Testamenta vaovao/Testamenta taloha

521. tealala ( 30/09/2016 07:08)

RBNIR:

Raha izany no izy dia aleo tsy asiana adihevitra ary fa lasa tafiditra amin'ilay hoe tantarampirazanana tsy hita lany izy ity izany koa...Hoy mantsy ny anatra nomena anay hoe...

« na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny. » (1 Tim.1:4)

Araka ny nananarana anay dia "tsy mampandrosy" izany namana tealala a!!!


Raha izany no izy dia aleo tsy asiana adihevitra ary fa lasa tafiditra amin'ilay hoe tantarampirazanana tsy hita lany izy ity izany koa...Hoy mantsy ny anatra nomena anay hoe...

Tsory hoe tsy haiko ny manazava azy, dia tsory hoe efa tsy amin'ny testamenta taloha intsony izao ny fampianarana harahinareo amin'izao.. manaporofo izany fa tsy mitohy ny TT sy ny TV ry RBNIR a satria dia "Araka ny nananarana anay dia "tsy mampandrosy" izany namana tealala a" ianao no milaza io midika io fa tsy ilainao ny fahafantarana ny tantaran'i Adama ka dia hatao ara-bakiteny ao na dia zavatra tsy mitombona amin'y sainao aza dia hoy ianao hoe hinoko izany fa tsy mitovy amiko hoe haiko izany (ny mino sy ny mahalala tsy mitovy)
Nanontaniako io satria dia miainga amin'ny fahalalàna ny Jeny no hahafantarana ny, raha tsy hainao ny fiandohany tsyhainao ny fiafarany e, lojika izany fa tsy ho arahinao satria ny anao ny tsy lojika no hinoanao fa ny zavatra marina misy lojika tsy rarahinao satria hoy « na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny. » (1 Tim.1:4) araky ny fampianarana izay voizinao ankehitriny, tsy ho fantatrao mihitsy izany ny fiandohan'io zavatra hinoanao io.
Dia lasa hoe :"aleo tsy asiana adihevitra ary fa lasa tafiditra amin'ilay hoe tantarampirazanana tsy hita lany izy ity izany koa" dia voizina ilay fampianarana tsy misy lohany dia lasa minomino foana hoe ho rava izao tontolo izao dia hahazo ny lanitra vaovao, vokatr'ilay Opium be an i Herinirina sy Tomoty io e.
Marina sa tsy marina?
522. RBNIR ( 30/09/2016 07:12)
Isika "zaza" hendry tealala an!!! rehefa hoe tsy mety dia tsy mety.....
523. tealala ( 30/09/2016 07:29)
fintiniko ny zavatra lazainao fa hinoanao izany dia tsy hainao akory.
524. RBNIR ( 30/09/2016 07:41)

tealala:

fintiniko ny zavatra lazainao fa hinoanao izany dia tsy hainao akory.


« Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. » (Jaona 20:29)
525. tealala ( 30/09/2016 07:59)
Ny mino sy ny mahalala/mahafantatra tsy mitovy.
Izaho anie tsy manome tsiny anao e, fa miteny fotsiny aho hoe ny zavatra hinoanao tsy fantatrao akory hoe inona fa hinoanao ampy anao izay, fa raha nahalala dia niteny koa ianao aveo hoe tsy mitovy ny zavatra lazain'ireto boky ireto.
ny fototry ny finoanao lazainao fa miainga ao amin'ny TT milaza ianao fa tsy afaka miala ao anefa ny boky faharoa voizinao dia manosika anao tsy hiraharaha ilay teo aloha, ahoana moa no ilazanao fa mitohy io boky io rehefa tsy hainao ny lazain'ilay teo aloha? izay tohananao amin'ny zavatra lazain'ilay boky faharoa hoe "na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny." izay no lazainy satria tsy fantany ilay teo aloha dia ianao koa asainy mivoy ny heviny.

