Resa-be tato ampisana ny saina homo natsangan'ny Amerikanina, izay firenena kristianina, teny Andranomena

181. rhaj0 ( 05/07/2016 17:55)
Ianao no vasa ao, fa ilay namako ho'a mahay ny secret.. Hainy tsara ny misotro NEFA TSY mamo. Dia i Jesosy no nianarany an'io izany eee...
Dia rahefa (tsy) mamo ilery, dia mahay mikoty sipa an!... :-)
182. RBNIR ( 06/07/2016 05:08)
Izao ary ilay secret: hitan'ny olona IZY fa hoe "fatra-pitia divay" nefa "tsy mety mamo".....

Mandehana supermarché dia hahita ianao fa misy karazany ny divay (misy mahamamo misy taux d'alcool) misy kosa ireo divay ihany saingy tsy mahamamo mihitsy na hisotra damizana 1 aza ianao (0% d'alcool hoy ny voasoratra ao)....

Dia otran'izay io, IZY nampianatra hoe « ....... ny mpimamo .....dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Kor.6:10)

Tsy IZY mihitsy no hampianatra ny olona hisotro karazana divay (misy alcool)......

Secret izany rhajo a!!! tsy misy mifanohitra ao anaty baiboly ao fa mipetrapetraka tsara daholo....

N.B: Ilay teny ho ny mpimamo tsy mba handova" taty amin'ny testameta vaovao vao nomena (tsy nahafantatra izany ry Noa sy Lota).....
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)

Mianara hoy aho ilay fampianarana tsy misy kilema......

183. harenadanny ( 06/07/2016 06:45)
ka aon zany divay sans alcool zany? zany ve we tsy mtov @ le oe mamon'ny rano mangatsiaka?
184. RBNIR ( 06/07/2016 06:56)

harenadanny:

ka aon zany divay sans alcool zany? zany ve we tsy mtov @ le oe mamon'ny rano mangatsiaka?

Misy izany ka eny amin'ny supermarché eny izao dia feno azy...0% alcool ny soratra ao...
185. RBNIR ( 06/07/2016 06:57)
fa ilay izy tsy mahamamo.....
186. rhaj0 ( 06/07/2016 11:04)
eny ho'a eee... io izany fa hitan'i RBNIR ny secret-n'i Jesosy..

- ilay rano lasa pi izany, notapohin'ilery alcool 90% ankinafina tao ny rano dia lasa pi, 12 degree
- ilay hazandrano folo, nototoin'ilery ho lasa lafarina, dia samy nahazo daholo ny iray vohitra
- ilay sofina rovitra dia voapetaka indray, tour de magie an'i Houdini iny fa ny mpijery no vasa
- ilay devoly noroahina dia lasa tany @ kisoa, dia tsisy devoly akoriny teo, fa ilay ksioa no nahazo ny daka tsy hita maso, dia namari-tena tany an-drenirano
- koa na i Maria virijiny azany... f'angaha nisy nijery dia "vavolombelona" ny hymen-ny tao tokoany moa t@ izany ??? i Josefa cocu no niala oainina dia nampino ny rehetra an'izany..
187. RBNIR ( 06/07/2016 11:20)
Ianaro tsara aloha hoy aho ilay tsy misy kilema fa izao izao diso daholo ireo hevitra narosonao teo aloha dia manjary miteniteny foana otran'io sisa ianao!!!

Mianara tsara aloha (amin'ny madinika indrindra) vao miteny (raha havita hiteny intsony ianao....)
188. lahindroy ( 06/07/2016 19:44)

[quote=RBNIR]
Ianaro tsara aloha hoy aho ilay tsy misy kilema fa izao izao diso daholo ireo hevitra narosonao teo aloha dia manjary miteniteny foana otran'io sisa ianao!!!
Mianara tsara aloha (amin'ny madinika indrindra) vao miteny (raha havita hiteny intsony ianao....)

Mirary soa ho an'ny rehetra
Tsetsatsetsa tsy haritra fotsiny
Miverina matetika eto ity resaka hoe "fampianarana tsy misy kilelama" ity .

