FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

21. RBNIR ( 25/02/2016 13:23)
Ataovy tsara ny kaonty stahtam a, 14 - jodasy sy - matia = 12.........
Anarana 12 izany dia ireo apostoly 11 sisa niaraka tamin'i jodasy + paoly e! (matia hoy aho tsy anisany....)
Jodasy tsinona efa nanome ny anjarany ho an'ny hafa,
Matia kosa dia nofidin'ireo apostoly fa tsy nofidin'i Jesosy mivantana....
22. stahtam ( 26/02/2016 11:17)

[quote=RBNIR]
Ataovy tsara ny kaonty stahtam a, 14 - jodasy sy - matia = 12.........
Anarana 12 izany dia ireo apostoly 11 sisa niaraka tamin'i jodasy + paoly e! (matia hoy aho tsy anisany....)
Jodasy tsinona efa nanome ny anjarany ho an'ny hafa,
Matia kosa dia nofidin'ireo apostoly fa tsy nofidin'i Jesosy mivantana....
[quote=stahtam]
Ka tsy izay ve ilay "interprétation" nolazaiko tary aloha hoe manahirana satria vao manomboka ny resaka dia efa mipoitra sahady ny confirmation mampametra-panontaniana? Izany hoe sahy milaza izany ianao fa tsy valim-bavaka avy @ Ilay marina no azon'ny Apostoly 11 t@ io andro nifidianana an'i Matia io fa sain'olombelona 100%, dia iza no namaly azy ireo t@ io fotoana io? Apostoly nivavaka t@ iza izany izy ireo? Valim-bavaka tsy izy no azony. Nahoana no tsy niandry fifidianana mivantana avy any ambony izy ireo fa mendimendy toy izany? Mbola "notohizany" ihany ange io na dia taorian'ny "naha'Apostoly an'i Paoly" aza e (raha i Paoly no lazaina fa izy). Izany hoe ilay nofidin'i J... mivantana efa eo (Paoly) nefa toa tsy noraharain'ny olona izany fa naveriny ihany ny tsy nety tary @ Matia (Asan'ny Apostoly 14/14 (Barnabasy) sy ny II Korintiana 8/23 (Titosy) araka ny renvoi ery ambany). Izany hoe manahirana ny fiadian-kevitra toy izao ka aleoko aloha malina tsara e.
23. RBNIR ( 26/02/2016 12:23)
Fanampiny stahtam

Jereo tsara fa ireo apostoly 11 ireo dia tsy nisy na dia iray aza nanantona an'i Jesosy mba atao apostoly na, notaritin'ny namany mba atao apostoly.....
Fanampiny izireo koa dia nampianarin'i Jesosy mivantana avokoa fa tsy nisy mpanelanelana....

Dia toy izany koa i paoly apostoly, i Jesosy mivantana no nifidy azy « Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)
« fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. » (Asa.9:6)
« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)

Vakio tsara fanaka voafidy izy (voafidy mivantana toy ireo apostoly 11)

Ary IZY koa tsy nampianarin'olona fa mitovy tamin'ireo apostoly ihany dia nianatra mivantana avy tamin'i Jesosy ihany koa izy:

« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)
24. RBNIR ( 26/02/2016 12:34)
Tsy mba toy izay koa anefa i matia namana.....
« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa.55:8)

Matia: fihevitry ny apostoly (olona fotsiny ihany)....Paoly apostoly kosa fihevitr'i Jesosy (fihevitr'Andriamanitra)....
25. stahtam ( 26/02/2016 13:07)

[quote=RBNIR]
Tsy mba toy izay koa anefa i matia namana.....
« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa.55:8)

Matia: fihevitry ny apostoly (olona fotsiny ihany)....Paoly apostoly kosa fihevitr'i Jesosy (fihevitr'Andriamanitra)....

