FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

141. RBNIR ( 15/03/2016 13:16)
P.S : ity olona ity tsy milaza ny tenany ho JIOSY fa kosa raha araka ity teny ity dia anjaran'ny tsi11 no mandinika....

« Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; » (Rom.2:28)
« fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Rom. 2:29)
142. stahtam ( 16/03/2016 05:35)

[quote=RBNIR]
Dia tena misitery tokoa ilay izy stahtam, saingy hoy IZY hoe ny voany no hamantaranareo ny hazo....

1- Mbola tsy nisy hatramin'izao olona nahavita namerina nampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema afatsy iray ihany raha eto madagascar
2- Mbola tsy nisy ihany koa nahavita nandika ny bokin'ny apokalipsy mazava tsara tamin'ny fomba tsotra sady mahitsy ary mazava tsara (toy io ambony io) afats'io anankiray io ihany....

Koa dia izay e, ny voany no hamantarana ny hazo hoy IZY.....

[quote=stahtam]

Ekeko fa tena misitery tokoa ny famonjena, fa rehefa "mitady azy @ fony rehetra" sady mivonona hanaraka ny lalàna napetrany izay efa voasoratra sy voasoritra mialoha dia: "eo akaikin'izay mitady Azy Izy dia izay rehetra mitady Azy marina tokoa". Raha horaisina io teny nolazainao io (ny voany no hamantarana ny hazo) dia tsapako hoe mila fanazavana fanampiny vao tena mitombina tsara satria eo @ Matio 7/21,22 dia misy olona tena mamoa voa tsara: mamoaka devoly @ ANARANY, manao asa lehibe @ ANARANY, maminany @ ANARANY saingy ilay hoe "TSY FANTATRO AKORY + HATRIZAY HATRIZAY" dia mampiverina ny saiko ho any @ ilay lohahevitra efa nohazavaintsika elabe teto hoe: ny fanarahana ny lalàna napetrany ihany no antoka tsy hahavoafitaka rehefa miaraka aminy.
Fa na izany aza dia hojerentsika vetivety ihany ireo fanamarihana roa (2) noresahinao:
1°) "Mbola tsy nisy HATRAMIN'IZAO olona nahavita namerina nampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema afatsy iray ihany raha eto madagascar". Ary raha misy mahavita mamerina fampianarana tsy misy kilema izany AORIAN'IZAO dia mety ho ahoana no fipetrany? Amin'ireo mampianatra bokin'ny Apokalypsy efa notanisaiko taminao tary aloha ireo mantsy dia misy iray vao t@ Alahady maraina teo no hitako (tokotokony ho t@ 06 ora sy sasany tany angamba no nanomboka fa t@ 07 latsaka teo no tratrako tao @ TN TV) ka hohadihadiako indray ny momba azy io, hoe: Jiosy ve? (toa Judaisme ilay izy, angamba!) Mitovy 100% @ izay voasoratra ve ny zavatra lazainy? Ka raha sendra mamoaka fampianarana tsy misy kilema izy ohatra (100% mitovy) dia mety ho izay indray izany no aty aoriana, ka asa fa ho hitako eo ihany, ary holazaiko anao rehefa vita ny fandinihana ataoko.
2°) Mitovy @ valin-teny tetsy ambony ihany.
143. RBNIR ( 16/03/2016 06:46)
Stahtam,
Hoy Jesosy hoe : « Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. » (Lio.6:43)

Ny fampianarana tsy misy kilema tsy azo alain-tahaka, fa ilay hazo mihitsy aloha no mila tsara (miaina sy manao ilay fampianarana) izay vao afaka mampianatra an'io ny olona 1 namana...

