FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

81. stahtam ( 04/03/2016 07:29)

[quote=RBNIR]
Mba ento eto hoe ilay nanazavan'ny advantiste azy ary mba ho hitantsika stahtam.....
[quote=stahtam]
Raha mety aminao dia ny boky nanazavan-dry zareo azy no homeko anao ny lohateniny sy ny mpanoratra, ary tsy advantista ihany fa ny Témoins de J... koa. Izaho mantsy tsy advantista sady tsy témoin fa mamaly ilay teninao fotsiny hoe mbola tsy nahita olona nanazava ny anjely telo ianao, dia hoy aho hoe "efa nisy". Tsy miditra @ izay fahamarinany sy fahadisoany aho satria izay no maharesy lahatra azy dia ataony hoe marina: APOKALYPSY nosoratan'i Pasteur Elioney RAJAONAH (Advantista), APOKALYPSY - Fanambarana - Boky menamena navoakan'"ny Fikambanana Vavolombelon'i J...i pasteur Mailhol koa nanao fampianarana t@ radiony hatr@ 1996 tany ho any... Ka afa-po ve ianao @ izay?
82. endriny ( 04/03/2016 07:32)

RBNIR:

endriny:

Toa manaporofo ianao fa i Paoly ihany no nifidy an'i Paoly tamin'ny tantara noforonin'izy tenany

Manaov recherche hoe iza no nanoratra ny boky asan'ny apostoly dia ho hitanao fa tsy i paoly akory fa i lioka izay an'isan'ireo nenjehin'i paoly fatratra fony mbola tsy nahafantatra ny maina i paoly...

Ka I Lioka angaha moa mpianatr'i Jesosy?
[/quote]
Mamaly anao aho ka, te hampita ianao hoe noforonin'i paoly ny tantarany, dia hoy aho aminao hoe tsy i paoly anie no nanoratra ny tantarany fa i lioka e! ary lioka tsy hanoratra zavatra diso mihitsy satria fantany tsara fa « ..... ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apok.21:8)

Koa matoa i lioka nahasahy nanoratra an'io dia ny Fanahy Masina no nitaona azy hanoratra an'io...

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)
[/quote]

Ary fa angaha tokoa moa tsy I Paoly ihany no Lioka e? Lucke Francois de Paul!

Dia hitanao amin'io aza fa I Lioka sady nanoratra testamenta no Asan'ny Apostaoly ka nefa tsy Apostaoly...

I Paoly nanoratra ny hafatra ho an'ny vazan-tany, dia tsy mpianatr'i Jesosy ihany koa

Dia somary miverina kely aza isika any amin'ny testamenta vaovao e... fa nahoana no soratra grika ireo boky ireo tany am-boalohany fa tsy hebreo?

Dia ahoana kay no nahaizan'ireo mpianatra ireo nanoratra kanefa ny fampianarana manoratra tamin'izany taon-jato 0-100 izany dia natao ho an'ny mpanora-dalana sy ny ireo mpitondra ary ny zanaky ny mpanjaka ihany?
83. RBNIR ( 04/03/2016 08:01)
Endriny, izaho eto tsy apostoly nefa mampita anao ny noraisiko tamin'ny mpanompon'Andriamanitra....
84. stahtam ( 04/03/2016 12:55)

[quote=stahtam]

