FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

61. RBNIR ( 02/03/2016 12:38)
Mitory teny fatratra nefa tsy mahasoa ny firenena akory.........
62. RBNIR ( 02/03/2016 12:39)
Tsy izaho no miteny an'izany an, fa vakio tsara io Jer.23:32 io.....
63. RBNIR ( 02/03/2016 12:42)
« Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo. » (Jer.14:14)
« Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo. » (Jer.14:15)
64. RBNIR ( 02/03/2016 12:53)
Ka mbola mazoto amin'ilay apostoly tsy nofidina mivantana, sy tsy nampianariny mivantana ihany v izato ianao ry stahtam????....

Hoy ny teny hoe

« [Fananaran'i Paoly ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin'izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin'ny nofo, » (Kolosiana 2:1)
« [Fiarahabana sy anatra ny amin'ny mpampianatra sandoka, ary filazana ny amin'ny lalàna sy ny filazantsara ary ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'i Paoly] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika, » (1 Timoty 1:1)
« [Ny mety hataon'i Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino, » (2 Timoty 2:14)
« [Ny hahafantarana ny mpampianatra sandoka, sy faminaniana ny handringanana azy] Efa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso* mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny tenany. [* Na: fitokoana] » (2 Petera 2:1)
« [Anatra ny amin'ny faharetana amin'ny marina, sy ny tsy handraisana ny mpampianatra sandoka] Izaho loholona* mamangy an'itompokovavy** voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) [* Gr. Ny presbytera] [** Na: an'i Kyria] » (2 Jaona 1)
« [Fananarana ny amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy; » (Joda 1)

N'IZA NA N'IZA TSY NANDRAY ILAY FAMPIANARANA MIVANTANA AVY TAMIN'I JESOSY DIA.......

P.S : RAHA MISY HAFA ANY MILAZA KOA HOE IZAHO KOA NAMPIANARINY DIA TOKONY 100% MITOVY AMIN'ILAY TAMIN'NY 2000 TAONA LASA E!!!

HO HITA MIHARIHARY EO IZAY MPANDAINGA!!!

MATOA AHO SAHY MITENY TOY IZANY DIA SATRIA TANTERAKA AMIKO ITY TENY MANARAKA ITY ARY NY FANAHINY ATO AMIKO NO NAMPAHAFANTRA AHY AN'IZANY!!!

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

ITY ANGE HOY AHO FITORIANA MIORINA AMIN'NY ZAVATRA REEL FA TSY MIORINA AMIN'NY NOFINOFY NA IMMAGINATION ARAKA NY LAZAIN'NY SASANY E!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
65. stahtam ( 02/03/2016 13:53)

[quote=RBNIR]
Mpandainga daholo satria tsy mba anisan'ireo nandray ilay avy amin'Andriamanitra mivantana tahaka an'i Jesosy « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

« Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy. » (Jer. 23:31)
« Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. » (Jer.23:32)

[quote=stahtam]
ka mora ange ny mitanisa verset fa iza àry ilay tena nirahina sady tsy mandainga e? Ny lohahevitra tsara resahina angamba izao dia hoe: Tokony hotenenin'ny mpitondra fivavahana tena marina ve izao fehezan-teny izao: "NY TORIAKO NO MARINA FA NY ANKOATRA IZAY DIA DISO AVOKOA" (izany hoe atao tsy mihatsaravelatsihy ilay filazana)?
66. RBNIR ( 02/03/2016 13:57)
stahtam:

Tsy voatery hiteny ny olona 1 hoe ny ahy no marina, fa tsotra, Raha milaza izy fa nampianarin'i JESOSY, dia tokony 100% mitovy amin'ny nampianarin'i Jesosy ny zavatra ampianariny....
LOJIKA B IZANY E!!! izaho sy ianao manana sofina entina mihaino dia hoy i Jesosy hoe
« Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. » (Mat.11:15)

Koa inona moa no tsy hiainoanao azy raha mitovy feo amin'i Jesosy marina izy na tsia???
67. endriny ( 03/03/2016 04:53)

RBNIR:

endriny:

Toa manaporofo ianao fa i Paoly ihany no nifidy an'i Paoly tamin'ny tantara noforonin'izy tenany

Manaov recherche hoe iza no nanoratra ny boky asan'ny apostoly dia ho hitanao fa tsy i paoly akory fa i lioka izay an'isan'ireo nenjehin'i paoly fatratra fony mbola tsy nahafantatra ny maina i paoly...

