Resa-be tato ampisana ny saina homo natsangan'ny Amerikanina, izay firenena kristianina, teny Andranomena

161. rhaj0 ( 27/06/2016 11:54)
googler-o kely kosany aloha alohan'ny manao affirmation... ny taona izao efa 2016. Ohatra ho'a hoe, raha mbola hiteny ianao hoe "rahefa maniry nify ny akoho", dia 'ndana k'lou googler-o, f'efa nozaraiko teto fa nisy akoho .. "toka-nify" mihomehy an'i RBNIR :-)

Ka no-googler-ko hoe, inona no ifandraisan'ny Atheista sy ny LGBT, dia.. eo @ 50%-n'ny LGBT no atheist (raha toa ka eo @ 20%-n'ny vahoaka no atheista). Ka .. mety marina ny anao izany eee...

Fa itaro ihany.. inty ataovy devoara ho anao ry Radoratsimba
- firy isan-jaton'ny any ampigadrana no atheista?
- firy isan-jaton'ny siantista no atheista?
162. rhaj0 ( 28/06/2016 12:06)
Ka dia hozy izany ny Papa hoe, MILA MIALA TSINY, MANGATAKA AZAFADY @ LGBT izany ny (Kristiana) Katolika eee...

http://www.cnn.com/2016/06/26/world/pope-apologize-gays/index.html
"The Church must ask forgiveness for not behaving many times -- when I say the Church, I mean Christians! The Church is holy, we are sinners!"

- not behaving === "tsy mahay miaina" ve no dikan'io ?
- sinners === "mpanota matevin-koditra" ve no dikan'io ?
163. lahindroy ( 28/06/2016 20:30)

[quote=angouz]
"Salama ! Izy ty moa rehefa miresaka Athe dia tsy maintsy tafiditra ao ny hoe tokony ho malala-tsaina fa amiko kosa raha voafatotr'io malalaka io alo dia efa baranahiny be ilay fomba fisainana satria rehefa mba ratsy zalah dia aleo atao ratsy a! fa aza terena ho soa, @ soatovina maha gasy antsika dia tsy voatery hanao ny ratsy isika vao hahita ny soa fa na io vava miteny io aza manan-kasiny vao maika ve moa ny teny, ka na dia manampahaizana aza isika mba nampianarina fahendrena gasy ihany kosa e ! "

Miarahaba ny rehetra
Eo an-kilany , mila ho "athée" tokoa ve vao ho malala-tsaina ? Etsy an-dany , malala-tsaina daholo avokoa ve ny "tsy mpino ny fisian'Andriamanitra" rehetra ?
Ny fanehoana sy ny fampiasana ny fahalalana ara-tsaina ve dia midika hoe baranahany ?

ohatra tsotra :
voafatotra sy baranahiny ny foto-pisainanao rehefa tsy manaiky ny hoe :
"...rehefa mba ratsy zalah dia aleo atao ratsy a! fa aza terena ho soa..."

Ny fanambarana fa " ratsy " ny fifankatiavana na ny fiarahana ara-nofo ny olona mitovy fananahana (samy vavy na samy lahy) dia fitsarana nateraky ny boki-pinoana tahakan'ny baiboly na coran , ary tafiditra lalina ao anatnn'ny zanak'atidohan'ireo mpino mpanaradia ny fivavahana miankina amin'izy ireny ny fanamelohana izay mitaky ny famonoana an'izy ireny mihitsy aza (levitikosy 20:13)-izay tena ampiarin'ny mpino sasantsasny ara-bakiteny tokoa !

Tsy voatery ho "tsy mpino ny fisian'Andriamanitra" vao ahafantatra , amin'izao taon-jato faha XXI izao , fa hita amin'ny karazam-biby misy eto amin'ny natiora -na biby mampinono izany na biby mandady na koa eo amin'ny vorona sy ireo biby miaina ao anaty ranomasina ...ny fifankatiavana na koa fifanelahana biby samy vavy na samy lahy ; tsy misy resaka hoe "tsara" izany na "ratsy" fa kosa tranga misy eo amin'ny natiora , novokarin'ny natiora na dia vitsy an'isa aza izany eo amin'ny ankapobeny
Mahagaga ny tsy mbola ahafantaran'ny maro amintsika ny atao hoe "diversité" eo anivon'ny natiora ; fasamihafana maro samihafa no manerana ny natiora ary anisan'izany "andrana" hita ao anatin'ny natiora izany ny "fifandraisana ara-nofo eo amin'ny zava-manan'aina mitovy fananahana
Fa saingy tsy nahalala an'izany ireo mpanoratra tamin'ny fotoan'androny fa izay hitan'ny masony fotsiny no lazainy fa noforon'Andriamaniny !
3 000 arivo taona taty aorina vao afaka nanana saina afaka sy malalaka (nanasaraka ny fikarohana siantifika amin'ny finoana) sy fitaovana ari-fomba nijerena akaiky ny tena zava-misy eo anivon'ny biby sy ny ...olona