Ka raha misy vaovao ho avy, dia hisaorana anie Izy satria « Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. » (Mat.9:38)

Raha misy kosa mpangalatahaka fa tsy nampianarina mivantana akory dia azy sy ny TOMPO ny azy fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho afabaraka izany olona izany satria tsy mandainga io teny io ....tsy misy hazo ratsy mamoa voa tsara.......
144. RBNIR ( 16/03/2016 07:09)
Aza adino, ny apostoly dia
1 fidina mivantana,
2 ampianarina mivantana ihany koa....

Ny ankoatran'izay dia tratran'ity teny ity....« Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo. » (Jer.27:15)

Ary raha misisika izy dia hasian'i Jehovah marina dia marina tokoa:

« Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. » (Jer.23:31)
« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jer.23:32)

Ka raha otran'io ilay olona dia hoy aho hoe arahaba soa, arahaba tsara fa tena betsaka ny vokatra e!

mety ho gaga ianao hoe nahoana aho no mahasahy miteny toy izany???, satria tanteraka amiko koa ity teny ity namana....

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jao.14:18)

Ary IO FANAHY, tonga ato anatiko ankehitriny io no manamafy fa tsy mpandainga akory ity olona ity fa tena nofidiny ary nampianariny mivantana marina tokoa izy....
145. stahtam ( 16/03/2016 07:23)

[quote=RBNIR]
Stahtam,
Hoy Jesosy hoe : « Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara. » (Lio.6:43)

Ny fampianarana tsy misy kilema tsy azo alain-tahaka, fa ilay hazo mihitsy aloha no mila tsara (miaina sy manao ilay fampianarana) izay vao afaka mampianatra an'io ny olona 1 namana...

Ka raha misy vaovao ho avy, dia hisaorana anie Izy satria « Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. » (Mat.9:38)

Raha misy kosa mpangalatahaka fa tsy nampianarina mivantana akory dia azy sy ny TOMPO ny azy fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho afabaraka izany olona izany satria tsy mandainga io teny io ....tsy misy hazo ratsy mamoa voa tsara.......

[quote=stahtam]
Ny resakao ange mitombina fa ny sivana ampiasaintsika mihitsy no mifamadika e!
Ny anao dia ny FAMPIANARANY no jerena (voa tsara), izay no mandeha voalohany vao fantatra hoe tsara ilay hazo na tsia.
Ny ahy indray dia ilay hazo mihitsy aloha no jerena voalohany hoe HAZO INONA ITY (Jiosy ve sa Jentilisa) izay vao sedraina sy hamarinina na disoina ny zavatra lazainy. Ka raha vao tsy Jiosy izany ilay hazo (ilay mitory) dia tsy tohizana intsony ny fanivanana satria efa tafavoaka ny "domaine de définition" ilay hosivanina. Eo no maha-samy hafa ny fomba fijerintsika.
Raha hijery aho izany, hoe iza no iraka tena izy, iza no mpaminany sandoka dia any @ Jiosy foana no itadiavako azy. Any ny vala famaritana
146. RBNIR ( 16/03/2016 07:38)
stahtam:

Efa azoko tsara raha izay ka, fa ianao moa tsy nety nandray fa hoe diso ny fandraisanao an'ilay Jiosy nolazain'i Jesosy satria IZY dia nanambara ny tenany hoy aho, fa tsy ny apostoly no nambarany taimn'iny,

Fanampiny ianao tsy mety mandray fa efa tsy misy intsony jiosy na jentilisa izany...Ary ny tena atao hoe Jiosy ary ao amin'ny fanekena vaovao dia ireo izay voafora fo fa tsy voafora nofo akory....(avereno vakiana e!)