Ka I Lioka angaha moa mpianatr'i Jesosy?
68. stahtam ( 03/03/2016 05:16)

Koa nahoana àry ry Petera niteny hoe "Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Elohiym dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavaKO no handrenesan'ny JENTILISA ny tenin'ny filazantsara ka hinoany" i Paoly sahy niteny hoe "izay mitory filazantsara hafa noho izay notorinay, aoka ho VOAOZONA izy!",ny Mesia niteny hoe: "ny teny izay lazaiko aminareo dia fanahy sy fiainana... mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako"... ianareo hafa firenena dia mivavaka @ izay tsy fantatrareo fa IZAHAY JIOSY dia mivavaka @ izay fantatray...
FEHINY: Raha araka ny teninao izany dia aleo ireo Jiosy mitovy aminy ireo no tadiaviko fa ireo no mivavaka @ izay fantany (dia ilay nivavahn'ny dadabeny Abrahama) fa izay no tena 100% @ fampianaran'ny Mesia (Jaona 4/22), avy @ ireo ny famonjena.
69. RBNIR ( 03/03/2016 05:22)

endriny:

RBNIR:

endriny:

Toa manaporofo ianao fa i Paoly ihany no nifidy an'i Paoly tamin'ny tantara noforonin'izy tenany

Manaov recherche hoe iza no nanoratra ny boky asan'ny apostoly dia ho hitanao fa tsy i paoly akory fa i lioka izay an'isan'ireo nenjehin'i paoly fatratra fony mbola tsy nahafantatra ny maina i paoly...

Ka I Lioka angaha moa mpianatr'i Jesosy?

Mamaly anao aho ka, te hampita ianao hoe noforonin'i paoly ny tantarany, dia hoy aho aminao hoe tsy i paoly anie no nanoratra ny tantarany fa i lioka e! ary lioka tsy hanoratra zavatra diso mihitsy satria fantany tsara fa « ..... ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apok.21:8)

Koa matoa i lioka nahasahy nanoratra an'io dia ny Fanahy Masina no nitaona azy hanoratra an'io...

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)

70. RBNIR ( 03/03/2016 05:26)
stahtam:

Koa nahoana àry ry Petera niteny hoe "Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Elohiym dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavaKO no handrenesan'ny JENTILISA ny tenin'ny filazantsara ka hinoany" i Paoly sahy niteny hoe "izay mitory filazantsara hafa noho izay notorinay, aoka ho VOAOZONA izy!",ny Mesia niteny hoe: "ny teny izay lazaiko aminareo dia fanahy sy fiainana... mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako"... ianareo hafa firenena dia mivavaka @ izay tsy fantatrareo fa IZAHAY JIOSY dia mivavaka @ izay fantatray...
FEHINY: Raha araka ny teninao izany dia aleo ireo Jiosy mitovy aminy ireo no tadiaviko fa ireo no mivavaka @ izay fantany (dia ilay nivavahn'ny dadabeny Abrahama) fa izay no tena 100% @ fampianaran'ny Mesia (Jaona 4/22), avy @ ireo ny famonjena.

Otran'ny tsy mifankahazo mihitsy ilay resaka an! otran'ny tsy mahazo resaka angamba aho!!!
Tsy niteny mihitsy hao hoe mitadiava ireo Jiosy mitovy aminy....
« Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

Izay olona mitovy feo Aminy tadiavina na Jiosy io na Jentilisa sns....
Matoa mitovy Feo Aminy dia nandray avy taminy izay......