Mahakasika izay voalaza rehetra ao anaty baiboly ve izy io (raha toa ka ny baiboly ihany no heverin'ilay mpanoratra an'izany ho hany toerana ahitana an'io fampianarana io)?

Mbola azo ampiarana mandrak'androany ve izany fampianarana izany ?

Marina ara-bakiteny ve izy ireny sa arak'izay fandraisan'ny tsirairay ny mety ho dikany ?

Rahovina ny olona iray vao azo lazaina fa tena nianatra tsara tokoa an'izany "fampianarana tsy misy kilema " izany ka ahazo alalàna hiteny ?

I RBNIR ve ohatra manana an'izany fahalalana izany ka afaka mitsara hoe ity olona ity na iry olona iry dia afaka miteny an-kahalalahana sy afaka manome ny heviny mahakasika an'izany "fampianarana" izany ?
farany:
inona no mari-pitsarana afahana milaza fa i RBNIR dia nahatakatra an'izany "fampianarana tsy misy kilema" izany tokoa ?
-ny fitanisany toko sy andiny ve isaky ny manoratra ?
-sa nisy famoaboasana sy fandalinana nataony teto fa kosa tsy hiatanay mpamaky ?
189. harenadanny ( 07/07/2016 05:37)
tena tsy mlay ku zany sans alcool zany! tena tsy poinsa eh! ra tsisy alcool tsy cool ny fety!
190. RBNIR ( 07/07/2016 05:51)
>>>lahindroy

Ilay fampianarana tsy misy kilema dia fampianarana noraisin'i Jesosy mivantana avy tamin'Andriamanitra : Hoy Jesosy : « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

Izay ihany koa no isan'ny maha tsy mampisy kilema an'ilay fampianarana satria Andriamanitra mihitsy no nanome azy,

Ny antony faharoa maha tsy misy kilema azy dia izao, raha misy olona kilemaina eo amin'ny tongotra ohatra, dia na tsy ampy kely ny tongony , na mihoatra kely.....

Ilay fampianarana kosa anefa dia ...« Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo. » (Deot.4:2)

Tsy azo ampiana, ary tsy azo anesorana fa araka izay nomen'Andriamanitra ihany,

Manamafy izany ny voasoratra any amin'ny faran'ny baibolinao....
« Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy; » (Apok.22:18)
« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apok.22:19)

Izaho tsy hoe psychologue na koa hoe mahafantatra izay ao antsain'ny olona, ka hahafantatra marina hoe ity olona ity na iry olona iry dia hitako mivantana fa niresaka tamin'i Jesosy ary nandray marina ilay fampianarana tsy misy kilema,

Fa i Jesosy no nampianatra hoe « Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. » (Lio.6:43)
« Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy* amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.[*aviavimbazaha] » (Lio.6:44)
« Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany. » (Lio.6:45)

Raha ratsy fanahy ilay olona (mpamitabahoaka tsy nampianarin'i Jesosy mivantana akory nefa mandainga hoe nampianariny) dia ho hitanao miharihary fa tsy mitovy amin'izay nampianarin'i Jesosy fahiny akory ny fampianarany....

Ilay voa mantsy dia tsy inona fa ilay teny toriany araka ity voasoratra ity...« Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. » (Lio.8:11)

Raha hitanao kosa fa 100% mitovy amin'ilay nampianarin'i Jesosy fahiny dia aza misalasala fa tsy misy olombelona afaka mamantatra an'io fampianarana tsy misy kilema io intsony afatsy izay nampianarin'i Jesosy irery ihany satria ilay fampianarana dia efa very hatramin'ny elabe....

Misy toetra iray koa mampiavaka an'io fampianarana io dia izao : MAHATALANJONA (NA KOA MAMPITOLAGAGA) SATRIA TSY AVY AMIN'NY OLONA FA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA!!!

