy ianao aloha, dia rehefa manetry tena ianao dia ho fantatrao ny MARINA REHETRA!!!
415. tealala ( 21/09/2016 13:05)
Io ilay efa nolazaiko t@ iny hoe culte de baal io anare io izay aseho amin'ilay nanarenana an i JERIKO
416. rhaj0 ( 21/09/2016 13:09)
tealala:
tena aoka re ry RBNIR a..
fa diso ve ary by hoe semence David ny messie e?

Toa ao @ Matio 1:1 misy tetiarana mazavabe ka hoe
1 Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
(...)
16 ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.



Fa i RBNIR politifikana ve tsy hanodikodina anao toa boriky, na hoe toa izy RBNIR izany eee... ka dia hoe, minou fotsy aloha dia ho voavaly ho azy ny fanontanianao.
417. RBNIR ( 21/09/2016 13:24)
« Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. » (Jaona 20:29)


Soa ihany fa ny apostoly aza tsy nino raha tsy nahita!!!

Nefa sambatra ireo nino na dia tsy nahita aza ary ankehitriny izy dia midera AZY tanteraka tokoa satria lehibe ny fitiavany azireo......
418. tealala ( 21/09/2016 13:25)
Ka io efa toe-tsain'ny mpivavak amin'ireny fiangonana zandriny ireny io tsy mamaky tsara io..
culte de baal io anao io ry RBNIR satria tahaka ilay hoe efa rava ilay hozona natao tamin'ireo izay te hanarina ny tanànan Jeriko (izay mihevitra fa ny fanjakan Andriamanitra dia any an danitra any ihany) fa efa niova Andriamanitra.
inona no nitranga maty tsirairay ny zanany.
419. tealala ( 21/09/2016 13:47)
TT/TV = nijry film rocky 1 stallone manao boxe be matanjaka be, mejery ny 2 aveo lasa mataotaotra olona ledala sady manao danse classique, anefa ny 1 nampanatena champion ana boxe.
420. RBNIR ( 22/09/2016 05:34)
tealala:

TT/TV = nijry film rocky 1 stallone manao boxe be matanjaka be, mejery ny 2 aveo lasa mataotaotra olona ledala sady manao danse classique, anefa ny 1 nampanatena champion ana boxe.


Mbola ho avy ny fanazavana raha sitrapon'Andriamanitra tealala a!

Mandrampahatonga an'izay dia hoy ny teny hoe "Sambatra ny mino nefa tsy mahita".....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0182