[quote=stahtam]
Ka tsy azo antoka ange izany ireo Apostoly 11 ireo e. Very maina fotsiny ny nampianaran'i Jes... azy fa mbola fihevitr'olona fotsiny ihany (tsy mba fihevitr'i Jeh...) no ataony raha nifidy an'i Matia sy ry Barnabasy... Izany hoe toherin-dry zareo mihitsy ilay Isaia 55/8, dia ahoana izany?
26. endriny ( 26/02/2016 18:35)
Dia ahoana indray izany ilay kozin'i Jesosy: "Aza manahy ny ampitso fa tsy misy tsy hain'Atra tsy atao... Jereo ny voro-manidina... "

Dia isika anefa hoe manahy ny ampitso dia sao dia mifanipaka amin'ny kozin'ny zanak'Atra ary ity kozy ity?
27. RBNIR ( 27/02/2016 01:45)
stahtam:

Ka tsy azo antoka ange izany ireo Apostoly 11 ireo e. Very maina fotsiny ny nampianaran'i Jes... azy fa mbola fihevitr'olona fotsiny ihany (tsy mba fihevitr'i Jeh...) no ataony raha nifidy an'i Matia sy ry Barnabasy... Izany hoe toherin-dry zareo mihitsy ilay Isaia 55/8, dia ahoana izany?

Fantatr'ireo apostoly fa tokony ho 12 ny isan'ny apostoly fa tsy 11.
Io no takatry ny sain-dry zareo, fa Jesosy koa te hampianatra fa ny atao hoe apostoly dia olona fidiny mivantana sy ampianariny mivantana.....

Ilay fampianarana mila raisina mivantana avy amin'Andriamanitra na i Jesosy raha tsy izany dia diso ny zavatra ampianarin'ny olona iray....
Lasa mpandainga ilay olona satria hotanteraka aminy ity teny ity.....« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jer.23:32)
Raha misy olona 1 tsy nirahan'i Jehovah (na nampianarin' i Jesosy) mivantana nefa mampianatra dia lasa milaza lainga ary dia mampivily an'ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny tsy izy fampianaran-diso no ampianariny fa tsy ilay avy amin'Andriamanitra.....Olona mpandoka tena fotsiny ireny ary tsy mahasoa akory ny toriteny izay ataony (hoy io teny io fa tsy hoe izaho no milaza an'izany an!!!).......
28. RBNIR ( 27/02/2016 01:48)

endriny:

Dia ahoana indray izany ilay kozin'i Jesosy: "Aza manahy ny ampitso fa tsy misy tsy hain'Atra tsy atao... Jereo ny voro-manidina... "

Dia isika anefa hoe manahy ny ampitso dia sao dia mifanipaka amin'ny kozin'ny zanak'Atra ary ity kozy ity?

Araho tsara aloha endriny fa tsy misy mifanipaka ao amin'Andriamanitra a!....
29. RBNIR ( 27/02/2016 02:26)
Fa hotohizan-tsika amin'izay ka hiverina ao amin'ny lohahevitra isika.....
Inona ary ny zavatra hataon'Andriamanitra ka nanirahany indray ny mpanompony ankehitriny sy hampiomanany an-tsika zanak'olombelona amin'izao fotoana izao?

« [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apok.14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apok.14:7)
« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » (Apok.14:8)
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apok.14:11)

Ny zavatra hataon'Andriamanitra dia haniraka an'ireo anjely 3 amin'izay IZY, ka mampiomana ny olona amin'ny alalan'ny hafatra nomeny ny mpanompony...

Asan'ny anjely voalohany:
1- Hampahafantra ny olona rehetra ambonin'ny tany (tsy hanavahana finoana, na mpino na tsy mpino fa ny olona rehetra mihitsy sy ny firenena rehetra mihitsy....) fa MILA MATAHOTRA SY MANOME VONINAHITRA AN'ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA NY OLONA REHETRA DIA I JEHOVAH ANDRIAMANITRA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY!!!
Filazan-tsara mandrakizay no eny an-tanan'io anjely io hoy : izay tsy inona akory fa ilay filazantsara notorian'i Jesosy 2000 taona lasa ihany (Mat.24:14)
Zavatra 2 no ampianarina ny olona amin'izany:
1- « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy. » (Mat.19:17)

2- « Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jao.3:36)

Raha te-hiditra amin'ny fiainana mandrakizay ny olona 1 dia mila :
1- mitandrina ny didin'Andriamanitra izy
2- mila mino ny Zanaka lahitokan'Andriamanitra izy dia i Jesosy Kristy

Hoy ny Apok.14:12 hoe « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12)

Tsy hoe ara-bakiteny dia hisy anjely hanidina eny amin'ny rahon'ny lanitra, fa Jesosy no hiverina indray hifidy olona sy hampianatra azireo ilay filazan-tsara mandrakizay dia ireo no hanantanteraka ILAY FITORIANA LEHIBE FARANY ETO AMIN'IZAO TONTOLO IZAO.....(azonao vakiana ato....)

