Resa-be tato ampisana ny saina homo natsangan'ny Amerikanina, izay firenena kristianina, teny Andranomena

61. radoratsimba ( 17/06/2016 16:43)
tena nalalin'rajo ve io zavatra ntenen rajo io? satri raisiko hoe marary le mainty oditra ra mteny iz oe za ane fotsy e te o fotsy ah ato anatiko ato.. asio oatra 1 ndray fa efa ntombo an dranjoknay ndray zay no miome ato e :D!!!!
62. radoratsimba ( 17/06/2016 16:52)
zao ar e , ra misy ol afrikan 1 dia mainty oditra izy a , d anontanin rajo iz oe mainty enao sa fotsy d oz oe ato an tsaiko za fotsy fa n ivelany fotsiny za no mainty , tena le sense oe mievitra n tenany ho europeen izy amin'io a , d inona no itsaran'i rajo azy?
63. radoratsimba ( 17/06/2016 17:01)
asio blag kel ndray lo tonton rajo a hahaha!!
64. rhaj0 ( 17/06/2016 19:09)
Akanga aloha.. hotry ny ampilaharinao ve:
1- mainty fa te-ho fotsy, satria ... ?
2- lahy fa te-ho vavy. satria ... ?

RAha ny fahitako azy, ilay "satria..?" dia satria..
- ilay #1 dia... complexE na tsara-voazanaka... izany hoe nisy soatoavina (valeur) tao @ fiaraha-monina no nifotorany
- ilay #2 dia... mihevitra ve ianao fa ny fitaizana s ny fiaraha-monina no nampihilana azy te-ho vavy ? TEna mila mamaky ny tantaran'ireo olona iireo ianao, dia hahita fa tsy influence toa izany izy io, fa (toa) tena any @ ati-po-panahy-sainy laliny any..


Inty azany tantara kely momba ny mainty sy fotsy.. ampieritreretana..

Ilay zanak'Ilahifotsy hono (eoropeana io) dia tia basikety, ka dia hoe, I wanna be like Mike.. Te-ho sahala @ Michael Jordan izany eee.... Ary dia lasa izy, nolokoiny mainty ny tarehiny.

Dia nanontany an-drainy hoe
- ka ahoana ry Papa, tena raitra ve aho @ izao?
Fa nahazo ny daka tsy hita maso.
- 'ndana mankany @ renin'ialahy, fa hahita ialahy!

Dia lasa tany @ reniny, dia hoe
- ka ahoana ry Maman, tena manja ve aho @ izao?
Fa nahazo sintom-bolo.
- 'ndana mankany @ Bebe, fa hahita ialahy!

Dia lasa tany @ renibeny, dia hoe
- ka ahoana, ry Grandma, tena izy ve aho @ izao?
Fa nahazo fetaka mandrivorivo kely.

Afaka adiny iray, dia nivory ny fianakams.
- Ka ahoana, inona ny lesona azon'ialahy?
- Vao adiny iray fotsiny aho no mainty, dia hitako fa efa misy olona telo sahady mankahala ho faty ahy.



Dia io izany azo avadibadika ee.. ohatra ny Krsitana sy ny homosekisoalitia, ka hoe...


Ilay zanak'i RAkrisy hono (Kristiana io) dia tia (hira) an'i Elton John, ka dia hoe, I wanna be like him, homosexuel.. Te-ho mba Homosexuel izany eee.... Ary dia lasa izy, nolokoiny avana ny tarehiny.

Dia nanontany an-drainy, izay Katolika be, dia hoe
- ka ahoana ry Papa, tena raitra ve aho @ izao?
Fa nahazo ny daka tsy hita maso.
- 'ndana mankany @ renin'ialahy, fa hahita ialahy!

Dia lasa tany @ reniny, izay Protestanta be, dia hoe
- ka ahoana ry Maman, tena manja ve aho @ izao?
Fa nahazo sintom-bolo.
- 'ndana mankany @ Bebe, fa hahita ialahy!

Dia lasa tany @ renibeny, izay Anglikana be, dia hoe
- ka ahoana, ry Grandma, tena izy ve aho @ izao?
Fa nahazo fetaka mandrivorivo kely.