"... fa aza terena ho soa, @ soatovina maha gasy antsika..."
afaka manome ohabolana na koa fomba fitenena iray fotsiny ve isika manameloka sy mitsara ny sarimbavy na ny sarindahy teo amin'ny fiarahamonina malagasy ...talohan'ny nahatongavan'ireo nitondra ny finoana kristiana na silamo ?
164. rhaj0 ( 29/06/2016 18:17)
O ry Lahindroy aaa.. ianao anie serieux be miresaka dia manontany, fa i Rakrisy angaha hamaly anao eo.. Fotsy rora eo fotsiny ianao. RAhefa tsy mampetimety ny baolinany dia iavonavonany odiany fanina ianao.. izay ilay fahalalam-pomba kristiana eee....

Izany izy io, hany ka dia manadrohadro foana aho izany ee.. ary dia mivanitika (irery) eto aho ... ary dia lasa tafavanitika (miafina) ihany koa zareo ao, ary dia lasa mba mi-reagir io ee... :-)
165. RBNIR ( 30/06/2016 05:45)
rhaj0:

O ry Lahindroy aaa.. ianao anie serieux be miresaka dia manontany, fa i Rakrisy angaha hamaly anao eo.. Fotsy rora eo fotsiny ianao. RAhefa tsy mampetimety ny baolinany dia iavonavonany odiany fanina ianao.. izay ilay fahalalam-pomba kristiana eee....

Mila mianatra tsara ilay fampianarana tsy misy kilema aloha hoy aho ianao rhajo a!
Afangaronao ny "tena kristianina" manaiky 100% ny fampianaran'i JEsosy fahiny sy ireo kristianina
marobe taty aoriana izay manaraka kosa ireo fampianarana efa voaova rehetra taty aoriana,

Raha io teneninao io ambony io dia izao no voasoratra:
« fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, » (1 Pet.3:15)

Na misy provocation (tahakan'ny ataon'ny sasany eto aza) dia tokony hotazomina foana ilay hoe amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana....Izany no fahendren'ilay badolahy fahiny izay rhajo...

Ary raha misy kosa manaratsy??? dia izao koa no tokony ho famalin'ny "tena kristianina" eto....« Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. » (Rom.12:17)

Koa alohan'ny hitenenao ratsy ireo kristianina dia fantaro aloha ilay fampianarana tsy misy kilema ary fantaro koa hoe iza marina aloha ilay kristianina haratsianao......

Tsy fantatrao hoy aho Jesosy fa aza dia manenjika Azy ianao e!!! izy no Tompon'ny fitiavana ary IZY no tompon'ny fahendrena rehetra.......

Hafatra ho an'izay kristianina kosa : aza manalabaraka an'i Jesosy fa mianara tsara aloha ilay fampianarana tsy misy kilema....

Araho ato ilay fampianarana (ary ny zava-dehibe indrindra dia mivonona hanantanteraka fa aza ho mpihaino mpanadino fotsiny ihany) « Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. » (Jak.1:22)
166. rhaj0 ( 30/06/2016 10:38)
Ka valio azany ireo fanontanian'i Lahindroy ry RBNIR, f'aza avela hihahaka eo fotsiny eee.. sa tsy takatry ny tsisy-kilema, na ny "tena kristiana 100%" ireo fanontaniana ??
167. lahindroy ( 30/06/2016 11:04)

[quote=rhaj0]
O ry Lahindroy aaa.. ianao anie serieux be miresaka dia manontany, fa i Rakrisy angaha hamaly anao eo.. Fotsy rora eo fotsiny ianao. RAhefa tsy mampetimety ny baolinany dia iavonavonany odiany fanina ianao.. izay ilay fahalalam-pomba kristiana eee....