[quote=RBNIR]
Mba ento eto hoe ilay nanazavan'ny advantiste azy ary mba ho hitantsika stahtam.....
[quote=stahtam]
Raha mety aminao dia ny boky nanazavan-dry zareo azy no homeko anao ny lohateniny sy ny mpanoratra, ary tsy advantista ihany fa ny Témoins de J... koa. Izaho mantsy tsy advantista sady tsy témoin fa mamaly ilay teninao fotsiny hoe mbola tsy nahita olona nanazava ny anjely telo ianao, dia hoy aho hoe "efa nisy". Tsy miditra @ izay fahamarinany sy fahadisoany aho satria izay no maharesy lahatra azy dia ataony hoe marina: APOKALYPSY nosoratan'i Pasteur Elioney RAJAONAH (Advantista), APOKALYPSY - Fanambarana - Boky menamena navoakan'"ny Fikambanana Vavolombelon'i J...i pasteur Mailhol koa nanao fampianarana t@ radiony hatr@ 1996 tany ho any... Ka afa-po ve ianao @ izay?
[quote=stahtam]
Raha afa-po ianao dia apetrako mialoha ny fanontaniana mikasika ny Galatiana noresahinao (raha hiditra @ io resaka io ianao):
1°) TSY MISY INTSONY Jiosy na Jentilisa: ny malagasy ve izany tsy malagasy intsony fa lasa inona? Raha tsy misy intsony ny Jiosy dia mitovy @ Jentilisa ihany ve izy avy eo? nefa na ny Jentilisa koa aza tsy Jentilisa intsony; dia inona indray no fiantsoana azy (@ nationalité)?
85. RBNIR ( 07/03/2016 07:14)
fa ahoana koa ity ataon'i stahtam ity e, tsy mety mamaly ny fanontaniako mihitsy fa ny anao ihany??? ento ho hitan'ny olona eto hoy aho izany nambaran'ny adventiste mikasika ny anjely telo izany....Efa nisy hafa izao tery ambony tsy valianao dia io indray koa fanindroany mbola tsy valianao ihany???
86. stahtam ( 07/03/2016 08:57)

Izao àry e: sao dia mampikorontana ny resaka ny tsy fifankahazoana ka aleo halamintsika hatr@ voalohany indray.
1°) Ilay Galatiana dia hajanona tanteraka aloha;
2°) Ilay fanontaniana hoe: "Ka mbola mazoto amin'ilay apostoly tsy nofidina mivantana, sy tsy nampianariny mivantana ihany v izato ianao ry stahtam????...." Io ve no lazainao hoe "fanontaniana tery ambony" mbola tsy novaliako sa hafa? raha tsy io dia ampahafantaro ahy fa hovaliako mitokana mihitsy.
3°) Valiako tsara ilay fanontanianao farany hoe:"fa ahoana koa ity ataon'i stahtam ity e, tsy mety mamaly ny fanontaniako mihitsy fa ny anao ihany??? ento ho hitan'ny olona eto hoy aho izany nambaran'ny adventiste mikasika ny anjely telo izany....
Valiny: Mila hazavaina @ antsipiriany mihitsy angamba rehefa miresaka vao ho takatrao ilay tiako holazaina. Ianao mantsy niteny hoe "mbola tsy nahita olona nanazava momba ny anjely telo mihitsy aho hatr@ izao" dia izay no novaliako hoe tsy marina izany fa efa nisy nanazava fa ianao no mety ho TSY NAHITA na MBOLA TSY NAHARE. Ny antony tsy "namaliako" (angamba) ilay hoe ento ny fanazavana nomen'ny advantista dia tsotra ny valiny: ao anaty bokin-dry zareo ilay fanazavana, izany hoe MISY sy EFA NISY talohan'io resahinao io izany ilay fanazavana mikasika ny anjely 3. Izay no nolazaiko. Fa raha hoy kosa ianao hoe mba ento ilay fanazavan'ny advantista dia fampidirana ahy ao anaty ady hevitra tsy mamokatra izany satria IZAHO TSY ADVANTISTA fa ILAY FANAZAVANA KOSA DIA MISY ary efa natoroko anao ny boky misy ilay fanazavana, io boky io no porofo, ka raha te-hijery ianao dia ao anatin'io boky io izy 100% tsy misy commentaire fa araka izay noheverin-dry zareo fa marina, izay tsy idirako. Mety ho samy hafa @ ilay henonao izao ilay izy saingy FANAZAVANA FOANA no anaran'io na inona na inona voasoratra ao. Asa raha mbola tianao haveriko eto indray fa ny maha-marina na maha-diso ny fanazavana ataonareo dia tsy idirako satria faharesen-dahatry ny tsirairay izany ka izay lazainy fa marina dia azy izany. tsy hanao avocat-n-dry zareo izany aho raha atao mazavazava kokoa. Ka afa-po ve ianao ny @ iny fanirianao iray iny?
87. RBNIR ( 07/03/2016 10:31)
1- ilay galatianina mihitsy no ilaiko valiny aminao satria hoy ianao hoe avy amin'ny Jiosy ny famonjena (marina io satria i Jesosy no ILAY FAMONJENA) noresahina fa avy tamin'ny Jiosy,
2- Anisan'ny fanontaniana tsy novalianao io hoe mbola mazoto hanaraka olona tsy nofidin'i Jesosy mivantana hatrany v ianao nefa efa miharihary B fa izay nofidiny mivantana ihany no manana ny tena marina (raha araka ny soratra masina nentina teto)
3- Omeo ny olona eto fotsiny ilay rohy nomen'ny advantista dia ampy e, amin'izay iarahamahita eto hoe efa nanambara marina momba ny anjely 3 marina v ry zareo sa tsia....Ny fahafantarako azy aloha hatreto dia tsy mbola nisy nahalaza ny dikan'ireo hafatry ny anjely 3 afats'ity pasteur ity irery ihany, ny sisan'izay mitatitra lazan'olona saingy tsy tena araka ilay fahazavana nomen'i Jesosy marina......