Izay rehetra nandre an'i Jesosy dia..... « Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany. » (Mat.22:33)

Ny zavatra ampianariny ao dia ho hitanao miharihary fa tsy mitovy amin'ny fampianaran'ny theolojianina izay nandrato fianarana tamin'ny fiangonana tety antany ihany ary ho hitanao miharihary fa hafa mihitsy ilay izy araka ity teny voasoratra ity....
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao.3:32)

Ny fampanantena ataony dia tsy mba fampanantenana ny amin'izao fiainana izao (harena, fanasitranana, vady sns....) ireny dia hitan'ny maso ihany, fa ny fampanantenana ataony dia TOKANA FIAINANA MANDRAKIZAY ANY AMIN'ILAY TANY VAOVAO SY LANITRA VAOVAO.....

Ity misy anankiray hitako lahindroy zaraiko ho an'ny rehetra mba ho famonjena!!!

Efa mandeha ao amin'ny I BC koa ilay fandaharana ankehitriny isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany ka 6 ora....

KOA DIA MAZOTOA DAHOLO MIJERY HO FAMONJENA NY FANAHINTSIKA E!!!



191. RBNIR ( 07/07/2016 07:36)
harenadanny:

tena tsy mlay ku zany sans alcool zany! tena tsy poinsa eh! ra tsisy alcool tsy cool ny fety!

Izay no tena ankasitrahan'Andriamanitra koa, tsy aleo v fiainana mandrakizay toy izay fahafinaretana kely mandalo???
192. harenadanny ( 07/07/2016 07:42)
ka ny @zao fiainana sarotra zao alo aleo mitady ze mba mafinaritra eh!
193. RBNIR ( 07/07/2016 07:51)

harenadanny:

ka ny @zao fiainana sarotra zao alo aleo mitady ze mba mafinaritra eh!

Ny eto 80 taona raha mateza, ny any mandrakizay tsy manampahataperana...
194. RBNIR ( 07/07/2016 07:53)
Fanampiny, na hanovokovoka eo aza ianao ny herimbatna voafetra sady ny aretina koa tsy ferana fa mihena ny hery rehefa migoka be dia mora handairan'ny aretina.....
195. radoratsimba ( 07/07/2016 09:11)
tna le eto zany le lohevitra afa d le adievtra afa e.
196. lahindroy ( 08/07/2016 18:14)
Dia faly miarahaba ny rehetra tsy ankanavaka indray ny tenako

Misaotra manokana koa an'i RBNIR namaly amin'ny ankapobeny ireo fanontanina napetrako ; misy fanamarihana sy fanontanina vitsivitsy atolotro mahakasika an'ireo valinteny ireo

fanamarihana voalohany :
"Izaho tsy hoe psychologue na koa hoe mahafantatra izay ao antsain'ny olona, ka hahafantatra marina hoe ity olona ity na iry olona iry dia hitako mivantana fa niresaka tamin'i Jesosy ary nandray marina ilay fampianarana tsy misy kilema"

kanefa dia nasainao hiverina hianatra an'izany "fampianarana tsy misy kilema" izany Rajho ohatra ; midika izany fa afaka mitsara sy mahafantatra izay ao an-tsain'ilay olona ianao ary angamba heverinao fa "mamoa voa ratsy" izay tsy mitovy hevitra sy finoana aminao ;
marihako manokana kanefa fa foto-pisainana nentin'ny mpitondra sy mpino kristiana nandritry ny 2000 taona latsaka kely izany : fanenjehana , fampidirana am-ponja , fandorona velona ,adi-pinoana niteraka fandringanana ain'olona aman'etsiny ...izany rehetra izany no anisan'ny nahatonga ny finoana kristiana nandresy ireo finoana rehetra noheveriny fa "voa ratsy" ka nafahany niparitaka era-tany (fomba amam-panao izay olovain'ny silamo taty aoriana!)

fanamarihana faharoa :
« Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo. » (Deot.4:2)

Haka ohatra tsotra aho mahakasika ny fitaizana ny ankizy :



Mbola misy hatramin'izao izany ary angamba aza vao maika nihitatra hatraiza hatraiza; dia tahak'izao no torohevitra atolotry ny "fampianarana tsy misy kilema" satria YHWH (= Jehovah Andriamanitra) no nandidy azy :



