Testamenta vaovao/Testamenta taloha

481. tealala ( 26/09/2016 08:46)
Salama daholo
ny olona (jiosy) mbola mivohy io culte de baal io no haringana
aiza ho aiza indray ary izany hakarina any an-danitra izany ianareo ry RBNIR?
(Torah) iany anehoana azy eto aloha raha mety.
482. rhaj0 ( 26/09/2016 12:15)
FA i Tealala ity angamba TSY mba mi-bal, fa ilaozany mihidy aman-trano ny Azoma alina... hi hi hi.. vita poezia... ary dia.. zaran'i Tealala azany misy ity ozonozona (tsisy consequences) ity hoe "ny olona (jiosy) mbola mivohy io culte de baal io no haringana", dia io avoitrany sy averimberiny eto io... hi hi hi... mandehana mi-bal ry Tealala fa ho hitanao fa tsara io eee.... :-)
483. tealala ( 26/09/2016 12:25)
rhajo> tsy hazoko
sa le culte de baal no tsy mazava aminao?
io manko tsy manakana ny mbal @ alina fa resaka fanompona A/tra hafa fotsiny io
484. RBNIR ( 26/09/2016 12:59)
tealala:

Salama daholo
ny olona (jiosy) mbola mivohy io culte de baal io no haringana
aiza ho aiza indray ary izany hakarina any an-danitra izany ianareo ry RBNIR?
(Torah) iany anehoana azy eto aloha raha mety.

Alohan'ny zavatra rehetra aloha dia fantaro fa....


1 « Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. » (1 Kor.13:12)

Ankehitriny sombintsombiny no fantatra, fa rahatrizay vao fantatra tsara....

2 « Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra. » (Jaona 21:25)

Tsy ary voasoratra daholo ny zavatra rehetra....
Tamin'i Jesosy nandalo dia betsaka ny tsy voasoratra

Toy izany koa tamin'ny andron'ny mpaminany dia mety Betsaka ny zavatra mety tsy voasoratra fahiny saingy Jesosy no nilaza azy....
Hoy mantsy ilay vehivavy samaritana niresaka taminy hoe « Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. » (Jaona 4:25)

Izany hoe mbola tsy tonga i JESOSY dia efa nahafantatra ny olona fa ny zavatra rehetra dia mbola tsy nambara avokoa fa ILAY HO AVY NO HANAMBARA AZY......

Dia otran'izay ilay izy tealala a! Raha mino Azy ianao dia ho fantatrao ireo zavatra rehetra ireo satria IZY no voatendry hanambara izany....Ary dia nambarany tokoa moa....saingy izay mino no mahafantatra fa izy tsy mino kosa dia......


485. tealala ( 28/09/2016 17:57)
tsy nampianatra diso azy moa ireo mpampianatra azy ry RBNIR?
486. tealala ( 29/09/2016 02:50)
Dia hono hoa RBNIR, ahoana kay ny fanazavan'i Pasitera (fa tsy fomba fanazavany) ny genezy raha io fa fampianarana avy @ i Jesosy io no voiziny? moa ve ny fampianarana novoizin'i Jesosy t@ izy mbola kely ihany sa kosa tonga dia ilay ara-bakiteny be ao anaty baiboly izay ampianariny?
ohatra fotsiny eo amin'ny resaka namoronana ny olombelona..mba zarazarao kely eto azafady ilay fampianarana fa efa mialina za io, ary mety hivavaka ao aminareo amin'ny sabotsy raha tena tsy misy kilema marina.
487. RBNIR ( 29/09/2016 02:51)
tealala:

tsy nampianatra diso azy moa ireo mpampianatra azy ry RBNIR?

Izy ary ange no nampianatra e! (mbola kely dia nampianatra) dia talanjona ireo nampianarina.....
« Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. » (Lioka 2:46)
« Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. » (Lioka 2:47)
« Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao! » (Lioka 2:48)

Mbola kely IZY tamin'io fotoana io ary noheverin'ny ray aman-dreniny fa very dia notadiaviny....
488. RBNIR ( 29/09/2016 02:55)
« Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao? » (Marka 6:2)

Jesosy dia "nomen'ny jiosy" anjara hatrany nampianatra satria tena niavaka ny fahaizany ny Soratra Masina....

Secret daholo izany, ny olona taty aoriana donton'ny tsy fahalalana dia mihevitra fa Jesosy dia tsy nahazo niditra sinagoga mihitsy....

Ny mifanohitra an'izany no tena izy.... Jesosy dia tena nahay nampianatra ary dia tena "sollicité be mihitsy nomena andraikitra nampianatra....