71. stahtam ( 03/03/2016 06:19)

Tena mitohy tsara mihitsy ilay resaka ka! Ny FEO MITOVY @ FEON'NY MESIA dia hoe "avy @ Jiosy ny famonjena ary ny Jiosy irery no mivavaka @ izay fantany". Rehefa azo izay fototra izay dia alefa manaraka ny SIVANA hoe iza @ ireo Jiosy ireo no miteny zavatra mitovy 100% amin'izay nolazain'ny Mesia? i Petera ve sa i Paoly (Jiosy daholo ireo) sa Jiosy hafa ankehitriny (ireo mantsy no "nomena ny teniny ho adidiny" araka ny Romana 3/1,2)?
Raha vita iny resaka iny dia azoko tohizana sy fakafakaina indray ilay lohahevitra tena lehibe voafono ao anatin'ilay verset narosonao hoe: « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28). Amin'izay mantsy dia tena hazava bebe kokoa aminao ny tena tiako holazaina mikasika ilay "interprétation biblique" efa natsidiko tany aloha.
72. RBNIR ( 03/03/2016 06:51)

Izany hoe tsy hamaly ahy aloha ianao fa ny anao hatrany no tokony hovaliako...
Aleo mba hanao otran'i Jesosy aho raha izany!!!

« ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany? » (Lioka 20:2)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko: » (Lioka 20:3)
« Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? » (Lioka 20:4)
« Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo? » (Lioka 20:5)
« Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona. » (Lioka 20:6)
« Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany. » (Lioka 20:7)
« Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. » (Lioka 20:8)

Koa satria ianao tsyhamaly ahy, izaho koa tsy mba hamaly anao......
73. stahtam ( 03/03/2016 07:36)

Hay tena tsy azonao marina ilay tiako holazaina; te-hametraka mantsy aho hoe afa-po t@ fanazavako mikasika ilay lohahevitra teo aloha ve ianao? (efa miseho eo @ FEHINY ange ilay valin-teny e: raha hitady ilay 100% nolazainao izany dia any @ Jiosy aho no hitady izay fampianarana izay), dia hajanoko @ izay iny lohahevitra iny raha afa-po t@ izay nolazaiko ianao; rehefa izay vao hidirana indray ilay (Gal.3:28); ka asa azonao @ izay ve ilay izy?
74. RBNIR ( 03/03/2016 08:03)

Inona no hitadiavanao azy any amin'ny Jiosy? Jesosy efa nanambara izany ary efa voarakitra ao anaty baiboly ilay izy, ary efa nampianariny mivantana tamin'ireo apostoly (toy an-dry petera sy ry paoly http://www.smartbaiboly.org/online#Galatiana%201:11-12

Ankehitriny kosa dia efa very tanteraka izany fampianarana tsy misy kilema izany ka dia manoro hevitra anao aho (raha mangetaheta ianao) hitady ato fa izaho manokana nahita fa 100% mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy ny fampianarany.....(amiko tsy mpandainga izy)...
75. stahtam ( 03/03/2016 08:42)

Tsotra ny antony itadiavako azy any @ Jiosy:
1°) Référence tsy azo ariana ilay hoe 100% mitovy @ izay nampianariny (Jaona 4/22 ohatra)
2°) Petera, Paoly dia samy Jiosy avokoa
3°) Mbola tsy hitako izay fampianarana nolazain'ny Mesia ka nanohitra ny Romana 3/1,2 (i Paoly izay Jiosy no nilaza io) ka nilaza fa hafa firenena no hitondra an'io aty aoriana. (Betsaka ihany koa moa ny olona efa nilaza fa nisehoany sy nahita Azy ka sarotra amiko ny hiteny hoe iry no diso na iry no marina fa hotohizantsika @ zava-boalaza ao anaty baiboly ilay izy eo @ teboka faha dimy eo ambany.
4°) Marina ilay nolazainao hoe "voarakitra ao anaty baiboly ilay fampianarana marina nolazain'ny Mesia" ka noho izany diso ilay filazanao hoe "efa very tanteraka izany fampianarana tsy misy kilema izany ankehitriny" (ao anaty baiboly ilay izy nefa ny baiboly mbola tsy very noho izany dia tsy very ilay fampianarana ao anatiny)
5°) Ary io fampianarana marina ao anaty baiboly io dia tohizako @ tenin'i Petera nilaza hoe: "Ary manana ny TENY FAMINANIANA atao MAFY ORINA KOKOA isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro (II Pet 2/19); ka na nisy aza izany ny vanim-potoana toa nitsaharan'io fampianarana io dia efa miraikitra ao anaty faminaniana kosa ny fifohazan'izany indray aty aoriana. Santionany iray horaisiko ny Isaia 66/5 izay milaza fa hisy Jiosy nankasitrahana horoahin'ny rahalahiny, ireo dia hitsoaka any @ tany lavitra ka hitondra ny fampianarana hanangonana ireo rahalahiny hafa izay tafaely (and.19, 20) hiverina ho @ Ilay hivavahany. Io faminaniana io izany dia tena azo antoka fa mbola jiosy hatrany no hitondra ny famonjena ka izay no antony itadiavako azy ireo.
Ny @ ireo fisehoana miseho sy efa niseho (Ra-dadatoa ao @ ara-pilazantsara, Randrianantoandro Joseph ao @ FPVM, ny mpitarika ny Témoins de J. tany Amérique, ilay rohy nomenao sy ny sisa...) ka samy milaza fa samy ilay tena izy no niseho taminy dia tena sarotra amiko ny hanaporofo sy hanavaka fa ny teny faminaniana kosa dia tena azo antoka fa tsy maintsy ho tanteraka. Ka asa azonao @ izay ve ny anton'ny safidiko?
76. RBNIR ( 03/03/2016 08:59)
:-) ka miandrasa ary ao amin'ny jiosy ao e, tsy aiko aloha na hisy hofidina vaovao indray any na tsia!!! Izy no mahalala, fa izaho efa nahita (tsy jiosy aloha mialatsiny).....
Sa jiosy gasy no andrasanao (na koa efa arahinao)....
Raha vao jiosy gasy anie tsy jiosy izay fa safiotra e!!! na mety misandoka ho jiosy mihitsy aza!!!

« Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. » (Apokalypsy 3:9)

Tandremo sao voafitaka ka miseho ho Jiosy nefa tsy izy an, tonga mpandainga sady lasa synagogan'i Satana!!!
77. RBNIR ( 03/03/2016 11:03)
stahtam:

4°) Marina ilay nolazainao hoe "voarakitra ao anaty baiboly ilay fampianarana marina nolazain'ny Mesia" ka noho izany diso ilay filazanao hoe "efa very tanteraka izany fampianarana tsy misy kilema izany ankehitriny" (ao anaty baiboly ilay izy nefa ny baiboly mbola tsy very noho izany dia tsy very ilay fampianarana ao anatiny)

Zava-miafina io stahtam a.....
Misy olona navela hahafantatra an'io « Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena] » (Lioka 8:10)

Misy koa hahita sy hahare ihany fa tsy hahafantatra....

Ohatra akaiky eto, mandainga raha misy milaza fa efa nahafantatra mialoha ny dikan'ilay anjely telo.....Mbola io pasteur io irery hatramin'izao no hitako (na dia hatrany ivelany aza tsy misy fa miala tsiny aho) nahavita nanazava amin'ny antsipirihany ny anjely 3 namana....

Ka andraso ao ilay jiosy, nefa aza tara loatra sao ny olona efa tonga ianao mbola hiandry ihany.....
78. rhaj0 ( 03/03/2016 11:57)
"Zava-miafina" ahoana azany... 'ngo dia tonga @ ilay fampihomehezana fataonay rahefa mialalao fanorona vela iny azany izy izany... raha misontona ilay vaton'ilay manome vela ianao, dia tonga dia misokatra ny lalana hihinanany ny vatonao rehetra. Dia hoy zahay hoe: izay ilay "manokatra pot".

Ka ngo dia toa ny raha anaty pot azany ity "zava-miafinao" ity re ry RBNIR, ka dia matahotra mafy mihintsy ianao ny hanokatra azy :-)
79. stahtam ( 03/03/2016 12:12)

RBNIR:

[quote=stahtam]
4°) Marina ilay nolazainao hoe "voarakitra ao anaty baiboly ilay fampianarana marina nolazain'ny Mesia" ka noho izany diso ilay filazanao hoe "efa very tanteraka izany fampianarana tsy misy kilema izany ankehitriny" (ao anaty baiboly ilay izy nefa ny baiboly mbola tsy very noho izany dia tsy very ilay fampianarana ao anatiny)

Zava-miafina io stahtam a.....
Misy olona navela hahafantatra an'io « Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena] » (Lioka 8:10)

Misy koa hahita sy hahare ihany fa tsy hahafantatra....