Ny Rom.3 sy Rom 11 no mamatotra anao ka dia IZY anie hanazava ny sainao e!!!
147. stahtam ( 16/03/2016 08:58)

RBNIR:

Ilay voambolana hoe "tsy nety nandray" kosa angamba ampiako fanazavana satria toa midika hoe "nanamafy fo" aho raha ny fandraisako izany teninao izany.
Eo @ fotoana iresahan'ny Mesia sy ilay vehivavy Samaritana dia "izahay" no nampiasainy (pluriel izany ry zareo no mivavaka @ izay fantany). Izy sy iza àry ireo? Valiny: Izy sy ny Jiosy tany alohany no lazainy eo satria fantany ny lalàna voasoratra hatrany @ dadabeny Abrahama: "@ taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany" ka dia "izahay" no voambolana nampiasainy. Faharoa rehefa niakatra ho any an-danitra Izy ka tsy ho eto an-tany intsony dia zava-dehibe tsy maintsy nolazainy io fiovana eritreretinao io raha toa ka tsy maintsy hiova (fanendrena ny Jentilisa indray hisolo ny Jiosy). Taranak'i Abrahama (araka ny nofo) foana no nirahiny fa tsy niantso na nanendry mpampianatra hafa firenena izy rehefa tonga ny fialàny tety, na dia maro aza ny hafa firenena nino Azy t@ izany fotoana izany. Azonao hamarinina ao @ izay voasoratra izany. Fantany mantsy fa fandikan-dalàna ny manova ny lalàna napetrak'Ilay nanao fanekena t@ Abrahama. Notahina ireo firenena hafa rehetra nino ireo taranak'i Abrahama ireo ka nanjary nolazaina hoe zanak'i Abrahama koa izy ireo. Voahaja izany ilay lalàna.
Tsy ny versets voalazanao ihany (Rom 3 sy 11) fa izay teny voasoratra avy any Aminy dia mahasoa avokoa ka tokony hekena fa tsy ireo roa ireo ihany no tokony hamatotra.
Farany: "Fanampiny ianao tsy mety mandray fa efa tsy misy intsony jiosy na jentilisa izany...Ary ny tena atao hoe Jiosy ary ao amin'ny fanekena vaovao dia ireo izay voafora fo fa tsy voafora nofo akory....(avereno vakiana e!)"
Tsara angamba dinihina mihitsy ilay izy fa tsy vakiana fotsiny e:
a-Iza no nanoratra fa "ny tena atao hoe Jiosy ary ao amin'ny fanekena vaovao dia ireo izay voafora fo fa tsy voafora nofo akory"? VALINY: i Paoly;
b-Iza no nanoratra hoe "Koa inona àry no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana? Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'An... ho adidiny"? VALINY: MBOLA i Paoly ihany.
Eto amin'ity b- ity: Jiosy araka ny nofo ireo sa Jiosy @ ilay hevitra narosonao, famorana inona io resahiny hoe misy soa azo avy aminy, araka ny nofo ve sa amin'ny fo? Ka ilay notolorana ny teniny ve izany voafora araka ny nofo sa voafora @ fo ?
Raha valianao @ saina mahitsy sy objectif ireo fanontaniana ireo dia angamba mba hiova ihany ny fiteninao hoe: "izaho no tsy mety mandray".
Aleo aloha afa-po @ izao resatsika izao mihitsy ianao izay vao hidirako ilay Galatiana 3/28 raha misy fotoana.
148. RBNIR ( 16/03/2016 10:21)
Voalohany, dia hamafisina fa raha niteny Jesosy hoe avy amin'ny Jiosy ny famonjena dia IZY no nolazainy tamin'io fa tsy nilaza apostoly Izy....

Simeona dia nahazo teny fikasana fa tsy ho faty mihitsy raha tsy mahita io famonjena io...
Ary rehefa hitany dia hoy izy hoe:

« Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao; » (Lio.2:29)
« Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, » (Lioka 2:30)

Noho izany tsy afaka raisina mihitsy avy amin'io teny io aloha fa tsy maintsy Jiosy (ara-nofo no mitondra ny famonjena)....