Ka mba valio amin'izay ary e,
88. stahtam ( 07/03/2016 12:13)

Telo (03) izany ny fanontaniana ilànao valiny ka dia hasesiko tsara ary hataoko fohy, tsotra sy mazava ny valin-teny araka ny filaharany:
2°) Tena mazoto hanaraka izay olona nofidina ny tenako fa ny "domaine de définition" no tsy itoviana, ny ahy dia efa nolazaiko hoe Jiosy ihany (Jaona 4/22), raha misy olona milaza fa nisehoany sy nofidiny izany dia io aloha no fantariko: Jiosy ve ilay nisehoana sy nirahina sa tsia. rehefa jiosy izy izay vao mandeha indray ny sivana fanindroany hoe: mitovy 100% @ ilay nampianarin'ny Mesia ve ny zavatra ampianariny. Izany hoe na milaza zavatra mitovy 100% @ izay nampianariny aza ilay olona kanefa TSY JIOSY dia eritreretiko hoe any ivelan'ny domaine de définition izy izay. Azon'ny olona tsirairay atao ny mianatra "droit" fa izay NAHAZO FAHEFANA" avy @ fanjakana ihany no afaka ny ho MPITSARA. Salamo 147/19-20.
3°) Ity fanirianao ity angamba dia mety tsy ho vitako satria ny fivavahana advantiste dia tsy arahiko ka sarotra amiko ny hitady rohy any aminy nefa tsy izaho akory no mila ilay rohy. Ny azoko atao angamba dia hotadiaviko ny pejy misy ilay fanazavana momba ny anjely telo dia mba bibliographie izany no atoroko fa tsy rohy e. Ialana tsiny fa mety ho tsy nahafa-po ity valin-teny iray ity!
1°) Hovaliako ilay galatiana fa rehefa mitsahatra @ fangataham-panazavana teo aloha ianao ka AFA-PO TSARA vao hatomboko ny resaka momba io. Milamina tsara mantsy isika @ izay. Izany hoe fanazavana lohahevitra iray ihany no ifantohana dia tsy misy intsony ilay mety ho tsy fifankahazoana tahaka ilay niseho teo aloha teo.
89. RBNIR ( 07/03/2016 12:53)
2° Iza no tian'i Jesosy tenenina raha nilaza izy fa avy amin'ny Jiosy ny famonjena...?
Ny apostoly v?

« Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. » (Jao.4:22)
« Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy. » (Jao.4:26)

Mazava B io stahtam a! IZY no nambarany fa famonjena niandrasana avy tamin'ny Jiosy......(fa tsy ny apostoly akory)....Ny olona ange tsy mahavonjy olona fa ny Anarany irery ihany no mitondra famonjena e!!

3- Ny fanambaranao mantsy dia toa milaza ianao fa ny zavatra torian'ilay pasteur ankehitriny dia efa nambaran'ny advantiste....mila mba hamarininao ngamba izay namana mba hampamaripototra ny fanamarihanao.....

1- :-)
90. stahtam ( 07/03/2016 13:42)

Aleo angamba lohahevitra iray ihany aloha no resahina e. Sao mantsy tsy ho azonao indray ilay valin-teny ka mamaritra mazava ihany aho aloha: zavatra roa noresahinao eto dia ny fanazavana ny hoe avy @ Jiosy ny famonjena sy ny nampitovianao ny fampianaran'ny advantiste @ zavatra torian'ilay pasteur ankehitriny.
Voalohany àry: Hoy ianao "Ny fanambaranao mantsy dia TOA milaza ianao fa ny zavatra torian'ilay pasteur ankehitriny dia efa nambaran'ny advantiste....mila mba hamarininao ngamba izay namana mba hampamaripototra ny fanamarihanao.....". Soa ihany fa nasianao ilay teny hoe "TOA" mba hahalalanao fa tsy nilaza izany aho. Ny fampianarana momba ny anjely 3 TALOHAN'NY hitanao ankehitriny, EFA NISY no noporofoiko fa tsy nilaza mihitsy aho hoe mitovy ireo na tsy mitovy ka tsy misy hohamariniko angamba ny @ izany. Interprétation io ka samy milaza izay holazainy eo ny tsirairay. Samy manamarina izay nolazainy avokoa e.
Faharoa: iza no nolazainy hoe avy @ Jiosy ny famonjena? valiny : efa hatr@ voalohany Ilay ivavahana no nifidy an'i Abrahama sy ny taranany (avy @ Isaka sy Jakoba) ho loharano hihavian'ny famonjena ho an'ny firenena rehetra ka tantara efa nitohy hatr@ izay izany ilay hoe Jiosy fa tsy hoe ny Mesia irery na ny Apostoly irery. Ensemble izany ilay izy fa tsy hoe teo @ mesia akory vao nanomboka ny tantaran'ny famonjena. Betsaka ny teny manaporofo izany any @ lalàna sy ny mpaminany ary ny salamo. Ny andininy 26 nolazainao dia milaza fotsiny ny fahatanterahan'ny fahatongavan'ny Mesia (Ilay nandrasana) fa ny tantaran'ny famonjena dia TSY MIJANONA EO velively. Ohatra: efa tsy teo intsony ny Mesia dia maro ireo olona nandray famonjena tahaka ireo telo arivo natao batisa t@ andro pentekosta, ilay tandapa etiopiana t@ andron'i Filipo... Tsy ny Apostoly no Mpamonjy, marina izany, fa MITONDRA FAMONJENA kosa ry zareo satria JIOSY ary VOAFIDY, any aminy ilay zavatra. Mandra-pahatongan'ny fiafaran'izao tontolo izao izany dia mitohy foana ny FAMONJENA fa vanim-potoana iray nandalovana fotsiny ny nidinan'ny Mesia tety ambonin'ny tany hanatanterahana ny famonjena izay efa voambara mialoha hatrany @ lalàn'i Mosesy.Jiosy no nanaovana ny teny fikasana ary nomena ny adidy (Romana 3/1,2) dia tazoniny hatr@ andro farany izay fitondrana famonjena ho an'izao tontolo izao izay (Zakaria 8/22,23). Asa raha hisy faminaniana hifamadika @ io (hisy hafa firenena hitangoronan'ny Jiosy ve satria hoe nahita ny Mesia na nirahin'ny Mesia mivantana?). Azo apetraka ihany anefa ny fanontaniana hoe hanaraka an-dry zareo Jiosy ho aiza ireo hafa firenena ireo? Na inona na inona miseho: tsy mifanohitra ny teny voasoratra tany aloha sy ny zavatra mitranga aty aoriana fa mizotra milamina tsara.
91. RBNIR ( 07/03/2016 13:54)
1 Mahafinaritra aloha rehefa miaiky ianao fa mbola tsy nisy fampianarana tahaka io ankehitriny io hatrizay!!!