Ny lojika nao izao dia tsy hay ny zavatra lazain'ilay boky 1 dia ny 2 no anohananao ny adihevitrao eto (2 izay milaza fa tsy ilaina ny mahafantatra ny 1 anefa ny 1no fototr'ilay 2).
526. tealala ( 30/09/2016 08:46)
« na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny. » (1 Tim.1:4)
Raha tena dinihina anie ty teny fampianaranareo ity ry RBNIR dia milaza ankolaka ihany fa tsy ilaina ny mahalala ny TT e, hoe aleo any zany fa lasa resa-be eto fotsiny fa ny antsika efa ity boky vaovao ity efa jesosy ny andriamanitra izao sns...
raha ny anton'izany dia betsaka koa ireo tsy nahalala ny hatao hoe Torah amin'ireo nanoratra ny TV angamba hoy aho a.
527. tealala ( 30/09/2016 09:09)
Manaiky izany i RBNIR fa tsy mitovy ireo boky ireo sa mbola miheritreritra?
528. RBNIR ( 30/09/2016 09:10)
Mila fantarina tsara ny atao hoe ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany....
529. RBNIR ( 30/09/2016 09:16)
anganongano : tantara tsy misy fa foronina....Tsy voasoratra anaty Soratra Masina......

tantaram-pirazanany tsy hita lany, tsy misy fiafarany fa supposition no betsaka tsy mifototra amin'izay voasoratra fa mbola theorie be maha be ady hevitra,

Fehiny ady hevitre Tsy mitondra fandrondrona....
530. tealala ( 30/09/2016 09:24)

RBNIR:

anganongano : tantara tsy misy fa foronina....Tsy voasoratra anaty Soratra Masina......

tantaram-pirazanany tsy hita lany, tsy misy fiafarany fa supposition no betsaka tsy mifototra amin'izay voasoratra fa mbola theorie be maha be ady hevitra,

Fehiny ady hevitre Tsy mitondra fandrondrona....

Dia iza amin'ireo izany ny tantaran'i Adama raha ny fandraisanao azy?
Ilay faharoa ve?
531. tealala ( 30/09/2016 09:28)
Tsy ilay faharoa ko kay izany, fa raha ny ara-bakiteninao no arahina dia aleoko ampiomehezin'i rhajo eto e.. Ianao izao anie no hatao hoe minomino foana e.
532. RBNIR ( 30/09/2016 10:18)

tealala:

Dia iza amin'ireo izany ny tantaran'i Adama raha ny fandraisanao azy?
Ilay faharoa ve?

Raha tsy diso aho nanontany ianao hoe tsy ny TT v ilay anganongano sy tantarampirazanana tsy hita lany???

Dia namaly anao aho ka, hoe tsy ny TT, fa izay anganongano (tantara foronina fa tsy voasoratra anaty baiboly na tsy mifototra amin'ny Soratra Masina)....Ny tantarampirazanana indray hoy aho dia fikarohana firazanana izay tsy mitondra fandrosoana fa lasa ady hevitra tsy hita lany fotsiny....
533. tealala ( 30/09/2016 10:35)
(tantara foronina fa tsy voasoratra anaty baiboly na tsy mifototra amin'ny Soratra Masina)
Dia i Moizy, Davida sns izany dia adala nanaraka ny talmud (Torah Oral) izay lazainao fa "tantara foronina fa tsy voasoratra anaty baiboly na tsy mifototra amin'ny Soratra Masina"
Fa raha ara-bakiteny (fampianarana voizinareo ao) izany ilay izy dia tena hazonao 100% ny zavatra teneniny?
534. tealala ( 30/09/2016 10:46)
Ny Talmud anie ry RBNIR dia ny fampianarana ny Torah e.
Raha tsy nisy io dia mitovy ny fijerintsika an ireo jenezy sy ny boky hafa ireo, ary mbola nanaraka ny TV anao ko aho (angamba)
Ary amin'ny maha jiosy an i jesosy dia nanaraka talmud izy t@ androny.
535. rhaj0 ( 30/09/2016 11:17)
Raha ny fahazoako azy izany dia :
- ny Talmud izany dia toa ny Dogme amboarimboarin'i Vatican izay arentirenty hoe "Fampianarana".
- Ny an'i RBNIR izay tsy katolika no tsy jiosy, dia ny "tsisy-kilemany" no "Fampianarana" arahiny.

Ka dia samia manaraka sy mandrevy ary miara-mandry, andro aman'alina, miaraka @ Berebarebany eee..

Fa nareo mirahalahy mianaka moa eto toa samy mamikitra ny Berebarebany, milaza fa izay no marina sy tena izy, dia ampianareo ny manabaty sy mananz'inona ny Berebareban'ny hafa... fa ... tsara fa tohizo fa mba misy ihomehezanay eee :-)
536. RBNIR ( 30/09/2016 11:49)

tealala:

(tantara foronina fa tsy voasoratra anaty baiboly na tsy mifototra amin'ny Soratra Masina)
Dia i Moizy, Davida sns izany dia adala nanaraka ny talmud (Torah Oral) izay lazainao fa "tantara foronina fa tsy voasoratra anaty baiboly na tsy mifototra amin'ny Soratra Masina"
Fa raha ara-bakiteny (fampianarana voizinareo ao) izany ilay izy dia tena hazonao 100% ny zavatra teneniny?