Manaraka izay misy vanim-potoana 2 mazava tsara....
Fanekena taloha, ny atao hoe Jiosy dia ireo tarank'israely,
Fanekena vaovao, ny atao hoe Jiosy dia ireo olona voafora fo, ary tsy misy intsony fanavahana ny Jiosy sy ny Jentilisa....
149. stahtam ( 16/03/2016 11:00)

Tsara aloha raha mba valianao tsy misy alatsaka ireo fanontaniako dia tsy miitatra toy izao ny resatsika. Ireto averiko ireto izy telo, izay niainga avy @ ilay Romana 3/1,2:
[Koa inona àry no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana? Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'An... ho adidiny]

1°) Jiosy araka ny nofo ireo sa Jiosy @ ilay hevitra narosonao, (valiana hoe Jiosy araka ny nofo na tsy Jiosy araka ny nofo)
2°) Famorana inona io resahiny hoe misy soa azo avy aminy, araka ny nofo ve sa amin'ny fo? (valiana hoe famorana araka ny nofo na famorana amin'ny fo)
3°) Ka ilay notolorana ny teniny ho adidiny ve izany voafora araka ny nofo sa voafora @ fo ? (valiana hoe voafora araka ny nofo na voafora @ fo).
Azoko valiana ihany koa ireo fanontaniana narosonao fa aleo aloha mba hilamina tsara sy hisesy ny resatsika e.
150. RBNIR ( 16/03/2016 12:05)
Tsy misy soa izany azo avy amin'ny famorana (na tsy famorana) stahtam .....« Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao. » (Gal.6:15)

Ary tsinontsinona ny famorana (na koa ny tsy famorana)....
« Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny didin'Andriamanitra no izy. » (1 Kor.7:19)

Io ihany koa no mamaly ny fanontanianao...Aminao v mety ny mety hoe tsy mahasoa, nefa avy eo miteny hoe mahasoa indray???

Tandremo fa hoy i petera hoe « tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Pet.3:16)

Koa aza ferana eo amin'ilay rom.3:1.2 ny fahalalanao ry stahtam....

151. stahtam ( 16/03/2016 12:34)

Ho lasa resaky ny moana sy ny marenina no fahitako azy ity, ny eo tsy voavaly ny eo misesika ihany; hikorontana izany ity resaka ity; izay nefa no nosorohiko ka nahatonga ahy nametraka mazava ireo fanontaniana ireo sy nangataka valiny mahitsy avy aminao, ka matoa tsy misy fahitsiam-po dia misy antony ao. Mety hoe voafetra eo @ rom 3:1.2 angamba ny fahalalàko; izay no nangatahako ireo valim-panontaniana ireo saingy tsy novalianao mihitsy moa ilay izy. Tsy fantatro izay tondroinao @ hoe kely fahalalana manolana ny tenin'i Paoly fa ny tsapako dia tenin'i Paoly no nangatahako valin-teny TSY MIOLAKA avy aminao kanefa dia nialànao fa versets vaovao hatrany no atranganao. Romana 3/1-2 aloha no resaka. Ka izao e: aza mamoaka verset intsony mihitsy aloha raha mbola tsy hamaly ireo fanontaniako ireo ianao fa manjary mampivaona ny resaka.
152. rhaj0 ( 16/03/2016 12:44)
'zafady mitsatsaingoka.. ilay resaka famorana ve io reask'i Paoly ao @ Romana io???

dia nidiran-doza ho'a ny lhl fa nisy bainbainina nitapitapy tany taloha elabe tany, tsy tia sex, dia satria ilay prepuce azahoana fafiny, ary dia nodidiny hoe, didio io. Dia mody hoe, zanak'Atra ianao rahefa voadidy io..