2 Raha tsy ampy anao ilay tenin'i Jesosy hoe Izy no ilay nambara fa famonjena nivoaka avy amin'ny Jiosy dia aleo ampiana 1 hafa ihany koa...
« dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. » (Asan'ny Apostoly 4:10)
« Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). » (Asan'ny Apostoly 4:11)
« Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. » (Asan'ny Apostoly 4:12)

Gal.3:28 (sarotra dia sarotra ho anao tokoa ny hanazava an'io namana)....:-)
92. endriny ( 07/03/2016 16:10)

RBNIR:

Ianao ve aloha mino ny baiboly vakianao sa mino ny tapatapany fotsiny e? Sa hoe izay mahasoasoa ahazoana ondry volosana fotsiny ihany?

Araka an'io Atr'Israely tompon'ny maro amitsika io dia tsy misy tompon'ny ampitsony izany ny olona. ary efa novoaboasana teto izany, raha ny fehi-kevitr'io Atra no zohina.

Ito ohatra iray voalazan'ny baiboly eto

Noho izany aza manantena hoe famindra-po izany fa efa voafidy talohan'ny nahaterahany ny olona

Sa ve iska mino ny ondry sy ny osy ka ny ondry ihany no voavonjy fa ny osy kosa hoe very dia izay koa no maha fady osy antsika e
93. RBNIR ( 07/03/2016 22:37)

Ireto avy nisy taranak'i Adama sy Eva saingy tsy zanak'israely nanompo an'Andriamanitra....
Abela,
Enoka,
Mpisorona natao hoe Melkizedeka,
Abrahama,
Isaka,
Ny atao hoe zanak'Israely mantsy dia ny zanak'i Jakoba sy ny taranany
Ireo olona ireo dia génération tany aloha fa tsy zanany akory.....saingy kosa taranak'i adama sy eva ireo...
Ary tamin'ny andron'ny zanak'israely aza dia mbola nisy koa firenena hafa nanompo Azy....
« Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko » (Isaia 56:6)
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isaia 56:7)

Ary rehefa tonga indray i JESOSY dia nampianatra hoe « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

Taranak'i Adama sy Eva no nanompo an'Andriamanitra, ka taranany ianao sa tsia????
94. endriny ( 08/03/2016 04:32)
Dia aiza amin'ireo taranaka ireo no misy hoe Odon Razanakolona, na Jean Jacques Ravelojaonina?

Dia aza manantena ny ho voavonjy izany rehefa tsy nahay manaporofo fa taranak'i Adama sy Eva

IZaho aloha tsy taranany e.... Izahay tarana-bazimba
95. RBNIR ( 08/03/2016 04:48)

endriny:

Dia aiza amin'ireo taranaka ireo no misy hoe Odon Razanakolona, na Jean Jacques Ravelojaonina?

Dia aza manantena ny ho voavonjy izany rehefa tsy nahay manaporofo fa taranak'i Adama sy Eva

IZaho aloha tsy taranany e.... Izahay tarana-bazimba

Izay mahatsapa tena taranak'i adama sy eva no mahatsiaro tokony hanompo Azy fa raha mihevitra kosa fa taranak'i Lilly....dia mazava loatra toy ny biby rehetra ihany tsy mivavaka.....
96. endriny ( 08/03/2016 04:59)

RBNIR:

Izay mahatsapa tena taranak'i adama sy eva no mahatsiaro tokony hanompo Azy fa raha mihevitra kosa fa taranak'i Lilly....dia mazava loatra toy ny biby rehetra ihany tsy mivavaka.....