Tsy misy fihambahambana aho no manambara fa soa ihany raolombelona tsy nanaraka an'izany "fampianarana tsy nisy kilema" izany

"Tsy azo ampiana, ary tsy azo anesorana fa araka izay nomen'Andriamanitra ihany,..." hoy ianao "ilay fampianarana tsy misy kilema" ary tena misy tokoa ny mampiatra azy ireny ara-bakiteny mandrak'ity ny androany
Mba topazo maso ange itony e :



Tsy nisalasala ry Omar Sedikh Mateen, Amerikana silamo ,mpankahala homo fata-bahoaka ary nanatanteraka an'izany didy izany ara-bakiteny ka namono olona mpifankatia samy lahy na samy vavy miisa efa ho 60 vao tsy ela akory tany USA .

Ary hoy Jesoa ( na Jesôsy na ZEZO na koa aza Yeshoua indray tato ato ...) indray andro izay rehefa niantso ny apostoliny izy :

>

Izany tokoa no hita matetika amin'ireny fiangonana lazaina hoe "zandriny" ireny ankehitrio
-firifiry ireo tanora lasa "vavolombelon'i Jehovah " ohatra , ka nandao ny rainy , ny reniny , ny fianakaviany -izay mety nijanona ho mpino protestanta na katolika tsotra ?
-impiry ny sabatra no niasa teo amin'ireo izay nihevitra fa tena nanana sy manana ny "fampianarana tsy misy kilema "tena marina ?

fanamarihana farany :

"fampianarana tsy misy kilema" ho an'ny vehivavy sy ny toeram-boninahitra ho antsika lehilahy :



izany tokoa ve ny fampianarana homeko ny zanako vavy ?

>

2000 taona aty aoriana dia mbola tsy afa-patotra amin'ny fihatraikan'izany "fampianarana tsy misy kilema" izany ny vehivavy
nanomboka tamin'ny famonoana sy fandorona velona an'i Hypathie ,vehivavy filozofy sy mathematisiana grika , famonoana sy fandorona velona nataon'ny kristiana tamin'ny taona 415 (rehefa nanomboka nahazo vahana sy fahefana ny kristiana taorian'ny nanaovan'i Theodose io fivavahana io ho fivavaham-panjakana manerana ny "empire romana" , satria tsy nekeny raha vehivavy no handeha hidedadeka hampianatra lehilahy kristiana , grika , ny romana ...hanamboatra fandrefiamindranoka (hydromètre), astrolabe na koa hanao sari-tany na koa ny hampitany ny foto-pisainana novokarin-dry Platon , mban-dry Aristote...!

hatramin'izao taona 2016 izao dia saika tsy mbola mahita mangirana ny vehivavy eo amin'ny fitondrana na eo anivon'ny fiangonana izany (indrindra moa fa ny katolika) na amin'ny lafim-pianana hafa

Dingana iray lehibe no nafahan'ny zanak'olombelona nanangana sy namorona fampianarana sy foto-pisainana hafa nisitaka amin'ny fampianarana mifototra amin'ny boki-pinoana na baiboly izany na coran ...
Tsy manakana akory izany ny fiheverana fa fampianarana mitondra any amin'ny fianana hafa tsy eto an-tany , ilay "fampianarana tsy misy kilema" ; resaka finoan'ny tsirairay ny fahamarinana na tsia ny fisian'izany fiainana hampanantenain'ny boki-pinona izany
197. RBNIR ( 09/07/2016 03:51)
>>> lahindroy,
1- hitako fa tsy mahay ilay fampianarana tsy misy kilema rhajo ka lasa manaratsy be fahatany...
raha nahay izy , tsy nanohitra mihitsy....« Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. » (Mar.9:40)

2- Fampianaran'i Jesosy ilay fampianarana tsy misy kilema fa tsy fampianaran'ny silamo an, afangaronao izy izany....

Hoy Jesosy « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] » (Matio 5:22)

Araka io teny io dia na ny mitezitra ny rahalahy aza tsy tokony atao......maika ka hamono olona?????