Inona moa no maha-samy hafa ny famorana @ excision??
- samy nofo/taova salama no tapahina (prepuce sy clitoris)
- samy nofo ahitana fafiny @ sex
- samy fanehoana pouvoir ataon'ny bainia sy baofy adala izao

Dia mba nahita ilay film Europa Europa ve ianareo ao k'louh eee...
153. stahtam ( 16/03/2016 12:58)

[quote=rhaj0]

Resaka interprétations samy hafa mihitsy no thème eto ka! ny andaniny milaza hoe famorana, ny ankilany milaza hoe tsy famorana; izay no ady hevitra eto. Izany hoe samy mamaky dia samy mamoaka ny interprétation-ny. Ilay film aloha mbola tsy nijery aho fa mety mbola hijery ihany angamba. Ary raha mifora ianao dia mba voafitaky ry B... sy B... adala ihany koa izany an!
154. rhaj0 ( 16/03/2016 13:10)
Izaho k'lou dia mahatsiaro voafitaka fa noforaina tokoany ee.. dia natao batisa koa... Fa efa lasa izany: izany no mba takatry ny taloha azany ka atao ahoana. Na h@ fomba fitaizana koa ohatra, ka izay no t@ izany dia izay izany. Fa ny Ankizy ankehitrio sy ny ho avy jerena eee... f'aza mba akatona lava ao @ box-kely toa ny taloha ao foana ilay fi(s)ainana
155. RBNIR ( 17/03/2016 05:03)
« [Ny amin'ny nandravana an'i Babylona, sy ny nisaonan'ny olona azy] Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny. » (Apok.18:1)
« Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren*'ny fanahy maloto rehetra ary akanin*'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. [* Gr. tranomaizina] » (Apok.18:2)
« Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan*'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena. [* Na: (nisotrohan')] » (Apok.18:3)
« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4)

Efa manomboka tanteraka ny teny, efa manomboka mandrava an'i BABYLONA LEHIBE IZY ARY EFA MANOMBOKA MITAONA NY OLONY HIALA TAO!!!!

VAKIO ATO
156. stahtam ( 17/03/2016 05:04)

[quote=rhaj0]
Izaho k'lou dia mahatsiaro voafitaka fa noforaina tokoany ee.. dia natao batisa koa... Fa efa lasa izany: izany no mba takatry ny taloha azany ka atao ahoana. Na h@ fomba fitaizana koa ohatra, ka izay no t@ izany dia izay izany. Fa ny Ankizy ankehitrio sy ny ho avy jerena eee... f'aza mba akatona lava ao @ box-kely toa ny taloha ao foana ilay fi(s)ainana
[quote=stahtam]
Zavatra hafa mihitsy no ahafahana mamaritra ny hoe mikatona sy mivelatra, tahaka ny tsy ahafahako mamaritra ny hoe mikatona ve sa mivelatra ny Silamo, ny Boudhistes, ny franc-maçons... ka aleo aloha iny tsy dia hidirako loatra.
157. RBNIR ( 17/03/2016 06:47)
stahtam:

Tsara aloha raha mba valianao tsy misy alatsaka ireo fanontaniako dia tsy miitatra toy izao ny resatsika. Ireto averiko ireto izy telo, izay niainga avy @ ilay Romana 3/1,2:
[Koa inona àry no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana? Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'An... ho adidiny]

1°) Jiosy araka ny nofo ireo sa Jiosy @ ilay hevitra narosonao, (valiana hoe Jiosy araka ny nofo na tsy Jiosy araka ny nofo)
2°) Famorana inona io resahiny hoe misy soa azo avy aminy, araka ny nofo ve sa amin'ny fo? (valiana hoe famorana araka ny nofo na famorana amin'ny fo)
3°) Ka ilay notolorana ny teniny ho adidiny ve izany voafora araka ny nofo sa voafora @ fo ? (valiana hoe voafora araka ny nofo na voafora @ fo).
Azoko valiana ihany koa ireo fanontaniana narosonao fa aleo aloha mba hilamina tsara sy hisesy ny resatsika e.