Fa ahoana moa no ilazanao fa tsy mivavaka ny biby? Ianao ve efa mba nahita akoho nitarika dia jereo ny fiahiany ny zanany?

Hay fahatsapa-tena koa dia efa mahazanaka moa... izaho izany tokony mba mahatsapa tena hoe zanak'i Gallois dia lasa frantsay aho...

Ampiasao ho'a ny saina fa tsy manonofy ao fotsiny dia manoratra...
97. RBNIR ( 08/03/2016 05:08)

endriny:

Fa ahoana moa no ilazanao fa tsy mivavaka ny biby? Ianao ve efa mba nahita akoho nitarika dia jereo ny fiahiany ny zanany?

Mivavaka = Mino ny fisiany aloha!!!

Lasa mino Azy indray ngah ianao io moa no miady varotra ny amin'ny akoho eto???!!

Efa tsara fa tohizo e! fanombohana izay!!!
98. stahtam ( 08/03/2016 06:38)

[quote=RBNIR]
1 Mahafinaritra aloha rehefa miaiky ianao fa mbola tsy nisy fampianarana tahaka io ankehitriny io hatrizay!!!

2 Raha tsy ampy anao ilay tenin'i Jesosy hoe Izy no ilay nambara fa famonjena nivoaka avy amin'ny Jiosy dia aleo ampiana 1 hafa ihany koa...
« dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. » (Asan'ny Apostoly 4:10)
« Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). » (Asan'ny Apostoly 4:11)
« Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. » (Asan'ny Apostoly 4:12)

Gal.3:28 (sarotra dia sarotra ho anao tokoa ny hanazava an'io namana)....:-)