Izay no asan'ilay anjely voalohany.....Hotohizan-tsika raha sitrapon'Andriamanitra.....
30. endriny ( 27/02/2016 07:30)

RBNIR:

endriny:

Dia ahoana indray izany ilay kozin'i Jesosy: "Aza manahy ny ampitso fa tsy misy tsy hain'Atra tsy atao... Jereo ny voro-manidina... "

Dia isika anefa hoe manahy ny ampitso dia sao dia mifanipaka amin'ny kozin'ny zanak'Atra ary ity kozy ity?

Araho tsara aloha endriny fa tsy misy mifanipaka ao amin'Andriamanitra a!....

Ka mifanipaka tanteraka amin'ny hafatr'i Jeosy ny resakao e...Jereo ny baibolinao ao amin'ny testamenta vaovao
31. RBNIR ( 27/02/2016 23:58)
endriny:

Ka mifanipaka tanteraka amin'ny hafatr'i Jeosy ny resakao e...Jereo ny baibolinao ao amin'ny testamenta vaovao

Ny teny hoe "aza manahy ny ampitso" dia ny fanahiana momba izay ho mety hohanina sy hosotroina, rahampitso sy ny mety hotafiana rahampitso fa tsy misy idiran'ny resaka eto mihitsy....

« Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? » (Mat.6:31)
« Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy. » (Mat.6:34)
32. RBNIR ( 28/02/2016 01:40)
Fa hotohizana ilay hafatra:
Asan'ilay anjely voalohany no hita teo....
Hampahafantatra ny olona rehetra ambonin'ny tany (tsy ankanavaka fa ny rehetra rehetra mihitsy) ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA DIA I JEHOVAH ANDRIAMANITRA NAHARY NY LANITRA SY NY TANY ARY HITAONA NY OLONA HATAHOTRA SY HANOME VONINAHITRA AZY....Ny filazan-tsara nampianarin'i kristy 2000 taona lasa no ampianarina amin'izany ka hampahafantarina amin'ny olona fa raha te hiditra any amin'ilay fiainana mandrakizay ny olona dia mila mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mino an'i Jesosy Kristy......

Efa manomboka ny asan'io anjely voalohany io ankehitriny satria efa manomboka mifidy olona i JESOSY ampianarany ilay filazantsara nampianariny fahiny.....

Inona kosa no asan'ilay Anjely faharoa hirahina?
« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » (Apok.14:8)

Ny asany dia hampahafantatra mazava ny olona hoe IZA MARINA ILAY BABYLONA LEHIBE ARY KOA HANDRAVA AZY IO,

Ny foibeny dia miainga avy ao babylona....
Fijangajangana ara-panahy no resahina eto (fampirafesana an'i JEHOVAH ANDRIAMANITRA amin'ny Andriamanitra hafa ary araka ny voasoratra dia ny firenena rehetra voataonany amin'io fijangajangana io......

Efa manomboka tanteraka aminy ankehitriny ity teny manaraka ity....
« Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren*'ny fanahy maloto rehetra ary akanin*'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.  » (Apok.18:2)

Diniho tsara fa ankehitriny ny EI (NA DAESH) dia lasa tanana fonenan'ny fanahy maloto arak'io teny io ary ireo vorona maloto sy ankahalaina voalazan'ny teny etsy ambony dia tsy iza akory fa ireo mercenaire halan'ny olona any amin'ny fireneny avy any ka lasa mitady vola manao mpikaramanady any ankehitriny.......

Efa manomboka ihany koa araka izany ankehitriny ny asan'io anjely faharoa io dia tsy inona akory fa ny fandravana an'i babylona lehibe, fahampahafantarana ny olona fa tsy io ilay TENA ANDRIAMANITRA FA FIJANGAJANGANA IO......