Afaka adiny iray, dia nivory ny fianakams.
- Ka ahoana, inona ny lesona azon'ialahy?
- Vao adiny iray fotsiny aho no homosekisoaly, dia hitako fa efa misy Kristiana telo sahady mankahala ho faty ahy.
65. radoratsimba ( 18/06/2016 17:35)
zao ary ra mihevitra ny tenako ho superman ar za d reefa misy fusillade b d lasa za mande tsy mis anti balle d mitiftra le ratsy sain e tonga za d maty.
d ra teo am le fotoana mbola tsy maty za mbola iteny ve ny dokoteranao oe normal b iny ol iny (Mr Rado Ratsimba anefa mihevitra ny tenany ho superman avy any Krypton ao an tsainy ao sad tena à fond mintsy , fa eo iany iany iz hoe terrien ny vatany).
Normal b ve za am zay zavatra eritreretiko zay? zay no nanaovan'Andriamanitra ahy hievitra ny tenako avy any @ planete Krypton
66. rhaj0 ( 18/06/2016 18:31)
Hotry ny tamorainao, na koa hoe, hotry ny fantaisie ilay izy izany aminao.
Ezaho vakiana aloha ny tantaram-piainan'ny olona, na transgender io, na gay sns...
dia mba sokafy ny fo sy ny saina eee.. Mba asivo kely, na asivo be akory azany, ilay hoe EMPATHIE eee... nataok'ty fa mba hainareo Kristiana anie ity hoe EMPATHIE ity eee...
http://lmgtfy.com/?q=transgender+child+story
http://lmgtfy.com/?q=gay+coming+out+stories


Dia mba sisi-kevitro... izao Baiboly ataonao reference ultime izao foana, dia mba lanjalanjao tsara ho'a hoe, toatoa ny ahoana ny fiaraha-monina sy fahalalana t@ izany fotoana izany, sy t@ izay toerana na faritany izay, ka nahatonga ireo "didy" (didim-baiboly), izay nanaovana ny lavage de cerveau be anao ao io (ary h@ izao), ka TSY mba ahafahanao misokatra saina sy fo @ olona (tsy mitovy aminao) mihintsy.
67. radoratsimba ( 19/06/2016 16:45)
EMPATHIE zany aiko e , t@ za mbola nianatra communication no naenoko an zany. fa le iz anie tsy hoe ailik'e fa ny scientifique zao makobo n maatonga azy amin'io toerana io mety aita ko iz oe ty traitement , fa enao tsy manaiky oe aretin'tsaina le iz na dia ef nomeko oatra bdb aza , miresaka EMPATHIE enao zao empathique b mints fa ainao tsara mpetraka am toerako reefa tsy azoko ny zavatra lazainao fa lava lôtra na oe le hevitra no tsy tonga any aminao .
tsy reraka za manme oatra e :
le izy zany ra tsy resaka hormone ngamba d ôtran poisson rouge mievitra ny tenany ho baleine
za ko zao oatra iova rajo trans rajo a zany tonga d fiainana rajo n ataoko aveo tsy ùisy blem ve zany?
68. rhaj0 ( 19/06/2016 22:06)
Fa ilay izy resaka eny @ internet dia tena hotry ny tsy (mbola) mahakitika anao (sy ny fo sy sainao) angambany.

Ny anay aty, dia ny any ampianaran-janako sy ny eraky ny vaovao, dia tena mampieritreritra mihintsy. TSoriko fa izaho koa tena nihisatra be mihintsy ny saiko ny hi-comprendre an'ilay izy. Tsy hita fa izay angaha ny nitaizana ahy, na hoe, izay no niainako taloha.

Hozy Ragoogle hoe
http://lmgtfy.com/?q=empathie+d%C3%A9finition
En psychologie, l'empathie est la capacité de ressentir les émotions, les sentiments, les expériences d'une autre personne ou de se mettre à sa place. Cette attitude nécessite un effort de compréhension intellectuelle d'autrui.