Ohatra akaiky eto, mandainga raha misy milaza fa efa nahafantatra mialoha ny dikan'ilay anjely telo.....Mbola io pasteur io irery hatramin'izao no hitako (na dia hatrany ivelany aza tsy misy fa miala tsiny aho) nahavita nanazava amin'ny antsipirihany ny anjely 3 namana....

Ka andraso ao ilay jiosy, nefa aza tara loatra sao ny olona efa tonga ianao mbola hiandry ihany.....

[quote=stahtam]
Ny faminaniana rehetra mihitsy no andrasana ny fahatanterahany satria tsy misy tsy ho tanteraka izay teny rehetra nolazainy. Ny advantiste dia efa nanazava momba ny anjely 3, ary misy hafa koa manazava azy ireo ankehitriny, fa ny tianao holazaina angamba dia hoe io no naharesy lahatra anao ka io no "marina". Tsy ny mpanazava rehetra koa no efa hitanao na henonao dia normal ilay fitenenana hoe mbola io irery no hitanao hatr@ izao, faharesen-dahatra iny ka tsy dia idirako lalina loatra ary tsy tokony hifanomezan-tsiny. Ny tena hotsindriako angamba dia ny teninao hoe "Zava-miafina io stahtam a..... Misy olona navela hahafantatra an'io « Dia hoy Izy: HIANAREO no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'A... Lioka 8/10" Ireo olona notondroiny ireo dia Jiosy avokoa fa tsy nisy hafa firenena. Vao mainka izany mitombina ilay finoako hoe ao @ Jiosy ihany no ahitana ilay zava-miafina satria izy ireo no '"navela hahalala". Azo antoka izay satria voasoratra.
Ireo fanazavanao mikasika ny Jiosy indray dia azoko fintinina toy izao:
i Joda (zanak'i jakoba) dia Jiosy nanambady vehivavy Kananita fa mbola jiosy ihany ny taranany; avy eo io taranany io dia nanambady an'i Rahaba janga vehivavy hafa firenena fa mbola Jiosy ihany ny taranany; avy eo dia nanambady vehivavy Moabita (Rota) ny taranak'io (i Boaza izany) fa mbola Jiosy ihany dia niteraka an'i Davida ny taranak'io ary Davida dia Jiosy ka asa safiotra inona no tianao holazaina? nisy Jiosy etiopiana izao nalefa tany Israël t@ 1990 (taranak'i Solomona t@ mpanjakavavin'i Sheba), dia misy ny Juifs Allemands, Juifs Américains, jiosy rosiana... ka asa inona no tianao holazaina @ ilay hoe safiotra? sa tsy Jiosy ireo? Ny ankabeazan'ireo Jiosy ao israël ireo dia avy tao Eoropa ka asa hoe sandoka ve ireo sa mpandainga raha milaza fa Jiosy?
Amiko ny Apokalypsy 3:9 dia porofo manamafy indray fa matoa misy misandoka ho Jiosy dia tsapany izany fa tsy azo ihodivirana mihitsy ny Jiosy raha vao hoe mpampianatra baiboly no resahina. Tsy afaka hampianatra izy ireo satria fantany hoe hafa firenena izy ka naleony nisandoka ho Jiosy. Ny fisian'ny mpisandoka izany dia vao mainka manamarina ny lalàna hoe: "ny Jiosy no notolorana ny teny ho ADIDINY". Ka ny Jiosy mpisandoka dia mety hisy fa izay mandinika ny faminaniana efa voasoratra dia tsy ho voafitaka. Ny Faminaniana ihany no tsy mandainga fa raha faharesen-dahatra mantsy dia mbola azo ametraham-panontaniana hoe "izay maharesy lahatra ve no marina?" Milaza ohatra ny faminaniana fa haeliny any @ faran'ny tany ny firenena tany avaratra (Israely) ary mbola hampodiany indray ka fahendrena ny miandry izany ho tanteraka toa izay ho maika tsy faingana ka sao hanaonao foana.
Rehefa afa-po @ izay valin-teniko izay ianao vao hiditra @ ilay Galatiana noresahinao aho ka efa afaka miditra ve?
80. RBNIR ( 04/03/2016 06:01)
Mba ento eto hoe ilay nanazavan'ny advantiste azy ary mba ho hitantsika stahtam.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4633