Ary ankehitriny dia efa taomin'Andriamanitra hiala ao ireo olony araka ny voasoratra hoe...« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4)

Asan'ireo anjely 2 voalohany izay no hitan-tsika teo....
Ny voalohany dia mampahafantatra ny olona ilay ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA DIA I JEHOVAH ANDRIAMANITRA IZAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY....KA MITAONA NY OLONA HATAHOTRA SY HANOME VONINAHITRA AZY....
Ny faharoa kosa dia mampahafantatra ny olona an'ilay Babylona lehibe sy handrava azy ary hitaona ny olona nijangajanga tany hiverina amin'ilay ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA.......

Raha sitrapon'Andriamanitra dia hotohizana..... MIVAVAHA MAFY, MATAHORA AN'ANDRIMANITRA OMEO VONINAHITRA IZY FA EFA TONGA NY ANDRO FITSARANY.....
33. RBNIR ( 29/02/2016 01:55)
Dia mbola misaotra an'Andriamanitra aloha fa mbola afaka manohy hatrany isika eto...

Raha nanaraka tsara ianao, ny asan'ireo anjely 2 voalohany dia mitaona ny olona hamantatra ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA (JEHOVAH ANDRIAMANITRA NANAO LANITRA SY NY TANY) ka mitaona ny olona hiala amin'ireo andriamanitra tsy izy fa kosa hatahotra sy hanome voninahitra ILAY TENA IZY.....

Ho resy lahatra ny mponina rehetra eto ambonin'ny tany araka izany fa JEHOVAH ANDRIAMANITRA IRERY IHANY MARINA TOKOA NO ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA TOKONY HIVAVAHANA ary EKEN'NY OLONA IHANY KOA FA TENA ILAINA NY FINOANA AN'I JESOSY KRISTY ZANANY LAHY TOKANA......

Hizotra mankany amin'ny fivavahana amin'ny Andriamanitra TOKANA izao tontolo izao ka ny fivavahana kristianina sisa no tena hitoetra...

Tsy hipetraka hatreo anefa ny devoly fa hifidy ny olony izy....ilay BIBIDIA io....
Tsy hoe bibidia ara-bakiteny fa ny tena marina dia kristianina ihany io bibidia io ary raha amin'ny endrika ety ivelany dia tsy hisy hahafantarana azy mihitsy hoe bibidia izy satria hiseho ho olona tsara fanahy B, tia olona, mpivavaka tsara tokoa, kanefa hahavita hampamono izay olona rehetra tsy hety hiankohoka eo anatrehany (ireo izay tsy hanaiky ny fampianarana izay hapetrany)

Araho ato fa rehefa mandroso ilay FITORIANA LEHIBE FARANY ataon'ireo olona izay hofidin'i JESOSY mivantana hampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema dia hiseho eo amin'ny fitoerana masina io bibidia io....

Io ihany koa ilay atao hoe lehilahin'ota ary ny fisehoan'izy io no anisan'ny manamarika marina tokoa fa efa ho tonga tokoa ny farany.....
« mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo. » (2 Tes.2:2)
« Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, » (2 Tes.2:3)
« ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra. » (2 Tes.2:4)

Hipetraka ao amin'ny tempolin'Andriamanitra izy io ary hanao ny tenany ho Andriamanitra satria hahasahy hanova ny didy izay napetrak'Andriamanitra hotandremana, nefa tsy nahazo baiko mivantana akory avy amin'ILAY ANDRIAMANITRA TSITOHA....
Hotanteraka aminy araka izany ity voalazan'i JEREMIA mpaminany ity.....
« Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo. » (Jer.14:14)
« Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo. » (Jer.14:15)

Hizara 2 mazava tsara araka izany ireo kristiainina amin'izany fotoana izany...
Etsy andanininy ireo hanaraka ny fampianarana izay hoentin'ireo olona hofidian'i Jesosy mivantana ka hamerina indray ilay fampianarana tsy misy kilema 2000 taona lasa izay...

Etsy ankilany kosa ireo hanaraka (hiankohoka hoy ny soratra masina) an'ilay bibidia izay tsy nirahan'Andriamanitra fa haminany lainga ka hitaona ny olona hanaraka didy vaovao izay tsy avy tamin'Andriamanitra fa avy amin'ny tenany ihany (didin'olombelona)

Eo indrindra no hiasa ilay anjely fahatelo:
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apok.14:11)

Ny anjely fahatelo araka izany dia hitaona ny olona rehetra tsy hanaraka sy tsy hanaiky ny fampianarana izay ataon'io bibidia io fa kosa hijanona sy hitoetra ao amin'ilay fampianarana izay homen'ireo olomboafidy vaovao izay hampianarin'i Jesosy.....