Ny fahitako azy ry Moizy, Davida sns...mitovy fijery amin'i Jesosy, fa iano moa manana ny hevitrao dia heverinao fa mitovy amin'izay koa ry moisy sns....
537. tealala ( 30/09/2016 12:39)

RBNIR:

Ny fahitako azy ry Moizy, Davida sns...mitovy fijery amin'i Jesosy, fa iano moa manana ny hevitrao dia heverinao fa mitovy amin'izay koa ry moisy sns....

Hahahahahahaha....enaa aza mampiomehy ry RBNIR fa toetran'olona samihafa mihitsy ireo, i Mosesy anie ka olona iray tsy azo lembenan'e kapohin'ny ejiptianna ny jiosy nandevoziny novonoiny ho faty ilay ejiptianina, niala tao ejipta izy mbola nikomondry teny am patsakana mbola niady mafy izy t@ fahanterany, i Davida nahafaty an i Goliata sady mpanjaka no mihidina an toerana rehefa miady ho an'ny Andriamaniny.
I Jesosy? "raha misy mametaka ny takolakao akavia, tolory azy koa ny havanana", fantsiana t@ hazo fijaliana izy, inona no nataony nanohitra?
Izay no teneniko anao hoe fampianarana 2 samihafa mihitsy io, ny iray maniraka mafy ny olona hiady amin'ny rariny, ny iray mifankatiava isika rehetra na ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy..ny anao raha ohatra ka misy manao ny tsy mety dia hoy ianao ilay mpivavakabe io "ho valin'Andriamanitra aminy iny any aorina any"
Ny olona voalaza tao anaty Torah nahafantatra daholo ny zavatra nampanaovin'ny Andriamanitra azy.
Io fampianaranareo dia tahak'izao ohatra izao : mangataka amin'Andriamanitra lava hoe halao amiko ity fofona maimbo amiko ity, anefa ianao tsy mba mifitra no tsy mba misasa no mandro.
Ny tiako ambara amin'izany dia ianao no tadiavin'Andriamanitra hanao zavatra, fa ny hery no avy any aminy, tahak'izay ireo olona lazainao fa mitovy amin'i Jesosy ireo.
Mampiomehy ahy ianao ry RBNIR misy ho tantaraina ah mody mandeha miasa androany :D, Izany hoe araky ny zavatra nolazainao hoe :"Ny fahitako azy ry Moizy, Davida sns...mitovy fijery amin'i Jesosy" + "Jesosy = Jehovah no Mpamonjy" => Moizy, Davida mitovy fihevitra amin'andriamanitrareo
Mahatsikaiky ahy ianao ry RBNIR.
538. tealala ( 30/09/2016 12:58)
Raha ny fijerinao azy dia :
i Moizy mihitsy no fostra namorona ny Talmud, izay narahan'i Davida sy ireo taranaka taty aorina.
Andriamanitra no diso safidy nametraka toky t@ Moizy hampianatra ireo vahoakany, fa i Herinirina Fitiavana no tokony nomeny azy.
miverina amin'ny lohahevitra amin'izay za, Taloha nisy olona voatokana nampianatra ny Torah, ankehitriny na olona tsy jiosy aza dia afaka mampianatra (oh : Herinirina Fitiavana)
Taiza moa ilay nisy hoe ny hafa firenena koa afaka mampianatra? ao anaty TV ihany moa.?
539. RBNIR ( 30/09/2016 13:09)

tealala:

Taiza moa ilay nisy hoe ny hafa firenena koa afaka mampianatra? ao anaty TV ihany moa.?

Dia inona fa tsy "hira" miverina nataon'i statham ity hiranao ity?????

http://forum.serasera.org/forum/message/m57078d9edcc60
540. tealala ( 30/09/2016 13:32)
Marina anie ny an i stahtam e, vao noraisinareo ny Torah dia croisades eran tanàna, fa izay tsy mandray an i Jesosy dia maty, firifiry ny olona maty "au nom de Jesus"
Dia milazà hoe olona firy no matin'i Jiosy fa tsy nino ny Andriamaniny ?
Nisy jiosy ve naharipaka indien noho izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1472