Ka rahefa miezaka mihaino ny fitantarany aho, dia tena miezaka @ io empathie io, hoe hi-ressentir ny experience-n'ilay lesbo/bi/gay/trans, dia ... araka ny nolazaiko anao tetsy ambony, dia tena hoe, tena "normal" tokoany ity olona (ny bibitiny @ io tsinona tsy hita), ary tena TSISY resaka (fantaisie) hoe superman na poisson rouge mihintsy eo.



Fa io izany @ ilay tantara io ambony ampieritreretana anao io, dia... jereo tsara fa
- (mety) ilay fiseho ivelany, tarehy miloko mainty na avana, no nampandaginina an'i Bainina
- fa TSY ilay hoe, te-ho (mainty) sahala @ MJ, na (homo) sahala @ EJ, ilay zaza.

Na koa hoe:
- i MJ (mainty) sy EJ (homo) dia .. NORMAL @ ilay Bainina,
- fa ilay fisehony ivelany (ataon-janany), tarehy (lokoina) mainty na avana, no TSY @ angady (kristiana) an'ilay Bainina.


Ka tsy haiko hoe, i RAdoratsimba ve mahita ny vatana/fo/saina "normal" @ ireto OLONA ireto, sa tena mbola misaritaka @ fisehony ivelany, izay tsy araky ny sain'i RAdoratsimba (no-laver-n'ny Baiboly)


Fa io ange asivo eritreritra tsara, fa ireo pretra Katolika izao, dia mahay mihatsara velatsihy, ka tsisy fisehony ivelany, nefa zareo ireo, efa saika ho ny antsasany dia GAY !!!! Fa ny azy koboniny tsara ao, ary izy samy izy ihany no mahalala, fa afeniny tsara @ mpiara-monina io.

http://lmgtfy.com/?q=how+many+gay+catholic+priests+are+there
http://www.pinknews.co.uk/2015/10/07/over-half-of-catholic-priests-are-gay-says-vatican-insider/
over-half-of-catholic-priests-are-gay-says-vatican-insider
69. radoratsimba ( 20/06/2016 05:27)
i RAdoratsimba ve mahita ny vatana/fo "normal" fa le saina ry rajo tsy poins a , efa ohatra bdb reo v d ts itanao ny tiko ambara f'enao ko n'efa borné be amnay s le baiboly e oe reefa ao anaty bible d tsy izy . itako mints oe eo tsika no misangôjy be e (za mbola tsy nanilika ol mihitsy atreto fa enao no zavatra afa mints no nraisnao e oe nailiko le ol , mis pbm ny sainy hoa jereo ny ohatra reetra noraisiko teo)
reto pelaka (teneniko mints oe pelaka satri zay no fiantso azy eto an tanàna) reto zao oz enao oe salama tsara ny vatana/fo mavita sport tsara mintsy miasa tsara ny ati-dohany fa midongy ny tsy maaizy te ho lahy na te ho vavy pbm psycho/k zany amko e
le transgenre reny ngamba reefa vita ny operation sn fapdirana hormone d lasa ze tiny iz aveo fa tsy aiko ra manatona dokotera fôna tsy aiko oe ny ol ts maints mande any am doc ve salama zany amnao
70. RBNIR ( 20/06/2016 06:31)
Ny fanontaniana tokony hipetraka (ho an'ny olona izay te ho any amin'ilay fiainana mandrakizay) dia hoe ny homo sy ny fandrina amin'ny biby ary ny mitovy @ izany v sitrak'Andriamanitra sa TSIA?

Testameta taloha : (fanekena taloha)
« Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Lev.18:22)
« Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany. » (Lev.18:23)

Inona kosa no ambara ao amin'ny fanekena vaovao?
« ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. » (Rom.1:27)

Araka ireo teny ireo dia tena tsy sitrapon'Andriamanitra velively ny hanaovan'ny olona ireny (sodomita, fandrina amin'ny biby sns.....)