[quote=stahtam]
Tsara ihany aloha ianao raha mba mampatsiahy ahy hoe voavaly avokoa ve ny fanontaniana napetrakao. Iny mantsy no tena atahorako sao misy votsotra.
Momba ilay hoe fanazavana tsy mitovy aloha dia "évidence" izany hoy ny vazaha satria matoa samy hafa ny fiangonan'ireo olona manao fanazavana ireo dia samy hafa izany ny foto-pinoana maharesy lahatra azy avy. Raha ohatra izany hisy izao OLONA VAOVAO hanao fampianarana Apokalypsy ka hanazava ireo anjely telo ireo dia mazava be fa tsy maintsy ho HAFA TSY MITOVY @ io resahinao io indray ny fampianarana havoakany, dia tsy maintsy hiteny koa io olona io hoe mbola tsy nisy namoaka fampianarana tahaka izao tany aloha, zavatra mandeha ho azy izany raha amiko. Ny olana lehibe mipetraka dia hoe rehefa iza no isehoan'i J... dia tena izy fa rehefa iza no isehoan'i J... dia tsy izy; rehefa iza no miteny dia marina fa rehefa iza no manazava dia diso? Samy milaza daholo ireo fa versets bibliques no anaporofoany izay lazainy!
Manaraka izany ny hevitrao hoe ny Mesia IHANY no famonjena avy @ Jiosy voalaza eo @ Jao 4/22, ka izay no apetraka hoe marina (mba tsy hitaran'ny ady hevitra be loatra aloha), dia izao àry: rehefa niakatra tany an-danitra Izy (famonjena), izany hoe tsy teto ambonin'ny tany intsony, ka HOTORINA @ olona NY FAMONJENA dia ny Apostoly (izay Jiosy) irery sisa no nitory. Izany dia mba ho fanaporofoana sy fanamafisana ilay teny hoe "Ny Jiosy no NOTOLORANA ny teniny ho ADIDINY" (Romana 3/1,2). Nivadika ho teny indray izany eto ilay famonjena (na anarana araka ny nohazavainao tery ambony) fa tsy ilay vatan'olona intsony. Azo apetraka ihany mantsy ny fanontaniana hoe tena tsy nisy voavonjy mihitsy ve izany tany alohan'ny nahatongavan'ny Mesia tety an-tany raha hoe Izy IHANY? Ka ny fisisihan'ny hafa firenena haka io andraikitra mitory teny io mihitsy, na ny manala ny Jiosy @ io fiandraiketana io teny io mihitsy no tena tsy maharesy lahatra ahy raha tsy misy verset(s) hafa manafoana io Romana 3/1,2 io na faminaniana mamafa ny Zakaria 8/23. Ho an'ny hafa firenena (izay afaka MANDRAY ny famonjena tsara) dia nampitandrina azy ireo tsy hirehareha aza i Paoly ao @ Romana 11 satria SAMPANA NATSOFOKA ihany izy ireo (mifoka ny tsiron-kazo avoakan'ny VATAN-KAZO, dia ny Jiosy izany. Mifoka tsiron-kazo=AMPIANARINA fa tsy mamoaka fampianarana). Azo apetraka indray izany eto ny fanontaniana hoe "Misy hafa firenena sahy milaza fa tsy sampana NATSOFOKA ve?" raha sampana natsofoka izy, iza no nanatsofoka azy? Izy tenany ve sa nisy nitory taminy? Afaka mamoaka tsiron-kazo ho an'ny sampana hafa ve ny sampana natsofoka?
Ilay Galatiana indray aloha dia manana ny fomba fahitako azy io tokoa ny tenako. Ny hoe sarotra sy mora ny hanazava azy, angamba tsy dia any ny olana fa izaho ilay hiaina ny heviny mihitsy no mila resy lahatra @ zavatra inoako dia izay no hazavaiko. Aleo anefa ho vita tanteraka ny resaka teo aloha vao mifindra ho @ izany dia mba milamina tsara.
99. RBNIR ( 08/03/2016 06:59)
1 Notsindriko mafy ilay izy satria gaga ihany aho raha fampianarana noraisina avy ety an-tany no andeha hitovy amin'ilay fampianarana noraisina mivantana avy taminy namana....
Tsotra hoy aho no ahafantarana fa avy Aminy marina ny fampianarana dia 100% mitovy amin'ilay filazantsara notoriany 2000 taona lasa izay....

2- Ianao ihany ange no efa namaly mikasika ny Jiosy e! Ankehitriny ny Jiosy dia mbola lavina ary notapahina tsy hitsofoka eo Aminy....N jentilisa kosa izay oharina amin'ny hazo oliva naniry ho azy no mitoetra amin'izao fotoana izao....
Teto no nandavana ny Jiosy (Vakio ATO Romana 9)
Koa satria nolavina ny Jiosy dia mazava ho azy ao amin'ny Jentilisa indray aloha no misy ny famonjena amin'izao fotoana izao (ao amin'ilay hazo oliva naniry ho azy).......

« Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy. » (Romana 11:24)

Vakio tsara fa ilay tena sampany hoy ny teny dia notapahina tamin'ny hazo oliva izay nanapahina azy....

Koa dia mbola hiandry Jiosy ihany va izato ianao namana????

Ilay galatianina aloha sarotra e! tena hitako hoe sarotra aminao ny manazava azy satria hoy ny teny hoe.....

« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

Raha io tsinona no vakiana dia mitovy ihany Jiosy sy ny tsy Jiosy.....(sarotra e! :-)

100. stahtam ( 08/03/2016 08:22)