3- izao no voasoratra momba ny fanambadiana....
« Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), » (1 Petera 3:1)
« rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana. » (1 Petera 3:2)
« Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; » (1 Petera 3:3)
« fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra. » (1 Petera 3:4)
« Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; » (1 Petera 3:5)
« dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona. » (1 Petera 3:6)
« Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. » (1 Petera 3:7)
198. lahindroy ( 17/07/2016 18:56)
]Dia faly miarahaba ny rehetra indray ny tenako

Hoy RBNIR mahakasika ilay famonoana olona HOMO amam-polony nataon'ilay Amerikana silamo tany Orlando
" Fampianaran'i Jesosy ilay fampianarana tsy misy kilema fa tsy fampianaran'ny silamo an, afangaronao izy izany...."

Soritako mazava ry RBNIR fa tsy fanangarohana fampianarana silamo sy izay heverinao ho fampianaran'i Jesoa mihitsy ny nanamarihako fa ...silamo ilay namono!
Ny tokony ho fantatsika dia na jiosy na kristiana na silamo , dia fireham-pinoana niainga tamin'ny baiboly hebraika daholo ary mbola ny fandrarana sy ny fanamelohana ny HOMO hita ao anaty ny levitikosy 20:13 no anisan'ny iraisany ka mbola ampiarin'ny sasantsany amin'ireo mpanaradia an'ireny fivavahana ireny manadrak'ity ny androany :

"Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny lehilahy , tahakan'ny fandry amin'ny vehivavy dia...hatao maty izy"

Mbola ny tantaran'i Lota sy Sodoma no hitantsiaka ao anatin'ny "coran" raha toa isika ka sendra manopy maso izay ao anatin'i "coran"

-ny ankamaroan'ny Kristiana indrindra moa fa ny Malagasy na ireo avy ao Afrika mainty na koa avy any Amerika atsimo (Bresil indrindra indrindra izay tany feno ...kristiana ) , dia izay voasoratra ao anaty baiboly no entiny handavana sy hanenjehana ny fisian'ny HOMO eo amin'ny fiaraha-monina ; torak'izany koa ny 99%-ny firenena silamo

Ireo kristiana vitsy an'isa monina any amin'ny tany mandroso ( USA / EUROPA andrefana / ...) izay tsy manameloka fahatany intsony an'izy ireny dia manana toe-tsaina novelarin'ny vokatra nentin'ny siansa indrindra ny ethologie (Karl von Frisch, Konrad Lorenz et Nikolaas Tinbergen nahazo ny prix Nobel de physiologie et de médecine taminn'y taona 1973 ; io taranja-pikarohana io no anisan'ny nahitana ny fisian'ny fifandraisana ara-nofo maro karazana eo amin'ny natiora -fa tsy hoe eo amin'ny lahy sy ny vavy fotsiny tahakan'izay nolazain'ny boki-pinoana ...marihako fa mbola tsy nisy "ethologie" tamin'ny andro nanoratana ny levitikosy sy ny baiboly na ny coran !) miampy ny fototra sy ny rafi-piaraha monina manaja kokoa ireo izay tsy mitovy amin'ny be sy ny maro

-koa tsy ny silamo ihany no mamono na mamenjika ny HOMO fa ny ankabeazan'ireo izay mifototra amin'ny baiboly ny "fampianarana tsy misy kilema" arahiny
Hita izany tany Israely ( famonoana an'i Shira Banki , zazavavy vao 16 taona fotsiny ,nanao diabe miaro ny zon'ny HOMO tany Jerosalema ka najedak'i Yischai Schlissel , jiosy iringiriny , mpanaraka ara-bakiteny izay voalaza ny "fampianarana tsy misy kilema" voasoratra ao anatin'ny levitikosy ; olona 5 na 6 no notsatohann'y antsy fa saingy i Shira Banki no namoy ny ainy

vao lasa kristiana teo ambany fifehazan'i emperora Theodose I ny fanjakana romana dia ...nomelohana ho faty izay rehetra miara-mandry kanefa samy lehilahy

fanamarihana manaraka
-ho an'ny mpandrindra an'ity serasera ity aloha :
voamariko fa tsy voapetraka teto ireo toko sy andiny ao anaty baiboly notsahiviko mahakasika ny fitaizana ny ankizy maditra sy ny tenin'i Jesoa hita ao amin'i Matio 10 : 34-36
torak'izany ny mahakasika ny toerana tokony hisy ny vehivavy ao am-piangonana sy ny fairaha-monina amin'ny an-kapobeny

