FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

41. RBNIR ( 29/02/2016 13:51)
Raha I matia aloha dia nofidin'ny olona (olona no nametaka ny anarany ho ho apostoly)

I Barnabasy indray koa dia mety izy niaraka tamin'i paoly no nilazana azy ho apostoly...
Raha ity teny ity kosa no ilazanao fa hoe apostoly i Titosy dia diso fandray ihany ianao...

« Raha ny amin'i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky* ny fiangonana izy sady voninahitr'i Kristy.[*Gr.apostoly] » (2 Kor. 8:23)

Ilay étoile kely (*) dia eo amin'ny teny hoe Iraky...

Ankoatran'i Titosy dia nisy olona hafa niaraka tamin'i Titosy teo ary ireny no voalaza ho apostoly ...
Dikan-teny frantsay ngamba mampahazava azy
Ainsi, pour ce qui est de Tite, il est notre associé et notre compagnon d'oeuvre auprès de vous; et pour ce qui est de nos frères, ils sont les envoyés des Eglises, la gloire de Christ.

Fa misy hoy aho toetra iombonan'ireo apostoly ireo ary tsy niova mihitsy izay na dia tamin'i paoly apostoly aza:
1- Jesosy no nanantona sy nifidy azireo
2- Jesosy mivantana ihany koa no nampianatra azireo ilay filazantsara....
42. stahtam ( 01/03/2016 07:21)

[quote=RBNIR]

[quote=stahtam]
Somary mba hazavao hoe azafady raha azo atao: "Raha I matia aloha dia nofidin'ny olona (olona no nametaka ny anarany ho ho apostoly)", dia hoy ny voalazan'ny "baiboly":
ASAN'NY APOSTOLY TOKO 1:...and. 24 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Ianao, ... ô! (olona ve no lazaina eto?), Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidiNAO amin'izy roa lahy ireto, 25 mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny maha-APOSTOLY izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany. Iza izany no nifidy azy nofidiNAO)?
43. RBNIR ( 01/03/2016 07:53)
stahtam:

Raha ny fisainanan'ny olona dia mety izay, fa ireo apostoly 11 miampy an'i paoly hoy aho tsy nisy natao an'izany fa Jesosy mihitsy no nanantona azireo sy nifidy azireo ary koa nampianatra azireo mivantana....Irak'i JEsosy mivantana izireo fa tsy nisy mpanelanelana....
44. stahtam ( 01/03/2016 11:04)

RBNIR:

Izany hoe i Barnabasy koa izany dia olona no nametaka ny anarany ho Apostoly (Asa 14/4) fa tsy Apostoly akory izy. Ka tsy tena voamarina ve izany fa tena mitombina ilay ahiahiko mikasika ny interprétation biblique satria ny olona lazain'ny baiboly fa nofidiny dia lazaina hoe "sain'olombelona" no nifidy azy! Tsy gaga aho raha misy ady hevitra ny maha Apostoly an'ilay "nampianarina mivantana" sy "nisehoana mivantana" (I Kor 9/2) satria ireo 11 lahy nahita sy nampianarina mivantana manao sain'olombelona ihany rehefa manao zavatra koa nahoana kosa moa no tsy mba hisy handà an'i Paoly, dia ireo olona manaiky ny fampianarany (misy ny tsy manaiky) sisa no "tombo-kase" maha-Apostoly azy?
Ary ilay hoe mitovy @ fampianaran'ny Mesia 100% ny fampianaran'i Paoly dia izao no mba tiako hanontaniana: Ny hena naterina t@ sampy; ny fihinanana azy ve a°) INTERDICTION ABSOLUE sa b°) CONDITIONNELLEMENT AUTORISEE?
45. RBNIR ( 01/03/2016 11:34)

Mbola tsy nahita tao anaty baiboly aho aloha nilaza fa i barnabasy nofidiny tahaka ireo apostoly ambiny rehetra....
46. RBNIR ( 01/03/2016 11:36)
Tsy aiko aloha izay fahamarinany, fa io "revendication hafahafa amin'ny mahaapostoly an'i barnabasy " io v no mety nahatonga ny fipoiran'izany evangilan'i barnabasy izany??? Dia ny silamo no mivohy fatratra an'io fa tsy ny kristianina??? Satria raha vakiana dia tsy tombotsoan'ny kristiainana fa tombotsoan'ny silamo ny fisiany........
47. endriny ( 01/03/2016 18:21)

RBNIR:

endriny:

Ka mifanipaka tanteraka amin'ny hafatr'i Jeosy ny resakao e...Jereo ny baibolinao ao amin'ny testamenta vaovao

Ny teny hoe "aza manahy ny ampitso" dia ny fanahiana momba izay ho mety hohanina sy hosotroina, rahampitso sy ny mety hotafiana rahampitso fa tsy misy idiran'ny resaka eto mihitsy....

« Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? » (Mat.6:31)
« Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy. » (Mat.6:34)

Dia ianao kanefa mbola manahy ny ampitso foana.. Ary milaza fa mahafantatra ny ampitso...

jesosy aza nilaza hoe: " Miambena ... Fa tsy fantatrareo na ny ora ny fotoana... Ho avy tampoka ohatran'ny mpangalatra..., Ny raiko izay any an-danitra no hany mahalala ny andro sy ny ora"

Diso daholo izany ireo fa ry RBNIR efa mahay ny ampitso...

sambatra aho Jesosy... hay teo foana i Kristy...
48. RBNIR ( 02/03/2016 01:55)

ka hita miharihary marina tokoa fa tsy azonao mihitsy ilay lazainy hoe "ampitso" tsy tokony hametrahana fanahiana.....
49. stahtam ( 02/03/2016 05:10)

[quote=RBNIR]
Tsy aiko aloha izay fahamarinany, fa io "revendication hafahafa amin'ny mahaapostoly an'i barnabasy " io v no mety nahatonga ny fipoiran'izany evangilan'i barnabasy izany??? Dia ny silamo no mivohy fatratra an'io fa tsy ny kristianina??? Satria raha vakiana dia tsy tombotsoan'ny kristiainana fa tombotsoan'ny silamo ny fisiany........
[quote=stahtam]
Hitanao fa tonga any @ ilay olana fototra nolazaiko ihany ilay izy? Manahirana hoy aho ny mandray ny interprétations bibliques mivoaka satria na ny boky hay mbola misy tsy nampidirina sy nampidirina ho baiboly arakaraka ny tombontsoan'ilay finoana (silamo na kristiana na hafa...), ka rehefa iza no miteny dia marina ary rehefa iza no miteny dia diso? rehefa silamo ve no mivoy dia "araka ny tombontsoany" fa rehefa ny kristianina dia tonga dia mety?
Hoy ianao: "Mbola tsy nahita tao anaty baiboly aho aloha nilaza fa i barnabasy nofidiny tahaka ireo apostoly ambiny rehetra...."; raha ny logique izany dia tokony ho i Barnabasy no niadian-kevitra tahaka izay niseho eo @ I Kor 9/2 satria izy izany "tsy nofidina". Ka nahoana no i Paoly izay "nofidina sy nisehoana mivantana" indray no iadian-kevitra hoe "tsy Apostoly ho an'ny sasany" ary olona izay mihaino azy indray no lazainy fa TOMBO-KASE maha-Apostoly azy fa tsy mba ilay fisehoana mivantana?
50. RBNIR ( 02/03/2016 08:13)
Matoa tsy voasoratra dia tsy nitarika ny olona hanoratra azy ny Fanahy Masina.....
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)

P.S : Ny Fanahy Masina = Jesosy ihany, ilay lazaina fa hoe evanjely nosoratan'i barnabasy dia mifanohitra amin'ny nampianarin'i Jesosy, Mazava ho azy fa ny Fanahy Masina araka izany tsy hampiaraka an'io amin'ireo evanjely nosoratan'ny apostoly sasany mihitsy.....
51. endriny ( 02/03/2016 09:01)
12 mahery re ry RBNIR ny testamenta vaovao a, samy nanotra daholo ny mpianatra, saingy matio marka lioka sy jaona, paoly sy piera ihany no tian'ny fiangonana kristianina naseho a. Ny antony dia ireo no mifanindran-dalana amin'ny fanjakazakana ataon'ny eraopeanina ho amin'ny tany hafa a...

Marie magdalena koa izao mba nanoratra saingy tsy tian'ny olona fa sora-behivavy.

I Paoly aloha tsy mpianatra na apostoly amiko satria tsy nofidian'i Jesosy izy, sady jentilisa... Faharoa izy nadrahona ny apostoly hafa fa raha tsy amin'ny anarany ny tafika masina dia tsy avy amin'ny tompo...
52. RBNIR ( 02/03/2016 09:48)
endriny:

I Paoly aloha tsy mpianatra na apostoly amiko satria tsy nofidian'i Jesosy izy, sady jentilisa... Faharoa izy nadrahona ny apostoly hafa fa raha tsy amin'ny anarany ny tafika masina dia tsy avy amin'ny tompo...

1 Nofidin'i Jesosy mivantana i paoly...
Teto Jesosy no nanantona azy....
« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asa.9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asa.9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)

Ity teny ity no porofo fa tena nofidiana i paoly

« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)
53. endriny ( 02/03/2016 10:07)
Toa manaporofo ianao fa i Paoly ihany no nifidy an'i Paoly tamin'ny tantara noforonin'izy tenany
54. stahtam ( 02/03/2016 10:27)

[quote=RBNIR]
Matoa tsy voasoratra dia tsy nitarika ny olona hanoratra azy ny Fanahy Masina.....
« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)

P.S : Ny Fanahy Masina = Jesosy ihany, ilay lazaina fa hoe evanjely nosoratan'i barnabasy dia mifanohitra amin'ny nampianarin'i Jesosy, Mazava ho azy fa ny Fanahy Masina araka izany tsy hampiaraka an'io amin'ireo evanjely nosoratan'ny apostoly sasany mihitsy.....