Salama jiaby ô

Mety ho marina tokoa ry "rhajo" ny fanamarihanao ary matoky aho fa mandaitra kokoa ny fomba entinao mitafa eto noho izay atolotro ; kanefa heveriko fa tsy misy maharatsy ny fisian'ireo lafin-javatra roa ireo satria mety mifameno ihany any aoriana .

Mino aho fa misy amintsika izay mandalo sy mamaky ireo lahatsoratra samihafa eto dia mety ho voatarika hikaroka sy hamakafaka ary hitsikera ihany -izany hoe hampiasa ny sainy fa tsy hanao tsianjery maimbo fotsiny izay nampianarina sy nalentika tao anaty zanak'atidoha -ka na amin'ny alalan'ny hatsikana sy ny tsindro-paingotra ataonao izany na koa amin'ny fampiasana ity ordinatera ity handalinana ireo fanontaniana vitsvitsy izay napetrako ary indrindra ny fampitahana mety ho hataontsika ny voalazan'ny boki-pinoana sy ny voka-pikarohana atolotry ny fikarohana siantifika , dia samy fitaovana daholo hanakofana kokoa ny saina

Marihako kely fotsiny fa rehefa avy nananaraka ny fandaharana "Alalino" natolotry ny Kolo tv ny tenako mahakasika ny fiarahan'ny olona mitovy fitaovam-pahanahana -fandaharana izay tena mahaliana tokoa -dia gaga sy talonjana aho nahatsapa ny fahabangana goavana eo amin'ireo rehetra izay nandray anjara - na olon-tsotra izany na koa ireo lazaina fa tompon'andraikitra na manana fahaizana manoka momban'iry na ity- amin'ny tsy fahalalany ny voka-pikarohana , efa am-polon-taona maro izao, atolotry ny "éthologie , biodiversité comportementale au niveau sexuel dans la nature ..."
Ireo izay mba mihezaka mitondra fanazavana ny fisian'ny "homosexualité" dia resaka fiotanam-po (tsy fisian'ny ray ...) na tsy fahampian'ny fitaizana na koa ...fanarahan-damaody na indrindra ny fanamelohana hita ao anaty baiboly izay mbola" hany fahamarinana tsy iadian-kevitra" eo amin'ny maro amintsika !

Koa heveriko fa adidy lehibe ny tsy fitsaharana hitarihana antsika Malagasy handalina sy hamakafaka ( efa dinga iray io fandaharan'ny kolotv io fa saingy mila fitodiana sy fijerena akakiky ny taranja siantifika ) mba hisokafan'ny saintsika bebe kokoa

168. RBNIR ( 30/06/2016 20:18)
rhaj0:

Ka valio azany ireo fanontanian'i Lahindroy ry RBNIR, f'aza avela hihahaka eo fotsiny eee.. sa tsy takatry ny tsisy-kilema, na ny "tena kristiana 100%" ireo fanontaniana ??

Na iza na iza mbola mivohy firazanana, dia mivohy fisarahana sy fanavakavahana, fanambaniana na koa fanamboniana, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fialonana, fieboeboana, fizahozahoana, ary tsy fitiavana fa kosa fankahalana izay tsy mitovy razana aminy na tsy mitovy saranga aminy na tsy mitovy volonkoditra sns......fanaratsiana ny hafa, sns....

Ny fampianaran'i Jesosy kosa dia « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

Ny olona rehetra dia mitovy avokoa, ary 1 ihany : un être humain c'"est un être humain (égaux daholo)...Tsy misy azo ambaniana, tsy misy azo amboniana,
Ao anatin'izay tsy hisy intsony elanelana (fifampihafana), fa hanjaka ny firaisana ary indrindra ny fifankatiavana.....

Ny fivoizana ny resaka firazanana dia tafiditra ao amin'ny atao hoe asan'ny nofo (satria firazanana no mikaonty, volon-koditra no mikaonty, ny hereditaire no mikaonty) dia izao no ho vokany....
« Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Gal.5:19)
« fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Gal.5:20)

Izay manaiky ilay fampianaran'i Jesosy kosa no handray ny vokatry ny Fanahy dia izao avy....
« Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, » (Gal.5:22)
« fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. » (Gal.5:23)

Eto ange dia efa hita e, ianao izao ohatra hita miharihary fa mankahala an'i Jesosy izay lazainao fa tsy razanao fa razam-bazaha, nefa apetraho ny fanontaniana , naninona anao moa i Jesosy e?????
Vokatr'ilay fisisianao amin'ilay resaka firazanana izay dia ny hafarany olona tsy maninona anao halanao......