Ny olona fotsiny dia ity , niteny IZY taty aoriana hoe IZY NO ZANAK'ANDRIAMANITRA dia IZAY no tsy zakan'ny sasany.....

Ny sasany hoy aho satria betsaka ihany koa no nanaiky fa tena ZANAK'ANDRIAMANITRA marina IZY......
489. tealala ( 29/09/2016 05:10)
fanazavan'i Pasitera
(fa tsy fomba fanazavany) ny
genezy raha io fa
fampianarana avy @ i Jesosy
io no voiziny? moa ve ny
fampianarana novoizin'i
Jesosy t@ izy mbola kely
ihany sa kosa tonga dia ilay
ara-bakiteny be ao anaty
baiboly izay ampianariny?
ohatra fotsiny eo amin'ny
resaka namoronana ny
olombelona..mba zarazarao
kely eto azafady ilay
fampianarana
io no anontaniko
oh: ny famoronana ny olombelona araky ny fampianaran'i jesosy izay mifotototra @ TV
490. RBNIR ( 29/09/2016 05:40)

tealala:

fanazavan'i Pasitera
(fa tsy fomba fanazavany) ny
genezy raha io fa
fampianarana avy @ i Jesosy
io no voiziny? moa ve ny
fampianarana novoizin'i
Jesosy t@ izy mbola kely
ihany sa kosa tonga dia ilay
ara-bakiteny be ao anaty
baiboly izay ampianariny?
ohatra fotsiny eo amin'ny
resaka namoronana ny
olombelona..mba zarazarao
kely eto azafady ilay
fampianarana
io no anontaniko
oh: ny famoronana ny olombelona araky ny fampianaran'i jesosy izay mifotototra @ TV

Tsara mihaino an'ity ianao raha izany...
Izao no teneniny ao hoe "hampianariko anao daholo ny fahamarinana rehetra ato amin'ny baiboly indrindra ny bokin'ny apokalipsy....

Dia avy eo asaiko ianao hanaraka ny tohiny ao amin'ny youtube ao (na amin'ny fandaharana kolo tv dia ho hazava aminao ny zavatra rehetra....)


491. tealala ( 29/09/2016 05:50)
misaotra anao fa mety rariva za vao afaka mijery youtube.
fa mba azonao zaraina kely an tsoratea eto ve ny zavatea ambarany ao mikasika ny famoronana ny olombelona ny fitomboany isa avy tao edena?
492. RBNIR ( 29/09/2016 07:48)
« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)
« Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. » (Genesisy 1:27)
« Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. » (Genesisy 2:7)


Ara-bakiteny ireo tealala....
493. tealala ( 29/09/2016 09:33)
Ary Andriamanitra
nanao hoe: Andeha
Isika hamorona olona
tahaka ny endritsika, araka ny
tarehintsika
nisy tarehy tanana tongotra izany Andriamanitra ?
endrik'Andriamanitra no
namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany
tonga dia lahy sy vavy ny endriny..dia aveo izy namorona an i Eva sa efa teo i Eva?
raha tena ara-bakiteny io
494. RBNIR ( 29/09/2016 09:43)
Fa inona no voasoratra ao amin'ny torah nao ao?
495. tealala ( 29/09/2016 10:11)
izay ihany no voasoratra fa ny fanazavana sy fampianarana anaty talmud tsy ara-bakiteny araky ny fampianaranareo
496. tealala ( 29/09/2016 11:15)
Raha ara-bakiteny be araky ny fampianaran i Herinirina izay avy amin'i Jesosy manko io dia lasa kristianina aho no athé no nahay nampifandray ny TT sy TV
497. rhaj0 ( 29/09/2016 11:41)
RBNIR:
Fa inona no voasoratra ao amin'ny torah nao ao?

Izaho koa mamerina ny fanontaniana: Fa inona no voasoratra ao amin'ny torah nao ao?

(ka dia miandry "valim-panontaniana" izany eee... i Tealala tsy andrinao manome valim-panontaniana, andriko eto ihany :-)
498. tealala ( 29/09/2016 11:48)
izay ihany no
voasoratra fa ny
fanazavana sy
fampianarana anaty talmud
tsy ara-bakiteny araky ny
fampianaranareo
499. rhaj0 ( 29/09/2016 12:12)
Ahoana ny genezy ao @ Torah na Talmud ao hoe ry Tealala?
500. tealala ( 29/09/2016 12:40)
izay ihany no
voasoratra fa ny
fanazavana sy
fampianarana anaty talmud
tsy ara-bakiteny araky ny
fampianaranareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5493