Testamenta vaovao/Testamenta taloha

421. tealala ( 22/09/2016 06:14)
« Fa raha mbola nisaina izany
izy, indro, nisy anjelin'ny
Tompo niseho taminy
tamin'ny nofy ka nanao hoe:
Ry Josefa, zanak'i Davida, aza
matahotra hampakatra an'i
Maria vadinao; fa ny Zaza ao
an-kibony dia avy amin'ny
Fanahy Masina, » (Matio 1:20)
« ka hiteraka Zazalahy izy, ary
ny anarany hataonao hoe
Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny
olony ho afaka amin'ny
fahotany. [*Jesosy = Jehovah
no Mpamonjy] » (Matio 1:21)
Josefa zanak'i Davida (izay mbola mampisalasala hoe avy @ Salomona sa Nathan)
Ny zanak'i Maria avy ao an kibony avy @ FM
Jesosy = Jehovah
no Mpamonjy] (sady manafaka n olona @ fahotany)
Jesosy = Jehovah : Maria renin' A/tra (nahita azy nitomany nibedy sns)
Josefa torak'izay
Davida dadaben A/tra @ fanaganana
ao ve izany?
422. RBNIR ( 22/09/2016 06:16)
Fantatrao v ny atao hoe mère porteuse tealala???
423. tealala ( 22/09/2016 06:21)
ie haiko io..fa ovule an iza no nampiasain i Maria?
424. tealala ( 22/09/2016 06:35)
ovule an nyFM ihany ve?
425. tealala ( 22/09/2016 06:52)
sa disio ny fandraisako ny hoe mere porteuse
426. RBNIR ( 22/09/2016 06:55)
mère porteuse : natao hitondra vohoka fotsiny....
427. RBNIR ( 22/09/2016 06:56)
ilay zaza efa "hary" dia apetraka ao anatin'ilay mère porteuse dia mitondra vohoka fotsiny....
428. tealala ( 22/09/2016 07:24)
izany hoe tsy zanak'i DAVID zany ko.
429. RBNIR ( 22/09/2016 07:42)
Mazava ho azy, hoy JESOSY HOE « Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. » (Jaona 8:58)

Ahoana moa no hahazanak'i Davida Azy??? Fony Abrahama mbola tsy ary dia efa IZY IZY.....
430. tealala ( 22/09/2016 08:03)
Ianao ihany dia nahavaly fa tsy zanany izy.
Noho izany tsy mitovy ny TT/TV
431. RBNIR ( 22/09/2016 08:58)
tealala:

Ianao ihany dia nahavaly fa tsy zanany izy.
Noho izany tsy mitovy ny TT/TV


Ny anjely no nilaza tamin'i Josefa fa IZY no nahatanteraka ny teny tany aloha
« Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. » (Matio 1:19)
« Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, » (Matio 1:20)
« ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] » (Matio 1:21)
« Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] » (Matio 1:22)
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Matio 1:23)
« Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny. » (Matio 1:24)
« Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy. » (Matio 1:25)

Ka dia mila mino an'i Josefa isika izany na mpandainga izy na marina, fa amiko aloha, Josefa dia voasoratra fa lehilahy marina........

432. tealala ( 22/09/2016 09:16)
Indro, ny virijina hitoe-jaza
ka hiteraka zazalahy; Ary ny
anarany hataon'ny olona hoe
Imanoela (Isa. 7. 14), izany
hoe, raha adika: Amintsika
Andriamanitra.
ohatry efa niresahina an
alma/ emanuel trduction diso ny anao manko
ary io resahina io emanoela io dia context hafa mihitsy io
433. tealala ( 22/09/2016 09:20)
sady raha io teneninao io rsy mahafeno ilay fepetea hoe zanak'i Davis no messia e
434. RBNIR ( 22/09/2016 10:11)
tealala:

sady raha io teneninao io rsy mahafeno ilay fepetea hoe zanak'i Davis no messia e

na ianao hino ny anjely amin'ny alalan'i josefa, na ianao hino ny fisainanao olombelona dia handà ny fanambaran'i josefa sy ny anjely.....
435. tealala ( 22/09/2016 11:01)
Tsipahinao izany ny zavatra voalazan ny TT, ilay hoe naloaky ny kibon'i Davida ny messia? anefa n Andriamanitr'Israely.no nilaza izany
436. rhaj0 ( 22/09/2016 11:42)
esy ee.... giravy mihintsy ity fandrasarasana ny BAiboly/Torah ahatakarana ny tena marina @ ity tantara-angano ity. Lany ihany ny jiro sy ny bandwidth fa eeee... tsy mety mazava eee...

Sahala @ mihaino ireny fanatiques-n'i Harry Potter na Start Trek ireny, dia miady hevitra mafy, fa hoe, atsy @ chapitre atsy, ny goblings dia avy t@ laisoa, nefa atsy @ chapitre atsy indray, toa avy t@ voatavo..

Maninona moa tsy revirevena fotsiny ilay goblings, na i Jesosy, dia mirotsirotsy ao foana fotsiny eee... na David izy na Divad.. who cares?
437. tealala ( 22/09/2016 11:59)
Bethuwlah = vierge
Almah = jeune fille
438. rhaj0 ( 22/09/2016 12:37)
O ry Tealala aa... ianao toa mahay fiteny Jiosy ihany sady toa (mahay) mandinika ny Torah ao...

Mba ilazao aminay hoe:
inona ny TENY mandika ilay FIHAVANANA (malagasy) ao @ Torah/Baiboly ao..

Efa nanontaniako foana i Stahtam fa tena hotry ny TSY hainy, fa ilaozany miodikodina ao.
439. tealala ( 22/09/2016 12:39)
ka Almah no tena nosoratana tao @ io Isaia 7:14 io fa tsy Bethuwlah
440. tealala ( 22/09/2016 15:51)

rhaj0:

O ry Tealala aa... ianao toa mahay fiteny Jiosy ihany sady toa (mahay) mandinika ny Torah ao...

Mba ilazao aminay hoe:
inona ny TENY mandika ilay FIHAVANANA (malagasy) ao @ Torah/Baiboly ao..

Efa nanontaniako foana i Stahtam fa tena hotry ny TSY hainy, fa ilaozany miodikodina ao.

Tena izay izao no tsy haiko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125