VELONA SY MAHERY NY TENIN'ANDRIAMANITRA....

169. RBNIR ( 01/07/2016 05:48)
na izany aza....Tsy mankasitraka ny homosexuel i Jesosy.....ary tsy hoe satria lahy = vavy dia nanjary azo atao amin'ny lahy koa ny fanao amin'ny vavy.....« ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. » (Rom.1:27)

170. rhaj0 ( 01/07/2016 13:00)
ilay points d'interrogation be dia be an'i Lahindroy etsy ambony izany, dia novalian-draRBNIR tamina toko aman'andininy, miharo lamentation, tsisy ifandraisan'izay fanontaniana akoriny.. surmené ve RBNIR dia manao an'io, sa dia izay mihintsy ilay fahalalam-pomba Kristiana (an-dry RBNIR) eee ?
171. lahindroy ( 01/07/2016 15:35)
[quote=rhaj0]
Ka valio azany ireo fanontanian'i Lahindroy ry RBNIR, f'aza avela hihahaka eo fotsiny eee.. sa tsy takatry ny tsisy-kilema, na ny "tena kristiana 100%" ireo fanontaniana ??

[/quote= RBNIR]
Na iza na iza mbola mivohy firazanana, dia mivohy fisarahana sy fanavakavahana, fanambaniana na koa fanamboniana, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fialonana, fieboeboana, fizahozahoana, ary tsy fitiavana fa kosa fankahalana izay tsy mitovy razana aminy na tsy mitovy saranga aminy na tsy mitovy volonkoditra sns......fanaratsiana ny hafa, sns...

akory aby ?

fanontaniana tsotra :

-iza ary aiza no "...mbola mivohy firazanana ..." eo amin'ireo lahatsoratra eo ambony ireo ?

-sa fitiavana te hampiditra sy hitanisana toko sy andiny fotsiny ka amina resaka mifantoka amin'ny fiarahan'ny samy vavy na sy samy lahy dia lasa nahodina ho resaaka Galatiana rano iray ...Gal.3:28 , Gal.5:19 , Gal.5:20 , Gal.5:22 , Gal.5:23 ?

-izao ve no mety vokatry ny atao hoe "fanasana atidoha" tahakan'ireo izay nanao sy mbola manao tsianjery maimbo na boki-pinona izany na boky mirakitra propagandy politika ?

172. angouz ( 02/07/2016 14:20)

lahindroy:

[quote=angouz]
"Salama ! Izy ty moa rehefa miresaka Athe dia tsy maintsy tafiditra ao ny hoe tokony ho malala-tsaina fa amiko kosa raha voafatotr'io malalaka io alo dia efa baranahiny be ilay fomba fisainana satria rehefa mba ratsy zalah dia aleo atao ratsy a! fa aza terena ho soa, @ soatovina maha gasy antsika dia tsy voatery hanao ny ratsy isika vao hahita ny soa fa na io vava miteny io aza manan-kasiny vao maika ve moa ny teny, ka na dia manampahaizana aza isika mba nampianarina fahendrena gasy ihany kosa e ! "

Miarahaba ny rehetra
Eo an-kilany , mila ho "athée" tokoa ve vao ho malala-tsaina ? Etsy an-dany , malala-tsaina daholo avokoa ve ny "tsy mpino ny fisian'Andriamanitra" rehetra ?
Ny fanehoana sy ny fampiasana ny fahalalana ara-tsaina ve dia midika hoe baranahany ?

ohatra tsotra :
voafatotra sy baranahiny ny foto-pisainanao rehefa tsy manaiky ny hoe :
"...rehefa mba ratsy zalah dia aleo atao ratsy a! fa aza terena ho soa..."

Ny fanambarana fa " ratsy " ny fifankatiavana na ny fiarahana ara-nofo ny olona mitovy fananahana (samy vavy na samy lahy) dia fitsarana nateraky ny boki-pinoana tahakan'ny baiboly na coran , ary tafiditra lalina ao anatnn'ny zanak'atidohan'ireo mpino mpanaradia ny fivavahana miankina amin'izy ireny ny fanamelohana izay mitaky ny famonoana an'izy ireny mihitsy aza (levitikosy 20:13)-izay tena ampiarin'ny mpino sasantsasny ara-bakiteny tokoa !