Inona no mahatonga ny olona ho tafalatsaka amin'ireny?
« Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, » (Rom.1:22)
« koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. » (Rom.1:23)
« Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy; » (Rom.1:24)
« ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. » (Rom.1:25)
« Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; » (Rom.1:26)
« Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, » (Rom.1:28)

Ny mahatonga ny olona tafalatsaka amin'ireny dia :
1- Mpandoka tena ho hendry (Rom.1:22)
2- (Rom.1:23) Tsy manome voninahitra ILAY ANDRIAMANITRA MPAHARY azy....(misy ny tsy mino AZY, misy ihany koa manao sampy hasolo AZY (sary vongana, sary sikotra sns...) hasolo an'ilay TENA IZY (tsy hita maso, tsy fantatra endrika)....
3- (Rom.1:25) Tsy miraharaha ny fahamarin'Andriamanitra fa manolo izany amin'izao lainga rehetra izao....

Farany inona no vokatry ny fanaovana an'ireny?

1 Fandravana ary koa fandorana.....
Vakio ny tantara nandravana an'i Sodoma sy Gomora.... Genesisy 19

5 dia niantso an’ i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho at? aminay izy hahalalanay azy.6 Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;7 ary hoy izy: Masìna hianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.

Ny olona tao Sodoma sy Gomora dia niaina tamin'ny fanaovana homo.....hoy izireo rehefa nahita ireo anjely 2 "avoahy ho aty aminay izy hahalalanay azy........."

2- « Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Lev.18:22)
Voalaza fa fahavetavetana ny fanaovana an'ireny ....Ny olona manao an'ireny dia "OLONA MANAO VETAVETA" ny fijerin'Andriamanitra azy...

Ary izao kosa no voasoratra ho an'ny olona manao vetaveta....« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apok.21:27)

Tsy mahazo miditra ao amin'ilay fanjak'Andriamanitra na oviana na oviana, (voakilasy amin'ireo hoe any ivelany izay hisy fidradradrana sy fitomaniana mafy)....« Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. » (Mat.25:30)

Koa Antso no ataon'Andriamanitra ho an'izay mahita izao hafatra izao, raha sanatria tafalatsaka ianao dia MIVERENA faingana amin'Andriamanitra : HIALAO NY FANAMBONIAN-TENA OMEO VONINAHITRA NY TSY TOHA ARY AZA MANAO TSINONTSINONA NY FAHAMARINAN'ANDRIAMANITRA......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!







71. radoratsimba ( 20/06/2016 07:34)
mba mitadiava ar oe ry rajo zavatra positif am le homosexualité hoe
72. rhaj0 ( 20/06/2016 10:25)
ho an'i RBNIR. Ts'haiko aloha ny fi-raisonner-nao ao, fa toa izao ny fahitako azy
- "aza manao an'izao", hozy ny Baiboly
- dia mba miasa (ve) ilay coco ry RBNIR, dia mba manontany hoe: fa maninona?
- dia hozy ny Baiboly hoe, fa "fady" izany, na "fahavetavetana" na izay no didy.
- Dia faly afa-po ve ilay coco ry RBNIR???

Koa na ny zazakely eny @ garabola azany ve ry RbNIR dia ho "faly afa-po" @ izany valin-teny izany???
Eny azany kouh... ento toa izany ny fi(s)ainanao.


Fa torio an'ireo koa azany ny Katolika ry RBNIR aaaa.. Dia mba vakio ilay rohy io, ary fantaro fa ny antsasaky ny pretra dia homosekisoaly hono.. na dia efa "mivavaka" mafy ao azany rizareo eee.
http://lmgtfy.com/?q=how+many+gay+catholic+priests+are+there

Koa na ny 1/10 azany no pretra homosekisoaly, dia toa tsy vitan'ny vavaka izy izany an.. Sa tena i Jesosy mihintsy no efa mibitsika an-dreo ao, dia hoe NORMAL izany fa tohizo.. fa izay indray iilay "fanekena vaovao" ???




ho an'i RAdoratsiimba... Elton John ve tsy positif?? na mba ampiasao ilay google ho'a eee..
http://lmgtfy.com/?q=famous+gay+people+rado+ratsimba

Dia mba vakio ny tantaram-piainan'ireo... dia tester-o ao ho'a ny empathie-nao eeee..