IZAO NO TSAROVY RY NAMANA HOY ILAY ANJELY FAHATELO HOE IZAY MIANKOHOKA SY MANDRAY NY MARIK''IO BIBIDIA IO (IZAY MANAIKY NY FAMPIANARANY KA MANDA NY FAMPIANARAN'IREO OLOMBOAFIDY VAOVAO IREO) DIA :
1 HISOTRO NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA (IREO LOZA FITO HIROTSAKA FARANY ETO AMIN'IZAO TONTOLO IZAO IO....).« 
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok.16:2)

2 HAMPIJALIANA AMIN'NY AFO SY SOLIFARA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY.......

KOA DIENY IZAO DIA ARAHO ILAY FAMPIANARANA MBA TSY HAHAVOAFITAKA ANAO AMIN'IZANY FOTOANA IZANY

34. RBNIR ( 29/02/2016 02:12)
Raha fintinina ary dia izao ny zavatra izay hataon'Andriamanitra tsy ho ela ka nanirahany ny mpanompony ankehitriny:
Hotaominy ny mponina rehetra ambonin'ny tany hahafantatra Azy ka hatahotra sy hanome voninahitra Azy (asan'ny anjely voalohany), hotaominy ihany koa ireo olona tsy nahafantatra azy hatrizay fa voafitaky ny andriamanitra tsy izy ka horavany tanteraka ny andriamanitr'izireny (asan'ny anjely faharoa)...
Hizotra mankany amn'ny fanompoana Andriamanitra tokana sady marina ny mponina rehetra eto ambonin'ny tany araka izany koa dia fivavahana tokana sisa no tena hitoetra dia ny fivavahana kristiainana....
Hizara 2 indray ireo kristiainina ireo ka hisy ny hanaraka ilay fampianarana tsy misy kilema izay hampianarin'ireo olomboafidy vaovao izay hampianarin'i Jesosy mivantana toy ireo apostoly fahiny....
Hisy kosa hanaraka ilay bibidia izay hampianatra didy izay tsy avy tamin'Andriamanitra fa avy amin'ny tenany ihany....
Ny anjely fahatelo indray kosa dia hitaona ny mponina rehetra ambonin’ny tany tsy hiankohoka amin’io bibidia io……

Inona indray kosa ary no hitranga rehefa vita ny asan'ireo anjely 3 ireo??? HOTOHIZANA RAHA SITRAPON'ANDRIAMANITRA..........
35. stahtam ( 29/02/2016 06:51)

RBNIR:

[quote=stahtam]
Ka tsy azo antoka ange izany ireo Apostoly 11 ireo e. Very maina fotsiny ny nampianaran'i Jes... azy fa mbola fihevitr'olona fotsiny ihany (tsy mba fihevitr'i Jeh...) no ataony raha nifidy an'i Matia sy ry Barnabasy... Izany hoe toherin-dry zareo mihitsy ilay Isaia 55/8, dia ahoana izany?

Fantatr'ireo apostoly fa tokony ho 12 ny isan'ny apostoly fa tsy 11.
Io no takatry ny sain-dry zareo, fa Jesosy koa te hampianatra fa ny atao hoe apostoly dia olona fidiny mivantana sy ampianariny mivantana.....

Ilay fampianarana mila raisina mivantana avy amin'Andriamanitra na i Jesosy raha tsy izany dia diso ny zavatra ampianarin'ny olona iray....
Lasa mpandainga ilay olona satria hotanteraka aminy ity teny ity.....« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jer.23:32)
Raha misy olona 1 tsy nirahan'i Jehovah (na nampianarin' i Jesosy) mivantana nefa mampianatra dia lasa milaza lainga ary dia mampivily an'ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny tsy izy fampianaran-diso no ampianariny fa tsy ilay avy amin'Andriamanitra.....Olona mpandoka tena fotsiny ireny ary tsy mahasoa akory ny toriteny izay ataony (hoy io teny io fa tsy hoe izaho no milaza an'izany an!!!).......