Hitako izao fa mihamitatra be ihany ny resaka ka tazony mihitsy aloha ilay Galatiana hiandry farany fa ireto hafa no hidirako:
Raha namaky ny Romana 9 izaho sy ianao dia namoaka interprétation ianao fa hoe "io no porofon'ny fandàvana ny Jiosy ka efa ny Jentilisa indray izao no mitondra ny famonjena". Raha araka ny hevitrao koa dia tsy misy Jiosy intsony mihitsy tokony hitondra ny famonjena fa ny Jentilisa indray no tokony hiandraikitra izany.
Izay no nahatonga ilay fanontaniako hoe: raha natsofoka ny Jentilisa, IZA no nanatsofoka azy teo? izao mantsy: mino io teny io ianao (Romana 9). Ny nanao io fampianarana io dia i Paoly, i Paoly dia Jiosy fa tsy Jentilisa, ka ny fanambaranao fa "nolavina ny Jiosy" dia SAFOBEMANTSINA no ilazako azy. Hatreto izany dia mbola tsy foana ilay tenin'i Paoly ao @ Romana 3/2.
Ity fomba fanaporofoana asehonao ity no efa nahiako fa hitranga satria tsongaina fotsiny ilay teny fa tsy mahazo ny tena tantara ankapobeny, hany ka manjary misy interprétation MIVAONA @ fahamarinana. Porofoiko toy izao izany zavatra lazaiko izany:
Romana TOKO 11: mbola i Paoly ihany eto no manao ny fampianarana, ilay nampianatra ny toko 3 sy ny toko 9 ihany:
1 Dia hoy izaho: Sao NARIAN'An... anie ny olony? SANATRIA IZANY! fa izaho koa mba Isiraelita taranak'i Abraham ihany, avy amin'ny firenen'i Benyamin (Jiosy izany i Paoly).
2 A... tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra M... eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'A... nentiny namely ny Israel hoe:
3 J... ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14). [Eto izany dia apetrako tsara ny fanaporofoana ilay hoe SAFOBEMANTSINA nahavoa anao]
4 Fa ahoana no NAVALIN'An... azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18). [Nanompo sampy ny mpanjaka sy ny ANKABEAZAM-BAHOAKA dia nieritreritra Elia hoe tsy misy intsony fa tapitra, saingy hay mbola nisy 7000 SISA ihany tao]
5 Dia TOY IZANY KOA AMIN'IZAO ANDRO ANKEHITRINY IZAO: misy SISA IHANY araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana. [Fa tsy hoe raha nandà akory ny ankabeazany dia ho-interpréter-na hoe nandà avokoa ny rehetra). Io teny hoe SISA io (Israely) no takonana @ io fomba fisainana manao safobemantsina io mba hilazan'ny hafa firenena fa efa izy ireo indray no nomena (?) ny teny ho adidiny.
Raha ilay interprétation nomenao izany no atao sary dia izao: Mpiadidy ny teny ny Jiosy hatreo @ toko 3; dia nolavina tampoka eo @ toko 9 dia miverina tsy nolavina tampoka eo @ toko faha 11, nefa dia i Paoly (jiosy) ihany no mampianatra ao anatin'izany rehetra izany. Asa aloha fa iny moa conviction personnelle...
Izany hoe raha natsofoka ho sampany ny Jentilisa iray dia mbola tsy voavaly ilay fanontaniana hoe Iza no nanatsofoka azy teo? sampana natsofoka ve afaka manatsofoka sampany hafa nefa izy aza mbola velomin'ny tena vatany.
Ny tanjon'ny Ray dia ny hamonjy ny ISRAELY REHETRA araka ny fanekena nataony t@ Abrahama; tsy ny rehetra anefa no nino sy nanaiky dia tonga ny sazy. Dia narovany ireo SISA izay nanaiky mba hampino ny Jentilisa, ary rehefa mino ny Jentilisa dia hino avokoa ireo israely tsy nino (noho ny fialonana hoy ny teny) dia ho tratra ihany ilay tanjona ao @ Jaona 11/49-52. Ka raha manontany ianao hoe Jiosy iza no andrasako dia ireo SISA ireo no andrasako satria izay no 100% mitovy @ ilay fampianarana voasoratra 2000 taona lasa, fa ilay Jentilisa hitory indray dia fampianarana vao niseho taty aoriana.
Tsy hadino akory ilay Galatiana fa miandry kely fotsiny e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1754