73. radoratsimba ( 20/06/2016 11:16)
"Elton John ve tsy positif?? na mba ampiasao ilay google ho'a eee.."
n tiko tenenina dia hoe , misy zavatra important d mila pelaka aingana sika ra ts zany fongana ny olombelona hahahahahaha!!!
na ko afaka hiteny hoe : so iany iny ol iny fa gay ra ts zany ...
74. rhaj0 ( 20/06/2016 11:22)
Ka hoe i Jesosy izao ahiahiana fa GAY.. :-)

(tsy) vazivazy iny, fa efa hoe 'ndana mba mi-google...

http://lmgtfy.com/?q=scientist+gay+Rado+ratsimba
http://lmgtfy.com/?q=politician+gay+Rado+ratsimba
http://lmgtfy.com/?q=famous+artist+gay+Rado+ratsimba
75. radoratsimba ( 20/06/2016 11:41)
tsy azon'i rajo ve le iz e? efa oe le maha gay , hoe so iany enao fa gay ra ts zany ... le nilana ny maha gay azy fa tsy hoe ny asany
76. RBNIR ( 20/06/2016 11:49)
rhaj0:

ho an'i RBNIR. Ts'haiko aloha ny fi-raisonner-nao ao, fa toa izao ny fahitako azy

Tsy mandeha araka ny nofo (na ny filan'ny nofo), fa mandeha araka ny Fanahy (Andriamanitra = Jesosy),
« Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. » (Gal.5:16)
« Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. » (Gal.5:17)

Normal B tsy ho azonaon'ny olona mandeha araka ny nofo mihitsy ilay izy satria mifanohitra.....
77. rhaj0 ( 20/06/2016 12:00)
radoratsimba:
tsy azon'i rajo ve le iz e? efa oe le maha gay , hoe so iany enao fa gay ra ts zany ... le nilana ny maha gay azy fa tsy hoe ny asany

Ka ilay maha-olona (NORMAL) azy no "ahavitany ny asany" fa TSY ny maha-gay azy. Ianao izany koa anie ka sampona eee... dia lazainao koa ve fa ny maha-mainty an'i Obama koa izany no nahavitany izay vitany ao??

Fa mety marina ny anao, koa raha manaraka ny rezonema anao, dia azo lazaina fa ny maha-gay an'i Elton John na koa i Gorgeous Michael no nahavitany na nampiainga ny fanahiny hamorona ireo hira ankafizinao ireo. Na koa, ilay PM-nay aty dia Lesbienne, ary ny naha-lesbienne azy, no isan'ny nifidianan'ny olona (sasany) azy, ary ny fananany io sensibilitE-na Lesbienne io no nampiroso azy amina famolavolana lahasa politika ao io.
78. radoratsimba ( 20/06/2016 12:37)
misy autiste m excel b am mathématique a fa na mahay aza iz tsy tahaka ahy satria autiste
79. rhaj0 ( 20/06/2016 12:45)
RBNIR:
« Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. » (Gal.5:16)
« Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. » (Gal.5:17)

Kay tena ilay Galatiana ity izany no nampiditra hevitra taingina @ Kristiana kouh... Dia io averimberin'i RBNIR ataony fiki-maty ao io, tsy asiany questionnement-na garabola akoriny.

Ny homosekisoalitia (gay) dia TSY "filan'ny nofo" fotsiny. Efa hoe
- misy antitra vao mahatsapa-tena fa Gay... Efa tsisy filan'ny nofo intsony ao ry RBNIR fa tena mba ilay ame soeur na ame frere no hitany aa..
- be dia be ny pretra no Gay.. Fa (mino aho fa) TSY manao filan'ny nofo daholo zareo, fa mba salanindan(g)itra fotsiny izy rahefa mahita an'i Mose Leveka ao eee...

Mandinihi-tena kely hoe ry RBNIR.. inona no mampi-attirer anao @ Herinirina ao??
80. radoratsimba ( 20/06/2016 12:48)
na tsy filàn nofo fotsiny aza efa anatin'ny plaisir tsy mitondra am faatsarana zany ry rajo a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.331