[quote=stahtam]
Mihazakazaka be tokoa ianao @ fanazavana saingy aoka aloha hilamina tsara fa mbola manana fanontaniana manitikitika mikasika ireo toko sy andininy nanorenanao finoana mikasika ny Apostoly aho e. Misy zavatra roa nolazainao mantsy mbola dinihiko:
1°) " Io no TAKATRY NY SAIN-DRY ZAREO, fa Jesosy koa te hampianatra fa NY ATAO HOE APOSTOLY dia olona fidiny MIVANTANA SY ampianariny MIVANTANA....."
....Ny fanontanianko izany dia hoe Apostoly ve izany sa tsy Apostoly i Matia sy Barnabasy ary Titosy?
2°) Hoy ianao hoe:"Raha misy olona 1 tsy nirahan'i Jehovah (na nampianarin' i Jesosy) MIVANTANA NEFA MAMPIANATRA dia LASA MILAZA LAINGA ary dia mampivily an'ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny tsy izy fampianaran-diso no ampianariny fa tsy ilay avy amin'Andriamanitra.....Olona mpandoka tena fotsiny ireny ary tsy mahasoa akory ny toriteny izay ataony (hoy io teny io fa tsy hoe izaho no milaza an'izany an!!!).
Raha araka io hevitra faharoa io, dia hoy aho hoe: Raha efa nitory teny na nampianatra i Matia na i Barabasy na i Titosy dia marina ve sa tsia ary mahasoa ve sa tsia ny fampianarana nataony?
36. RBNIR ( 29/02/2016 07:06)

1- Ireto ny fepetra vao azo lazaina hoe apostoly ny olona iray : 1 - Jesosy mivantana no mifidy azy, 2- Jesosy mivantana koa no mampianatra azy tsy misy mpanelanelana

2- Tahaka ny tenako ihany (izay tsy nitonona mihitsy hoe apostoly) fa mampita ilay fampianarana azoko tany mba ho vavolombelona ho an'ny hafa......
Izaho tsy manana zo hanangana fiangonana toy ny apostoly....Fa azoko atao tsara ny mampianatra sy mitaiza olona ao amin'ny fiangonana sy mitory ilay fahamarinana ihany koa ho han'ny hafa...
Ny fiangonana mantsy tsy maintsy...
« Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, » (Efe.2:19)
« natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20)
37. stahtam ( 29/02/2016 07:56)

Matia na i Barabasy na i Titosy no anontaniako hoe Apostoly sa tsia, fa tsy ianao ka! Ireo mantsy tsy mba nampianarin' i Jesosy MIVANTANA NEFA MAMPIANATRA, "dia LASA MILAZA LAINGA ary dia mampivily an'ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny tsy izy fampianaran-diso no ampianariny fa tsy ilay avy amin'Andriamanitra.....Olona mpandoka tena fotsiny ireny ary tsy mahasoa akory ny toriteny izay ataony..." Any @ fototra mihitsy izany no tena tiako hiaingana e!
38. RBNIR ( 29/02/2016 08:15)

Ka izay ilay nolazaiko hoe tahaka ny tenako izay tsy apostoly nefa mampianatra sy mampita ilay azoko...
Ary raha ilaina koa dia afaka manao asa hafa ao ampiangonana aho entina hitaizana ny olon'
Andriamanitra...

Tsy voarara izany fa raha mikasa hanangana fiangonana kosa aho tsy mety satria ny apostoly irery no mahazo manangana fiangonana raha araka ny fampianaran'i Jesosy.....
39. RBNIR ( 29/02/2016 08:17)
Fanampiny i Matia, Barnabasy (fa tsy barabasy :)) ary titosy koa dia tsy nampianatra zavatra hafa afatsy izay nampianarin'ny apsotoly taminy....(izany hoe ilay nampianarin'i Jesosy ihany no nampianarin'izireo....
40. stahtam ( 29/02/2016 11:12)

[quote=RBNIR]
Fanampiny i Matia, Barnabasy (fa tsy barabasy :)) ary titosy koa dia tsy nampianatra zavatra hafa afatsy izay nampianarin'ny apsotoly taminy....(izany hoe ilay nampianarin'i Jesosy ihany no nampianarin'izireo....
[quote=stahtam]
Ka mba azonao hazavaina àry ve ny mahatonga ny baiboly miantso azy ireo hoe: Apostoly? Ianao milaza fa tsy Apostoly izy ireo; dia ny famaritan'iza no marina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1577