Tsy voatery ho "tsy mpino ny fisian'Andriamanitra" vao ahafantatra , amin'izao taon-jato faha XXI izao , fa hita amin'ny karazam-biby misy eto amin'ny natiora -na biby mampinono izany na biby mandady na koa eo amin'ny vorona sy ireo biby miaina ao anaty ranomasina ...ny fifankatiavana na koa fifanelahana biby samy vavy na samy lahy ; tsy misy resaka hoe "tsara" izany na "ratsy" fa kosa tranga misy eo amin'ny natiora , novokarin'ny natiora na dia vitsy an'isa aza izany eo amin'ny ankapobeny
Mahagaga ny tsy mbola ahafantaran'ny maro amintsika ny atao hoe "diversité" eo anivon'ny natiora ; fasamihafana maro samihafa no manerana ny natiora ary anisan'izany "andrana" hita ao anatin'ny natiora izany ny "fifandraisana ara-nofo eo amin'ny zava-manan'aina mitovy fananahana
Fa saingy tsy nahalala an'izany ireo mpanoratra tamin'ny fotoan'androny fa izay hitan'ny masony fotsiny no lazainy fa noforon'Andriamaniny !
3 000 arivo taona taty aorina vao afaka nanana saina afaka sy malalaka (nanasaraka ny fikarohana siantifika amin'ny finoana) sy fitaovana ari-fomba nijerena akaiky ny tena zava-misy eo anivon'ny biby sy ny ...olona

"... fa aza terena ho soa, @ soatovina maha gasy antsika..."
afaka manome ohabolana na koa fomba fitenena iray fotsiny ve isika manameloka sy mitsara ny sarimbavy na ny sarindahy teo amin'ny fiarahamonina malagasy ...talohan'ny nahatongavan'ireo nitondra ny finoana kristiana na silamo ?

ny tiko antongavana dia mba aza dia atao mivantana loatra ilay resaka fa mba misy zazakely koa ange mijery eto e ! ary tsy voatery ho manampahaizana ohatranareo ka halala ny ambadikin'soratra avoatra eto, (trafic d'influence)
173. angouz ( 02/07/2016 14:27)
ary tsy mpitsara aho eto ary tsy afaka ny hitsara n'iza n'iza fa mba mpanota ihany koa, ary fantatro ianao fa mahay lalàna .
174. RBNIR ( 04/07/2016 06:07)

rhaj0:

ilay points d'interrogation be dia be an'i Lahindroy etsy ambony izany, dia novalian-draRBNIR tamina toko aman'andininy, miharo lamentation, tsisy ifandraisan'izay fanontaniana akoriny.. surmené ve RBNIR dia manao an'io, sa dia izay mihintsy ilay fahalalam-pomba Kristiana (an-dry RBNIR) eee ?

Io no mamitina ny valimpanontanianareo rehetra....
Ny fandraisako azy, ny resakareo sy lahindroy mitovy : maninona moa raha miverina amin'ny mahamalagasy (firazanana gasy) isika? fa maninona no maka izay an'ny razam-bazaha (Jesosy) any???

Io no mamintina azy rehetra....ary jereo fa voaporofo ao amin'ny hitan'i flacourt daholo ireo vokatry ny nofo ireo...

« Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, » (Gal.5:19)
« fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, » (Gal.5:20)
« fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (Gal.5:21)

Ireo olona hitan'i Flacourt ireo dia olona tsy mba nanana ny fanantenana ny amin'ny fiainana mandrak'izay ka dia nanarapo tamin'ny fiainana ara-nofo tanteraka satria nihevitra izireo hoe fiainana mandalo ity v??? dia ataony daholo izay rehetra azony natao hahazoana fafinaretana ara-nofo....dia tanteraka aminy avokoa ilay

Fanamarihina kely fotsiny : tsy ireo ihany no fihavian'ny malagasy satria nisy ohatra ny fitenenana momba ny hoe mitari-bady tsy lasa vodi-ondry....

Izany hoe, taloha koa dia nisy olona tsy mivoaka manam-bady raha tsy vita ny fanaterana vody ondry (mifanohitra B amin'ny hitan'ingahy flacourt)....