[quote=stahtam]
Eny àry fa dia hiaingantsika indray izany ilay teninao e: "Matoa tsy voasoratra dia tsy nitarika ny olona hanoratra azy ny Fanahy Masina..."
Ny bokin'ny Makabeo, Tobia... dia voasoratra ao anatin'ny baiboly katolika fa tsy voasoratra ao @ baiboly protestanta; izany hoe nitarika ny katolika izany ny Fanahy M... fa tsy nitarika ny mpanoratra protestanta. Ny "Evangile de Pierre" dia anisan'ny hita t@ archéologie tahaka ireo voasoratra ao @ baiboly rehetra ankehitriny saingy tsy tafiditra ho isan'ny boky ao anatin'ny baiboly: VOASORATRA izany io boky io, ka notarihin'ny Fanahy M... ve i Pierre nanoratra azy io sa tsy notarihiny? raha eny nahoana no tsy nampidirina tao anaty baiboly; raha tsia, Fanahy samy hafa ve ny nampanoratra ny bokin'i Petera sy ny nampanoratra azy io "Evangile de Pierre" io?
Fanampim-panazavana (Wikipédia):
Histoire du canon des Évangiles
Problème du canon
Le canon des évangiles est un DECRET qui a FIXE le contenu des Évangiles du Nouveau Testament (io ve izany ilay Fanahy M...?). Dès le IIè siècle, sont réputés canoniques pour l'Église de Rome, les quatre de la liste ci-dessus. Voir par exemple le Contre les hérésies d'Irénée, daté de 170 environ. En revanche, POUR IRENEE DE LYON le "Pasteur d'Hermas" et la "Didachè" faisaient partie du canon, mais ces textes n'ont pas été retenus lorsque LA SELECTION DEFINITIVE EST INTERVENUE au VIè siècle (nanao intervention indray izany ny Fanahy M... teo?). À ce moment a été adjointe l'Apocalypse (io ilay boky hazavainao ankehitriny), qui a longtemps été écartée car son Jésus RESSEMBLE FORT PEU à celui des évangiles, et elle possède un ton curieusement anti-romains (aiza ilay hoe mitovy 100%?).
Les écrits de Luc, son évangile et les Actes des Apôtres, nous sont parvenus sous deux formes assez différentes : le texte alexandrin et le texte dit « occidental » (ka ilay alexandrin sa ilay "occidental" no nampanoratin'ny Fanahy M... sa izy roa miaraka?).
55. RBNIR ( 02/03/2016 10:27)

endriny:

Toa manaporofo ianao fa i Paoly ihany no nifidy an'i Paoly tamin'ny tantara noforonin'izy tenany

Manaov recherche hoe iza no nanoratra ny boky asan'ny apostoly dia ho hitanao fa tsy i paoly akory fa i lioka izay an'isan'ireo nenjehin'i paoly fatratra fony mbola tsy nahafantatra ny maina i paoly...
56. RBNIR ( 02/03/2016 11:06)
Stahtam, ny fahafantarako azy dia ny baiboly katolika no feno indrindra.....
57. RBNIR ( 02/03/2016 11:11)
Fa marina aloha fa voasoratra ihany koa hoe « Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra. » (Jao.21:25)

Saingy ny tsy anekeko ilay voalaza fa nosoratan'i barnabasy dia mifanohitra amin'ny voalazan'ny hafa ilay izy....

Fampianarana 1 ihany no nomen'i Jesosy nefa mahagaga fa lasa misy fampianarana hafa mihitsy (tsy resaka interpretation ) fa hafa mihitsy e!!!
58. stahtam ( 02/03/2016 12:23)

"Saingy ny tsy anekeko ilay voalaza fa nosoratan'i barnabasy dia mifanohitra amin'ny voalazan'ny hafa ilay izy..." Raha mifanohitra @ X i Y dia fantatrao (raha tena objectif ny fijerinao) fa tsy voatery ho i Y foana no diso fa possible koa ny hoe i X no diso an!
Dia eo @ izay no mipetraka ilay lalàn'ny fanorenan-trano hoe: Ny fototra aza mbola mihozongozona dia hanao rindrina eo amboniny sahady ve? Ilay boky hanorenana finoana aza mbola misavoritaka be ihany ka ahoana no hanazavana sahady ny Apokalypsy na ny bokin'i Paoly. Raha voavalinao aza ilay fanontaniako momba ny fihinanana hena naterina t@ sampy (interdiction absolue sa conditionnellement autorisée?) dia ho hitanao fa tsy mivoaka mihitsy ilay fampianarana 100% nolazainao tany aloha.
59. RBNIR ( 02/03/2016 12:32)

Ka efa fantatro ilay marina ka« ...... ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)

Jesosy no nanambara ny marina dia Izay mitovy feo amin'i Jesosy ihany koa no manambara ny marina....
Ny ankoatran'izay mpandainga daholo!!!

60. RBNIR ( 02/03/2016 12:36)
Mpandainga daholo satria tsy mba anisan'ireo nandray ilay avy amin'Andriamanitra mivantana tahaka an'i Jesosy « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

« Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. » (Jer. 23:31)
« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jer.23:32)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4868