1- 2 -3 Valiteny tokana angamba satria toko sy andininy 1 ihany ilay izy...
« Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana? » (Rom.3:1)
« Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny. » (Rom.3:2)

Marina io, ny Jiosy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny, ary tena vitany ny adidiny satria voatahiry tsara ny tenin'Andriamanitra mandraka androany,

Saingy talohan'ny fanekena taloha io teny fikasana io satria nanomboka teo amin'ny fanekena vaovao dia tsy nisy intsony ny hoe jiosy na jentilisa fa mitovy avokoa ny rehetra...

Iry teny fikasana teo aloha iry araka izany dia nomena ny jentilisa ihany koa....

Porofo??? Inona ny tenin'Andriamanitra nomena ho adidin'ny Jentilisa???
Aza maka alavitra fa eto ohatra dia misy tenin'Andriamanitra nomena ny romana (epistily) mba ho adidiny....Ary vitany tsara koa ny adidiny matoa mbola voatahiry ankehitriny izany epistily izany,
Nisy koa nomena ny galatiana, efesianina sns e!!!

Fehiny, rehefa tonga ny fanekena vaovao, dia nafindra tamin'ny jentilisa ihany koa ny teny fikasana azon'ny Jiosy fahiny.......

Izay no nahatonga ilay teny hoe « fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Rom.2:29)
158. stahtam ( 17/03/2016 08:44)

Na dia nandosiranao mafy aza ny précision tena ilaina @ ilay valin-teny dia hitako fa manaiky ilay hoe Jiosy ARAKA NY NOFO ianao. Iray izay, hitako taratra koa fa manavaka tsara ilay FAMORANA ARAKA NY NOFO nomena ireo Jiosy ireo ianao, roa izay. Fahatelo: tena zava-dehibe ny namoahanao ity teny ity: "Porofo??? Inona ny tenin'Andriamanitra nomena ho adidin'ny Jentilisa??? Aza maka alavitra fa eto ohatra dia misy tenin'Andriamanitra nomena ny romana (epistily) mba ho adidiny....Ary vitany tsara koa ny adidiny matoa mbola voatahiry ankehitriny izany epistily izany, Nisy koa nomena ny galatiana, efesianina sns e!!!" Izany hoe milaza izany ianao fa nomena fahefana HITORY NY TENINY KOA ny Romana, Galatiana, Efesiana (ireo Jentilisa ...). Ny mifanohitra @ izay aloha no hitako: saika @ ankabeazan'ireo boky ireo dia i Paoly (Jiosy araka ny nofo) no milaza fa nanoratra ireo Epistily ireo isaky ny andininy 1 (matetika). Ny mpitory izany dia i Paoly (Jiosy araka ny nofo io, azy izany ny ADIDY HITORY), fa ny Romana sy ny Galatiana ... dia ITORIANA izany hoe iantefan'ilay teny fa tsy mpiadidy ny teny velively. Tsy nisy nitory mihitsy ireo na iray aza. Ny fandraisanao azy izany dia izay mitahiry support matériel no lazainao fa MIADIDY ny teniny. Amiko indray dia izay MITORY ny FAMONJENA VOARAKITRA ao anatin'ny teny no atao hoe: MIADIDY ny TENY. Eto izany dia afaka miteny aho fa samy hafa ny fomba fijerintsika ka sarotra ny hampihaona azy.
Ny fanekena vaovao (Jeremia 31/33) lazainao dia tsy nahita toko sy andininy milaza izany hoe nomena ny jentilisa izany aho ao anaty baiboly.
159. RBNIR ( 17/03/2016 09:05)
stahtam:

Tsy nisy nitory mihitsy ireo na iray aza.

Izany an???

hoy i paoly tamin'i Timoty hoe....« mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. » (2 Tim.4:2).......
160. stahtam ( 17/03/2016 11:23)

RBNIR:

[quote=stahtam]
Tsy nisy nitory mihitsy ireo na iray aza.

Izany an???

hoy i paoly tamin'i Timoty hoe....« mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. » (2 Tim.4:2).......

[quote=stahtam]
Jiosy reny i Timoty ary nifora
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2212