Ary ireo milaza fa taraka Jiosy gasy aza moa dia mahita "fomba jiosy" b d b mihitsy mitovy amin'ny fomban'ny gasy.....

Noho izany raha fomba malagasy no resahina tsy azo atao reference velively ny hitan'ingahy flacourt fa ny ankabeazan'ny gasy fahiny dia tena nahalala menatra marina tokoa....
175. rhaj0 ( 04/07/2016 17:23)
RBNIR:
Ny fandraisako azy, ny resakareo sy lahindroy mitovy : maninona moa raha miverina amin'ny mahamalagasy

Atheista aho re ry RBNIR aa... TSY miraika @ "finoana". Fa raha samy ao ihany ianareo, dia hitako misy maha-manja azy betsaka kokoa ny an'ny razanTSIKA, noho ny an'ny taranak'i Madame Eva.

RBNIR:
fahamamoana

Ity hoa efa nazavabe teo
- ohatra i Noah, ilay mamo(lava) dia nanary lamba, dia nataon'i Kanana ny nataony tao, lehilahy lehibe mamolava tao.
- ohatra Lota, ilay nampamamoan'ny zanany vavy, dia tao, nanao na nampanaovina ny nataony tao, lehilahy lehibe mamolava tao.
- ohatra i Jesosy izay tia misotro.. ilay fahagagna nataony azany dia namadika ny rano ho lasa pi..
Ka dia ilazao an'izany azany ohatra ireo olombe-nao ireo izany eee...

RBNIR:
Ireo olona hitan'i Flacourt ireo dia olona tsy mba nanana ny fanantenana ny amin'ny fiainana mandrak'izay ka dia nanarapo tamin'ny fiainana ara-nofo tanteraka

Nefany ho'a izy ireo, hozy Flacourt, toa nikOzy t@ Ragiborail (Anjely Gabriel) na koa i Ramariama (Marie) ary i Rahisa (Jesosy) eee.. Ka ilehireo izany tena TSY nahay nikOzy t@ razanTSIKA, fa t@ RBNIR, izay nampianarain'ny vazaha, ihany no tena nisosa manja ny resaka eee...
176. RBNIR ( 04/07/2016 19:59)
mba omeo kely ary ho taiza i Jesosy no mamo ry rhajo????
177. rhaj0 ( 04/07/2016 21:59)
RBNIR:
mba omeo kely ary ho taiza i Jesosy no mamo ry rhajo????

okey dokey.. tsy "mamo" i Jesosy izany fa "tia misotro" fotsiny eee.. Misy ilay namako izay ho'a, tia misotro koa izy, fa tsy "mamo" izany mihintsy hono izy, azony tena hainy tsara mihintsy ny dose-ny. Fa ny hoe "mamo" moa samy manana ny dikany aminy. ilay "ivre" dia hozy RAlarosy hoe, "troublE par les effets de l'alcool". Ka amiko, raha vao mahazo dia misy effets-ny, fa ilay effets-ny mety TSy trouble aminao fa trouble amiko. Dia i Jesosy izany, hoz'ianao, TSY troublE na dia tia misotro azany an... satria "misy majika" ny divain'i Jesosy hoz'ianao sy ny finoanao (na ny imagination-nao irery ao)... Eny azany kouh..
178. RBNIR ( 05/07/2016 06:31)
rhaj0:

okey dokey.. tsy "mamo" i Jesosy izany fa "tia misotro" fotsiny eee..

Tsy possible mihitsy i Jesosy ho mamo satria IZY nampianatra hoe : « sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Kor.6:10)

P.S : ilay hoe mpisotro divay misy secret.....
179. rhaj0 ( 05/07/2016 14:05)
rhaj0:
ilay "ivre" dia hozy RAlarosy hoe, "troublE par les effets de l'alcool". Ka amiko, raha vao mahazo dia misy effets-ny, fa ilay effets-ny mety TSy trouble aminao fa trouble amiko.

Ka ilay "secret" an'i Jesosy misotro divay izany, dia hainy tsara koa ny dose ilainy, sahala @ ilay ranamako etsy ambony... dia rahefa dose-dose iny izy, dia lasa malama-vava ary mahay maharesy lahatra... sahala @ ilay ranamako etsy ambony :-)
180. RBNIR ( 05/07/2016 17:12)

Amin'ny maha secret azy dia tsy takatry ny olona indrindra fa ny tsy mpino.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5764