Koa averiko ny fanontanina mahakasika an'ity "fampianarana tsy misy kilema" ity rehefa sendra maditra ny kilonga
deoteronomia 21:18-21
"raha misy olona manana zanaka lahy maditra manohitra ka tsy mihaino ny feon'ny rainy , na ny feon'ny reniny ka tsy zaka anarina ...dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanàna ..."
hampiarinareo tokoa amin'ny zanaka fara amandimbinareo ve izany "fampianarana tsy misy kilema" izany ?

Ary hoy Jesoa mantsin'ireo mpanaradia azy roa ambiny'ny folo , raha ny tatitry ry Matio no zohina :
"ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambon'ny tany Aho ; tsy tonga hitondra fiadanana Aho , fa sabatra
fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy ,ary ny zanakavavy amin'ny reniny ...ary ny ankohonann'y olona ihany no fahavalony "

Ekeko fa tena nandaitra tokoa io fanambarany io , indrindra eo amin'itony no lazaina hoe "fiangonana zandriny" na koa ny "vavolombelon'i Jehovah'" na tany aloha tany mahakasika ny fisarahambazana teo amin'ny mpiara-monina rehefa raikitra ny ady eo amin'y katolika sy ny protestanta ...ary tena ny sabatra mihintsy tokoa no niasa !
"
199. rhaj0 ( 18/07/2016 12:13)
Matio 10:1 Ary Jesosy niantso...
34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ ny rafozanivavy;36 ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony

Matio 5:22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra [Na: tezitra foana] amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana hianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo [Gr. Gehena] mirehitra afo.


hi hi hi.. ka dia tsy haiko intsony ity :
- na, mameli-tena izany i Jesosy eee....ary hoe, tena Izy mihintsy, ary io ataoNY io, no ohatra tokony ho raisina sy atao @ ity fiainana ity..
- na tena dozidozy indray iJesosy, ka tezitezitrabe izany izy atsy @ Matio 10, fa tena malefaka indray izy atsy @ Matio 5.

Izay ilay "secret" ry RBNIR oo??? :-)
200. RBNIR ( 18/07/2016 18:43)
lahindroy:

"raha misy olona manana zanaka lahy maditra manohitra ka tsy mihaino ny feon'ny rainy , na ny feon'ny reniny ka tsy zaka anarina ...dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanàna ..."
hampiarinareo tokoa amin'ny zanaka fara amandimbinareo ve izany "fampianarana tsy misy kilema" izany ?

Izay ilay hoe mila mianatra isika fa tsy avy dia miteny toy izany lahindroy a!

Io lalàna teneninao io dia tafiditra ao anatin'ny atao hoe lalàna ateraky ny fandikana lalàna iray....

Raha misy olona iray mandika lalàna iray dia hiaran'ny lalàna iray hafa izy...toy io nomenao io...


Nisy vehivavy iray nandika lalàna anankiray tafiditra anisan'ireny sokajin-dalàna ireny...

« [dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga] » (Jaona 8:4)
« [Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?] » (Jaona 8:5)
« [Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] » (Jaona 8:6)
« [Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany] » (Jaona 8:7)
« [Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] » (Jaona 8:8)
« [Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo] » (Jaona 8:9)
« [Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?] » (Jaona 8:10)
« [Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony] » (Jaona 8:11)

Efa nofoanan'i Jesosy ireny lalàna ateraky ny fandikana lalàna ireny ry lahindroy a!

Mila mianatra ilay tsy misy kilema hoy aho isika vao mitsara na mitsikera.....

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.156